Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fandresena Niavaka

Fandresena Niavaka

Fandresena Niavaka

MANOHITRA ny finoanao ve ny any am-piasanao, na ny any am-pianaranao, na ny fianakavianao? Sa manakantsakana ny asa fitoriana ny mpitondra? Aza kivy, raha izany no mitranga. Betsaka ny Vavolombelon’i Jehovah niatrika fitsapana toy izany, nefa tafavoaka ho mpandresy. Araho ange ny tantaran’i Erna Ludolph e!

Teraka tamin’ny 1908 tao Lübeck, any Alemaina, i Erna. Izy irery no nanompo an’i Jehovah tao amin’ny fianakaviany. Niharam-pitsapana mafy ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa tonga teo amin’ny fitondrana i Hitler tamin’ny 1933. Nosamborin’ny Nazia i Erna, satria nitoroka azy ny mpiara-miasa taminy, noho izy tsy nety nanao ilay fiarahabana manokana arahina fitenenana hoe: “Heil Hitler.” Nafindrafindra fonja sy toby fitanana tany Hambourg-Fuhlsbüttel, Moringen, Lichtenburg, ary Ravensbrück, izy nandritra ny valo taona. Nisy zava-nitranga tany Ravensbrück, nahatonga azy handresy.

Mpiasa an-trano hafakely

Nipetraka tany Berlin ny Profesora Friedrich Holtz sy Alice vadiny. Sady tsy anisan’ny antoko nazia izy mivady, no tsy nanohana azy io. Nanana havana nazia anefa ry zareo, ary manam-pahefana niandraikitra ny voafonja tany amin’ny toby fitanana sasany izy io. Navelany hifidy voafonja vavy iray izy mivady, rehefa nitady mpiasa an-trano. Tonga tao Ravensbrück i Alice tamin’ny Martsa 1943, mba hifidy mpiasa an-trano. Iza no nalainy? I Erna Ludolph. Lasa niara-nipetraka tamin-dry Holtz àry izy, ary tsara fanahy taminy izy ireo. Nanaraka azy ireo tany Halle any Saale izy, rehefa tapitra ny ady. Ny fitondrana sosialista tany Alemaina Atsinanana indray no nanenjika an’i Erna tany. Noterena hifindra tany Alemaina Andrefana ry Holtz tamin’ny 1957, ary nanaraka azy ireo tany izy. Afaka nanaraka tsara ny fivavahany amin’izay izy tany.

Nahoana no niavaka ny fandresen’i Erna? Tsara fitondran-tena sy nahay nitory ny hafatra ara-baiboly izy, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa i Alice Holtz sy ny zanany 5 ary ny zafikeliny 11. Miasa ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, any Selters any Alemaina, ankehitriny ny roa amin’ny zafikelin’i Alice. Hoy i Susanne, zanany vavy: “Ny ohatra tsara navelan’i Erna no tena nahatonga ny fianakavianay hanaiky ny fahamarinana.” Novalian-tsoa tokoa ny fiaretany. Ary ianao? Mety hisy vokany tsara toy izany koa ny fiaretanao sy ny tsy fivadihanao manoloana ny zava-tsarotra. Mety hahazo fandresena miavaka tokoa ianao, raha tsara fitondran-tena sy mahay mitory. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Nodimandry teo amin’ny faha-96 taonany i Erna Ludolph, raha nomanina ity lahatsoratra ity. Tsy nivadika mandra-pahafatiny izy.

[Sary, pejy 31]

Erna Ludolph (mipetraka) sy ny sasany amin’ny fianakaviana Holtz