Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Vokany eo Aminao ve ny Fanantenana Fitsanganana Amin’ny Maty?

Misy Vokany eo Aminao ve ny Fanantenana Fitsanganana Amin’ny Maty?

Misy Vokany eo Aminao ve ny Fanantenana Fitsanganana Amin’ny Maty?

“Manokatra ny tànanao Hianao ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.” —SALAMO 145:16.

1-3. Inona no fanantenan’ny olona sasany? Hazavao amin’ny ohatra.

NIARAKA tamin’ny dadatoany sy ny nenitoany ary ny zanak’izy ireo mirahalahy i Christopher, sivy taona, sy ny rahalahiny. Nitory isan-trano tany akaikin’i Manchester, Angletera, izy ireo ny maraina. Nitantara ny zava-nitranga taorian’izay ny gazety Mifohaza! “Nandeha nitsidika toerana mahaliana tany Blackpool, tanàna amoron-dranomasina, izy ireo ny tolakandro. Nisy lozam-piarakodia anefa teny an-dalana, ka anisan’ireo olona 12 maty tsy tra-drano izy 6 mianaka. Nilaza ny polisy fa ‘kila forehitra izy ireo.’ ”

2 Nanatrika ny fianarana boky nataon’ny fiangonana izy mianakavy ny alin’iny. Niresaka momba ny fahafatesana ilay fianarana. “Ankizy tena misaina i Christopher”, hoy ny rainy. “Niresaka momba ny tontolo vaovao sy ny fanantenany izy tamin’io alina io. Raha mbola niresadresaka teo izahay, dia niteny tampoka izy hoe: ‘Ny tombony ananantsika Vavolombelon’i Jehovah dia ny fahafantarana fa mbola hihaona eto an-tany ihany isika indray andro any, na dia maty aza.’ Tsy nisy nanampo mihitsy izahay hoe tsy ho afaka an-tsainay mihitsy ireo teniny ireo.” *

3 Taona maro talohan’izay, tamin’ny 1940, dia fantatr’ilay Kristianina aotrisianina atao hoe Franz fa hotapahin-doha izy, satria tsy nety nivadika tamin’i Jehovah. Izao no nosoratany ho an-dreniny, tamin’izy tao amin’ny fonjan’i Berlin: “Araka ny fantatro, dia ho nanao fahotana mahafaty aho raha nanao ilay fianianan’ny [miaramila]. Ho loza izany, satria tsy hatsangana amin’ny maty aho. ... Nolazaina tamiko androany, ry Neny malala sy ianareo mpiray tam-po amiko, fa voaheloka ho faty aho, ary hovonoina rahampitso maraina, kanefa aza mihorohoro. Andriamanitra no manome hery ahy, toy ny nataony tamin’ny Kristianina marina rehetra taloha. ... Raha miorina mafy mandra-pahafaty ianareo, dia hihaona indray isika rehefa hatsangana aho. ... Mandra-pihaona.” *

4. Inona no tsapanao rehefa namaky ireo tantara ireo, ary inona no hodinihintsika?

4 Nisy heriny lehibe teo amin’i Christopher sy Franz ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Tena hisy izy io tamin’izy ireo. Azo antoka fa manohina ny fontsika ireo tantara ireo! Hojerentsika àry hoe nahoana no hatsangana ny maty, ary inona no tokony ho vokatr’izany eo amintsika. Hanampy antsika hankasitraka bebe kokoa an’i Jehovah izany, ary hanamafy ny fanantenantsika.

Fahitana momba ny fitsanganana eto an-tany

5, 6. Inona no ahariharin’ny fahitan’ny apostoly Jaona ao amin’ny Apokalypsy 20:12, 13?

5 Nahita ny fizotran’ny fitsanganana amin’ny maty eto an-tany ny apostoly Jaona, tao amin’ilay fahitana momba ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy Jesosy. Hoy izy: “Hitako ny maty, na ny kely na ny lehibe ... Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao aminy, ary ny fahafatesana sy ny fasana namoaka ny maty tao aminy.” (Apokalypsy 20:12, 13) Hafahana avy ao amin’ny Hadesy (Sheola) na ny fasana misy ny maty rehetra, ny “kely” sy ny “lehibe”, na inona na inona saranga nisy azy. Hatsangana koa ireo maty tany an-dranomasina. Anisan’ny fikasan’i Jehovah izany zava-mahatalanjona izany.

6 Hafatotra sy hatsipy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana eo am-piandohan’ny fanjakana arivo taonan’i Kristy. Tsy hisy ho voafitany ireo hatsangana amin’ny maty sy ireo ho tafavoaka amin’ny fahoriana lehibe mandritra izany fotoana izany, satria tsy ho afaka hanao na inona na inona izy. (Apokalypsy 20:1-3) Mety ho lava be ny fahitanao izany arivo taona izany, nefa “toy ny iray andro” izany amin’i Jehovah.—2 Petera 3:8.

7. Inona no hitsarana ny olona mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy?

7 Ho fotoam-pitsarana ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Hoy ny apostoly Jaona: “Hitako ny maty, na ny kely na ny lehibe, nijoro teo anoloan’ny seza fiandrianana, dia nisy horonam-boky novelarina. Fa nisy horonam-boky iray koa novelarina, dia ny horonam-bokin’ny fiainana. Ary ny maty dia notsaraina araka izay voasoratra tao amin’ireo horonam-boky, araka izay nataon’izy ireo. ... Samy notsaraina araka izay nataony avy izy ireny.” (Apokalypsy 20:12, 13) Mariho fa tsy ny zavatra nataon’ilay olona na tsy nataony talohan’ny nahafatesany no hitsarana azy. (Romanina 6:7) Araka izay voasoratra ao amin’ireo “horonam-boky” kosa no hitsarana azy. Ny zavatra hataony rehefa avy nianatra an’ireo horonam-boky, no hamaritra raha hosoratana ao amin’ny “horonam-bokin’ny fiainana” ny anarany na tsia.

“Hatsangana ho amin’ny fiainana” sa “ho amin’ny fanamelohana”?

8. Inona no mety hiafaran’ireo hatsangana amin’ny maty?

8 Voalaza ao amin’ny fahitan’i Jaona, fa manana “ny lakilen’ny fahafatesana sy ny fasana [na Hadesy]” i Jesosy. (Apokalypsy 1:18) Izy no ‘Solontenan’i Jehovah Lehibe Indrindra manome fiainana’, ary nomena fahefana hitsara “ny velona sy ny maty” izy. (Asan’ny Apostoly 3:15; 2 Timoty 4:1) Ahoana no hanaovany izany? Hatsangany amin’ny maty ireo matory ao amin’ny fahafatesana. Hoy i Jesosy tamin’ireo olona nitoriany: “Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo. Koa izay nanao ny tsara dia hatsangana ho amin’ny fiainana, fa izay zatra nanao ratsy kosa hatsangana ho amin’ny fanamelohana.” (Jaona 5:28-30) Hanao ahoana àry ny hoavin’ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky fahiny?

9. a) Inona no azo antoka fa hanjary ho fantatr’ireo hatsangana amin’ny maty? b) Inona no asa lehibe hotanterahina amin’izany fotoana izany?

9 Rehefa hatsangana amin’ny maty ireo olona nahatoky fahiny ireo, dia hahita fa efa tanteraka ny zavatra nantenainy sy natokisany. Ho liana erỳ izy ireo hahalala hoe iza ilay Taranaky ny vehivavy vadin’Andriamanitra, voalazan’ny faminanian’ny Baiboly voalohany ao amin’ny Genesisy 3:15! Ho faly koa izy ireo handre fa nahatoky mandra-pahafatiny io Mesia nampanantenaina io, na i Jesosy, ka nanolotra ny ainy ho sorom-panavotana! (Matio 20:28) Ho dibo-kafaliana ny olona handray azy ireo, satria ho afaka hanazava aminy fa noho ny hatsaram-panahin’i Jehovah tsy manam-paharoa, sy ny famindram-pony no nanomezany an’ilay vidim-panavotana. Azo antoka fa ho be dia be mihitsy ny teny fiderana hataon’ireo hatsangana amin’ny maty, rehefa hitany fa tanterahin’ilay Fanjakana ny fikasan’i Jehovah momba ny tany. Azon’izy ireo aseho tsara amin’izay fa tsy mivadika amin’ilay Rainy be fitiavana any an-danitra sy ny Zanany izy ireo. Ho finaritra ny tsirairay handray anjara amin’ny asa lehibe iray, dia ny fampianarana ireo olona an’arivony tapitrisa hivoaka avy ao am-pasana. Mila manaiky ny vidim-panavotana nomen’Andriamanitra koa mantsy izy ireo.

10, 11. a) Inona no ho azon’ny rehetra hatao mandritra ny Fanjakana Arivo Taona? b) Inona no tokony ho vokatr’izany eo amintsika?

10 Tena hampahery an’i Abrahama ny hiaina eo ambany fitondran’ilay “tanàna” nantenainy, rehefa hitsangana izy. (Hebreo 11:10) Ho faly be i Joba, lehilahy nahatoky, rehefa hahare fa nanatanjaka ny mpanompon’i Jehovah niatrika fitsapana, ny zavatra niainany! Tsy ho andrin’i Daniela koa ny hahafantatra ny fahatanterahan’ireo faminaniana nasain’Andriamanitra nosoratany!

11 Hiana-javatra be dia be momba ny fikasan’i Jehovah momba ny tany sy ny olona tokoa, ireo rehetra hiaina ao amin’ilay tontolo vaovao sy marina, na natsangana tamin’ny maty izy, na tafavoaka tamin’ny fahoriana lehibe. Azo antoka fa hahafinaritra ilay fandaharam-pampianarana arivo taona, satria ho afaka hiaina sy hidera an’i Jehovah mandrakizay ny olona. Ny fampiharantsika tsirairay ny voalazan’ireo horonam-boky anefa no tena zava-dehibe. Hampihatra izay hianarantsika ve isika? Hisaintsaina sy hampihatra ny fanazavana iankinan’ny aina ao anatiny ve isika? Hanampy antsika tsy ho voatarika hiala amin’ny fahamarinana izany, rehefa hanao fitsapana farany i Satana.

12. Inona no hanampy ny tsirairay handray anjara feno amin’ilay asa fampianarana sy fanovana ny tany ho paradisa?

12 Tsy tokony hohadinoina koa ireo fitahiana tena lehibe ho azontsika, noho ny fampiharana ny soa entin’ny sorom-panavotan’i Kristy. Tsy ho kilemaina na harary toy ny amin’izao fotoana izao ireo hatsangana amin’ny maty. (Isaia 33:24) Ho azon’ny rehetra ao amin’ilay tontolo vaovao atao, ny hampianatra an’ireo olona an’arivony tapitrisa hatsangana amin’ny maty ireo. Hanana vatana tomady sy fahasalamana tonga lafatra mantsy izy ireo, rehefa mandeha ny fotoana. Handray anjara amin’ilay asa lehibe indrindra hotanterahina eran-tany koa ny rehetra, dia ny fanovana ny tany manontolo ho paradisa ho voninahitr’i Jehovah.

13, 14. Inona no antony anafahana an’i Satana avy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka, ary ahoana no mety hiafarantsika tsirairay?

13 Hanandrana hamitaka farany ny olona i Satana, rehefa hafahana avy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka. Araka ny Apokalypsy 20:7-9, dia horinganina ny “firenena” na ny antokon’olona rehetra ‘voafitaka’, izay lasa eo ambany fifehezan’i Satana. ‘Hisy afo hilatsaka avy any an-danitra handevona azy ireo.’ Fitsanganana ho amin’ny fanamelohana tokoa ny azy ireo, satria ringana ihany izy, na dia efa natsangana tamin’ny maty nandritra ny Fanjakana Arivo Taona aza. Homena ny fiainana mandrakizay kosa ireo natsangana, nefa tsy nivadika. Tena “hatsangana ho amin’ny fiainana” tokoa izy ireo.—Jaona 5:29.

14 Nahoana no mampahery antsika ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty, na dia ankehitriny aza? Inona no tsy maintsy ataontsika raha te hahita ny fahatanterahan’izany, na te ho anisan’ireo hatsangana isika?

Fianarana raisintsika dieny izao

15. Nahoana no manampy antsika dieny izao, ny finoana ny fitsanganana amin’ny maty?

15 Nisy havanao vao maty angamba, ary misy fiovana lehibe tsy maintsy ataonao mba hiatrehana izany fahabangana izany. Tsy toy ny olona tsy mahalala ny fahamarinana anefa ianao, satria manampy anao ho tony sy hanana herin-tsaina ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Nampionona ny Tesalonianina toy izao i Paoly: ‘Tsy tianay tsy ho fantatrareo ny amin’ireo nodimandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny hafa izay tsy manana fanantenana.’ (1 Tesalonianina 4:13) Azonao sary an-tsaina ve ny tenanao ao amin’ny tontolo vaovao, manatri-maso ny fitsanganana amin’ny maty? Hampionona anao àry ny fisaintsainana fa mbola hahita an’ilay havanao nodimandry ianao.

16. Inona no mety ho tsapanao rehefa tonga ny fitsanganana amin’ny maty?

16 Marary angamba ianao izao. Anisan’ny vokatry ny fikomian’i Adama izany. Mijaly ianao, nefa aza hadinoina fa manana fanantenana ny hatsangana amin’ny maty ianao, ary ho salama sy hatanjaka indray ao amin’ny tontolo vaovao. Rehefa hanokatra ny masonao ianao amin’izay, dia hahita endrika falifaly dodona handray anao. Azo antoka fa hisaotra an’Andriamanitra noho ny fitiavany sy ny hatsaram-panahiny ianao.

17, 18. Inona ireo lesona lehibe roa tokony hotadidintsika?

17 Misy lesona roa tokony hotadidintsika ireto, mandra-pahatongan’izany. Voalohany, tena zava-dehibe ny manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo dieny izao. Tia azy sy ny mpiara-belona isika, raha mahafoy tena toa an’i Kristy Jesosy Tompontsika. Mety hamoy ny asa fivelomantsika isika, na higadra noho ny fanoherana na ny fanenjehana. Tapa-kevitra ny hiorina tsara hatrany amin’ny finoana anefa isika, na inona na inona fitsapana atrehintsika. Ary na dia mandrahona antsika ho faty aza ny mpanohitra, dia mampionona sy manatanjaka antsika tsy hivadika amin’i Jehovah sy ny Fanjakany ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Afaka manantena hahazo ireo fitahiana mandrakizay tahirizin’i Jehovah ho an’ny marina isika, raha mazoto mitory ilay Fanjakana sy manao mpianatra.

18 Mahakasika ny fomba iatrehana ireo fakam-panahy vokatry ny tsy fahalavorariana ny lesona faharoa. Vao mainka isika hiorina tsara amin’ny finoana raha mankasitraka ny hatsaram-panahin’i Jehovah tsy manam-paharoa, sy mahalala fa mbola hatsangana ny maty. Nampitandrina ny apostoly Jaona hoe: “Aza tia an’izao tontolo izao na ny zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy tia an’izao tontolo izao, dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray, satria ny zava-drehetra eo amin’izao tontolo izao, izany hoe ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana fananana, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao. Ary mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:15-17) Tsy hahasarika firy antsika ny fitiavan-karena eto amin’ity tontolo ity, rehefa ampitahaintsika amin’ny “tena fiainana.” (1 Timoty 6:17-19) Tsy hanaiky ho resin’ny fakam-panahy haloto fitondran-tena koa isika. Fantatsika mantsy fa raha zatra manao zavatra tsy mampifaly an’i Jehovah isika, nefa maty alohan’ny Hara-magedona, dia mety tsy hatsangana intsony.

19. Inona no voninahitra lehibe tsy tokony hohadinointsika?

19 Tsy tokony hohadinointsika mihitsy koa fa voninahitra lehibe ny mampifaly ny fon’i Jehovah dieny izao sy mandrakizay. (Ohabolana 27:11) Asehontsika amin’i Jehovah fa ekentsika hoe manana zo ho mpanjakan’izao rehetra izao izy, raha tsy mivadika mandra-pahafatintsika na mandra-pifaran’ity tontolo ratsy ity isika. Hahafaly erỳ ny hiaina ao amin’ny Paradisa an-tany, rehefa ho tafavoaka amin’ny fahoriana lehibe isika, na hatsangana amin’ny maty amin’ny fomba mahagaga!

Homena fahafaham-po ny faniriantsika

20, 21. Inona no hanampy antsika tsy hivadika, na dia tsy voavaly daholo aza ny fanontaniantsika momba ny fitsanganana amin’ny maty? Hazavao.

20 Tsy voavaly tato amin’ity dinidinika ity daholo ny fanontaniantsika. Ohatra: Inona no hataon’i Jehovah ho an’ireo maty nefa nanambady fony fahavelony? (Lioka 20:34, 35) Ao amin’ny faritra nipetrahany ihany ve no hatsangana ireo maty? Eo akaikin’ny tranon’ny fianakaviany ve? Mbola be dia be ny fanontaniana manitikitika ny saintsika. Tokony hotadidintsika anefa ny tenin’i Jeremia hoe: “Tsara Jehovah amin’izay manantena Azy, dia amin’ny olona izay mitady Azy. Tsara ny miandry ny famonjen’i Jehovah amin’ny fanginana.” (Fitomaniana 3:25, 26) Ho voavaly daholo ny fanontaniantsika amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah. Nahoana izany no azontsika antoka?

21 Saintsaino izay nolazain’ny mpanao salamo momba an’i Jehovah ao amin’ilay hirany hoe: “Manokatra ny tànanao Hianao ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.” (Salamo 145:16) Miova ny zavatra tiantsika rehefa mihalehibe isika. Tsy mitovy amin’izay nantenaintsika tamin’ny mbola kely, ny zavatra tiantsika izao. Miova ny fijerintsika ny fiainana, arakaraka ny zavatra niainantsika sy ny fanantenantsika. Azo antoka anefa fa hanome fahafaham-po ny faniriana ara-dalàna rehetra ananantsika i Jehovah, ao amin’ny tontolo vaovao.

22. Nahoana isika no tena tokony hidera an’i Jehovah?

22 Ny tsy hivadika amin’i Jehovah no tena zava-dehibe indrindra amintsika ankehitriny. ‘Ny tadiavina amin’ny mpanompo dia ny ho olona mahatoky.’ (1 Korintianina 4:2) Mpanompo isika ary manambara ny vaovao tsara be voninahitra momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Handeha hatrany amin’ny lalan’ny fiainana isika, raha mazoto mitory azy io amin’izay olona hitantsika. Tadidio foana fa mahazo antsika rehetra “ny fotoana sy ny sampona.” (Mpitoriteny 9:11) Aza avela hihena ny finoanao ilay fanantenana kanto momba ny fitsanganana amin’ny maty. Tsy hanahy tsy amin’ny antony ianao amin’izay, na dia miovaova aza ny fiainana. Hampionona anao ny fahafantarana fa tena ho tanteraka izany, raha sanatria maty alohan’ny hanombohan’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy ianao. Afaka hamerina ny tenin’i Joba tamin’ilay Mpamorona ianao amin’izay hoe: “Hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao.” Hoderaina anie i Jehovah, izay maniry mafy ny hanangana ireo maty ao anaty fitadidiany!—Joba 14:15.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Jereo Mifohaza! (frantsay) 8 Jolay 1988, pejy 10, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tadidinao Ve?

• Inona no hitsarana ny olona mandritra ny Fanjakana Arivo Taona?

• Nahoana no hisy “hatsangana ho amin’ny fiainana” sy “hatsangana ho amin’ny fanamelohana”?

• Nahoana no mampionona antsika dieny izao ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty?

• Hazavao fa manampy antsika tsy hanahy loatra ny Salamo 145:16, na dia misy fanontaniantsika tsy voavaly aza.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

Nahoana no manampy antsika dieny izao ny finoana ny fitsanganana amin’ny maty?