Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Ampoizina ny Loza

Tsy Ampoizina ny Loza

Tsy Ampoizina ny Loza

NILALAO tao amin’ny efitra fandroana i Owen, zazalahikely roa taona sy tapany. Takany ny fitoeram-panafody, na dia noheverin’ny ray aman-dreniny fa tsy ho tratrany aza. Maro ny zavatra hitany tao, fa ny tavoahangy iray no nahasarika azy. Nosokafany ilay izy, ary nosotroiny ny tao anatiny. Loza ny vokany.

Asidra no tao anatin’ilay tavoahangy, ary nampalahelo fa maty i Owen kely. Nalahelo be ny ray aman-dreniny. Nitady fampiononana tany amin’ny eglizy nisy azy i Percy rainy, ka nanontany hoe: “Inona no nahatonga izao?” Hoy ilay mpitondra fivavahana: “Nila anjely kely hafa hiaraka aminy any an-danitra, Andriamanitra.” Nahatsapa ilay raim-pianakaviana vonton’alahelo fa tena tsy rariny izany. Andriamanitra tokoa ve no nahatonga ny loza toy iny? Diso fanantenana i Percy, ka tsy nandeha niangona intsony.

Nanontany tena toy izao i Percy, rehefa nisaintsaina ny zava-nitranga: ‘Mbola mijaly àry ve izay ny zanako? Mbola ho hitako ve izy, indray andro any?’

Efa nanontany tena koa angamba ianao hoe: ‘Manao ahoana ny olona rehefa maty? Mbola hihaona amin’ireo havantsika efa maty ve isika?’ Mamaly ireo fanontaniana ireo ny Baiboly. Misy fanazavana tsotra sy mampionona an’izay rehetra nidonam-pahoriana ao. Miresaka momba ilay fampanantenana kanto avy amin’Andriamanitra koa izy io, dia ny fitsanganana amin’ny maty.

Vakio ny lahatsoratra manaraka, mba hahafantaranao bebe kokoa momba izany.