Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fototra Manao Ahoana no Anorenanao?

Fototra Manao Ahoana no Anorenanao?

Fototra Manao Ahoana no Anorenanao?

MATEZA ny trano mafy fototra. Mampiasa izany ho fanoharana ny Baiboly indraindray.

Nantsoin’i Isaia mpaminany hoe, ilay “nanorina [nametraka ny fototry, TV ] ny tany”, ohatra, i Jehovah Andriamanitra. (Isaia 51:13) Anisan’izany fototry ny tany izany ireo lalàn’Andriamanitra tsy miovaova mifehy ny fihetsehan’ny tany sy mihazona azy io ho eo amin’ny toerany. (Salamo 104:5) Miresaka momba ireo “fototra” iorenan’ny fiaraha-monina koa ny Baiboly. Izany dia ny rariny sy ny lalàna ary ny filaminana. Mikorontana ny fiaraha-monina raha avela ‘handrava’ azy ireo ny tsy rariny sy ny kolikoly ary ny herisetra.—Salamo 11:2-6; Ohabolana 29:4.

Mihatra amin’ny olona tsirairay koa io toro lalana io. Hoy i Jesosy Kristy teo am-pamaranana ilay Toriteniny malaza teo an-tendrombohitra: “Izay rehetra mandre izany teniko izany ka mankatò, dia hoharina amin’ny lehilahy malina izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy. Ary latsaka ny orana ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany. Tsy nirodana anefa ilay trano, satria naorina teo ambony vatolampy. Fa izay rehetra mandre izany teniko izany ka tsy mankatò kosa, dia hoharina amin’ny lehilahy adala izay nanorina ny tranony teo ambony fasika. Ary latsaka ny orana ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany. Dia nirodana ilay trano, sady mafy ny fianjerany.”—Matio 7:24-27.

Fototra manao ahoana no anorenanao ny fiainanao? Eo ambonin’ny filozofian’olombelona tsy matahotra an’Andriamanitra ve? Hirodana toy ilay trano naorina teo ambonin’ny fasika izany. Sa kosa ianao manorina eo ambonin’ny vatolampy mafy orina, ka mankatò ny tenin’i Jesosy Kristy? Hiaro anao amin’ny tafio-drivotry ny fiainana izany.