Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hanjavona Tsy ho Ela ny Fahantrana

Hanjavona Tsy ho Ela ny Fahantrana

Hanjavona Tsy ho Ela ny Fahantrana

MAHASARIKA ny mahantra ny sarina Paradisa, toy ny hita eo amin’ny fonon’ity gazety ity. Tena niaina tao amin’ny paradisa i Adama sy Eva, ilay mpivady voalohany. Saha Edena no anaran’ilay izy. (Genesisy 2:7-23) Marina fa tsy misy intsony io Paradisa io, nefa mbola hisy paradisa amin’ny hoavy. Tsy hisy intsony ny fahantrana ao amin’io tontolo vaovao io. Tsy nofinofy fotsiny izany, fa tena mampanantena izany ny Baiboly.

Diniho ny fampanantenan’i Jesosy Kristy talohan’ny nahafatesany. Nino ilay olon-dratsy niara-novonoina taminy, fa mahavaha ny olana mahazo ny olombelona Andriamanitra. Hoy izy: “Jesosy ô, tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao.” Hita avy amin’izany fa nino izy hoe ho lasa Mpanjaka i Jesosy, ary hatsangana ny maty. Namaly i Jesosy hoe: “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.”—Lioka 23:42, 43.

Izao no lazain’ny Baiboly momba ireo olona hiaina ao amin’ny Paradisa: “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy.” (Isaia 65:21) “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy; fa ny vavan’i Jehovah, Tompon’ny maro, no efa niteny.”—Mika 4:4.

Nahoana àry no mbola avelan’Andriamanitra hisy ny fahantrana? Inona no fanampiana omeny ny mahantra? Rahoviana no tsy hisy intsony ny fahantrana?

Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny fahantrana?

Tsy misy intsony ilay Paradisa nonenan’i Adama sy Eva, satria nikomy nanaraka an’ilay anjely ratsy atao hoe Satana Devoly izy ireo. Nampiasa menarana i Satana mba hitaomana an’i Eva handika ny lalàn’Andriamanitra, ka hihinana ilay voankazo nandrarana azy. Nofitahiny i Eva, ka nino fa ho tsara kokoa ny fiainany, raha tsy miantehitra amin’Andriamanitra izy. Notoloran’i Eva an’ilay voankazo voarara koa i Adama, ka nihinana. Naleony nivadika tamin’Andriamanitra sy nanaraka ny vadiny.—Genesisy 3:1-6; 1 Timoty 2:14.

Rariny raha noroahina avy tao amin’ny Paradisa ilay mpivady nikomy. Niady mafy mba hahavelomana izy ireo nanomboka hatreo. Mbola avelan’i Jehovah hifehy ny olombelona mpanota i Satana hatramin’izao, ka miharihary ny vokatry ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra. Noporofoin’ny tantara fa tsy afaka manova ny tany ho Paradisa ny olona. (Jeremia 10:23) Nitera-doza kosa ny tsy fianteherana tamin’Andriamanitra, anisan’izany ny fahantrana.—Mpitoriteny 8:9.

Tsy miady irery anefa ny mahantra eto amin’ity tontolo feno zava-manahirana ity. Mahazo tari-dalana feno fahendrena izy ireo ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

“Aza manahy mihitsy”

Niresaka tamin’ny vahoaka be i Jesosy indray andro, ary maro tamin’izy ireo no nahantra. Hoy izy: “Jereo tsara ny voro-manidina: Tsy mba mamafy na mijinja na manangona ho ao an-trano fitahirizana ireny, nefa manome sakafo azy ny Rainareo any an-danitra. Tsy sarobidy noho ireny ve ianareo? ... Koa aza manahy mihitsy ianareo hoe: ‘Inona no hohaninay?’ na ‘Inona no hosotroinay?’ na ‘Inona no hotafinay?’ Izany rehetra izany mantsy no katsahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao fatratra. Fa fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany. Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.”—Matio 6:26-33.

Tsy voatery hangalatra ny olona mahantra. (Ohabolana 6:30, 31) Hahazo izay ilainy izy, raha ataony loha laharana eo amin’ny fiainany Andriamanitra. Diniho izay nitranga tamin’i Tukiso, lehilahy iray any Lesotho, any amin’ny faritra atsimon’i Afrika. Nisy miaramila vahiny tonga tany tamin’ny 1998, mba hampitsahatra ny fikomian’ny mponina sasany tamin’ny fanjakana. Noho ilay ady naterak’izany, dia norobaina ny fivarotana, very asa ny olona, ary zara raha nisy sakafo.

Nipetraka tany amin’ny faritra mahantra indrindra tao an-drenivohitra i Tukiso. Maro ny mpiray tanàna taminy no nandroba fivarotana mba hahafahana hivelona. Nody tao amin’ilay efitra tokana nipetrahany i Tukiso indray andro, ary nahita ireo sakafo be dia be nangalarin’i Maseiso, ilay vehivavy niara-nipetraka taminy. “Avoahy any ireo”, hoy i Tukiso, ary nohazavainy fa fandikana ny lalàn’Andriamanitra ny halatra. Nankatò i Maseiso. Naneso azy ireo ny mpiray tanàna sady naka ireo sakafo nangalarina.

Inona no nahatonga an’i Tukiso hanao izany? Ny zavatra nianarany avy ao amin’ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Maty noana ve izy, satria nankatò ny didin’Andriamanitra? Tsia. Nifandray taminy ny anti-panahin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah nisy azy taoriana kelin’izay, ary nanatitra sakafo ho azy. Nandefa fanampiana maherin’ny roa taonina ho an’ireo mpiray finoana taminy tao Lesotho, ireo Vavolombelon’i Jehovah tatsy Afrika Atsimo. Nanohina ny fon’i Maseiso ny fankatoavan’i Tukiso an’Andriamanitra sy ny fanampiana feno fitiavana avy amin’ilay fiangonana. Nanomboka nianatra ny Baiboly koa izy. Nisora-panambadiana izy roa tatỳ aoriana, ka nahafeno fepetra ho Vavolombelon’i Jehovah vita batisa. Mbola manompo an’Andriamanitra izy mivady hatramin’izao.

Miahy ny mahantra i Jehovah Andriamanitra. (Jereo ilay efajoro hoe “Ahoana no Fiheveran’Andriamanitra ny Mahantra?”) Noho ny fitiavany, dia ataony izay hanampiana ny olona toa an’i Tukiso sy Maseiso, mba hahafantatra azy bebe kokoa. Manome torohevitra azo ampiharina eo amin’ny fiainana andavandro koa izy ao amin’ny Teniny.

Fanampiana tena tsara

Miezaka miahy ny mahantra toy ny ataon’Andriamanitra foana ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izay. (Galatianina 2:10) Matetika izy ireo no manome fanampiana, rehefa misy loza mitranga any amin’ny tany iray, ka voakasik’izany ny tena Kristianina. Izay ilain’ny olona rehetra (anisan’izany ny mahantra) eo amin’ny lafiny ara-panahy anefa no tena ahin’izy ireo. (Matio 9:36-38) Nandritra ny 60 taona lasa, dia nanolo-tena ho misionera any an-tany hafa ny mpitory an’arivony efa nahazo fiofanana. Mpivady misionera failandey nianatra teny sesotho, ohatra, no nanampy an’i Tukiso sy Maseiso ho lasa mpianatr’i Jesosy. (Matio 28:19, 20) Matetika ny misionera no mandao fiainana mampiadana any amin’ny tany manankarena, mba hifindrana any amin’ny tany mahantra.

Tsy mieritreritra ny hangalatra ny tena Kristianina mba hahafahany hivelona. Mino kosa izy ireo fa afaka manome izay ilainy i Jehovah Andriamanitra. (Hebreo 13:5, 6) Mampiasa ny fandaminany i Jehovah mba hikarakarana ny mpanompony eran-tany, izay mifampiahy.

Manome torohevitra azo ampiharina eo amin’ny fiainana andavanandro koa i Jehovah, mba hanampiana ny mahantra. Misy didy toy izao, ohatra, ao amin’ny Baiboly: “Aoka ny mpangalatra tsy hangalatra intsony, fa aoka kosa izy hiasa mafy, ka hampiasa ny tanany hanaovana asa tsara, mba hanan-javatra hozaraina amin’izay sahirana.” (Efesianina 4:28) Olona maro tsy an’asa no miezaka mafy manao asa tena toy ny fambolena legioma. Manampy ny mahantra hitsitsy vola koa ny Baiboly, satria mampianatra azy ireo tsy hanana fahazaran-dratsy, toy ny fisotroana tafahoatra.—Efesianina 5:18.

Rahoviana no tsy hisy intsony ny fahantrana?

Milaza ny Baiboly fa miaina amin’ny ‘andro faran’ny’ fitondran’i Satana isika. (2 Timoty 3:1) Tsy ho ela i Jehovah Andriamanitra dia haniraka an’i Jesosy Kristy hitsara ny olombelona. Inona no hitranga amin’izay? Mamaly toy izao i Jesosy ao amin’ny fanoharana iray nataony: “Rehefa tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, miaraka amin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra izy. Dia hangonina eo anatrehany ny firenena rehetra. Ary hanavaka ny olona izy, toy ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy.”—Matio 25:31-33.

Ireo manaiky hofehezin’ny fanjakan’i Kristy no atao hoe ondry eto. Ampitahaina amin’ny ondry izy ireo satria manaraka an’i Jesosy, ilay Mpiandry azy ireo. (Jaona 10:16) Hahazo fiainana izy ireo eo ambany fanjakana lavorarin’i Jesosy. Hahafinaritra ny fiainana ao amin’ilay tontolo vaovao tsy hisy fahantrana. Haringana mandrakizay kosa ireo olona oharina amin’ny osy, satria tsy manaiky ny fitondran’i Jesosy.—Matio 25:46.

Hamarana ny faharatsiana ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy hisy intsony ny fahantrana amin’izay. Ho feno olona mifankatia sy mifampiahy kosa ny tany. Tena hisy izany tontolo vaovao izany, rehefa jerena ny firahalahiana sy fifankatiavana misy eo amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, araka ny tenin’i Jesosy hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.”—Jaona 13:35.

[Efajoro/Sary, pejy 6, 7]

AHOANA NO FIHEVERAN’ANDRIAMANITRA NY MAHANTRA?

Milaza ny Baiboly fa “manome hanina ho an’ny noana” ilay Mpamorona. (Salamo 146:7) Zato mahery ny andinin-teny manasongadina ny fiahian’Andriamanitra ny mahantra.

Tao amin’ny Lalàna nomeny ny Israelita fahiny, ohatra, dia nandidy azy ireo izy mba tsy hijinja ny vokatra rehetra eny an-tsisin’ny tanimbariny. Tsy tokony hiverina haka izay sisa tavela tamin’ny hazo oliva na voaloboka notazany koa izy ireo. Fanampiana feno fitiavana ho an’ny vahiny, kamboty, mpitondratena, ary ny olona niharan-javatra hafa nampahory izany.—Levitikosy 19:9, 10; Deoteronomia 24:19-21.

Nandidy ny Israelita koa Andriamanitra hoe: “Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory hianareo. Fa raha mampahory azy na amin’inona na amin’inona hianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho, ka hirehitra ny fahatezerako, ary hamono anareo amin’ny sabatra Aho; dia mba ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty kosa ny zanakareo.” (Eksodosy 22:21-23) Mampalahelo fa tsy niraharaha ireo teny ireo ny Israelita maro nanan-karena. Nampitandrina azy ireo imbetsaka tamin’ny alalan’ny mpaminany àry i Jehovah Andriamanitra, noho izany tsy fankatoavany izany sy ny fahotana hafa nataony. (Isaia 10:1, 2; Jeremia 5:28; Amosa 4:1-3) Navelany ho resin’ny Asyrianina sy ny Babylonianina ny Israelita tamin’ny farany. Maro no maty, ary nentina ho babo tany an-tany hafa izay sisa niangana.

Niahy ny mahantra toa an’ilay Rainy be fitiavana koa i Jesosy Kristy, ilay Zanaka malalan’Andriamanitra. Nanazava ny anton’ny fanompoany izy, nanao hoe: “Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mahantra izy.” (Lioka 4:18) Tsy midika akory izany hoe ny mahantra ihany no nitoriany, satria nanampy tamim-pitiavana ny manankarena koa izy. Naneho fiahiana ny mahantra anefa izy matetika, rehefa niresaka tamin’ny mpanankarena. Izao, ohatra, no torohevitra nomeny ny olona ambony iray nanan-karena: “Amidio avokoa ny fanananao, ka zarao amin’ny mahantra, dia hanana harena any an-danitra ianao. Ary andao hanara-dia ahy.”—Lioka 14:1, 12-14; 18:18, 22; 19:1-10.

Miahy lalina ny mahantra i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany. (Marka 12:41-44; Jakoba 2:1-6) Porofon’izany ny fitadidian’i Jehovah an’ireo mahantra an-tapitrisany efa maty. Hatsangana amin’ny maty avokoa izy ireo ao amin’ilay tontolo vaovao tsy hisy fahantrana intsony.—Asan’ny Apostoly 24:15.

[Sary]

Porofoin’ny firahalahiana misy eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany fa hisy ny tontolo vaovao

[Sary, pejy 5]

Tukiso sy Maseiso miaraka amin’ilay misionera nampianatra Baiboly an’i Tukiso

[Sary, pejy 5]

Maseiso eo an-tokonan’ny tranony miaraka amin’ilay misionera nampianatra azy Baiboly