Iza no Hatsangana Amin’ny Maty?
Iza no Hatsangana Amin’ny Maty?
“Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo.”—JAONA 5:28, 29.
1. Inona no zava-dehibe ren’i Mosesy avy tao amin’ilay voaroy nirehitra, ary iza no namerina ireo teny ireo tatỳ aoriana?
NISY zavatra tena hafakely nitranga, 3 500 taona lasa izay. Niandry ny ondrin’i Jetro tany akaikin’ny Tendrombohitra Horeba i Mosesy. Nisy anjelin’i Jehovah niseho taminy tao anaty lelafo, teo afovoan’ny hazo roimemy na voaroy. Milaza ny Eksodosy fa “nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana.” Nisy feo niantso azy avy tao amin’ilay voaroy nirehitra, nanao hoe: “Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba.” (Eksodosy 3:1-6) Naverin’i Jesosy, Zanak’Andriamanitra, ireo teny ireo tamin’ny taonjato voalohany.
2, 3. a) Inona no valisoa ho azon’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba? b) Inona avy no fanontaniana mipetraka?
2 Niresaka tamin’ireo Sadoseo tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty i Jesosy tamin’izay. Hoy izy: “Na i Mosesy aza nampahafantatra ny amin’ny fitsanganan’ny maty, tao amin’ny fitantarana momba ilay voaroy, rehefa niantso an’i Jehovah hoe ‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba.’ Tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an’ny velona, satria aminy dia velona avokoa izy rehetra ireo.” (Lioka 20:27, 37, 38) Nohamafisin’i Jesosy àry fa ao anaty fitadidian’Andriamanitra ry Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka toy ny hoe mbola velona izy ireo na dia efa ela aza no maty. Miandry ny hifaranan’ny ‘andro fanafihany’ na ny torimasom-pahafatesany izy ireo, sahala amin’i Joba. (Joba 14:14) Hatsangana amin’ny maty izy ireo ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra.
3 Ahoana kosa ny amin’ireo olona an’arivony tapitrisa maty hatramin’izay? Hatsangana amin’ny maty koa ve izy ireny? Alohan’ny hamaliana izany, dia hojerentsika aloha hoe aiza no misy ny maty, araka ny lazain’ny Tenin’Andriamanitra.
Aiza no misy ny maty?
4. a) Aiza no misy ny maty? b) Inona no atao hoe Sheola?
4 Milaza ny Baiboly fa “tsy mba mahalala na inona na inona” ny maty. Tsy mijalijaly any amin’ny afobe izy ireo, na sasa-miandry any amin’ny Limby, fa miverina ho vovoka fotsiny. Manoro hevitra ny velona àry ny Mpitoriteny 9:5, 10; Genesisy 3:19) Olona maro no tsy mahalala ilay teny hoe “Sheola”, ary tsy fantatra loatra ny niavian’io teny hebreo io. Ampianarina ao amin’ny fivavahana maro fa mbola velona ny maty. Ny Tenin’Andriamanitra anefa milaza fa tsy mahalala na inona na inona ny maty ao amin’ny Sheola. Tsy toerana ara-bakiteny àry no atao hoe Sheola, fa ny fasana misy ny maty rehetra.
Tenin’Andriamanitra hoe: “Izay rehetra azon’ny tànanao atao dia ataovy amin’ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita [Sheola, fanamarihana ambany pejy] izay alehanao.” (5, 6. Taiza no nisy an’i Jakoba rehefa maty izy, ary iza no niray fasana taminy?
5 Ao amin’ny Genesisy 37:35 no ahitana voalohany ilay teny hoe “Sheola” ao amin’ny Baiboly. Tsy nety nampiononina i Jakoba, loham-pianakaviana fahiny, rehefa nihevitra fa maty i Josefa, ilay zanany malala. Hoy izy: “Hidina misaona ho any amin’ny zanako any amin’ny [Sheola] aho.” Te ho faty sy ho any amin’ny Sheola izy, satria noheveriny fa maty ny zanany. Naniry hitondra an’i Benjamina, zanany faralahy, tany Ejipta ny zanak’i Jakoba sivy mirahalahy tatỳ aoriana, mba hahazoana sakafo. Tsy nety anefa i Jakoba, fa nilaza hoe: “Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako; fa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa, ary raha hisy loza hanjo azy any amin’ny làlana izay halehanareo, dia hampidininareo any amin’ny [Sheola] amin’alahelo ny volo fotsiko.” (Genesisy 42:36, 38) Ampifandraisin’ireo andinin-teny roa ireo amin’ny fahafatesana àry ny Sheola, fa tsy amin’ny fiainana any ankoatra mihitsy.
6 Milaza ny Genesisy fa lasa mpiandraikitra ny sakafo tany Ejipta i Josefa. Afaka nankany i Jakoba, ka faly erỳ nihaona taminy. Nipetraka tany izy mandra-pahafatiny, tamin’izy 147 taona. Araka ny hafatrafatra farany nomeny, dia nentin’ny zanany nalevina tany amin’ny zohin’i Makpela, tany Kanana, ny fatiny. (Genesisy 47:28; 49:29-31; 50:12, 13) Niray fasana tamin’i Isaka rainy sy Abrahama raibeny àry izy.
“Voangona any amin’ny razany”
7, 8. a) Nankaiza i Abrahama rehefa maty? Hazavao. b) Inona no mampiseho fa nisy hafa koa nankany amin’ny Sheola?
7 Nanamafy ny fifanekeny tamin’i Abrahama i Jehovah talohan’izay, ary nampanantena fa ho maro be ny taranany. Nilaza izay hiafaran’i Abrahama koa izy hoe: “Nefa hianao kosa ho any amin’ny razanao amin’ny fiadanana; ho tratrantitra indrindra hianao vao hodi-mandry.” (Genesisy 15:15) Ary izany mihitsy no nitranga. Hoy ny Genesisy 25:8: “Niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin’ny razany izy.” Iza ireo razany ireo? Ireo voatanisa ao amin’ny Genesisy 11:10-26, nanomboka tamin’i Sema zanak’i Noa. Voangona niaraka tamin’ireo efa natory tao amin’ny Sheola àry i Abrahama rehefa maty.
8 Miverimberina ao amin’ny Soratra Hebreo ilay teny hoe “voangona any amin’ny razany.” Azo inoana àry fa nankany amin’ny Sheola koa i Isimaela, zanak’i Abrahama, sy Arona, rahalahin’i Mosesy. Miandry ny fitsanganana amin’ny maty izy ireo. (Genesisy 25:17; Nomery 20:23-29) Nankany amin’ny Sheola koa i Mosesy, na dia tsy misy mahalala aza ny toerana misy ny fasany. (Nomery 27:13; Deoteronomia 34:5, 6) Nidina any amin’ny Sheola koa ry Josoa, mpitarika ny Israely nandimby an’i Mosesy, sy ny taranaka rehetra nisy tamin’izany, rehefa maty.—Mpitsara 2:8-10.
9. a) Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa toerana iray ihany no tondroin’ilay teny hebreo hoe “Sheola” sy ilay teny grika hoe “Hadesy”? b) Inona no antenain’ireo any amin’ny Sheola na Hadesy?
9 Lasa mpanjakan’ny foko 12 teo amin’ny Israely i Davida, taonjato maro tatỳ aoriana. ‘Nodimandry tany amin’ny razany’ izy rehefa maty. (1 Mpanjaka 2:10) Any amin’ny Sheola koa ve izy? Mahaliana fa niresaka momba ny fahafatesan’i Davida ny apostoly Petera tamin’ny Pentekosta taona 33. Naka teny tao amin’ny Salamo 16:10 izy, manao hoe: “Tsy ho foinao ho any amin’ny [Sheola] ny aiko.” Nampihatra an’ireo teny ireo tamin’i Jesosy izy, rehefa avy nilaza fa mbola tao am-pasana i Davida. Hoy izy: “Efa hitan’i Davida mialoha ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty ary efa niresaka momba izany izy, dia ny hoe tsy nafoy tao am-pasana [na Hadesy] i Jesosy sady tsy lo ny nofony. Natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty izany Jesosy izany, ary vavolombelon’izany izahay rehetra.” (Asan’ny Apostoly 2:29-32) Nampiasa ilay teny hoe “Hadesy” i Petera eto, araka ny fanamarihana ambany pejy. Io no teny grika mifanitsy amin’ilay teny hebreo hoe “Sheola.” Mitovy ihany àry ny fanantenan’ireo any amin’ny Hadesy sy Sheola. Samy matory izy ireo, miandry ny fitsanganana amin’ny maty.
Misy olona tsy marina ve any amin’ny Sheola?
10, 11. Nahoana isika no milaza fa misy olona tsy marina any amin’ny Sheola na Hadesy?
10 Nikomy ny Israelita sasany rehefa tonga tany an’efitra, taorian’ny nitarihan’i Mosesy azy ireo nivoaka an’i Ejipta. Nilaza tamin’ny vahoaka àry i Mosesy mba hihataka tamin’i Kora sy Datana ary Abirama, mpitarika an’ilay fikomiana. Ho faty amin’ny fomba tsy mahazatra izy ireo. Nanazava i Mosesy hoe: “Raha maty toy ny fahafatin’ny olona rehetra ireo olona ireo, na valiana araka ny famaliana ny olona rehetra izy, dia tsy Jehovah no naniraka ahy. Fa raha hanao zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin’izay azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin’ny [Sheola] izy, dia ho fantatrareo fa efa nandà an’i Jehovah ireo lehilahy ireo.” (Nomery 16:29, 30) Samy nankany amin’ny Sheola na Hadesy àry ireo mpikomy rehetra, na ny natelin’ny tany na ny levon’ny afo, toa an-dry Kora sy ny Levita 250 niandany taminy.—Nomery 26:10.
11 Nanozona an’i Davida Mpanjaka i Simey, ka nasainy nosazin’i Solomona, mpandimby azy. Hoy i Davida: “Aza ataonao afa-tsiny izy; fa lehilahy hendry hianao, ka fantatrao izay tokony hanaovanao azy, ka amin’ny fandatsahan-dra no hampidinanao ny volo fotsiny ho any amin’ny [Sheola].” I Benaia no nodidian’i Solomona hampihatra ilay sazy. (1 Mpanjaka 2:8, 9, 44-46) Novonoin’i Benaia koa i Joaba, mpitari-tafiky ny Israely taloha. Tsy ‘nidina tany amin’ny [Sheola] tamin’ny fiadanana ny volo fotsiny.’ (1 Mpanjaka 2:5, 6, 28-34) Manamarina an’ilay hira nampanoratin’Andriamanitra an’i Davida ireo ohatra roa ireo. Hoy izy: “Hiverina ho any amin’ny [Sheola] ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an’Andriamanitra.”—Salamo 9:17.
12. Iza i Ahitofela, ary nankaiza izy rehefa maty?
12 Mpanolo-tsaina manokan’i Davida i Ahitofela. Toy ny tenin’i Jehovah mihitsy no fiheverana ny toroheviny. (2 Samoela 16:23) Nampalahelo anefa fa nivadika io mpanompo natokisana io, ka lasa niaraka tamin’ireo mpikomy notarihin’i Absaloma, zanak’i Davida. Io zava-nitranga io angamba no noresahin’i Davida rehefa nanoratra izy hoe: “Tsy fahavalo no nanaratsy ahy,—fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy,—fa raha izany, dia niery azy aho.” Hoy koa izy: “Aoka hanampoka azy ny fahafatesana. Aoka hidina velona any amin’ny [Sheola] izy; fa ratsy no ao amin’ny fonenany, dia ao afovoany.” (Salamo 55:12-15) Nankany amin’ny Sheola i Ahitofela sy ny namany rehefa maty.
Iza no any amin’ny Gehena?
13. Nahoana i Jodasy no nantsoina hoe “zanaky ny fandringanana”?
13 Ampitahao amin’izay nitranga tamin’i Davida ny nanjo an’i Jesosy, ilay Davida Lehibe. Lasa mpamadika toa an’i Ahitofela i Jodasy Iskariota, iray tamin’ireo apostolin’i Kristy 12. Ratsy lavitra noho ny nataon’i Ahitofela anefa no nataony. Ny Zanaka lahitokan’Andriamanitra mihitsy no nivadihany. Niresaka momba ny mpianany ilay Zanak’Andriamanitra tao amin’ny vavaka nataony, rehefa nifarana ny fanompoany tetỳ an-tany. Hoy izy: “Raha mbola teo aminy aho, dia niaro azy noho ny amin’ny anaranao izay nomenao ahy, eny, efa narovako izy ireo, ka tsy nisy ringana na iray aza, afa-tsy ilay zanaky ny fandringanana, mba hahatanteraka ny Soratra Masina.” (Jaona 17:12) Tsy antenaina hitsangana amin’ny maty intsony i Jodasy, matoa nantsoin’i Jesosy hoe “zanaky ny fandringanana.” Tsy ao anaty fitadidian’Andriamanitra intsony izy. Tsy nankany amin’ny Sheola izy fa any amin’ny Gehena. Inona no atao hoe Gehena?
14. Inona no tondroin’ilay teny hoe Gehena?
14 Nomelohin’i Jesosy ny mpitondra fivavahana tamin’ny androny, satria nataony “mendrika ny Gehena” ny mpianatr’izy ireo tsirairay. (Matio 23:15) Nahafantatra tsara ilay fanariam-pako tao amin’ny Lohasahan’i Hinoma ny olona tamin’izany. Tao no nanariana ny fatin’ireo mpanao heloka bevava noheverina fa tsy mendrika ny halevina. Efa niresaka momba ny Gehena koa i Jesosy tao amin’ilay Toriteniny teo An-tendrombohitra. (Matio 5:29, 30) Nazava tamin’ireo nihaino azy àry ny tiany holazaina. Manondro fandringanana tanteraka, tsy misy fanantenana fitsanganana amin’ny maty, ny Gehena. Nisy olon-kafa koa ve nankany amin’ny Gehena, ankoatra an’i Jodasy Iskariota?
15, 16. Iza koa no nankany amin’ny Gehena rehefa maty, ary nahoana?
15 I Adama sy Eva no olona noforonina voalohany, ary lavorary izy ireo, nefa ninia nanota. Afaka nifidy ny ho velona na ho faty mandrakizay izy ireo. Tsy nankatò an’Andriamanitra anefa izy mivady, fa niandany tamin’i Satana. Tsy nandray soa tamin’ny sorom-panavotan’i Kristy àry izy ireo rehefa maty, fa nankany amin’ny Gehena.
16 Namono an’i Abela rahalahiny, i Kaina zanak’i Adama lahimatoa, ka lasa mpirenireny. Nilaza ny apostoly Jaona fa “avy tamin’ilay ratsy” i Kaina. (1 Jaona 3:12) Azo inoana àry fa nankany amin’ny Gehena koa izy rehefa maty, toy ny ray aman-dreniny ihany. (Matio 23:33, 35) Hafa tanteraka mihitsy anefa no nitranga tamin’i Abela, lehilahy marina! Hoy i Paoly: “Finoana no nanoloran’i Abela ho an’Andriamanitra sorona nisy vidiny kokoa noho ny an’i Kaina. Noho ny finoany no nanambarana azy ho marina, ka Andriamanitra no nanaporofo ny amin’ny fanomezana nataony. Ary na efa maty aza izy, dia mbola miteny ihany, noho ny finoany.” (Hebreo 11:4) Any amin’ny Sheola i Abela, ary miandry ny fitsanganana amin’ny maty izy.
Fitsanganana “voalohany” sy “tsara kokoa”
17. a) Iza no mankany amin’ny Sheola amin’izao ‘fotoan’ny farany’ izao? b) Inona no hitranga amin’ireo any amin’ny Sheola sy ireo any amin’ny Gehena?
17 Maro amin’ireo mamaky ity fanazavana ity no hanontany hoe: ‘Ary ahoana ny amin’ireo olona maty mandritra “ny fotoan’ny farany”?’ (Daniela 8:19) Milaza ny Apokalypsy toko faha-6 fa hisy mpitaingin-tsoavaly efatra mandritra io fotoana io. Tsara homarihina fa Fahafatesana no anaran’ilay mpitaingin-tsoavaly farany, ary manaraka azy ny Fasana na Hadesy. Midika izany fa ho any amin’ny Hadesy ny ankamaroan’ireo maty, noho ny nafitsok’ireo mpitaingin-tsoavaly teo aloha. Miandry ny fitsanganana amin’ny maty ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra izy ireo. (Apokalypsy 6:8) Inona àry no hitranga amin’ireo any amin’ny Sheola (Hadesy) sy ireo any amin’ny Gehena? Raha tsorina dia hatsangana amin’ny maty ireo ao amin’ny Sheola, fa ho ringana mandrakizay kosa, na tsy hisy intsony, ireo ao amin’ny Gehena.
18. Hanao ahoana ireo mahazo “ny fitsanganana voalohany”?
18 Hoy ny apostoly Jaona: “Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany. Tsy manam-pahefana amin’izy ireo ny fahafatesana faharoa, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo, ka hiara-manjaka aminy arivo taona.” Hahazo “ny fitsanganana voalohany” ireo hiara-manjaka amin’i Kristy. Inona kosa no antenain’ny sisa?—Apokalypsy 20:6.
19. Miandrandra inona ireo hahazo ny “fitsanganana tsara kokoa”?
19 Nanomboka tamin’ny andron’i Elia sy Elisa mpaminany no nisy olona natsangana tamin’ny maty. Hoy i Paoly: “Nisy vehivavy nandray ny havany efa maty, izay natsangana. Fa ny hafa indray nampijalijalina noho izy ireo tsy nanaiky hafahana tamin’ny alalan’ny vidim-panavotana, mba hahazoany fitsanganana tsara kokoa.” Tsy ny hiaina taona vitsivitsy monja, ary avy eo ho faty no nantenain’ireo olona mahatoky ireo, rehefa hatsangana amin’ny maty, fa ny hiaina mandrakizay! Tena ho “fitsanganana tsara kokoa” tokoa izany.—Hebreo 11:35.
20. Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
20 Azo antoka fa hahazo “fitsanganana tsara kokoa” isika raha maty mahatoky, alohan’ny hamaranan’i Jehovah an’ity tontolo ratsy ity. Tsara kokoa ilay izy, satria ho afaka hiaina mandrakizay isika. Nampanantena i Jesosy hoe: “Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo.” (Jaona 5:28, 29) Horesahina bebe kokoa ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny zava-kendren’ny fitsanganana amin’ny maty. Ho hitantsika hoe nahoana ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty no manome hery tsy hivadihana, sy manampy antsika hahafoy tena kokoa.
Tadidinao Ve?
• Nahoana i Jehovah no lazaina fa Andriamanitry “ny velona”?
• Manao ahoana ireo any amin’ny Sheola?
• Inona no hitranga amin’ireo any amin’ny Gehena?
• Miandrandra inona ireo hahazo “fitsanganana tsara kokoa”?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 15]
Hatsangana amin’ny maty toa an’i Abrahama, ireo any amin’ny Sheola
[Sary, pejy 16]
Nahoana i Adama sy Eva, Kaina, ary Jodasy Iskariota no nankany amin’ny Gehena?