Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampiray ny Fianakaviana ny Fahalalana An’Andriamanitra

Mampiray ny Fianakaviana ny Fahalalana An’Andriamanitra

“Ny Famonjena Ahy dia avy Amin’i Jehovah”

Mampiray ny Fianakaviana ny Fahalalana An’Andriamanitra

NANANGANA rindrina mba hizarana ny tranony ho roa ny mpivady iray any Arzantina! Tsy nety nifanaraka mihitsy mantsy izy roa. Tsy nifankatia tsotra izao izy mivady.

Mampalahelo fa tsy maningana ny toy izany. Maro ny fianakaviana mikorontana, satria ahitana fifamaliana, fanitsakitsaham-bady, ary fifankahalana. Tsy tokony hitranga anefa izany, satria Andriamanitra mihitsy no nanorina ny fianakaviana. (Genesisy 1:27, 28; 2:23, 24) Fanomezana avy aminy ny tokantrano, ary eo anivony no toerana tsara indrindra ahafahana mifaneho fitiavana lalina. (Rota 1:9) Hanome voninahitra an’i Jehovah ny mpianakavy, raha samy manao ny andraikitra nomeny azy avy, ary handray soa ny fianakaviana. *

Mila ampitovintsika amin’ny an’Andriamanitra ny hevitsika momba ny fiainam-pianakaviana, satria izy no namorona azy io. Mirakitra torohevitra mahasoa maro ny Teniny, ary natao hanampy ny fianakaviana izy ireny, indrindra fa rehefa misy ny olana. Inona no andraikitry ny lehilahy? Hoy ny Baiboly: ‘Tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy.’ Hahafinaritra ny vadiny ny “hanaja fatratra” azy, raha manao izany izy.—Efesianina 5:25-29, 33.

Nanome torohevitra momba ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka koa ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.” (Efesianina 6:4) Hifankatia sy hifandray tsara ny mpianakavy raha arahina izany, ka ho mora kokoa amin’ny ankizy ny hankatò ny ray aman-dreniny.—Efesianina 6:1.

Santionany amin’ny torohevitra tsara omen’ny Baiboly momba ny fiainam-pianakaviana ireo. Tokantrano maro no sambatra satria manaraka ny toro lalan’Andriamanitra. Nanao ahoana, ohatra, ilay mpivady avy any Arzantina noresahintsika teo am-piandohana? Nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy mivady. Nanomboka nampihatra ireo torohevitra ara-baiboly momba ny fanambadiana izy ireo, telo volana tatỳ aoriana. Niezaka mafy izy roa mba hahay hifampiresaka, sy ho tsara fanahy, ary hifamela heloka. (Ohabolana 12:18; 1 Petera 3:7; 4:8) Nianatra nifehy ny hatezerany izy ireo, ary nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra rehefa nitady tsy hahafehy fihetseham-po. (Kolosianina 3:19) Tsy ela dia nazera ilay rindrina tao an-tranony!

Afaka mampiray ny fianakaviana Andriamanitra

Mahatonga ny fianakaviana ho tafaray kokoa ny fahalalana sy fampiharana ny fitsipik’Andriamanitra, hany ka mahavita miatrika ny olana mitranga izy ireo. Tena zava-dehibe izany, satria milaza ny faminaniana fa hiatrika olana mety handrava azy ny fianakaviana amin’ny androntsika. Efa nilaza mialoha i Paoly fa hiharatsy fitondran-tena ny olona, ary hisara-bazana ny fiaraha-monina. Nilaza izy fa tsy ho mena-mivadika ny olona amin’ny “andro farany”, “tsy ho tia ny mpianakaviny”, ary tsy hankatò ray aman-dreny. Hitranga izany na dia eo amin’ireo olona “toa mpivavaka be” aza.—2 Timoty 3:1-5.

Tsy ho tonga ao amin’ny fianakaviantsika ny toetra ratsy toy izany, raha miezaka mampifaly an’Andriamanitra isika. Tsapan’ny fianakaviana maro fa ilaina ny fanampian’Andriamanitra, mba hiatrehana ny ankamaroan’ny olana mahazo azy. Raha te hifandray tsara foana amin’Andriamanitra ny mpianakavy, dia mila mampihatra ny toro lalana ao amin’ny Baiboly aloha izy voalohany indrindra. Ilainy koa ny miaiky fa “raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy.” (Salamo 127:1) Ny fanaovana an’Andriamanitra ho loha laharana eo amin’ny fiainan-tokantrano no tena mahasambatra ny fianakaviana.—Efesianina 3:14, 15.

Hitan’i Dennis, lehilahy iray any Hawaii, fa marina tokoa izany. Mpanao teny mandratra sy mpiady aman’olona izy, na dia nitonona ho Kristianina aza. Vao mainka aza izy tsy tia olona sy nahery setra, rehefa avy nanao miaramila. “Niady foana aho”, hoy izy. “Tsy noraharahaiko izay nanjo ahy, ary tsy natahotra ny ho faty aho, fa mbola niteny ratsy sy niady foana. Nampirisika ahy hianatra Baiboly ny vadiko, izay Vavolombelon’i Jehovah.”

Tsy niraharaha izany i Dennis. Niova ihany anefa izy, rehefa nahita ny toetra tsaran’ny vadiny. Niara-namonjy fivoriana kristianina tamin’ny vady aman-janany izy tatỳ aoriana. Nanomboka nianatra Baiboly koa izy, ary nandroso tsara. Niala tamin’ny sigara izy, na dia efa nifoka nandritra 28 taona aza. Tsy niarahany intsony ireo namany izay nanana ireo fahazaran-dratsy niezahany nialana. Velom-pisaorana an’i Jehovah i Dennis ary niteny hoe: “Nihatsara ny fiainam-pianakavianay. Niara-nandeha nivory sy nitory izahay mianakavy. Tsy natahotra ahy intsony ny zanako roa lahy, satria nianatra nifehy ny fahatezerako aho sady tsy nanao teny mandratra intsony. Mifampiresaka tsara izahay izao ary faly miara-midinika ny Baiboly. Efa maty aho hoatr’izay raha tsy nianatra ny fahamarinana ara-baiboly. Tena saro-po mantsy aho taloha.”

Afaka ny ho sambatra ny fianakaviana, raha miezaka mafy hanao ny sitrapon’i Jehovah. Voaporofo fa tsara kokoa ny fiainam-pianakaviana na dia mpianakavy iray monja aza no mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly, noho ny hoe tsy misy mihitsy. Mitaky asa mafy ny fanaovana izay hampiray kokoa ny fianakaviana, ary mitaky fotoana sy fahaizana. Rehefa manao izany ezaka izany anefa ny mpianakavy, dia azo antoka fa hamaly soa azy i Jehovah ka hahomby izy ireo. Afaka miteny toy ilay mpanao salamo izy ireo hoe: “Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah.”—Salamo 121:2.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Jereo ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2005, Mey/Jona.

[Teny notsongaina, pejy 9]

Andriamanitra “izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy eto an-tany anarana.”—EFESIANINA 3:15

[Efajoro, pejy 8]

TIA NY FIANAKAVIANA I JEHOVAH

“Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.”—Genesisy 1:28.

Sambatra izay rehetra matahotra an’i Jehovah ... Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra ao anatin’ny tranonao.”—Salamo 128:1, 3.