Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mari—Ilay Tanàna Lehibe Fahiny

Mari—Ilay Tanàna Lehibe Fahiny

Mari—Ilay Tanàna Lehibe Fahiny

NILAZA toy izao ilay mpanao fikarohana ambanin’ny tany avy any Frantsa, antsoina hoe André Parrot: “Nientan-kafaliana aho tamin’iny alina iny, rehefa tonga tao amin’ny efitra fandriako. Tsy nampoizina mantsy ilay zava-nitranga vao avy nanaovanay sy ireo namako fety.” Tao amin’ny Havoana Hariri, akaikin’i Abou Kemal, tanàna kely manamorona ny Reniranon’i Eofrata any Syria, no nanaovan’i Parrot sy ny ekipany fikarohana, tamin’ny Janoary 1934. Hitan’izy ireo avy tao ambanin’ny tany ny sarivongana iray nisy soratra hoe: “Lamgi-Mari, mpanjakan’i Mari, mpisoronaben’i Enlil.” Faly be izy ireo rehefa nahita izany.

Hita ihany ny tanànan’i Mari tamin’ny farany! Nahoana izany no mahaliana ny mpianatra ny Baiboly?

Tanàna mahaliana

Voaresaka tao amin’ny soratra fahiny ny tanànan’i Mari, saingy tsy fantatra mihitsy ny toerana nisy azy io hatramin’izay. Nilaza ny mpanora-dalàna somerianina fa nisy tarana-mpanjaka nifandimby tao Mari, ary mety ho efa nifehy an’i Mezopotamia manontolo izy io. Nanamorona ny Reniranon’i Eofrata i Mari. Tsara toerana izy io, satria teo no fihaonan’ny lalan’ny mpivarotra, nampitohy ny Hoala Persika tamin’i Asyria, Mezopotamia, Anatolia, ary ny morontsirak’i Mediterane. Nandalo tao Mari ny mpitondra entam-barotra toy ny hazo, vy, ary vato, satria tsy nisy azy ireny loatra tany Mezopotamia. Nanan-karena noho ny hetra avy tamin’ireny entana ireny i Mari, ka izany no nahatonga azy hifehy ilay faritra. Tsy nanana izany fahefana izany intsony anefa izy, rehefa resin’i Sargona mpanjakan’i Akkad i Syria.

Miaramila foana no governoran’i Mari, nandritra ny 300 taona teo ho eo taorian’ny fandresen’i Sargona. Niroborobo ilay tanàna nandritra izany. Nikororosy anefa i Mari, tamin’ny fotoana nanjakan’i Zimri-Lim, ilay mpitondra farany. Niezaka ihany i Zimri-Lim ny hanamafy orina ny fanjakany, ka nanao fanafihana sy fifanekena maro. Nitady rohim-pihavanana ara-panambadiana koa izy. Nanafika sy nandrava an’ilay tanàna anefa i Hammourabi, mpanjakan’i Babylona, tamin’ny 1760 T.K. tany ho any. Rava tanteraka ilay tanàna nolazain’i Parrot fa “anisan’ny nanana kolontsaina nandroso indrindra tamin’ny andro fahiny.”

Nanampy ny mpanao fikarohana ambanin’ny tany sy ny mpahay tantara amin’izao andro izao, ny fomba nandravan’ny tafik’i Hammourabi an’i Mari. Voatototra hatrany amin’ny dimy metatra ny trano teo amin’ny faritra sasany, rehefa nazerany teo ambonin’izy ireny ireo manda vita tamin’ny biriky tany. Izany no niaro azy ireny, na dia manimba zavatra aza ny fandehan’ny fotoana. Hitan’ny mpanao fikarohana ny sisa tavela tamin’ireo tempoly sy lapa, niaraka tamin’ireo asa tanana sy soratra an’arivony, izay manampy antsika hahafantatra ny kolontsaina fahiny.

Nahoana ny sisa tavela tamin’i Mari no mahaliana antsika? Eritrereto ilay vanim-potoana niainan’i Abrahama. Teraka tamin’ny 2018 T.K. i Abrahama, izany hoe 352 taona taorian’ny Safodrano. Anisan’ny taranaka fahafolo taorian’i Noa izy. Niala tao Ora, tanàna niaviany i Abrahama, ka nankany Harana, noho ny baikon’Andriamanitra. Niala tao Harana indray i Abrahama tamin’ny 1943 T.K., ka nankany Kanana. Efa 75 taona izy tamin’izay. Izao no nolazain’i Paolo Matthiae, mpanao fikarohana ambanin’ny tany avy any Italia: “Nitranga tamin’ny fotoana nisian’ny tanànan’i Mari ny dian’i Abrahama avy tany Ora nankany Jerosalema [tany Kanana].” Manampy antsika haminavina ny tontolo niainan’i Abrahama, ilay mpanompon’Andriamanitra nahatoky àry, ny fahitana an’i Mari. *Genesisy 11:10–12:4.

Inona no nasehon’ireo sisa tavela tamin’i Mari?

Niroborobo ny fivavahana tany Mari, toy izay nitranga nanerana an’i Mezopotamia. Noraisin’ny olona ho adidy ny nanompo ireo andriamanitra. Namantatra ny sitrapon’izy ireo foana ny olona, talohan’ny nandraisany fanapahan-kevitra lehibe. Nahita ny sisa tavela tamin’ireo tempoly enina ny mpanao fikarohana ambanin’ny tany. Anisan’izany ny Tempolin’ny Liona (nisy nilaza fa ny tempolin’i Dagana izy io, na ilay Dagona ao amin’ny Baiboly). Tao koa ny toerana masin’i Ishtar, ilay andriamanibavin’ny fahafaha-miteraka, sy ny an’i Shamash, andriamanitra masoandro. Ny sarivongan’ilay andriamanitra nanaterana fanatitra sy nivavahana no tao amin’ireny tempoly ireny tamin’ny voalohany. Nasian’ireo mpivavaka mafana fo sarivongana mitsiky sady mivavaka anefa teo amin’ireo dabilion’ny toerana masina, ary nino izy ireo fa hanohy ny vavaka tokony ho nataony ireo sarivongana ireo. Hoy i Parrot: “Misolo tena an’ireo mpino ireny sarivongana ireny. Nahazatra ny olona ny nampiasa azy ireny tamin’izany, manoatra noho ny fampiasan’ny Katolika labozia ankehitriny aza.”

Ny niavaka indrindra tamin’ireo zavatra hita tao amin’ny Havoana Hariri, dia ny sisa tavela tamin’ny lapa lehibe iray nitondra ny anaran’i Zimri-Lim, ilay mpanjaka farany tao amin’io lapa io. Nilaza i Louis-Hugues Vincent, mpikaroka frantsay, fa izy io no “rafitrano tsara indrindra tany Atsinanana fahiny.” Nandrakotra velaran-tany maherin’ny roa hektara sy sasany izy io, ary nisy tokotany sy efitra 300 teo ho eo. Noheverina ho anisan’ny zavatra kanto indrindra teto an-tany io lapa io, na dia tamin’ny andro fahiny aza. Hoy i Georges Roux tao amin’ilay bokiny hoe Irak Fahiny (anglisy): “Nalaza tokoa izy io, ka tsy nisalasala ny Mpanjakan’i Ougarit, nipetraka tany amin’ny morontsirak’i Syria, naniraka ny zanany lahy hitsidika ‘ny tranon’i Zimri-Lim’, na dia tany amin’ny 600 kilaometatra aza no nisy azy io.”

Nifefy tamboho ilay lapa, ary iray ihany ny vavahady fidirana tao. Nisy tilikambo ny andaniny roa tamin’ilay vavahady. Tonga teo amin’ny tokotany lehibe iray ny mpitsidika rehefa tafiditra teo. Teo ambonin’ny lampihazo no nisy ny seza fiandrianan’i Zimri-Lim, mpanjaka farany tao Mari, ary teo izy no nikarakara ireo raharaha momba ny tafika sy ny varotra ary ny fifampiraharahana. Teo koa no namoahany didim-pitsarana ary nandraisany ny mpitsidika sy ny ambasadaoro. Nisy efitra fandraisam-bahiny tao. Norosoana divay sy nampifalifalina ireo vahiny, nandritra ny fanasambe nataon’ny mpanjaka. Anisan’ny sakafo naroso ny henan’omby nendasina, natono, na nandrahoina. Tao koa ny henan’ondry sy gazela, trondro, ary akoho amam-borona. Nasiana saosy tongolo sy zavamanitra, ary legioma sy fromazy isan-karazany izy ireny. Natao tsindrin-tsakafo ny voankazo vao notazana, na efa nohamainina, na nofonosina siramamy. Tao koa ny mofomamy tamin’ny endriny isan-karazany. Norosoana labiera na divay ny vahiny, mba hialany hetaheta.

Nisy fantsona fandehanan’ny rano maloto tao amin’ilay lapa, ary nahitana efitra fidiovana misy koveta lehibe fandroana (vita tamin’ny tanimanga) sy kabine tsy misy fipetrahana. Nolalorina karazana simenitra ny gorodona sy ny tapany ambany tamin’ny rindrin’ireo efitra ireo, mba tsy ho mora simba. Nakoriana teo amin’ny lalan-drano vita tamin’ny biriky ny rano maloto. Mbola azo ampiasaina tsara ireo fantsona vita tamin’ny tanimanga nolalorina simenitra, 3 500 taona atỳ aoriana. Hentitra ny fepetra noraisina, rehefa voan’ny aretina mahafaty ny telo tamin’ny vadin’ny mpanjaka. Natoka-monina ny vehivavy narary mafy toy izany. “Tsy nisy nahazo nampiasa ny kaopy nisotroany, na niara-nisakafo taminy, na nipetraka teo amin’ny seza nipetrahany.”

Inona no ianarantsika avy amin’ireo soratra fahiny?

Nahita takelaka tanimanga 20 000 teo ho eo i Parrot sy ny ekipany, ary nisy tarehin-tsoratra miendri-pantsika tamin’ny fiteny akadianina izy ireo. Nisy hafatra, resaka fitantanan-draharaha, ary raharaham-barotra ireny takelaka tanimanga ireny. Vao ny ampahatelon’ireny soratra ireny no vita pirinty hatramin’izao. Boky 28 anefa no mirakitra azy ireo. Nahoana izy ireo no sarobidy? Hoy i Jean-Claude Margueron, mpitantana ny Fikambanana Mpanao Fikarohana Ambanin’ny Tany any Mari: “Tsy dia fantatsika hoe nanao ahoana ny kolontsaina sy ny fomba fiainan’ny mponin’i Mezopotamia sy Syria tany am-piandohan’ny arivo taona faharoa T.K. Noho ireo tarehin-tsoratra miendri-pantsika ireo anefa, dia azo atao ankehitriny ny manitsy ireo fanazavana diso, sy manome fanazavana fanampiny momba io vanim-potoana io.” Nilaza i Parrot fa “nisy fitoviana be ny fomba fiainan’ny mponina resahina ao anatin’izy ireny, sy ny an’ireo olona lazain’ny Testamenta Taloha hoe niaina tamin’ny andron’ireo loham-pianakaviana fahiny.”

Mihamazava amintsika koa ny hevitry ny andinin-teny sasany, noho ireo takelaka tanimanga hita tao Mari. Resahin’izy ireny, ohatra, fa “fanaon’ny mpanjaka tamin’izany fotoana izany” ny naka ny vadin’ny fahavalony. Tsy zava-baovao àry ilay torohevitra nomen’i Ahitofela mpamadika, an’i Absaloma zanak’i Davida Mpanjaka, rehefa nampirisika azy hanao firaisana tamin’ny vadikelin-drainy izy.—2 Samoela 16:21, 22.

Efa in-41 no nandavaka tao amin’ny Havoana Hariri ireo mpanao fikarohana ambanin’ny tany, hatramin’ny 1933. Ny 8 hektara tamin’ireo velaran-tany 110 hektara ihany anefa no mbola voadinika hatramin’izao. Azo inoana àry fa mbola hisy zava-baovao ho hita ao Mari, ilay tanàna lehibe fahiny.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Azo inoana koa hoe nandalo teo akaikin’ireo sisa tavela tamin’i Mari ireo Jiosy nentina ho babo tany Babylona, rehefa rava i Jerosalema tamin’ny 607 T.K.

[Sarintany, pejy 10]

(Jereo ny gazety)

Hoala Persika

Ora

MEZOPOTAMIA

Reniranon’i Eofrata

MARI

ASYRIA

Harana

ANATOLIA

KANANA

Jerosalema

Ranomasina Mediterane (Ranomasina Lehibe)

[Sary, pejy 11]

Voalaza eto fa nirehareha noho ny asa fanorenana nataony i Iahdun-Lim, Mpanjakan’i Mari

[Sary, pejy 11]

Azo antoka ny toerana nisy an’i Mari, rehefa hita ity sarivongan’i Lamgi-Mari ity

[Sary, pejy 12]

Ebin-Il, tandapa tao Mari, mivavaka

[Sary, pejy 12]

Lampihazo tao anatin’ilay lapa. Nisy sarivongan’ny andriamanibavy angamba teo

[Sary, pejy 12]

Sisa tavela tamin’i Mari, ahitana trano vita tamin’ny biriky tany

[Sary, pejy 12]

Efitra fidiovana tao an-dapa

[Sary, pejy 13]

Takela-batom-pandresena mampiseho an’i Naram-Sin, ilay naharesy an’i Mari

[Sary, pejy 13]

Takelaka tanimanga 20 000 teo ho eo no hita avy tamin’ireo sisa tavela tamin’ilay lapa

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

© Mission archéologique française de Tell Hariri - Mari (Syrie)

[Sary nahazoan-dalana, pejy 11]

Takelaka tanimanga: Musée du Louvre, Paris; sary vongana: © Mission archéologique française de Tell Hariri - Mari (Syrie)

[Sary nahazoan-dalana, pejy 12]

Sary vongana: Musée du Louvre, Paris; lampihazo sy efitra fidiovana: © Mission archéologique française de Tell Hariri - Mari (Syrie)

[Sary nahazoan-dalana, pejy 13]

Takela-batom-pandresena: Musée du Louvre, Paris; sisa tavela tamin’ilay lapa: © Mission archéologique française de Tell Hariri - Mari (Syrie)