Nahoana no Tsy Fahita Firy ny Fahaiza-misaina?
Nahoana no Tsy Fahita Firy ny Fahaiza-misaina?
“FA INONA no nahazo azy e? Tokony ho fantany fa tsy mety ireny nataony ireny”, hoy ilay olona nijery teo. Nihivingivin-doha koa ny lehilahy iray niala teo, sady ningonongonona hoe: “Tsy ho nanao ireny mihitsy izy, raha mba nisaina kely fotsiny.” Efa nandre olona niteny toy izany ve ianao? Fa inona no atao hoe “fahaiza-misaina”?
Midika hoe “mieritreritra tsara” sy “mandinika” ny hoe “misaina.” Hendry koa ny olona misaina, ka mahalala ny tokony hatao. Mahira-tsaina izy rehefa manapa-kevitra. Midika izany fa ilaina ny mampiasa ny saina. Maro anefa no mamela olon-kafa hieritreritra izay tokony hataony. Ny fampitam-baovao, ny namany, na ny hevitry ny besinimaro no avelan’izy ireo hibaiko ny fanapahan-keviny.
Hoy ny lehilahy iray mpandini-javatra: ‘Tena tsy fahita firy ny fahaiza-misaina.’ Marina tokoa ny teniny, rehefa jerena ny fiainana amin’izao fotoana izao. Ahoana àry no ahaizantsika misaina? Inona no tombontsoa entin’izany?
Ahoana no ahaizantsika misaina?
Marina fa mitaky fotoana, fandinihana tsara, ary ezaka mitohy ny fahatongavana ho olona mahay misaina. Azo atao tsara anefa izany. Ireto misy hevitra telo afaka manampy antsika:
Mianara Baiboly, ary araho ny toroheviny. Tena manampy antsika hanana fahendrena sy fahaiza-misaina izy io. Tena kanto ny fomba nanoratana azy, ary mitombina ny hevitra resahiny. (Efesianina 1:8) Nampirisika ny Kristianina namany, ohatra, ny apostoly Paoly hoe: “Na inona na inona marina, na inona na inona zava-dehibe, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona na inona tsara laza, na inona na inona misy hatsarana, ary na inona na inona mendri-piderana, dia izany foana heverina.” (Filipianina 4:8) Raha manaraka izany torohevitra izany foana isika, dia hahay handinika sy ho mailo rehefa manao zavatra.
Mandraisa lesona avy amin’ny zavatra niainanao. Misy ifandraisany ny fahaiza-misaina sy ny zavatra efa niainana, araka ny tenin’ny poety iray avy any Soisa, hoe: ‘Manampy ny olona hahay hisaina ny zavatra efa niainany, sy ny fieritreretany ny zavatra mety hitranga.’ Marina tokoa ny voalaza hoe: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” (Ohabolana 14:15) Manampy antsika hahay hisaina ny fandinihana sy ny fianarana, ary ny fiainana nodiavina. Mitombo ny fahaizantsika rehefa mandeha ny fotoana. Mila manetry tena anefa isika, raha te handray lesona avy amin’ny fahadisoana nataontsika. Hita fa tsy mahay misaina ny olona amin’izao andro farany izao, satria matin-kambo, miavonavona ary be di-doha.—2 Timoty 3:1-5.
Fidio tsara ny namanao. Miankina amin’ny namana ifaneraserantsika koa no hahatonga antsika ho hendry sy hahay hisaina, na tsia. Hoy ny Ohabolana 13:20: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” Tsy voatery hanaraka ny toe-tsaina sy ny hevitry ny olona tsy mankatò an’Andriamanitra sy tsy miraharaha ny Teniny isika. “Aleo mifanena amin’ny bera very anaka toy izay amin’ny adala feno hadalana”, hoy ny Ohabolana 17:12.
Inona no soa raisintsika?
Handray soa isika raha miezaka hahay hisaina. Hahafinaritra kokoa ny fiainantsika ary tsy ho very fotoana isika. Kivy ny olona matetika rehefa tsy mahomby ny zavatra ataony, noho izy tsy nieritreritra tsara. Tsy hitranga firy anefa izany raha mahay misaina izy. Manasarotra ny fiainany koa ny olona tsy mandinika tsara. Milaza ny Baiboly fa “ny fisasaran’ny adala mahareraka azy.” (Mpitoriteny 10:15) Mety hiasa mafy tsy misy farany ny olona toy izany ka ho vizana be, nefa very maina fotsiny ny ezaka ataony.
Be dia be ny torohevitra mahasoa omen’ny Baiboly momba ny fahadiovana, ny fifandraisana amin’olona, ny fahazotoana miasa, ny fiadiana amin’ny fahantrana, ary ny lafiny maro amin’ny fiainana. Olona an-tapitrisany no afaka milaza fa nanampy azy haneho fahendrena ny toro lalan’ny Baiboly, ka niankina tamin’ny fampiharany azy ireny, no nahatonga azy hahomby na tsy hahomby teo amin’ny fiainany.
Tsy hoe manaraka toromarika na lalàna misy tsipiriany fotsiny isika, raha mahay misaina, fa manjary mahavita ny andraikitsika koa. Tsy mahasolo ny fampitomboana fahalalana anefa ny fahaiza-misaina. Hoy ny Ohabolana 1:5 (Fandikan-teny Katolika): “Aoka hihaino ny hendry, dia hitombo fahalalana izy.” Tsy maintsy mizatra mamakafaka izay ianarantsika koa isika, ka hanatsoaka hevitra marina avy amin’izany. Hanampy antsika ‘handeha amin’ny fahendrena’ izany.—Ohabolana 28:26.
Tsy afa-misaraka ny fahaiza-mandanjalanja sy ny fahaiza-misaina. Mety haniry hiantsoroka andraikitra maro isika, nefa tokony handinika tsara ka tsy hanao afa-tsy izay tratran’ny herintsika. Marina fa nilaza ny apostoly Paoly hoe tokony ho “be atao foana amin’ny asan’ny Tompo” isika. (1 Korintianina 15:58) Tsy maintsy ampifandanjaina amin’ity toro lalana ao amin’ny Mpitoriteny 9:4 ity anefa izany: “Ny amboa velona no tsara noho ny liona maty.” Mety ho ela velona kokoa sy ho afaka hiasa foana isika, raha mikarakara tsara ny fahasalamantsika eo am-panompoana an’i Jehovah. Hanampy antsika hahay handanjalanja ny fahaiza-misaina, ka hahatonga antsika hahavita ny zavatra tokony hatao, sady ho faly foana. Tena mitondra soa maro tokoa ny fahaiza-misaina.
[Sary, pejy 14]
Misy torohevitra mahasoa be dia be ao amin’ny Baiboly
[Sary, pejy 15]
Anisan’ny ahazoana fahaiza-misaina ny fandinihana sy ny fianarana ary ny fiainana nodiavina