Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahaiza ‘Mifehy Tena Rehefa Misy Mahasosotra’

Mahaiza ‘Mifehy Tena Rehefa Misy Mahasosotra’

Mahaiza ‘Mifehy Tena Rehefa Misy Mahasosotra’

“Tsy tokony hiady ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy amin’ny rehetra kosa, ... ary hahafehy tena rehefa misy mahasosotra.”—2 TIMOTY 2:24.

1. Nahoana isika indraindray no sendra olona manao teny henjana eny am-pitoriana?

 AHOANA no ataonao, raha misy olona tsy mandray tsara anao na tsy mankasitraka ny fivavahanao? Nilaza ny apostoly Paoly fa ho ‘mpanevateva, mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ary hasiaka be’ ny olona amin’ny andro farany. (2 Timoty 3:1-5, 12) Mety ho tojo olona toy izany ianao eny am-pitoriana na amin’ny fotoana hafa.

2. Inona no andinin-teny afaka manampy antsika haneho fahendrena, rehefa sendra olona manao teny maharary isika?

2 Tsy voatery ho ratsy fanahy ny olona manao teny masiaka. Mafy loatra angamba ny fiainany na kivy tanteraka izy, ka mikitakita izay rehetra sendra azy. (Mpitoriteny 7:7) Maro no manao toy izany, satria mahazatra ny manao teny mandratra eo amin’ny fiaraha-monina misy azy na any amin’ny toeram-piasany. Tsy midika izany fa mety amintsika Kristianina ny manao fiteny toy ireny. Manampy antsika kosa izany hahatakatra ny antony mahatonga ny olon-kafa hanao toy izany. Ahoana àry no tokony hatao raha misy manao teny maharary amintsika? Hoy ny Ohabolana 19:11: “Ny fahendren’ny olona manindry ny fahatezerany.” Manoro hevitra antsika koa ny Romanina 12:17, 18 hoe: “Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza. ... Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.”

3. Inona no ifandraisan’ny fihavanana sy ny hafatra torintsika?

3 Ho hita amin’ny fihetsitsika raha tena tia fihavanana isika. Hiseho amin’ny tenintsika sy ny ataontsika izany, ary mety hisoritra eny amin’ny endritsika sy ny fomba fitenintsika koa. (Ohabolana 17:27) Nanoro hevitra ny apostoliny toy izao i Jesosy, rehefa naniraka azy ireo hitory: “Rehefa miditra ao an-trano ianareo, dia miarahabà ny ao [“Miarahabà hoe: Ho amin’ity trano ity anie ny fiadanana”, Kat.]. Raha mendrika ny ao an-trano, dia aoka ho tonga aminy ny fiadanana irinareo ho azony, fa raha tsy mendrika kosa, dia aoka hiverina aminareo ny fiadananareo.” (Matio 10:12, 13) Vaovao tsara no torintsika. Antsoina hoe “vaovao tsaran’ny fihavanana” sy “vaovao tsara ny amin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’Andriamanitra” ary “vaovao tsaran’ilay fanjakana” izy io, ao amin’ny Baiboly. (Efesianina 6:15; Asan’ny Apostoly 20:24; Matio 24:14) Ny hanambara ny vaovao tsara avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no zava-kendrentsika, fa tsy ny hanakiana ny zavatra inoan’ny olona, na ny hiady hevitra aminy.

4. Inona no azonao lazaina raha misy miteny hoe “tsy mahaliana ahy izany”, nefa mbola tsy voalazanao ny anton-dianao?

4 Tsy tena mihaino indraindray ny olona itoriana, fa avy hatrany dia manao valy boraingina hoe: “Tsy mahaliana ahy izany.” Azo ilazana izy amin’izay hoe: “Saika hamaky andinin-teny iray monja aminao aho, Tompoko.” Tsy handa izany angamba izy. Mety ho azo atao koa anefa ny miteny hoe: “Saika hiresaka aminao momba ny fotoana tsy hisian’ny tsy rariny intsony aho, Tompoko. Hianatra hifankatia ny olona rehetra amin’izay fotoana izay.” Raha tsy mangataka fanazavana avy hatrany izy aorian’izay, dia afaka miteny ianao hoe: “Hitako anefa fa tsy mety aminao raha izao isika no hiresaka momba izany.” Ahoana anefa raha tsy mandray tsara ilay olona? Tokony hihevitra ve isika fa “tsy mendrika” izy? Na inona na inona fihetsiny, dia tadidio ilay torohevitry ny Baiboly hoe tokony “halemy fanahy amin’ny rehetra” isika, sady “hahafehy tena rehefa misy mahasosotra.”—2 Timoty 2:24.

Mpanambany olona, nefa diso hevitra

5, 6. Inona no nataon’i Saoly tamin’ny mpianatr’i Jesosy, ary nahoana?

5 Nalaza ho mpanevateva ary nahery setra mihitsy aza ny lehilahy iray atao hoe Saoly, tamin’ny taonjato voalohany. “Nandrahona sy nitady handripaka ny mpianatry ny Tompo” izy, hoy ny Baiboly. (Asan’ny Apostoly 9:1, 2) Niaiky izy tatỳ aoriana fa “mpanevateva an’Andriamanitra taloha, sady mpanenjika no mpanambany olona.” (1 Timoty 1:13) Na dia tamin’ny fotoana mety ho efa naha lasa Kristianina ny havany sasany aza, dia nilaza i Paoly fa toy izao no fomba nitondrany ny mpanara-dia an’i Kristy: “Satria tezitra mafy dia mafy tamin’izy ireny aho, dia vitako hatramin’ny nanenjika azy tany amin’ny tanàna ivelany mihitsy aza.” (Asan’ny Apostoly 23:16; 26:11; Romanina 16:7, 11) Tsy misy filazana anefa hoe nifamaly tamin’i Saoly teo imasom-bahoaka ny mpianatr’i Jesosy tamin’ireny fotoana ireny.

6 Inona no nahatonga an’i Saoly hanenjika ny Kristianina? Hoy izy, taona maro tatỳ aoriana: “Noho ny tsy fahalalako sy ny tsy finoako no nanaovako izany.” (1 Timoty 1:13) Fariseo izy taloha, ary nobeazina ‘araka ny fampianarana hentitra momba ny Lalàn’ny razambeny.’ (Asan’ny Apostoly 22:3) Toa nalala-tsaina ihany i Gamaliela, ilay mpampianatra an’i Saoly, fa nafana fo tafahoatra kosa i Kaiafa mpisoronabe, izay nifaneraseran’i Paoly tatỳ aoriana. Anisan’ny atidoha nikotrika ny famonoana an’i Jesosy Kristy i Kaiafa. (Matio 26:3, 4, 63-66; Asan’ny Apostoly 5:34-39) Nandidy ny hikapohana ny apostolin’i Jesosy izy taorian’izay, ary norarany mafy tsy hitory amin’ny anaran’i Jesosy intsony izy ireo. I Kaiafa koa no nitarika ilay fotoam-pitsarana nampahatezitra ny olona sasany, sy niafara tamin’ny fitoraham-bato an’i Stefana. (Asan’ny Apostoly 5:27, 28, 40; 7:1-60) Nijery ny fitoraham-bato an’i Stefana i Paoly, ary nomen’i Kaiafa alalana hisambotra sy handripaka ny Kristianina tany Damaskosy izy. (Asan’ny Apostoly 8:1; 9:1, 2) Izany fitaoman’i Kaiafa izany no nahatonga an’i Saoly hino, fa porofon’ny hafanam-pony ho an’Andriamanitra ny zavatra nataony. Tsy nanana ny tena finoana anefa izy. (Asan’ny Apostoly 22:3-5) Noho izany, dia tsy takany fa i Jesosy no Mesia. Tonga saina anefa izy, rehefa niseho taminy tamin’ny fomba mahagaga teo amin’ny lalan’i Damaskosy, i Jesosy natsangana tamin’ny maty.—Asan’ny Apostoly 9:3-6.

7. Inona no vokany teo amin’i Saoly, rehefa nahita an’i Jesosy teo amin’ny lalan’i Damaskosy izy?

7 Nirahina hitory tamin’i Saoly i Ananiasy mpianatra, taoriana kelin’izay. Ho nazoto nanao izany ve ianao, raha ianao no teo amin’ny toeran’i Ananiasy? Natahotra ihany i Ananiasy, nefa niresaka tamin’i Saoly tamin-katsaram-panahy izy. Niova i Saoly, noho ilay fahitana mahagaga momba an’i Jesosy teo amin’ny lalan’i Damaskosy. (Asan’ny Apostoly 9:10-22) Nantsoina hoe apostoly Paoly izy tatỳ aoriana, ary lasa misionera kristianina be zotom-po.

Nalemy fanahy nefa be herim-po

8. Ahoana no nanahafan’i Jesosy ny Rainy tamin’ny fomba nitondrany ireo olona nanao ratsy?

8 Nazoto nitory ilay Fanjakana i Jesosy, ary nalemy fanahy izy nefa be herim-po rehefa nifandray tamin’ny olona. (Matio 11:29) Notahafiny ilay Rainy any an-danitra, izay mampirisika ny ratsy fanahy hiala amin’ny faharatsiany. (Isaia 55:6, 7) Nahamarika ny fiovana nataon’ny mpanota i Jesosy, ary nampahery azy ireo. (Lioka 7:37-50; 19:2-10) Tsy nitsara ivelany izy, fa tsara fanahy sy nandefitra ary nahari-po toa an-dRainy, satria naniry hitarika ny olona hibebaka izy. (Romanina 2:4) Sitrapon’i Jehovah ny hahatonga ny karazan’olona rehetra hibebaka ka ho voavonjy.—1 Timoty 2:3, 4.

9. Inona no ianarantsika avy amin’ny fahatanterahan’ny Isaia 42:1-4 tamin’i Jesosy?

9 Niresaka momba ny fiheveran’i Jehovah an’i Jesosy Kristy i Matio mpanoratra Filazantsara, rehefa namerina ity faminaniana ity: “Indro ny mpanompoko izay nofidiko, ny malalako izay sitrako! Hapetrako ao aminy ny fanahiko, ary hasehony mazava amin’ny firenena ny atao hoe rariny. Tsy hifanditra amin’olona izy, na hiantso mafy, ary tsy hisy handre ny feony eny an-dalam-be. Tsy hanorotoro ny bararata folaka izy, na hamono ny lahin-jiro manetroka, mandra-pamoakany ny rariny ho mpandresy. Eny tokoa, ny anarany no hantenain’ny firenena.” (Matio 12:17-21; Isaia 42:1-4) Tanteraka tokoa io faminaniana io, satria tsy nifanditra mafy tamin’olona mihitsy i Jesosy. Nanambara ny fahamarinana tamin’ny fomba nanintona ny olona tso-po foana izy, na dia nisy zava-tsarotra aza.—Jaona 7:32, 40, 45, 46.

10, 11. a) Nahoana i Jesosy no nitory tamin’ny Fariseo sasany, na dia ireo aza no nahay vava indrindra tamin’ny mpanohitra azy? b) Ahoana no navalin’i Jesosy ny mpanohitra indraindray, nefa inona no tsy nataony?

10 Niresaka tamin’ny Fariseo maro i Jesosy, nandritra ny fanompoany. Marina fa nisy Fariseo nitady hamandrika azy tamin’ny teniny, nefa tsy nihevitra izy hoe ratsy fanahy izy rehetra ireo. Somary be fanakianana ilay Fariseo atao hoe Simona. Toa naniry hahafantatra bebe kokoa an’i Jesosy anefa izy, ka nanasa azy hisakafo. Nanaiky ilay fanasana i Jesosy, ary nitory tamin’ny olona tonga teo. (Lioka 7:36-50) Indray alina, dia tonga niresaka tamin’i Jesosy koa i Nikodemosy, Fariseo iray nanana toerana ambony. Tsy nanome tsiny azy i Jesosy satria hoe niandry ho efa maizina izy vao tonga. Niresaka taminy kosa izy ny amin’ny fitiavana nasehon’Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany, hamonjy ny olona maneho finoana azy. Nanazava taminy tamin-katsaram-panahy koa i Jesosy, fa tena ilaina ny mankatò an’Andriamanitra. (Jaona 3:1-21) Niaro an’i Jesosy i Nikodemosy tatỳ aoriana, rehefa nisy Fariseo nanamaivana ny tatitra tsara momba azy.—Jaona 7:46-51.

11 Fantatr’i Jesosy tsara fa mpihatsaravelatsihy ireo nitady hamandrika azy. Tsy nanaiky hiady hevitra tamin’ny mpanohitra izy, rehefa fantany fa tsy hisy vokany izany. Nanome valin-teny fohy nefa mafonja kosa izy indraindray, rehefa hitany fa nety izany. Nety ho toro lalana, na fanoharana, na andinin-teny iray ilay izy. (Matio 12:38-42; 15:1-9; 16:1-4) Tsy namaly tsotra izao izy, rehefa hitany fa tsy hisy vokany tsara izany.—Marka 15:2-5; Lioka 22:67-70.

12. Ahoana no nahafahan’i Jesosy nanampy olona, na dia rehefa nisy nivazavaza taminy aza?

12 Nivazavazan’ny olona azon’ny fanahy maloto i Jesosy indraindray. Nifehy tena izy tamin’ireny fotoana ireny, ary nampiasa ny hery nomen’Andriamanitra azy mihitsy aza mba hanasitranana an’ireo olona nisy demonia. (Marka 1:23-28; 5:2-8, 15) Mila mifehy tena koa isika, raha tezitra ny olona itoriantsika ka mivazavaza amintsika. Tokony hiezaka ho tsara fanahy sy hahay handanjalanja foana isika, rehefa mamaly azy ireo.—Kolosianina 4:6.

Eo anivon’ny fianakaviana

13. Nahoana ny olona sasany no manohitra ny havany, izay manomboka mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?

13 Eo anivon’ny fianakaviana matetika no tena mila mifehy tena ny mpanara-dia an’i Jesosy. Rehefa manohina lalina ny fonao ny fahamarinana ara-baiboly, dia izany koa no irinao ho tsapan’ny mpianakavinao. Mety hanohitra anefa ny mpianakavy, hoy i Jesosy. (Matio 10:32-37; Jaona 15:20, 21) Misy antony samihafa mahatonga izany. Mampianatra antsika ny Soratra Masina mba hanao ny marina sy hahay handray andraikitra ary haneho fanajana. Voalaza ao koa fa ny adidintsika amin’ny Mpamorona no zava-dehibe indrindra, na inona na inona mitranga. (Mpitoriteny 12:1, 13; Asan’ny Apostoly 5:29) Mety ho tezitra ny mpianakavy sasany, raha heveriny fa mampihena ny fahefany eo anivon’ny tokantrano ny tsy fivadihantsika amin’i Jehovah. Tena ilaina ny mifehy tena toa an’i Jesosy amin’ny toe-javatra toy izany!—1 Petera 2:21-23; 3:1, 2.

14-16. Inona no nampiova ny olona sasany izay nanohitra ny havany taloha?

14 Maro ny mpanompon’i Jehovah notoherin’ny vadiny na ny mpianakaviny, noho ny fiovana nataony rehefa nanomboka nianatra Baiboly. Nahare olona nanaratsy ny Vavolombelon’i Jehovah angamba izy ireo, ka natahotra sao ho voataona amin’ny zavatra ratsy ny fianakaviany. Inona no nampiova ireny mpanohitra ireny? Ny fitondran-tena tsaran’ilay havany matetika no tena nahatonga izany. Nihena ny fanoheran’ny fianakaviana indraindray, satria nampihatra ny torohevitry ny Baiboly foana ilay Vavolombelona, ka nanatrika tsy tapaka ireo fivoriana kristianina sy nanao fanompoana. Nanao ireo andraikiny teo anivon’ny tokantranony koa izy, sady nifehy tena rehefa nanaovana teny maharary.—1 Petera 2:12.

15 Mety tsy hanaiky fanazavana ara-baiboly koa ny mpanohitra, noho ny fitsarana an-tendrony na ny avonavona. Toy izany ny lehilahy iray any Etazonia, izay nilaza fa tia tanindrazana be. Rehefa nanatrika fivoriambe ny vadiny indray mandeha, dia nahoron’io rangahy io daholo ny akanjony, ary nandao ny tokantranony izy. Nitondra basy nivoaka ny trano koa izy indray mandeha, ary nilaza fa hamono tena. Nolazainy fa ny fivavahan’ny vadiny no nahatonga izany fihetsiny adaladala izany. Niezaka nampihatra ny torohevitry ny Baiboly foana anefa ilay ramatoa. Roapolo taona taorian’ny naha Vavolombelon’i Jehovah azy, dia lasa Vavolombelon’i Jehovah koa ilay vadiny. Tezitra be koa ny vehivavy iray tany Albania, satria nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zanany vavy, ary natao batisa. In-12 izy no nanapotika ny Baibolin-janany. Nanokatra Baiboly vaovao iray napetrak’ilay zanany teo ambony latabatra izy indray mandeha. Ny Matio 10:36 avy hatrany no hitany, ary tsapany fa nahakasika azy izay voasoratra tao. Noho ny fiahiany an-janany, dia nateriny izy io rehefa handray sambo ho any Italia niaraka tamin’ny Vavolombelona hafa mba hanatrika fivoriambe. Nanomboka niova ny fony teo, rehefa hitany fa nifankatia, nifamihina, nitsikitsiky ary falifaly ireo Vavolombelona. Nanaiky hianatra Baiboly izy taoriana kelin’izay, ary miezaka manampy ireo olona manohitra izy ankehitriny.

16 Nanambana ny vadiny tamin’ny antsy teo akaikin’ny Efitrano Fanjakana ny lehilahy iray. Sady nilelalela izy no nanendrikendrika azy. Niteny tamim-pahalemem-panahy anefa ilay vadiny hoe: “Midira ange ianao ao amin’ny Efitrano Fanjakana e! Ianao mihitsy no hahita izay atao ao amin’izay.” Niditra tokoa ilay rangahy. Lasa anti-panahy kristianina izy tatỳ aoriana.

17. Inona no torohevitra ara-baiboly hanampy ny fianakaviana kristianina, rehefa misy tsy fifanarahana eo amin’izy ireo?

17 Mety hisy tsy fifanarahana ao an-tokantrano, na dia Kristianina daholo aza ny mpianakavy. Mety hisy hanao teny henjana mihitsy aza, noho ny tsy fahalavorariana. Tsara homarihina fa nomena izao torohevitra izao ireo Kristianina tany Efesosy fahiny: “Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny lolompo rehetra sy ny fahatezerana rehetra sy ny fahavinirana rehetra sy ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana rehetra, mbamin’ny faharatsiana rehetra.” (Efesianina 4:31) Hita amin’izany fa nisy fiantraikany teo amin’ireo Kristianina tany Efesosy ny zava-nisy nanodidina azy sy ny tsy fahalavorariany ary ny fomba fiainany taloha. Inona no nanampy azy ireo hiova? Nila ‘nohavaozina teo amin’ny hery nibaiko ny sainy’ izy ireo. (Efesianina 4:23) Nisongadina bebe kokoa teo amin’ny fiainan’izy ireo ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra, rehefa nianatra ny Teniny, nisaintsaina ny fomba hampiharany azy io, nifanerasera tamin’ny Kristianina hafa, ary nivavaka tamin-kafanam-po izy ireo. Nianatra ny ‘ho tsara fanahy tamin’ny namany avy izy ireo, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka, toy ny namelan’Andriamanitra tanteraka ny helok’izy ireo.’ (Efesianina 4:32) Tokony hifehy tena, ho tsara fanahy, hangoraka ary hamela heloka koa isika, na inona na inona ataon’ny hafa. Tsy tokony ‘hamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza’ isika. (Romanina 12:17, 18) Tokony haneho ny tena fitiavana toa an’Andriamanitra foana isika.—1 Jaona 4:8.

Torohevitra ho an’ny kristianina rehetra

18. Nahoana no tena nilain’ny anti-panahy tao Efesosy ilay torohevitra ao amin’ny 2 Timoty 2:24, ary nahoana izy io no mahasoa ny Kristianina rehetra?

18 Mihatra amin’ny Kristianina rehetra ilay torohevitra hoe ‘mifeheza tena.’ (2 Timoty 2:24) I Timoty anefa no niantefan’izy io voalohany, ary nilainy izany fony izy anti-panahy tany Efesosy. Nanizingizina ny fomba fiheviny ny olona sasany teo anivon’ny fiangonana, ary nampianatra hevi-diso. Tsy takatr’izy ireo tsara ny zava-kendren’ny Lalàn’ny Mosesy, ka tsy azony fa zava-dehibe ny finoana sy ny fitiavana ary ny feon’ny fieritreretana madio. Nirehareha izy ireo, ka nifanditra sy niady hevitra momba ny teny. Tsy azony akory anefa ny hevi-dehiben’ny fampianaran’i Kristy sy ny maha zava-dehibe ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra. Tsy nahazo nampandefitra ny fahamarinana ara-baiboly i Timoty, nefa tsy maintsy nalemy fanahy tamin’ireo rahalahy koa, rehefa nandamina izany olana izany. Fantany, toy ny fantatr’ireo anti-panahy ankehitriny koa, fa tsy azy ny andian’ondry, ary tsy maintsy manao izay hampifankatia sy hampiray saina ny Kristianina izy.—Efesianina 4:1-3; 1 Timoty 1:3-11; 5:1, 2; 6:3-5.

19. Nahoana isika rehetra no mila ‘mitady ny fandeferana’?

19 Mampirisika ny vahoakany mba ‘hitady ny fandeferana’ Andriamanitra. (Zefania 2:3) Ny teny hebreo nadika hoe “fandeferana”, dia midika hoe fiaretana izay mihatra amin’ny tena, nefa tsy sosotra na mitady hamaly faty. Enga anie isika hitalaho amin’i Jehovah, mba hanampy antsika hifehy tena sy ho mendrika hitondra ny anarany foana, na dia misy zava-tsarotra aza.

Inona no Nianaranao?

• Inona no andinin-teny afaka manampy anao, raha misy manambany anao?

• Nahoana i Saoly no nanambany olona?

• Inona no modely navelan’i Jesosy, ka hanampy antsika hahay hifandray amin’ny karazan’olona rehetra?

• Inona no mety ho vokatra tsara azo, raha mifehy tena ny mpianakavy rehefa mifampiresaka?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Tsara fanahy tamin’i Saoly i Ananiasy, na dia ratsy laza aza i Saoly

[Sary, pejy 29]

Mety hampihena ny fanoheran’ny mpianakaviny ny Kristianina, rehefa manao tsara ny andraikiny foana

[Sary, pejy 30]

Manao izay hisian’ny fitiavana sy firaisan-tsaina ny Kristianina