Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahakasika Anao ny Fampianarana Momba ny Fitsanganana Amin’ny Maty

Mahakasika Anao ny Fampianarana Momba ny Fitsanganana Amin’ny Maty

Mahakasika Anao ny Fampianarana Momba ny Fitsanganana Amin’ny Maty

Manantena amin’Andriamanitra aho ... fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.”—ASAN’NY APOSTOLY 24:15.

1. Nahoana ny fitsanganana amin’ny maty no niteraka adihevitra be teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy?

TANY Jerosalema ny apostoly Paoly tamin’ny taona 56, rehefa nifarana ny dia misionera fahatelo nataony. Nosamborin’ny Romanina izy, ary nentina hotsaraina teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy. (Asan’ny Apostoly 22:29, 30) Tsikaritr’i Paoly fa nisy Sadoseo sy Fariseo tamin’ireo mpitsara. Misy lafin-javatra tsy itovian’ireo antokon’olona roa ireo. Ny Fariseo mino ny fitsanganana amin’ny maty, fa ny Sadoseo kosa tsy mino. Niaro tena toy izao àry i Paoly: “Ry rahalahy! Fariseo aho, ary zanaky ny Fariseo. Ny amin’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty no itsarana ahy.” Niteraka adihevitra be tao amin’ilay fitsarana izany teniny izany!—Asan’ny Apostoly 23:6-9.

2. Nahoana i Paoly no vonona hiaro ny finoany ny fitsanganana amin’ny maty?

2 Teny an-dalana ho any Damaskosy i Paoly, taona maromaro talohan’izay. Nahita fahitana izy, ary nandre ny feon’i Jesosy. Nanontany mihitsy izy hoe: “Tompo ô, inona izao no hataoko?” Hoy i Jesosy taminy: “Mitsangàna ka mandehana any Damaskosy, fa any no hilazana aminao izay rehetra asaina hataonao.” Nampian’i Ananiasy, mpianatra kristianina, i Paoly rehefa tonga tany. Hoy izy: “Andriamanitry ny razantsika efa nifidy anao mba hahalalanao ny sitrapony sy hahitanao an’Ilay marina [Jesosy efa nitsangana tamin’ny maty] ary handrenesanao ny feon’ny vavany.” (Asan’ny Apostoly 22:6-16) Tsy mahagaga àry raha vonona hiaro ny finoany ny fitsanganana amin’ny maty i Paoly.—1 Petera 3:15.

Nambara ampahibemaso ilay fanantenana

3, 4. Ahoana no niarovan’i Paoly ny fampianarana momba ny fitsanganana amin’ny maty? Inona no ianarantsika avy amin’izany?

3 Notsaraina teo anatrehan’i Feliksa Governora i Paoly, taorian’izay. I Tertylo “mpikabary” no nilaza ny antony niampangan’ny Jiosy an’i Paoly. Nolazainy fa mpitarika sekta izy, sady nampirisika ny olona hikomy amin’ny fanjakana. Tsy nisalasala i Paoly namaly hoe: ‘Ekeko eto anatrehanao kosa, fa araka ilay fomba fivavahana antsoin’izy ireo hoe “sekta”, eny, araka izany fomba izany no anompoako ny Andriamanitry ny razako.’ Niresaka an’ilay raharaha tena niadian-kevitra izy avy eo. Hoy izy: “Manantena amin’Andriamanitra aho, araka izay antenain’izy ireo koa, fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.”—Asan’ny Apostoly 23:23, 24; 24:1-8, 14, 15.

4 Mbola voafonja i Paoly, roa taona teo ho eo tatỳ aoriana. Nanasa ny Mpanjaka Heroda Agripa i Porsio Festosy, ilay nandimby an’i Feliksa, mba hiaraka aminy hamotopototra an’i Paoly. Nanazava i Festosy, fa tsy neken’ireo mpiampanga ny filazan’i Paoly hoe ‘velona ilay atao hoe Jesosy izay efa maty.’ Nanontany toy izao àry i Paoly rehefa niaro tena: “Fa ahoana no hiheveranareo fa tsy azo inoana hoe manangana ny maty Andriamanitra?” Hoy izy avy eo: ‘Nahazo ny fanampian’Andriamanitra aho, ka mbola mijoro ho vavolombelona mandraka androany, na amin’ny kely na amin’ny lehibe, ary tsy milaza afa-tsy izay nambara fa hitranga, araka ny voalaza ao amin’ny Mpaminany sy Mosesy, dia ny hoe tsy maintsy nijaly Kristy, ary ho voalohany amin’izay hatsangana amin’ny maty, ka hitory fahazavana amin’ny vahoakan’Israely sy amin’ny hafa firenena.’ (Asan’ny Apostoly 24:27; 25:13-22; 26:8, 22, 23) Nafana fo tokoa i Paoly niaro ny fampianarana momba ny fitsanganana amin’ny maty! Afaka manahaka azy isika, ka tsy hisalasala hitory fa hisy ny fitsanganana amin’ny maty. Ahoana anefa no mety ho fihetsiky ny olona? Azo inoana fa ho toy izay hitan’i Paoly ihany.

5, 6. a) Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona, rehefa nitory momba ny fitsanganana amin’ny maty ireo apostoly? b) Inona no tena ilaintsika noho isika miresaka ny fanantenantsika momba ny fitsanganana amin’ny maty?

5 Diniho izay nitranga nandritra ny dia misionera faharoa nataon’i Paoly (taona 49-52 tany ho any), rehefa nitsidika an’i Atena izy. Nampisaintsaina an’ireo olona nino andriamanitra maro izy tamin’izay. Nolazainy fa mikasa hitsara ny tany onenana araka ny marina Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy, ilay lehilahy voatendriny. Nanazava i Paoly fa efa nanome antoka ny amin’izany Andriamanitra, rehefa nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty. Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona? Izao no voalaza ao: “Nony nandre ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty ireo dia naneso, fa ny sasany kosa nanao hoe: ‘Amin’ny manaraka izahay mbola hihaino anao ny amin’izany.’ ”—Asan’ny Apostoly 17:29-32.

6 Toy izany koa no nitranga tamin’i Petera sy Jaona, taoriana kelin’ny Pentekosta taona 33. Nandray anjara betsaka tamin’ilay adihevitra koa ny Sadoseo tamin’izay. Hoy ny Asan’ny Apostoly 4:1-4: “Ary raha mbola niteny tamin’ny vahoaka izy roa lahy, dia tonga teo aminy ny lohan’ny mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo. Sosotra mantsy ireo, satria nampianatra ny vahoaka izy roa lahy sady nanambara mazava momba ny fitsanganana amin’ny maty, ka niresaka ny nitsanganan’i Jesosy.” Nandray tsara anefa ny hafa. ‘Maro tamin’ireo nihaino ilay lahateny no nino, ary lasa dimy arivo teo ho eo ny isan’ny lehilahy.’ Hita avy amin’izany fa mety tsy hitovy ny fihetsiky ny olona, rehefa miresaka momba ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty isika. Tena ilaina àry ny hanatanjahana ny finoantsika an’io fampianarana io.

Ny finoana sy ny fitsanganana amin’ny maty

7, 8. a) Inona no mety hahavery maina ny finoana, araka ny taratasy ho an’ny fiangonan’i Korinto? b) Nahoana no mampiavaka ny tena Kristianina, ny fahatakarany ny tena marina momba ny fitsanganana amin’ny maty?

7 Tsy mora tamin’izay rehetra lasa Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ny nanaiky ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Anisan’izany ny olona sasany teo anivon’ny fiangonan’i Korinto. Izao no nosoratan’i Paoly ho azy ireo: “Anisan’ny zavatra voalohany natolotro anareo ilay noraisiko koa, dia izao: Maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina, ary nalevina izy dia natsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina.” Nanamafy ny fahamarinan’izany i Paoly rehefa nilaza fa ‘niseho tamin’ny rahalahy maherin’ny dimanjato’ i Kristy, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, ary mbola velona ny ankamaroan’izy ireo tamin’izay. (1 Korintianina 15:3-8) Nampisaintsaina koa izy hoe: “Raha Kristy no torina fa efa natsangana tamin’ny maty, ahoana no ilazan’ny sasany aminareo fa tsy misy fitsanganan’ny maty? Raha tsy hisy tokoa ny fitsanganan’ny maty, na i Kristy aza tsy natsangana. Fa raha tsy natsangana i Kristy, dia tena very maina ny fitorianay, ary very maina ny finoanay.”—1 Korintianina 15:12-14.

8 Very maina tokoa ny finoan’ny Kristianina, raha tsy ekeny fa tena misy ny fitsanganana amin’ny maty. Tena zava-dehibe àry ny fampianarana momba ny fitsanganana amin’ny maty. Ny fahatakarana ny tena marina momba azy io no mampiavaka ny tena Kristianina amin’ny Kristianina sandoka. (Genesisy 3:4; Ezekiela 18:4) Noho izany, dia nampidirin’i Paoly ho anisan’ny “fampianarana fototra” ao amin’ny Kristianisma ny fampianarana momba ny fitsanganana amin’ny maty. Enga anie isika ho tapa-kevitra ny “handroso haingana ho amin’ny fahamatorana.” “Ary hanao izany isika, raha avelan’Andriamanitra”, hoy ihany i Paoly.—Hebreo 6:1-3.

Fanantenana fitsanganana amin’ny maty

9, 10. Inona no tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe fitsanganana amin’ny maty?

9 Ireto misy fanontaniana hanampy antsika hanatanjaka ny finoantsika ny fitsanganana amin’ny maty: Inona no tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe fitsanganana amin’ny maty? Nahoana io fampianarana io no manasongadina ny fitiavan’i Jehovah? Hanampy antsika hampianatra ny olona momba azy io ny valin’ireo fanontaniana ireo, sady hahatonga antsika ho akaiky kokoa an’Andriamanitra.—2 Timoty 2:2; Jakoba 4:8.

10 Avy amin’ny teny grika midika ara-bakiteny hoe “mitsangana indray” ny hoe “fitsanganana amin’ny maty.” Inona no voafaoka amin’izany? Milaza ny Baiboly fa ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty, dia ny finoana fa ho velona indray ny maty. Lazain’izy io koa fa hanana vatana ara-nofo na ara-panahy ilay olona hatsangana, arakaraka ny fanantenany na ho eto an-tany na ho any an-danitra. Mahatalanjona tokoa ny fitiavana sy fahendrena ary hery asehon’i Jehovah amin’izany.

11. Inona no fanantenan’ireo voahosotra?

11 Nahazo vatana ara-panahy i Jesosy sy ireo rahalahiny voahosotra rehefa natsangana, mba hahafahany hanompo any an-danitra. (1 Korintianina 15:35-38, 42-53) Ho mpanjaka ao amin’ny Fanjakan’ny Mesia, izay hanova ny tany ho Paradisa, izy ireo. Ho mpisorona koa ireo voahosotra eo ambany fahefan’i Jesosy, ilay Mpisoronabe. Izy ireo no hampihatra ny soa entin’ny sorom-panavotan’i Kristy amin’ny olombelona, ao amin’ilay tontolo vaovao sy marina. (Hebreo 7:25, 26; 9:24; 1 Petera 2:9; Apokalypsy 22:1, 2) Maniry ny hankasitrahan’Andriamanitra foana ny voahosotra mbola eto an-tany, mandra-pahatongan’izany. Hahazo ny ‘valin’izay nataony’ izy ireo rehefa maty, ka hatsangana ho zavaboary ara-panahy any an-danitra sady tsy ho faty mihitsy. (2 Korintianina 5:1-3, 6-8, 10; 1 Korintianina 15:51, 52; Apokalypsy 14:13) Hoy i Paoly: “Raha lasa tafaray amin’i Kristy ao amin’ny fahafatesana toy ny azy isika, dia azo antoka fa ho tafaray aminy koa ao amin’ny fitsanganana toy ny azy.” (Romanina 6:5) Ahoana kosa ny amin’ireo hatsangana eto an-tany? Nahoana ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty no mahatonga azy ireo ho akaiky kokoa an’Andriamanitra? Hianatra zavatra betsaka avy amin’ny ohatr’i Abrahama isika.

Ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fisakaizana amin’i Jehovah

12, 13. Inona ireo antony lehibe nahatonga an’i Abrahama hino ny fitsanganana amin’ny maty?

12 Nanana finoana niavaka i Abrahama, ilay nantsoina hoe “sakaizan’i Jehovah.” (Jakoba 2:23) Niresaka intelo momba ny finoan’i Abrahama i Paoly ao amin’ny Hebreo toko faha-11, rehefa nitanisa ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky. (Hebreo 11:8, 9, 17) Noresahiny ny finoana nasehon’i Abrahama, tamin’izy nankatò sy nivonona hanao sorona an’i Isaka zanany. Nino i Abrahama fa tsy maintsy hanome azy taranaka amin’ny alalan’i Isaka i Jehovah, araka ny nampanantenainy. Koa na maty ho sorona aza i Isaka, dia ‘nihevitra i Abrahama fa hain’Andriamanitra ny hanangana azy amin’ny maty.’

13 Nanome biby hatao sorona hasolo an’i Isaka i Jehovah, rehefa hitany fa nanana finoana natanjaka i Abrahama. Mbola raisina ho sary an’ohatra momba ny fitsanganana amin’ny maty ihany anefa ny zavatra niainan’i Isaka. Hoy i Paoly: “Avy tamin’ny fahafatesana no nandraisan[’i Abrahama] azy, ary tandindon-javatra izany.” (Hebreo 11:19) Nanana antony lehibe hafa ninoana ny fitsanganana amin’ny maty koa i Abrahama. Efa tena antitra izy sy Saraha ka tsy afaka niteraka intsony. Toy ny hoe efa maty àry ny vatany, nefa novelomin’i Jehovah indray izany, rehefa niteraka an’i Isaka izy ireo.—Genesisy 18:10-14; 21:1-3; Romanina 4:19-21.

14. a) Inona no nandrasan’i Abrahama, araka ny Hebreo 11:9, 10? b) Tsy maintsy hatao ahoana i Abrahama, mba handraisany ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana ao amin’ny tontolo vaovao? d) Ahoana no handraisantsika ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana?

14 Nilaza i Paoly fa mpivahiny sy mpitoetra an-tranolay i Abrahama. “Ilay tanàna manana fototra tena izy no nandrasany, ary Andriamanitra no mpanorina sy mpanao azy io.” (Hebreo 11:9, 10) Tanàna an’ohatra izy io fa tsy toa an’i Jerosalema, izay nisy ny tempolin’Andriamanitra. Io ilay Fanjakana any an-danitra, ahitana an’i Kristy Jesosy sy ireo 144 000 mpiara-manjaka aminy. Antsoina hoe “tanàna masina”, “Jerosalema Vaovao”, ary ‘ampakarin’i Kristy’ koa ireo 144 000, rehefa mahazo voninahitra any an-danitra. (Apokalypsy 21:2) Nataon’i Jehovah Mpanjakan’ilay Fanjakan’ny Mesia any an-danitra i Jesosy tamin’ny 1914, ary nasainy nanjaka teo amin’ny fahavalony. (Salamo 110:1, 2; Apokalypsy 11:15) Tsy maintsy hatsangana amin’ny maty i Abrahama, ilay “sakaizan’i Jehovah”, mba handraisany ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana. Tsy maintsy miaina ao amin’ny tontolo vaovao koa isika, mba handraisana izany fitahiana izany, ka na isika ho anisan’ireo vahoaka be ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona, na ho anisan’ireo hatsangana amin’ny maty. (Apokalypsy 7:9, 14) Miorina amin’ny inona ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty?

Miorina amin’ny fitiavan’Andriamanitra

15, 16. a) Nahoana ilay faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly no mahatonga antsika hanantena fa hisy ny fitsanganana amin’ny maty? b) Nahoana ny finoana ny fitsanganana amin’ny maty no mahatonga antsika ho akaiky kokoa an’i Jehovah?

15 Hanambara antsika ho marina ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra ary hihevitra antsika ho namany, raha mifandray akaiky aminy isika, manana finoana matanjaka toa an’i Abrahama, ary mankatò ny didiny. Handray soa avy amin’ny fitondran’ilay Fanjakana isika amin’izay. Ilay faminaniana voalohany indrindra ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Genesisy 3:15, no mahatonga antsika hanantena fa hisy ny fitsanganana amin’ny maty, sy ahafahantsika ho tonga naman’Andriamanitra. Resahiny mialoha fa hotorotoroina ny lohan’i Satana sy ny ombelahin-tongotry ny Taranak’ilay vehivavy vadin’Andriamanitra. Toy ny hoe torotoro ny ombelahin-tongotr’i Jesosy, rehefa maty teo amin’ny hazo fijaliana izy. Sitrana ilay fery, rehefa nitsangana tamin’ny maty izy tamin’ny andro fahatelo, ka ho afaka handringana “an’ilay manan-kery hahatonga fahafatesana, dia ny Devoly.”—Hebreo 2:14.

16 Hoy i Paoly: ‘Andriamanitra naneho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty ho antsika i Kristy.’ (Romanina 5:8) Ho akaiky kokoa an’i Jesosy sy ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra tokoa isika, raha mankasitraka an’izany hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izany.—2 Korintianina 5:14, 15.

17. a) Inona no fanantenan’i Joba? b) Inona no ahariharin’ny Joba 14:15 momba an’i Jehovah, ary inona no vokatr’izany eo aminao?

17 Niandrandra ny fotoana hitsanganan’ny maty koa i Joba, lehilahy nahatoky talohan’ny andro kristianina. Tena nampijalin’i Satana izy. Tsy nanisy resaka momba ny fitsanganana amin’ny maty mihitsy ireo namany sandoka. Nampionona an’i Joba anefa io fanantenana io, ka hoy izy: “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?” Izy ihany no namaly hoe: “Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan’ny fahafahako.” Hoy indray izy tamin’i Jehovah Andriamaniny: “Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao.” Izao kosa no nolazainy, momba ny fihetseham-pon’ilay Mpamorona antsika be fitiavana: “Ary mba halahelo ny asan’ny tànanao Hianao.” (Joba 14:14, 15) Tsy andrin’i Jehovah tokoa ny fotoana hitsanganan’ny mpanompony mahatoky rehetra efa maty. Tsy lavorary isika nefa nanehoany fitiavana sy hatsaram-panahy tsy manam-paharoa! Lasa akaiky kokoa azy isika rehefa misaintsaina an’izany.—Romanina 5:21; Jakoba 4:8.

18, 19. a) Inona no fanantenan’i Daniela? b) Inona no hojerentsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Nanompo an’Andriamanitra nandritra ny taona maro i Daniela mpaminany, ilay nantsoin’ny anjely hoe “malala indrindra.” (Daniela 10:11, 19) Tsy nivadika mihitsy izy nanomboka tamin’ny 617 T.K., fotoana nanaovana azy an-tsesitany, mandra-pahafatiny. Maty tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Kyrosy mpanjakan’i Persia izy, taoriana kelin’ny nahazoany ilay fahitana tamin’ny 536 T.K. (Daniela 1:1; 10:1) Mahakasika ny fifandimbiasan’ireo firenena matanjaka indrindra, izay haringana amin’ny fahoriana lehibe, io fahitana io. (Daniela 11:1–12:13) Tsy azon’i Daniela tsara ny dikan’ilay fahitana, ka nanontany an’ilay anjely izy hoe: “Tompoko ô, hanao ahoana no hiafaran’ireo zavatra ireo?” Nilaza ilay anjely fa “ny hendry no hahafantatra” izany, amin’ny “andro farany.” Inona kosa no fanantenan’i Daniela? Hoy ilay anjely: “Hitsahatra hianao ka hitsangana ho ao amin’ny anjaranao amin’ny andro farany.” (Daniela 12:8-10, 13) Ho velona indray i Daniela “amin’ny fitsanganan’ny marina”, mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy.—Lioka 14:14.

19 Efa miaina amin’ny tapany farany amin’ny andro farany isika izao. Akaiky kokoa noho ny tamin’ny fotoana niovantsika ho Kristianina, ny fotoana hanombohan’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Tsy maintsy manontany tena àry isika hoe: ‘Ho ao amin’ny tontolo vaovao ve aho, ka hiaraka amin-dry Abrahama, Joba, Daniela, ary ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky hafa?’ Ho ao isika, raha akaiky an’i Jehovah foana sy mankatò ny didiny. Hahita tsipiriany bebe kokoa momba ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka, mba hamantarantsika hoe iza avy no hatsangana.

Tadidinao Ve?

• Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona, rehefa nanambara ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty i Paoly?

• Nahoana ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty no mampiavaka ny tena Kristianina amin’ny Kristianina sandoka?

• Ahoana no ahafantarantsika fa nino ny fitsanganana amin’ny maty i Abrahama, Joba, ary Daniela?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 8]

Tsy nisalasala nanambara ny fanantenany ny fitsanganana amin’ny maty i Paoly, teo anatrehan’i Feliksa Governora

[Sary, pejy 10]

Nahoana i Abrahama no nino ny fitsanganana amin’ny maty?

[Sary, pejy 12]

Nampionona an’i Joba ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty

[Sary, pejy 12]

Ho velona indray i Daniela amin’ny fitsanganan’ny marina