Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana no tsy i Davida sy Batseba no novonoina noho ny fijangajangany, fa ilay zanak’izy ireo vao teraka?

Hoy ny Lalàn’i Mosesy: “Raha misy lehilahy azo mandry amim-behivavy vadin’olona, dia samy hatao maty izy roroa, na ralehilahy izay nandry tamin-dravehivavy, na ravehivavy koa; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin’ny Isiraely ny fanao ratsy.” (Deoteronomia 22:22) Tsy maintsy natao maty i Davida sy Batseba, raha mpitsara olombelona teo ambanin’ny Lalàna no nasain’i Jehovah Andriamanitra nitsara azy ireo. Mampihatra ny didim-pitsarany miorina amin’ny zavatra voaporofo fa nataon’ilay mpanao ratsy ny mpitsara olombelona, satria tsy mahafantatra ny ao am-pon’ny olona. Nitaky ny hamonoana ny mpijangajanga ny Lalàna. Tsy nahazo alalana hamela io fahotana io ny mpitsara israelita.

Mahafantatra ny ao am-pon’ny olona kosa Andriamanitra, ary mamela heloka izy, rehefa misy antony marim-pototra hanaovana izany. Nifidy ny handray an-tanana ny raharaha i Jehovah teto, satria i Davida ilay nanaovany fifanekena ny amin’ilay Fanjakana no voakasika. (2 Samoela 7:12-16) Manan-jo hanao toy izany ilay “Mpitsara ny tany rehetra.”—Genesisy 18:25.

Inona no hitan’i Jehovah rehefa nandinika ny fon’i Davida izy? Asehon’ireo teny mampiditra ny Salamo faha-51 izay tsapan’i Davida fony “Natana mpaminany nankao aminy, rehefa naka an’i Batseba izy.” Hoy ny Salamo 51:1-4: “Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben’ny fiantranao vonoy ny fahadisoako. Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana. Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako. Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko.” Noraisin’i Jehovah ho porofon’ny tena fibebahana io fahatsapana ho meloka tao am-pon’i Davida io, ka nanapa-kevitra ny hamindra fo taminy izy. Olona be famindram-po koa i Davida, ary izay mamindra fo no hamindran’i Jehovah fo. (1 Samoela 24:5-8; Matio 5:7; Jakoba 2:13) Noho izany, rehefa niaiky ny fahotany i Davida, dia hoy i Natana taminy: “Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty hianao.”—2 Samoela 12:13.

Tsy afa-nandositra tanteraka ny vokatry ny fahotany anefa i Davida sy Batseba. Hoy i Natana tamin’i Davida: “Noho ny nampitenenanao ratsy ny fahavalon’i Jehovah amin’izany zavatra izany dia ho faty tokoa ny zaza izay haterakao.” Narary àry ilay zaza ka maty, na dia nifady hanina sy nandry tamin’ny tany nandritra ny fito andro aza i Davida.—2 Samoela 12:14-18.

Tsy takatry ny olona sasany ny antony nahafaty ilay zaza, satria milaza ny Deoteronomia 24:16 hoe: “Ny zanaka tsy hatao maty amin’ny ataon’ny rainy.” Tokony hotadidintsika anefa fa ho samy namoy ny ainy, na ireo ray aman-dreny na ilay zaza mbola tany am-bohoka, raha mpitsara olombelona no nandamina ilay raharaha. Ny famoizan’i Davida ny zanany lahy koa, dia mety ho nanampy azy hahatakatra tsara fa tena tsy nahafaly an’i Jehovah ilay fahotany tamin’i Batseba. Afaka matoky isika fa nanao zavatra ara-drariny i Jehovah, satria “marina ny làlany.”—2 Samoela 22:31.

[Sary, pejy 31]

Tena nibebaka i Davida