Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahery Aho na dia Malemy Aza

Mahery Aho na dia Malemy Aza

Tantaram-piainana

Mahery Aho na dia Malemy Aza

NOTANTARAIN’I LEOPOLD ENGLEITNER

Navoakan’ilay miaramila SS ny poletany, ary nataony teo amin’ny lohako sady nanontaniany aho hoe: “Vonona ny ho faty ve ianao? Hotifiriko mantsy ianao satria mafy loha.” “Vonona aho”, hoy aho, sady nataoko izay tsy hampangovitra ny feoko. Niomana aho sady nanakimpy ny masoko, ary niandry azy hitifitra, nefa tsy nisy na inona na inona nitranga. Nesoriny teo amin’ny fihirifako ilay basy avy eo, sady nitabataba izy hoe: “Tena adala ianao ka tsy hitako izay tombony amin’ny famonoana anao!” Ahoana no nahatonga ahy tao anatin’izany toe-javatra nampidi-doza izany?

TERAKA teto Aotrisy, tao Aigen-Voglhub any amin’ny Alpes aho, tamin’ny 23 Jolay 1905. Izaho no lahimatoa tao amin’ny fianakavianay. Mpanatsofa hazo ny raiko ary zanaka tantsaha ny reniko. Nahantra izy mivady, nefa niasa mafy. Teto Bad Ischl, akaikin’i Salzbourg, aho no nihalehibe. Voahodidina farihy tena kanto sy tendrombohitra tsara tarehy ilay tanàna.

Nieritreritra matetika momba ny tsy rariny teo amin’ny fiainana aho tamin’ny mbola kely, satria nahantra ny fianakavianay sady narary lamosina koa aho. Nivilana hatrany an-kibon-dreniko ny hazondamosiko, ary tsy nahavita nijoro mahitsy aho noho ny fanaintainako. Tsy nahazo nanao fanatanjahan-tena aho tany am-pianarana, ka nataon’ny mpiara-mianatra fihomehezana.

Nanapa-kevitra aho tamin’ny faran’ny Ady Lehibe I, fa handeha hitady asa mba hialana amin’ny fahantrana. Vao handray 14 taona aho tamin’izay. Noana lava aho, ary reraka satria matetika no nanavy be vokatry ny gripa espaniola, izay nahafaty olona an-tapitrisany. Rehefa nangataka asa tamin’ny tantsaha aho, dia nilaza ny ankamaroany hoe: “Inona koa no asa ho vitan’ny olona malemy hoatra anao?” Nandray ahy ihany anefa ny tantsaha iray tsara fanahy.

Nientam-po noho ny fitiavan’Andriamanitra

Tsy nandeha niangona firy aho, na dia Katolika nafana fo aza i Neny. Nalala-tsaina mantsy i Dada tamin’ny resaka fivavahana. Ny fivavahana tamin’ny sary, fanaon’ny Katolika no nanelingelina ny saiko.

Indray andro, tamin’ny Oktobra 1931, dia nisy namako nanasa ahy hiaraka aminy ho any amin’ny fivoriana ara-pivavahana iray nataon’ny Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny). Novaliana avy ao amin’ny Baiboly tamin’io fivoriana io ny fanontaniana lehibe toy ny hoe: Mampifaly an’Andriamanitra ve ny fivavahana amin’ny sary? (Eksodosy 20:4, 5) Tena misy ve ny afobe? (Mpitoriteny 9:5) Hatsangana ve ny maty?—Jaona 5:28, 29.

Ny tena nampiaiky ahy indrindra, dia ny hoe tsy mankasitraka ny ady feno ra mandriaka ataon’ny olona Andriamanitra, na dia atao amin’ny anarany aza izy ireny. Nianarako fa “Andriamanitra dia fitiavana” ary manana anarana be voninahitra izy, dia i Jehovah. (1 Jaona 4:8; Salamo 83:18) Faly be aho nahafantatra fa noho ny Fanjakan’i Jehovah, dia afaka hiaina mandrakizay sy ho sambatra ny olona, rehefa lasa paradisa ny tany manontolo. Nianarako koa fa misy olona tsy lavorary nofidin’Andriamanitra ary nomeny fanantenana faran’izay tsara, hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra. Vonona ny hamoy izay rehetra nananako aho ho an’io Fanjakan’Andriamanitra io. Natao batisa àry aho tamin’ny Mey 1932, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nitaky herim-po izany, satria ny Fivavahana Katolika ihany no neken’ny olona nanerana an’i Aotrisy tamin’izany. 

Fankahalana sy fanoherana

Tezitra be ny ray aman-dreniko rehefa niala tamin’ny fiangonana aho, ary mailaka erỳ ny pretra nilaza izany vaovao izany avy teny amin’ny polipitra. Nanjary nankahala ahy ny mpiray tanàna, ka nandrora tamin’ny tany rehefa nahita ahy. Tapa-kevitra ny ho tonga mpitory manontolo andro na mpisava lalana anefa aho, ary nanomboka izany tamin’ny Janoary 1934.

Nihanafana ny toe-draharaha politika, satria nahazo vahana teo amin’ny faritany nisy anay ny Nazia. Nanenjika ahy foana ny polisy, tamin’izaho mpisava lalana tao amin’ny Lohasahan’i Styria, akaikin’ny Reniranon’i Enns. Noho izany, dia tsy maintsy “malina tahaka ny bibilava” aho. (Matio 10:16) Niharam-panenjehana foana aho isan’andro, nanomboka tamin’ny 1934 hatramin’ny 1938. Tsy nomen’ny fanjakana vola fanonerana aho, na dia tsy an’asa aza. Imbetsaka koa aho no nampidirina am-ponja noho ny asa fitoriana, ary inefatra no nijanona naharitra tany.

Nibodo an’i Aotrisy ny tafik’i Hitler

Nanafika an’i Aotrisy ny tafik’i Hitler tamin’ny Martsa 1938. Tao anatin’ny andro vitsivitsy monja, dia olona maherin’ny 90 000, izany hoe ny 2 isan-jaton’ny olon-dehibe, no nosamborina sy naiditra am-ponja ary nalefa tany amin’ny toby fitanana. Nampangaina ho nanohitra ny fitondrana nazia mantsy izy ireo. Toa efa niomana hiatrika izay hihatra aminy ny Vavolombelon’i Jehovah. Tany antenatenan’ny taona 1937, dia nandeha bisikileta nankany Prague ny olona vitsivitsy tao amin’ny fiangonana nisy ahy, mba hamonjy fivoriambe iraisam-pirenena. Nandre momba ny habibiana natao tamin’ireo rahalahy tany Alemaina izy ireo, tao amin’ilay fivoriambe. Anjaranay indray àry izao ny henjehina.

Raha vao tonga teto Aotrisy ny tafik’i Hitler, dia tsy maintsy niafina ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nivory sy nitory. Nampidirina an-tsokosoko avy tany amin’ny sisin-tanin’i Soisa ireo boky ara-baiboly. Tsy ampy ho an’ny rehetra anefa ilay izy, ka nanao pirinty boky tamim-piafenana ireo namana kristianina tany Vienne. Nirahina nanatitra izany tany amin’ny Vavolombelona hafa aho matetika.

Nampidirina tany amin’ny toby fitanana

Nosamborin’ny Gestapo izaho sy ny namako kristianina telo lahy, tamin’ny 4 Aprily 1939. Teo am-pankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy teto Bad Ischl izahay tamin’izay. Nentina tamin’ny aotomobilina nankany amin’ny foiben’ny polisy tany Linz izahay. Sambany aho no nitaingina aotomobilina, nefa tsy afaka nankafy izany satria niady saina be. Nampijaly ahy ny fakana am-bavany natao tamiko tany Linz, nefa tsy niala tamin’ny finoako aho. Nentina teo anatrehan’ny mpitsara mpanao famotorana tany Haute-Autriche indray aho, dimy volana tatỳ aoriana. Tsy nampoizina akory, fa notsoahina ny fitoriana ahy. Tsy nifarana teo anefa ny fitsapana. Tamin’io fotoana io koa, dia nalefa tany amin’ny toby fitanana izy telo lahy, ary maty tany. Tsy nivadika mandra-pahafatiny izy ireo.

Naiditra am-ponja aho, ary nilazana tamin’ny 5 Oktobra 1939 fa hoentina any amin’ny toby fitanan’i Buchenwald, any Alemaina. Nisy lamasinina manokana tao amin’ny garan’i Linz, niandry ireo voafonja hoentina any. Nisy efitra kely maromaro antonona olona roa ireo vagao fitondrana entana. Tsy iza no niray efitra tamiko fa i Heinrich Gleissner, governoran’i Haute-Autriche teo aloha.

Nahaliana ny resakay. Tena naniry hahafantatra ny nanjo ahy izy. Nalahelo mafy izy hoe maro be ny olana ara-pitsarana natrehin’ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia tamin’izy mbola governora aza. Niala tsiny izy hoe: “Atoa Engleitner, tsy afaka manova ny lasa aho, nefa tena te hiala tsiny aminao. Hita fa meloka ny fitondram-panjakana satria nanao ny tsy rariny. Tena hanao izay azoko atao aho, raha misy zavatra hilanareo fanampiana.” Nihaona indray izahay rehefa vita ny ady. Nanampy ahy hahazo vola fisotron-dronono fanampiny avy amin’ny fanjakana izy, noho izaho nampijalin’ny Nazia.

“Hotifiriko ianao”

Tonga tao amin’ny toby fitanan’i Buchenwald aho tamin’ny 9 Oktobra 1939. Vetivety dia fantatr’ilay miaramila mpikarakara ny toby fa nisy Vavolombelon’i Jehovah tamin’ireo olona vao tonga, ary nataony lasibatra aho. Tsy nisy indrafo mihitsy izy nidaroka ahy. Rehefa tsy nahavita nampiala ahy tamin’ny finoako izy, dia nilaza hoe: “Hotifiriko ianao ry Engleitner, kanefa avelako hanoratra taratasy fanaovam-beloma ho an’ny ray aman-dreninao aloha ianao.” Nieritreritra ny teny azoko nampaherezana ny ray aman-dreniko aho. Nodoniny foana anefa ny kihoko havanana isaky ny hanoratra aho, ka nivilambilana ny soratro. Naneso ahy izy hoe: “Tena vendrana! Manoratra andalana roa avy dia tsy hay. Izany ve moa hahasakana azy tsy hamaky Baiboly!”

Namoaka ny poletany izy avy eo, ary nataony teo amin’ny lohako. Toy ny tena hitifitra ahy mihitsy izy, araka ilay notantaraiko terỳ am-piandohana. Notereny hiditra tao amin’ny efitra kely figadrana efa feno olona aho taorian’izay. Nitsangana aho nandritra ny alina. Tsy ho nahita tory mihitsy koa anefa aho na izany aza, satria nanaintaina ny vatako manontolo. “Matimaty foana fotsiny izay maty ho an’ny fivavahana tsisy dikany!” Izany no mba “fampiononana” nataon’ireo mpiray efitra tamiko. Nifanila efitra tamiko Atoa Gleissner. Nandre izay rehetra nitranga izy, ka niteny hoe: “Miverina indray ity ny fanenjehana mahatsiravina atao amin’ny Kristianina!”

Tany antenatenan’ny taona 1940, dia nasaina niasa alahady tany amin’ny toerana fakana vato ny voafonja rehetra, na dia tsy tokony hiasa alahady aza. Sazy natao ho an’ny voafonja nanao “fahadisoana” ilay izy. Nasaina nibata vato be nankany amin’ny toby izahay. Nanandrana nametraka vato be iray teo andamosiko ny voafonja roa. Navesa-be ilay izy ka saika potraka aho. Tsy nampoiziko anefa fa namonjy ahy i Arthur Rödl, ilay Lagerfürher na lehiben’ny toby, natahoran’ny rehetra. Hoy izy, rehefa hitany fa nila tsy ho zakako ilay vato: “Tsy ho tody any amin’ny toby mihitsy ianao, raha io vato io no babenao! Apetraho haingana iny!” Mba nanamaivana ahy ny fankatoavana iny baiko iny. Nanondro vato kely kokoa i Rödl avy eo, ary niteny hoe: “Batao io, ary ento any amin’ny toby. Maivana kokoa io!” Niteny tamin’ilay mpanara-maso anay izy avy eo hoe: “Asaivo miverina any amin’ny toby amin’izay ny Mpianatra ny Baiboly. Ampy izay ny androany!”

Nahafaly ahy foana ny tafaraka tamin’ireo mpiray finoana amiko isaky ny avy niasa. Nanao fandaharana mba hizarana sakafo ara-panahy mantsy izahay. Nanoratra andalan-teny ara-baiboly tamin’ny sombin-taratasy kely ny rahalahy iray, ary nampitampita izany tamin’ny hafa. Nisy Baiboly iray nampidirina an-tsokosoko koa tao amin’ny toby. Nosarahina ny boky tsirairay tao amin’izy io, ary napetraka tany amiko nandritra ny telo volana ny bokin’i Joba. Nafeniko tao anatin’ny ban-kiraroko ilay izy. Nanampy ahy mba tsy hivadika ny tantaran’i Joba.

Anisan’ireo olona maro be nafindra tany amin’ny toby fitanan’i Niederhagen aho, tamin’ny 7 Martsa 1941. Niharatsy andro aman’alina ny fahasalamako. Indray andro, dia nasaina nampiditra fitaovana tao anaty kesika izaho sy ny rahalahy roa. Niverina tany amin’ny toby niaraka tamin’ny voafonja vitsivitsy izahay avy eo. Tsikaritry ny miaramila SS iray, fa niresaresa tato aoriana aho. Tezitra be izy ka nodakany mafy tampoka avy tao aoriana aho. Tena nanaintaina aho, nefa nandeha niasa ihany ny ampitson’iny.

Famotsorana tsy nampoizina

Nesorina daholo ny olona tao amin’ny toby fitanan’i Niederhagen tamin’ny Aprily 1943, ary nafindra tao amin’ny toby famonoana tany Ravensbrück aho. Tsy nampoiziko ny namelana ahy hiala tao, tamin’ny Jona 1943. Tsy noterena handa ny finoako aho tamin’izay mba hamotsorana ahy. Tsy maintsy nanaiky hiasa an-terivozona tany amin’ny toeram-pambolena fotsiny aho mandra-pahafatiko. Naleoko nanao an’izany, satria naharikoriko ahy ny fiainana tany amin’ny toby. Natao fizaham-pahasalamana farany tany amin’ny dokoteran’ny toby aho. Gaga izy rehefa nahita ahy, ka niteny hoe: “Hay mbola Vavolombelon’i Jehovah foana ianao?” “Eny Dokotera”, hoy aho. “Tsy hitako izay antony hamotsorana anao, raha izany. Aleo koa anefa mandeha any ny olona mahatsiravina toa anao.”

Tsy nanitatra izy raha nilaza izany. Ratsy be mantsy ny fahasalamako. Nohanin’ny haofotsy ny hoditro, narenina ny sofiko ilany noho ny vono nahazo ahy, ary feno fery namoro-nana ny vatako. Fihafiana, hanoanana tsy nisy farany, ary asa an-terivozona, no niainako nandritra ny telo taona sy 10 volana, ka 28 kilao sisa no lanjako. Izany no toe-batako, rehefa navoaka avy tao Ravensbrück aho tamin’ny 15 Jolay 1943.

Nalefa lamasinina niverina tany an-tanànanay aho, ary tsy nisy mpiambina niaraka tamiko. Nankany amin’ny foiben’ny Gestapo tao Linz aho rehefa tonga. Nanome ahy taratasy famotsorana ilay polisin’ny Gestapo, ary nampitandrina hoe: “Tena diso ianao raha mihevitra fa nafahana mba ho afaka hanohy ny asa miafina fanaonareo! Ho hita eo izany fanampian’Andriamanitra izany, raha tratranay mitory ianao.”

Tonga tao an-trano ihany aho tamin’ny farany! Tsy nisy zavatra novan’i Neny tao amin’ny efitranoko, hatramin’ny nisamborana ahy tamin’ny 4 Aprily 1939. Na ny Baiboliko aza mbola nivelatra teo ambony latabatra teo an-doham-pandriako! Nandohalika aho ary nisaotra an’i Jehovah tamin’ny foko manontolo.

Notendrena hiasa tao amin’ny toeram-pambolena iray teny an-tendrombohitra aho, tsy ela taorian’izay. Namako tamin’izaho mbola kely ny tompon’izy io. Nanome ahy karama kely mihitsy izy, na dia tsy voatery hanao izany aza. Navelany hanafina boky ara-baiboly tao aminy aho, talohan’ny ady. Faly aho satria afaka nampiasa ireo boky ireo, mba hanatanjahana ny fifandraisako tamin’i Jehovah. Afa-po tanteraka aho, ka tapa-kevitra ny hijanona tao amin’ilay toeram-pambolena mandra-pifaran’ny ady.

Niafina tany an-tendrombohitra

Tsy hoe nilamina toy izany foana anefa ny fiainana. Nasaina nankany amin’ny dokotera miaramila iray aho tany antenatenan’ny Aogositra 1943, mba hanaovana fizaham-pahasalamana. Nolazainy tamin’ny voalohany fa tsy afaka mandeha miady aho, satria marary lamosina. Novany anefa ny tatitra nataony, herinandro tatỳ aoriana, ka nosoratany hoe: “Lany ho miaramila any am-bava ady.” Tsy hitan’ny tafika izay nisy ahy. Tratra ihany anefa aho tamin’ny 17 Aprily 1945, taloha kelin’ny nifaranan’ny ady. Voantso ho miaramila hankany am-bava ady àry aho.

Nitondra vatsy kely sy Baiboly aho, ary nitsoaka tany amin’ny tendrombohitra teo akaiky teo. Afaka natory teny ala-trano aho tamin’ny voalohany. Niharatsy anefa ny andro, ary nirotsaka be ny lanezy ka nahatratra 50 santimetatra ny haavony. Kotsa be aho. Tody tao amin’ny trano kely iray ihany aho tamin’ny farany. Efa ho 1 200 metatra ambonin’ny ranomasina no misy ilay toerana. Nangovitra aho ka nandrehitra afo, ary nahazo hafanana sady afaka nanamaina ny akanjoko. Reraka be aho ka resin-tory teo amin’ilay dabilio teo akaiky teo. Nanaintaina be anefa aho taoriana kelin’izay ka taitra tampoka. Hay may aho! Nikodiadia tamin’ny tany aho mba hamonoana ilay afo. Nitsovaka daholo ny lamosiko.

Nidina moramora tao amin’ilay toeram-pambolena aho talohan’ny niposahan’ny masoandro, na dia nety ho tratra aza. Natahotra anefa ny vadin’ny tompon’ilay toeram-pambolena, ka nandroaka ahy. Nilaza izy fa natao sava hao ny tanàna mba hitadiavana ahy. Nankany amin’ny ray aman-dreniko àry aho. Natahotra koa izy ireo tamin’ny voalohany, nefa navelany hatory tao amin’ny fitoera-mololo ihany aho tamin’ny farany, ary notsaboin’i Neny ny feriko. Niverina niafina tany an-tendrombohitra indray aho rehefa afaka roa andro, satria hitako fa nitebiteby noho ny amiko izy mivady.

Nandre feo nankarenin-tsofina aho, tamin’ny 5 Mey 1945. Hitako nanidina iva dia iva ny fiaramanidin’ny tafiky ny Mpiray Dina. Fantatro tamin’izay fa niongana ny fitondran’i Hitler! Nanatanjaka ahy mba hiaritra fitsapana nivaivay ny fanahin’i Jehovah. Tsapako fa marina ny voalazan’ny Salamo 55:22, izay tena nampahery ahy tany am-piandohan’ny fitsapana nahazo ahy. ‘Napetrako tamin’i Jehovah ny entako’, ka na dia nalemy aza aho, dia nanohana ahy izy rehefa nandeha teo amin’ny “lohasaha aloky ny fahafatesana” aho.—Salamo 23:4.

“Manjary lavorary ao amin’ny fahalemena” ny herin’i Jehovah

Niverina tsikelikely tamin’ny laoniny ny fiainana taorian’ny ady. Niasa tany tao amin’ilay namako mpamboly aho tamin’ny voalohany. Tsy afaka tamin’io asa an-terivozona io aho, raha tsy tamin’ny Aprily 1946, rehefa nofehezin’ny tafika amerikanina ny firenenay.

Nanomboka nivory tsy tapaka amin’izay ireo rahalahy teto Bad Ischl sy ny manodidina, rehefa tapitra ny ady. Nahazo hery vao indray izy ireo, ka niverina nitory. Lasa mpiambina tamin’ny alina tao amin’ny orinasa iray aho, ary afaka nanohy ny asan’ny mpisava lalana. Nifindra tany amin’ny faritr’i Saint Wolfgang aho tatỳ aoriana, ary tamin’ny 1949 dia nanambady an’i Theresia Kurz, izay efa nanan-janaka vavy iray tamin’ny vadiny taloha. Nivady nandritra ny 32 taona izahay, ary maty ilay vady malalako tamin’ny 1981. Nitsabo azy nandritra ny fito taona mahery aho.

Nanao ny asan’ny mpisava lalana indray aho taorian’ny nahafatesan’i Theresia, ary nanampy ahy handresy ny alaheloko izany. Mpisava lalana aho izao, sady anti-panahin’ny fiangonanay eto Bad Ischl. Mandeha amin’ny seza misy kodiarana aho, ary ao amin’ny zaridainam-panjakanan’i Bad Ischl na eo anoloan’ny tranoko no manolotra boky sy gazety ara-baiboly, sy miresaka amin’ny olona momba ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana. Tena mahafaly ahy ireny dinidinika momba ny Baiboly ireny.

Rehefa manao jery todika ny fiainako aho, dia tsy mitahiry lolompo na dia teo aza ireo zavatra nahatsiravina tsy maintsy niaretako. Mazava ho azy fa kivy aho indraindray noho ireo fitsapana. Nanampy ahy hiatrika ireny fotoan-tsarotra ireny anefa ny fifandraisako akaiky tamin’i Jehovah Andriamanitra. Niainako koa ilay tenin’ny Tompo tamin’i Paoly hoe: “Ny heriko dia manjary lavorary ao amin’ny fahalemena.” Efa ho 100 taona aho izao, ary afaka miteny toy ny apostoly Paoly hoe: “Finaritra aho amin’ny fahalemena, amin’ny fanivaivana, amin’ny tsy fisiana, amin’ny fanenjehana sy ny zava-tsarotra, noho ny amin’i Kristy. Fa rehefa malemy aho, dia amin’izay aho no mahery.”—2 Korintianina 12:9, 10.

[Sary, pejy 25]

Nosamborin’ny Gestapo tamin’ny Aprily 1939

Taratasy misy ireo fiampangan’ny Gestapo, Mey 1939

[Sary, pejy 26]

Afaka niafina tany an-tendrombohitra aho

[Sary nahazoan-dalana]

Ireo sary: Privatarchiv; B. Rammerstorfer

[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]

Foto Hofer, Bad Ischl, Austria