Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantaro ny Lalan’i Jehovah

Fantaro ny Lalan’i Jehovah

Fantaro ny Lalan’i Jehovah

“Ampahafantaro ny làlanao [aho] ... mba hahitako fitia eo imasonao.” —Eksodosy 33:13.

1, 2. a) Nahoana i Mosesy no namono ilay Ejipsianina hitany nampijaly Hebreo anankiray? b) Inona no nilain’i Mosesy hianarana mba hampiasan’i Jehovah azy?

 NOBEAZINA tao an-tokantranon’i Farao i Mosesy, ary nampianarina ny fahendrena nankamamin’ny mpitondra tao Ejipta. Fantany anefa fa tsy Ejipsianina izy. Hebreo ny ray aman-dreniny. Nandeha nitsidika ny zanak’Israely rahalahiny izy tamin’izy 40 taona, ka nahita lehilahy ejipsianina nampijaly Hebreo anankiray. Tsy nijery fotsiny anefa izy, fa novonoiny ho faty ilay Ejipsianina. Nifidy ny hiandany tamin’ny vahoakan’i Jehovah i Mosesy, ary nihevitra fa nampiasa azy mba hanafaka ireo rahalahiny Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 7:21-25; Hebreo 11:24, 25) Rehefa fantatry ny olona ny nataony, dia noheverin’ny mpitondra tao Ejipta fa lasa mpikomy izy, ka voatery nandositra mba hanavotra ny ainy. (Eksodosy 2:11-15) Nila nahafantatra tsara kokoa ny lalan’i Jehovah i Mosesy, raha naniry hampiasainy. Nanaiky hampianarina ve izy?—Salamo 25:9.

2 Voatery nipetraka tany an-tany hafa nandritra ny 40 taona i Mosesy taorian’izay, ary mpiandry ondry no asany. Toa tsy tia azy ireo Hebreo rahalahiny, nefa tsy nitahiry lolompo izy fa nanaiky izay navelan’Andriamanitra hitranga taminy. Nanaiky hovolavolain’i Jehovah izy, na dia toa tsy nisy nankasitraka ny nataony aza nandritra ny taona maro. Notarihin’ny fanahin’Andriamanitra izy fa tsy nidera tena, rehefa nanoratra tatỳ aoriana hoe: “Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany.” (Nomery 12:3) Nampiasa an’i Mosesy tamin’ny fomba niavaka i Jehovah. Hitahy antsika koa izy, raha miezaka ny halemy fanahy, na handefitra isika.—Zefania 2:3.

Asa nanirahana an’i Mosesy

3, 4. a) Inona no asa nampanaovin’i Jehovah an’i Mosesy? b) Inona no fanampiana azon’i Mosesy?

3 Niresaka tamin’i Mosesy ny anjely iray solontenan’i Jehovah indray andro, teo akaikin’ny Tendrombohitra Horeba, eo amin’ny Saikinosin’i Sinay. Hoy izy: “Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony; dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin’ny tànan’ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin’izany tany izany ho any amin’izay tany soa sy malalaka, dia any amin’izay tany tondra-dronono sy tantely.” (Eksodosy 3:2, 7, 8) Tian’Andriamanitra hampanaovina asa nifandray tamin’izany i Mosesy, nefa tsy maintsy tanterahina araka ny fomba nandidian’i Jehovah ilay izy.

4 Hoy koa ilay anjelin’i Jehovah: “Avia ankehitriny hianao hirahiko ho any amin’i Farao hitondra ny Zanak’Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta.” Nisalasala i Mosesy. Nihevitra izy fa tsy ho vitany ilay asa, ary tsy ho vitany tokoa izany raha niantehitra tamin’ny heriny fotsiny izy. Nanome toky azy anefa i Jehovah hoe: “Homba anao tokoa Aho.” (Eksodosy 3:10-12) Nomeny hery hanaovana fahagagana i Mosesy, mba hanaporofoana fa izy tokoa no naniraka azy. Nampiarahina taminy i Arona rahalahiny, mba ho mpitondra teny. Nilaza i Jehovah fa hampahafantariny azy ireo izay tokony holazainy sy hataony. (Eksodosy 4:1-17) Nanatanteraka izay rehetra nasaina nataony ve i Mosesy?

5. Nahoana no niteraka olana ho an’i Mosesy ny fihetsiky ny Israelita?

5 Nino an’i Mosesy sy Arona ireo loholon’ny Zanak’Israely tamin’ny voalohany. (Eksodosy 4:29-31) Nanome tsiny azy ireo anefa “ny mpifehy ny Zanak’Isiraely” taoriana kelin’izay. Nolazainy mantsy fa nataon’izy mirahalahy “mangidy hoditra” teo anatrehan’i Farao sy ny mpanompony izy ireo. (Eksodosy 5:19-21; 6:9) Raiki-tahotra ny Israelita, rehefa nandao an’i Ejipta ka nahatazana ny kalesin’ny Ejipsianina nanenjika azy ireo. Ny Ranomasina Mena no teo anoloany, ary ny kalesin’ny Ejipsianina no tao aoriany. Nihevitra izy ireo fa tapi-dalan-kaleha, ka nanome tsiny an’i Mosesy. Inona no ho nataonao raha teo koa ianao? Tsy nanana sambo hiampitana ilay ranomasina ny Israelita, nefa nasain’i Mosesy nangorona entana sy niomana handeha, satria izay no baikon’i Jehovah. Nosarahin’Andriamanitra ny Ranomasina Mena avy eo, ary lasa maina ny fanambaniny ka afaka niampita ny Israelita.—Eksodosy 14:1-22.

Raharaha lehibe kokoa noho ny famonjena

6. Inona no nantitranterin’i Jehovah, rehefa naniraka an’i Mosesy izy?

6 Nanantitrantitra ny maha zava-dehibe ny anarany i Jehovah, rehefa naniraka an’i Mosesy. Niankinan’ny aina ny fanajana io anarana io sy ny Tompon’izy io. Hoy i Jehovah rehefa nanontaniana azy ny anarany: “Izaho, Izay Izy Hatrizay Hatrizay ka ho Mandrakizay.” Nasainy nilaza tamin’ny zanak’Israely i Mosesy hoe: “Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo.” Hoy koa i Jehovah: “Izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.” (Eksodosy 3:13-15) Mbola Jehovah foana no anarana ahafantaran’ny mpanompon’Andriamanitra azy ankehitriny.—Isaia 12:4, 5; 43:10-12.

7. Inona no nasain’Andriamanitra nataon’i Mosesy, na dia niavonavona aza i Farao?

7 Nampita ilay hafatra avy tamin’i Jehovah i Mosesy sy Arona, rehefa tonga teo anatrehan’i Farao. Niavonavona be anefa i Farao, sady niteny hoe: “Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely.” (Eksodosy 5:1, 2) Mafy fo tokoa i Farao sady mpamitaka, nefa nasain’i Jehovah niverimberina tany aminy i Mosesy mba hampita ny hafany. (Eksodosy 7:14-16, 20-23, 26, 27; 8:16) Hitan’i Mosesy fa tezitra i Farao. Hisy vokany ihany ve ny hiverimberenana any aminy? Efa tsy andrin’ny Israelita izay hanafahana azy ireo. I Farao kosa anefa niziriziry tsy nety nandefa an’ilay vahoaka. Inona no ho nataonao, raha ianao no teo amin’ny toeran’i Mosesy?

8. Inona no vokatra tsara azo avy tamin’ny fomba nandaminan’i Jehovah ilay raharaha nahakasika an’i Farao, ary inona no tokony ho vokatr’izany eo amintsika?

8 Mbola nampita izao hafatra izao indray i Mosesy: “Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.” Nilaza koa Andriamanitra hoe: “Ankehitriny, raha izay Aho no naninjitra ny tànako hamely anao sy ny vahoakanao amin’ny areti-mandringana, dia efa fongotra tamin’ny tany hianao. Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin’ny tany rehetra ny anarako.” (Eksodosy 9:13-16) Nandringana an’i Farao mafy fo i Jehovah, mba hampisehoana ny heriny, ho fampitandremana an’izay rehetra manohitra azy. Anisan’izany i Satana Devoly, izay nantsoin’i Jesosy Kristy hoe “mpitondra an’izao tontolo izao.” (Jaona 14:30; Romanina 9:17-24) Nambara eran-tany tokoa ny anaran’i Jehovah, araka ny efa nolazainy. Nahari-po i Jehovah, ka voaro ny Israelita sy ny olona maro samy hafa firenena izay lasa nanompo azy. (Eksodosy 9:20, 21; 12:37, 38) Nanomboka tamin’izay, dia olona an-tapitrisany nanaraka ny fivavahana marina, no nandray soa avy tamin’ny fanambarana ny anaran’i Jehovah.

Vahoaka nanahirana

9. Inona no manaporofo fa tsy nanaja an’i Jehovah ny mpiray firenena tamin’i Mosesy?

9 Nahalala ny anaran’Andriamanitra ny Hebreo. Nampiasa io anarana io i Mosesy, rehefa niresaka tamin’izy ireo. Nisy fotoana anefa tsy nanajan’izy ireo ny Tompon’io anarana io. Taoriana kelin’ny nanafahan’i Jehovah azy ireo avy tany Ejipta tamin’ny fomba mahagaga izany. Inona no nataon’ny Israelita rehefa tsy nahita rano madio hosotroina izy ireo tamin’izay? Nimonomonona tamin’i Mosesy izy ireo, ary avy eo nitaraina momba ny sakafo. Nampitandrina i Mosesy fa tsy taminy sy Arona fotsiny izy ireo no nimonomonona, fa tamin’i Jehovah mihitsy. (Eksodosy 15:22-24; 16:2-12) Nanome azy ireo ny Lalàna i Jehovah teo an-tendrombohitra Sinay, sady nanao zava-mahagaga. Tsy nankatò anefa ny Israelita, fa nanao ombilahy kely volamena hivavahana, sady nihambo ho nanao “andro firavoravoana ho an’i Jehovah.”—Eksodosy 32:1-9.

10. Nahoana no tena mahaliana ny mpiandraikitra kristianina ny fangatahan’i Mosesy ao amin’ny Eksodosy 33:13?

10 Ahoana no nataon’i Mosesy tamin’io vahoaka nolazain’i Jehovah fa mafy hatoka io? Nitalaho tamin’i Jehovah izy hoe: “Raha nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ny làlanao hahalalako Anao, mba hahitako fitia eo imasonao.” (Eksodosy 33:13) Manetry tena noho ny Israelita ny Vavolombelon’i Jehovah karakarain’ny mpiandraikitra kristianina ankehitriny. Mivavaka koa anefa ireo mpiandraikitra ireo hoe: “Ampahafantaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.” (Salamo 25:4) Afaka manao zavatra mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny toetrany izy ireo, rehefa mahafantatra ny lalany.

Inona no takin’i Jehovah amin’ny vahoakany?

11. Inona no tari-dalana nomen’i Jehovah an’i Mosesy, ary nahoana izy ireo no mahaliana antsika?

11 Nambaran’i Jehovah teo an-tendrombohitra Sinay ny zavatra notakiny tamin’ny vahoakany. Nomena an’i Mosesy avy eo ny Didy Folo, izay nosoratana tamin’ny vato fisaka roa. Nahita ny Israelita nivavaka tamin’ilay ombilahikely volamena anefa i Mosesy, rehefa nidina avy teo an-tendrombohitra. Tezitra izy ka nazerany ireo vato fisaka, ary potika. Nosoratan’i Jehovah tamin’ny takelaka vato namboarin’i Mosesy indray ny Didy Folo tatỳ aoriana. (Eksodosy 32:19; 34:1) Nitovy tamin’ireo didy nomena voalohany ihany izy ireo, ary tsy maintsy nankatò izany i Mosesy. Nanantitrantitra ny toetrany tamin’i Mosesy koa i Jehovah, mba hampisehoana aminy izay tokony hataony amin’ny maha solontenany azy. Marina fa tsy mihatra amin’ny Kristianina intsony ny Lalàn’i Mosesy. Tsy miova anefa ny toro lalana lehibe maro raketiny, ary tokony harahin’ny mpanompon’i Jehovah rehetra izany. (Romanina 6:14; 13:8-10) Handinika vitsivitsy amin’ireo isika.

12. Koa satria nitaky ny hanompoana azy irery ihany i Jehovah, inona no tokony ho vokatr’izany teo amin’ny Israelita?

12 I Jehovah irery ihany no tokony hotompoina. Ren’ny firenen’ny Israely i Jehovah nilaza fa izy irery ihany no tokony hotompoina. (Eksodosy 20:2-5) Nahita porofo maro izy ireo fa i Jehovah no Andriamanitra marina. (Deoteronomia 4:33-35) Nolazain’i Jehovah mazava tsara fa tsy hilefitra mihitsy izy raha manompo sampy, na mifandray amin’ny fanahy ratsy ny vahoakany, na dia manao izany aza ny firenen-kafa. Tsy tokony ho fombafomba fotsiny ny fanompoan’izy ireo azy. Tokony ho tia an’i Jehovah amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo ary ny heriny manontolo izy rehetra. (Deoteronomia 6:5, 6) Voakasik’izany ny fitenin’izy ireo sy ny fitondran-tenany, izany hoe ny lafiny rehetra amin’ny fiainany mihitsy. (Levitikosy 20:27; 24:15, 16; 26:1) Nilaza mazava tsara koa i Jesosy Kristy tatỳ aoriana, fa i Jehovah irery ihany no tokony hotompoina.—Marka 12:28-30; Lioka 4:8.

13. Nahoana ny Israelita no tsy maintsy nankatò tanteraka an’Andriamanitra, ary inona no tokony hanosika antsika hankatò azy koa? (Mpitoriteny 12:13)

13 Mankatoava tanteraka ny didin’i Jehovah. Nila nampahatsiahivina ny Israelita fa nivoady hankatò tanteraka an’i Jehovah izy ireo, rehefa nanao fifanekena taminy. Matetika izy ireo no afaka nisafidy izay tiany hatao, nefa raha efa nanome didy momba ny zavatra iray i Jehovah, dia tsy maintsy nankatò tanteraka izany izy ireo. Porofon’ny fitiavan’izy ireo an’Andriamanitra izany, sady nitondra soa ho azy sy ny taranany, satria natao hahasoa azy ireo ny didin’i Jehovah rehetra.—Eksodosy 19:5-8; Deoteronomia 5:24-30; 11:22, 23.

14. Ahoana no nanantitranteran’Andriamanitra tamin’ny Israelita, fa tokony ho loha laharana eo amin’ny fiainan’izy ireo ny fanompoana azy?

14 Ataovy loha laharana ny fanompoana an’Andriamanitra. Tsy tokony ho variana tamin’ny zavatra ara-nofo ny Israelita, ka ho lasa an-tsirambina ny fanompoana an’Andriamanitra. Tsy tokony ho revo tanteraka tamin’ny fiainana andavanandro izy ireo. Nisy andro iray isan-kerinandro nolazain’i Jehovah fa masina, ary natokana hanaovan-javatra mifandray amin’ny fanompoana azy izy io. (Eksodosy 35:1-3; Nomery 15:32-36) Nisy fotoana hafa koa natokana ho an’ny fivoriambe masina isan-taona. (Levitikosy 23:4-44) Afaka niresaka momba ny asa lehibe nataon’i Jehovah ny Israelita tamin’ireny fotoana ireny, sady nampahatsiahivina ny lalany, ary afaka naneho fankasitrahana azy noho ny soa rehetra nataony. Nitombo ny fahatahorany sy ny fitiavany an’i Jehovah, rehefa nanompo azy izy ireo. Nanampy azy ireo handeha tamin’ny lalany izany. (Deoteronomia 10:12, 13) Mahasoa ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny koa ny toro lalana raketin’ireny didy nomena ny Israelita ireny.—Hebreo 10:24, 25.

Fantaro tsara ny toetran’i Jehovah

15. a) Nahoana no nahasoa an’i Mosesy ny fahafantarana ny toetran’i Jehovah? b) Inona no fanontaniana hanampy antsika hieritreritra lalina momba ny toetran’i Jehovah tsirairay?

15 Hanampy an’i Mosesy hitarika ny Israelita koa ny fahafantarany tsara ny toetran’i Jehovah. Voalaza ao amin’ny Eksodosy 34:5-7 fa nandalo teo anatrehan’i Mosesy i Jehovah, ary niteny hoe: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka sy ny zafy hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika.” Makà fotoana hisaintsainana ireo teny ireo. Manontania tena hoe: ‘Inona no dikan’ny toetra tsirairay voalaza eo? Ahoana no nanehoan’i Jehovah izany? Ahoana no azon’ny mpiandraikitra kristianina anehoana izany toetra izany? Ahoana no azoko anehoana io toetra io?’ Diniho ireto ohatra vitsivitsy manaraka ireto.

16. Inona no azo atao mba hahafantarana tsara kokoa ny famindram-pon’Andriamanitra, ary nahoana izany no tena ilaina?

16 “Andriamanitra mamindra fo sy miantra” i Jehovah. Nahoana raha jerena ny toko faha-25 amin’ny boky Manatòna An’i Jehovah, mba hahafantaranao bebe kokoa ny famindram-pon’Andriamanitra? Raha anananao koa ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah (Indeksa) na ny Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina (Perspicace), * nahoana raha jerena izay lazainy eo amin’ny hoe “Famindram-po”? Ho hitanao fa noho ny famindram-pon’i Jehovah, dia mampihena ny sazy izy indraindray, sady maneho fangoraham-po lalina. Mahatonga azy hanamaivana ny fahorian’ny vahoakany io toetrany io. Porofon’izany ny fikarakarany ny Israelita teo amin’ny lafiny ara-nofo sy ara-panahy, nandritra ilay dian’izy ireo nankany amin’ny Tany Nampanantenaina. (Deoteronomia 1:30-33; 8:4) Namindra fo i Jehovah, ka namela ny fahadisoan’izy ireo. Koa raha i Jehovah aza namindra fo tamin’ilay vahoakany fahiny, tsy vao mainka ve tokony hifaneho famindram-po ny mpanompony ankehitriny?—Matio 9:13; 18:21-35.

17. Nahoana ny fahafantarana tsara ny fiantran’i Jehovah no manampy antsika hisarika ny olona ho amin’ny fivavahana marina?

17 Sady mamindra fo i Jehovah no miantra. Ahoana no hamaritanao ny atao hoe “miantra”? Ampitahao amin’ny andinin-teny miresaka momba ny fiantran’i Jehovah ny fahazoanao io teny io. Asehon’ny Baiboly fa mahatonga azy hiahy amim-pitiavana ny mpanompony sahirana ny fiantrany. (Eksodosy 22:25, 26) Tsy ny vahiny ihany no mety hanan-java-manahirana fa ny olon-kafa koa, na aiza na aiza. Mba hampianarana ny vahoakany tsy hanavakavaka fa ho tsara fanahy amin’ireny olona ireny, dia nampahatsiahivin’i Jehovah fa vahiny koa izy ireo tany Ejipta. (Deoteronomia 24:17-22) Ahoana ny amintsika vahoakan’Andriamanitra ankehitriny? Mampiray antsika ny fiantrana, sady misarika ny olona hanompo an’i Jehovah.—Asan’ny Apostoly 10:34, 35; Apokalypsy 7:9, 10.

18. Inona no ianarantsika avy amin’ny didy nomen’i Jehovah ny Israelita momba ny fanaon’ny olona hafa firenena?

18 Tsy nahazo nampandefitra ny fitiavany an’i Jehovah sy ny fitsipiny momba ny fitondran-tena anefa ny Israelita, na dia niahy ny olona hafa firenena aza. Izany no antony nandrarana azy ireo tsy hanaraka ny fanaon’ny firenena nanodidina, na ny fombafomban’ny fivavahany sy ny fitondran-tenany maloto. (Eksodosy 34:11-16; Deoteronomia 7:1-4) Mihatra amintsika koa izany ankehitriny. Tokony ho masina isika, toa an’i Jehovah Andriamanitsika izay masina.—1 Petera 1:15, 16.

19. Misakana ny mpanompon’i Jehovah tsy hanao inona, ny fahafantarany ny fomba fihevitr’i Jehovah momba ny fahotana?

19 Mba hahafantaran’i Mosesy ny lalan’i Jehovah, dia nolazainy mazava tsara taminy fa mahari-po na tsy mora tezitra izy, na dia tsy mankasitraka ny fahotana aza. Omeny fotoana hianarana izay takiny sy hampiharana izany ny olona. Mamela heloka i Jehovah rehefa mibebaka ilay olona, nefa tsy esoriny aminy ny sazy sahaza ny fahotana lehibe nataony. Nampitandrina an’i Mosesy izy fa hisy vokany tsara na ratsy amin’ny taranaka fara mandimby, ny zavatra ataon’ny Israelita. Ny fahafantarana ny lalan’i Jehovah, dia hisakana ny vahoakany tsy hanome tsiny azy, rehefa misy zava-mitranga vokatry ny nataon’izy ireo ihany. Hisakana azy ireo koa izany tsy hieritreritra hoe mitaredretra izy.

20. Inona no hanampy antsika hahay hifandray amin’ny mpiray finoana amintsika sy ny olona hitantsika eny amin’ny fanompoana? (Salamo 86:11)

20 Tohizo àry ny fanaovana fikarohana sy ny fisaintsainana izay vakinao ao amin’ny Baiboly, mba hahafantaranao bebe kokoa an’i Jehovah sy ny lalany. Diniho amim-pitandremana ireo toetra faran’izay tsara ananan’i Jehovah. Eritrereto sy ataovy antom-bavaka ny fomba ahafahanao manahaka azy sy mampifanaraka bebe kokoa ny fiainanao amin’ny fikasany. Tsy ho voafandrika ianao amin’izay, ary hahay hifandray amin’ny mpiray finoana aminao, sy hanampy ny olona hahafantatra an’ilay Andriamanitsika mahatalanjona sy ho tia azy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Inona no Nianaranao?

• Nahoana i Mosesy no nila naneho fahalemem-panahy, ary nahoana izany no ilaintsika koa?

• Inona no vokatra tsara azo, rehefa niverimberina nitondra ny tenin’i Jehovah tany amin’i Farao i Mosesy?

• Inona avy no toro lalana tena tsara nampianarina an’i Mosesy sy mihatra amintsika koa?

• Ahoana no ahafahantsika mahafantatra bebe kokoa ny toetran’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

Nampita ny tenin’i Jehovah tamin’i Farao, araka ny nandidiana azy, i Mosesy

[Sary, pejy 23]

Nampahafantarin’i Jehovah an’i Mosesy ny zavatra takiny

[Sary, pejy 24, 25]

Saintsaino ireo toetran’i Jehovah