Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana i Paoly no nilaza fa “ho voaron’ny fiterahana” ny vehivavy kristianina manambady?—1 Timoty 2:15.

Inona no tian’i Paoly hambara, rehefa jerena ny teny manodidina an’io andinin-teny io? Notarihin’ny fanahy masina izy, mba hanome torohevitra momba ny anjara asan’ny vehivavy kristianina eo anivon’ny fiangonana. Hoy izy: “Iriko koa ny vehivavy mba hihaingo amin’ny akanjo milamina tsara, sy amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena, fa tsy amin’ny randram-bolo niangaliana fatratra, na amin’ny volamena na perla na fitafiana tena lafo vidy. Aoka kosa ny fihaingoany hifanentana amin’ny vehivavy milaza ho mpivavaka amin’Andriamanitra, izany hoe, amin’ny alalan’ny asa tsara.” (1 Timoty 2:9, 10) Nampirisika ireo anabavy kristianina i Paoly mba ho maotina, hahay handanjalanja rehefa mihaingo, ary “hihaingo” amin’ny alalan’ny asa tsara.

Nanazava ny fahefana napetraka teo anivon’ny fiangonana i Paoly, taorian’izay. Hoy izy: “Ny vehivavy tsy avelako hampianatra, na hanana fahefana eo amin’ny lehilahy, fa tokony hangina kosa.” (1 Timoty 2:12; 1 Korintianina 11:3) Nolazainy ny anton’izany fandaharana izany. Nohazavainy fa tsy i Adama no voafitak’i Satana, fa i Eva “no voafitaka tanteraka, ka nanjary nandika lalàna.” Inona no hiaro ny vehivavy kristianina, mba tsy hamerina ny fahadisoan’i Eva? Namaly i Paoly hoe: “Ho voaron’ny fiterahana ihany anefa izy, raha maharitra amin’ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana, ka miezaka ho tonga olona misaina.” (1 Timoty 2:14, 15) Inona no tian’i Paoly holazaina?

Araka ny ilazan’ny fandikan-teny sasany azy, dia toy ny hoe tsy ho voavonjy ny vehivavy raha tsy miteraka. Milaza, ohatra, ny Fandikan-teny Protestanta hoe: “Hovonjena ihany izy amin’ny fiterahan-jaza.” Tsy izany anefa no tian’i Paoly holazaina. Asehon’ny andinin-teny maro mantsy fa mba hahavoavonjy ny olona, dia tsy maintsy mahalala an’i Jehovah sy mino an’i Jesosy izy, ary maneho finoana ka manaporofo izany amin’ny ataony. (Jaona 17:3; Asan’ny Apostoly 16:30, 31; Romanina 10:10; Jakoba 2:26) Tsy te hilaza koa i Paoly hoe tsy ho saro-piterahana mihitsy ny vehivavy rehefa mpino. Niteraka soa aman-tsara mantsy ny vehivavy maro, na mpino izy na tsy mpino. Ary mampalahelo fa nisy koa vehivavy mpino sy tsy mpino maty teo am-piterahana.—Genesisy 35:16-18.

Manampy antsika hahazo ny tian’i Paoly holazaina ny torohevitra hafa nomeny ny vehivavy, tao amin’io taratasiny io ihany. Nanariny ny vehivavy mpitondratena tanora sasany, satria ‘tsy nanao na inona na inona, ka nitety tranon’olona, eny, tsy vitan’ny hoe tsy nanao na inona na inona, fa mpifosafosa sy nitsabaka tamin’ny fiainan’ny olona koa, ka niresaka zavatra tsy tokony horesahiny.’ Inona no torohevitra nomen’i Paoly ho azy ireo? Nanohy ny teniny izy hoe: “Koa iriko hanambady ny vehivavy mpitondratena tanora, ka hiteraka sy hitondra tokantrano, ary tsy hanao zavatra hahatonga ny mpanohitra hanevateva.”—1 Timoty 5:13, 14.

Nanasongadina ny anjara asa mahasoa ankinina amin’ny vehivavy ao amin’ny fianakaviana i Paoly. Tsy ho voasarika hanao zavatra tsy mety izy raha manao ireo anjara asany ireo, izany hoe “hiteraka sy hitondra tokantrano” sady “maharitra amin’ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana, ka miezaka ho tonga olona misaina.” Ho ‘voaro’, na ho tsara foana ny fifandraisany amin’Andriamanitra. (1 Timoty 2:15) Tsy ho voafandrik’i Satana ny vehivavy tanora maro, raha manaraka ireo torohevitra ireo.

Na lehilahy isika na vehivavy, dia mampahatsiahy antsika rehetra mba hampiasa ny fotoanantsika hanaovana zavatra mahasoa, ireo tenin’i Paoly ho an’i Timoty ireo. Manoro hevitra ny Kristianina rehetra ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Mitandrema tsara hatrany mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry.”—Efesianina 5:15.