Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankafizo Tsara ny “Fiainana Ankehitriny”!

Ankafizo Tsara ny “Fiainana Ankehitriny”!

Tantaram-piainana

Ankafiziko Tsara ny “Fiainana Ankehitriny”!

NOTANTARAIN’I TED BUCKINGHAM

Voan’ny lefakozatra tampoka aho tamin’ny 1950, raha vao 24 taona monja. Enin-taona tamin’io no naha mpitory manontolo andro ahy, ary vao enim-bolana no vita ny mariazinay sy Joyce. Niditra hopitaly nandritra ny sivy volana aho, ka nanam-potoana tsara nieritreretana momba ny fiainako. Kilemaina aho izao, ka hanao ahoana ny hoavinay mivady?

TSY mpivavaka i Dada, nefa nandray ilay boky hoe Fitondram-panjakana * izy, tamin’ny 1938. Ny savorovoro politika sy ny ady nananontanona angamba no nahatonga azy handray ilay izy. Tsy novakiny mihitsy ilay izy, raha ny fahafantarako azy, fa i Neny no namaky azy satria tena tia fivavahana. Niova avy hatrany izy taorian’izay. Niala tamin’ny Eglizy Anglikanina izy ary lasa Vavolombelon’i Jehovah, na dia nanohitra aza i Dada. Tsy nivadika izy mandra-pahafatiny tamin’ny 1990.

Tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray, tany Epsom, any atsimon’i Londres, no nitondran’i Neny ahy nanatrika fivoriana kristianina voalohany. Trano fivarotana izy io taloha. Nohenoinay tamin’izay ny diska nisy lahatenin’i J. Rutherford, mpiandraikitra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Tena nisy vokany tamiko ilay izy.

Nihanampidi-doza ny fiainana teto Londres, noho ny zera baomba nahatsiravina. Nanapa-kevitra àry i Dada tamin’ny 1940, fa hifindra tany amin’ny tanàna kely nilamindamina kokoa izahay. Maidenhead no anaran’ilay izy, ary 45 kilaometatra any andrefan’i Londres no misy azy. Nahasoa anay izany, satria tena nampahery ireo Vavolombelona 30 tany. Nanampy ahy i Fred Smith, Kristianina mahatoky vita batisa tamin’ny 1917. Nampiofana ahy mba hahay hitory kokoa izy. Tena mbola mankasitraka azy aho, noho ny ohatra nomeny sy ny fanampiany tamim-pitiavana.

Lasa mpitory manontolo andro

Natao batisa tao amin’ny reniranon’i Tamise aho tamin’ny 1941, tamin’izaho 15 taona. Volana Martsa tamin’izay, ary nangatsiaka ny andro. Tamin’io taona io no nirotsaka ho mpitory manontolo andro i Jim zokiko lahy. Nanompo an’i Jehovah foana izy sy Madge vadiny, ka nanao ny asan’ny mpiandraikitra ny faritra sy vondrom-paritra eran’i Grande-Bretagne. Mipetraka any Birmingham izao ry zareo. Mbola mpanompon’i Jehovah tsy mivadika koa i Robina zandriko vavy, sy Frank vadiny.

Mpitana kaonty tao amin’ny orinasa mpanao akanjo no asako. Niantso ahy tao amin’ny biraony ny direktera indray andro, ary nilaza tamiko fa hanome ahy asa tena tsara, izany hoe ho mpiandraikitra ny fividianana entana ho an’ny orinasa. Efa nieritreritra ny hanao tahaka ny rahalahiko anefa aho, ka nanda tamim-panajana sady nanazava ny antony. Gaga aho fa nidera ahy tamin-kafanam-po izy, noho ny safidiko hanao izany asa kristianina mahasoa izany. Lasa mpitory manontolo andro àry aho, taorian’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Northampton tamin’ny 1944.

Tany Exeter, any amin’ny faritanin’i Devon, no toerana voalohany nanendrena ahy hitory. Vao nanomboka niarina tsikelikely ilay tanàna, taorian’ny zera baomba nandritra ny ady. Niara-nipetraka tamin’i Frank sy Ruth Middleton aho. Mpisava lalana ry zareo ary tena tsara fanahy tamiko. Vao 18 taona aho, ary zara raha nahay nanasa lamba sy nahandro. Nihanahay tsikelikely teny anefa aho.

I Victor Gurd, Irlandey 50 taona, no namana niara-nitory tamiko. Efa mpitory nanomboka tamin’ny 1920 izy. Nampianatra ahy mba hanao fandaharam-potoana tsara sy ho tia kokoa mamaky Baiboly izy. Nampiany koa aho hahita fa tsara ny manana fandikan-tenin’ny Baiboly isan-karazany. Ohatra tsara ny amin’ny tsy fivadihana i Victor, ary izany indrindra no nilaiko nandritra ireny taona niofanako ireny.

Nahita olana satria tsy nanao miaramila

Nadiva hifarana ny ady, nefa mbola niantso tovolahy hanao miaramila ny fanjakana. Niakatra fitsarana tany Maidenhead aho tamin’ny 1943. Nohazavaiko tsara, fa nanana zo tsy hanao miaramila aho satria mpitory ny Filazantsara. Nolavina ny fangatahako, nefa namonjy ny faritany nanendrena ahy tany Exeter ihany aho. Niakatra fitsarana indray aho tany, ary nosazina hiasa an-terivozona tany am-ponja nandritra ny enim-bolana. Nilaza ilay mpitsara fa tiany ho lava kokoa ny saziko, saingy tsy afa-nanoatra izy. Niampy efa-bolana indray ilay izy, rehefa tapitra ny enim-bolana.

Niantso ahy hoe Jehovah ireo mpiambina ny fonja, satria izaho irery no Vavolombelona tao. Hafahafa ihany ny namaly izany anarana izany nandritra ny fiantsoana anarana, nefa tsy maintsy nanao izany aho. Na izany aza dia nahafaly tokoa ny nandre ny anaran’Andriamanitra, voatonona isan’andro! Izany no nahafantaran’ny voafonja hafa fa ny safidiko amin’ny maha Vavolombelon’i Jehovah ahy, no nahatonga ahy higadra niaraka tamin’izy ireo. Nampidirina tao amin’io fonja io koa i Norman Castro tatỳ aoriana, ka novana hoe Mosesy sy Arona ny anaranay.

Nafindra tany Bristol aho taorian’izay, ary farany tany amin’ny fonjan’i Winchester. Tsy nahafinaritra ny fiainana indraindray, nefa nanampy ahy hizaka izany ny fitiavana vazivazy. Nahafaly anay sy Norman ny niara-nankalaza ny Fahatsiarovana, tao amin’ny fonjan’i Winchester. Nitsidika anay i Francis Cooke tamin’io fotoana io, ary tena nampahery ny lahatenin’ny Fahatsiarovana nataony.

Niova ny fiainako taorian’ny ady

Namonjy fivoriambe tany Bristol aho, tamin’ny 1946. Nivoaka tamin’izay ilay boky fianarana Baiboly hoe “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina.” Tamin’izay no nihaonako tamin’i Joyce Moore, tovovavy tsara tarehy. Mpisava lalana tany Devon koa izy. Nifankatia izahay, ary nivady rehefa afaka efa-taona. Tany Tiverton aho no nipetraka nanomboka tamin’ny 1947, ary natao tany koa ny mariazinay. Nanofa trano izahay, ary 15 shillings (Ar 2 430) isan-kerinandro no hofany. Nahafinaritra erỳ ny fiainanay!

Nifindra nianatsimo tany Brixham indray izahay, raha mbola tsy ampy herintaona akory ny nivadianay. Tanàna mahafinaritra misy seranan-tsambo izy io, ary tao no niandohan’ny fanaratoana trondro. Taoriana kelin’ny nahatongavanay tao, dia voan’ny lefakozatra aho teny an-dalana hamonjy fivoriambe tatỳ Londres. Tsy nahatsiaro tena aho ary niditra hopitaly nandritra ny sivy volana, araka ny efa notantaraiko. Tsy maintsy nampiasa tehina aho rehefa nandeha, satria simban’ilay aretina ny tanako havanana sy ny tongotro roa. Nampahery ahy foana ny vady malalako, ary namana falifaly lalandava. Mbola mpitory manontolo andro foana izy, ka tena nampahery ahy izany. Inona anefa izao no hataonay? Tsy ela dia tsapako fa tsy fohy mihitsy ny tanan’i Jehovah.

Namonjy fivoriambe tatsy Wimbledon, eto Londres, izahay ny taona nanaraka. Nandeha tsy nila tehina aho tamin’io. Nifankahita tamin’ny Rahalahy Pryce Hughes, mpiandraikitra ny asa teto Grande-Bretagne, izahay. Niarahaba anay avy hatrany izy sady niteny hoe: “E! Mila anao izahay mba hanao ny asa fitetezam-paritra!” Mbola tsy nahazo fampaherezana toy izany mihitsy aho! Ho vitako ve anefa ilay izy? Nisalasala izahay sy Joyce. Nitoky tanteraka tamin’i Jehovah anefa izahay, ary niverina nankany atsimoandrefan’i Angletera, rehefa nahazo fampiofanana nandritra ny herinandro. Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra tany aho. Velom-pankasitrahana an’ireo Vavolombelona tany amin’ny fiangonana notsidihiko aho. Vao 25 taona aho tamin’izany, nefa mbola tadidiko fa tsara fanahy sy nahari-po tamiko ary tena nanampy ahy izy ireo.

Tamin’ny karazana fanompoana rehetra nataonay, dia ny fitsidihana fiangonana no hitanay sy Joyce fa tena nampiraiki-po anay tamin’ireo rahalahy sy anabavinay kristianina. Tsy nanana fiara izahay, fa nandeha lamasinina na bisy. Voafetra ny zava-bitako noho ny kilemako, ary tsy maintsy nizatra izany aho. Nahafaly anay anefa ny tombontsoanay ary nahafa-po ny fiainanay. Nahazo andraikitra vaovao sy sarotra indray anefa izahay, tamin’ny 1957.

Lasa misionera

Faly be izahay rehefa nasaina hanatrika ny kilasy faha-30 tamin’ny Sekolin’i Gileada. Efa afaka nanao zavatra aho na dia teo aza ny aretiko, ka faly erỳ izahay sy Joyce nanaiky ilay fanasana. Tsapanay tamin’ny zavatra niainanay fa omen’i Jehovah hery foana isika, raha miezaka manao ny sitrapony. Vetivety dia vita ilay fianarana mafy nataonay nandritra ny dimy volana, tao amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada tany South Lansing, tanàna tsara tarehy any New York, Etazonia. Mpiandraikitra mpitety faritany ny ankabeazan’ny mpivady niofana tany. Nanontaniana ireo mpianatra raha nisy naniry hirotsaka an-tsitrapo ho misionera any an-tany hafa. Tonga dia nanaiky izahay mivady. Taiza àry no nanendrena anay? Tany Ouganda, any Afrika Atsinanana!

Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany, ka notoroana hevitra aho mba hanorim-ponenana tany sady hitady asa fivelomana. Tonga tany Kampala, any Ouganda, izahay rehefa avy nanao dia lavitra tamin’ny lamasinina sy sambo. Tsy faly ilay tompon’andraikitry ny fifindra-monina rehefa nahita anay, ka tsy navelany hijanona afa-tsy volana vitsivitsy monja izahay. Nasaina niala tao izahay avy eo. Nifindra tany Rodezia Avaratra (Zambia ankehitriny) izahay taorian’izay, araka ny toromariky ny foibe. Faly be izahay tany, satria nihaona tamin-dry Frank sy Carrie Lewis ary Hayes sy Harriet Hoskins, misionera niaraka taminay tany Gileada. Notendrena nankany Rodezia Atsimo (Zimbabwe ankehitriny) indray izahay, fotoana fohy taorian’izay.

Nandeha lamasinina izahay ary nandalo teo amin’ny Riandranon’i Victoria, talohan’ny nahatongavana tao Bulawayo. Tamin’izay no nahitanay voalohany an’io riandrano io. Nipetraka tao amin-dry McLuckie izahay nandritra ny fotoana kelikely. Anisan’ny Vavolombelona voalohany tao amin’ilay toerana ry zareo. Faly izahay nahafantatra tsara azy ireo, satria nipetraka tao Bulawayo izahay nandritra ny 16 taona.

Miaina amin’ny zava-misy

Nizatra ny fomba fitoriana tao Afrika izahay, nandritra ny tapa-bolana. Voatendry ho mpiandraikitra ny vondrom-paritra aho taorian’izay. Rehefa nitory tany ambanivohitra izahay, dia tsy maintsy nitondra rano, sakafo, lamba firakotra, akanjo, fandefasana sarimihetsika, milina mpamokatra herinaratra, efijery lehibe, ary izay zavatra hafa nilaina. Nentina tamin’ny kamiao mafy toto sy mahatanty lalan-dratsy ireo rehetra ireo.

Rehefa niara-niasa tamin’ireo mpiandraikitra ny faritra afrikanina aho, dia nanampy ny vady aman-janak’izy ireo kosa i Joyce, satria nanaraka anay daholo izy ireo. Mety handreraka ny dia an-tongotra eny amin’ireo tampon-tanetin’i Afrika, indrindra rehefa migaingaina ny andro. Tsy ela anefa dia hitako fa nety kokoa tamin’ny fahasalamako ilay toetrandro, ka faly aho.

Nahantra ny ankamaroan’ny olona. Maro no mpanaraka fomban-drazana sy finoanoam-poana ary nanambady maro. Nanaja fatratra ny Baiboly anefa ry zareo. Natao teny ambanin’ny aloky ny hazo lehibe ny fivorian’ny fiangonana tany amin’ny tanàna sasany, ary jiro solitany no nanazava tamin’ny takariva. Talanjona foana izahay isaky ny nianatra ny Tenin’Andriamanitra teny an-tokotany tamin’ny alina feno kintana, satria mahavariana tokoa ireny zavaboariny ireny.

Mbola tadidinay foana koa ny fampisehoana ireo sarimihetsika navoakan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana. Teny an-kalamanjana no nandefasanay azy. Telopolo teo ho eo monja ny Vavolombelona tao amin’ny fiangonana iray, nefa nahatratra 1 000 na maherin’izany ny mpanatrika tamin’ireny fotoana ireny!

Mazava ho azy fa mety ho azon’aretina koa ianao, rehefa any amin’ny tany mafana. Tena ilaina anefa ny mijery foana ny lafy tsaran-javatra. Voan’ny tazo aho indraindray, ary i Joyce kosa narary satria nisy amiba. Vitanay tsara anefa ny niatrika izany.

Voatendry hiasa tao amin’ny biraon’ny sampana tany Salisbury (Harare ankehitriny) izahay, tatỳ aoriana. Nahafaly ny niara-niasa tamin’ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika, toa an-dry Lester Davey, ary George sy Ruby Bradley. Notendren’ny fanjakana ho mpanoratra fanambadiana aho, ka afaka nanoratra ny fanambadian’ireo rahalahy afrikanina. Nampitombo ny fifankatiavan’ireo mpivady kristianina ny fahitana ireny fisoratana ireny. Nahazo tombontsoam-panompoana hafa indray aho, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Voatendry hitsidika ireo fiangonana tsy miteny bantou tao Salisbury aho. Nanao io asa io izahay nandritra ny folo taona mahery. Faly izahay sy Joyce satria nanjary fantatray bebe kokoa ireo rahalahy, ary nahafaly anay ny fandrosoana ara-panahy nataon’izy ireo. Nitsidika ireo rahalahy tany Botswana sy Mozambika koa izahay tamin’ireny fotoana ireny.

Nifindra indray

Taorian’ireo taona maro nahafinaritra tany amin’ny faritra atsimon’i Afrika, dia notendrena ho any Sierra Leone, any Afrika Andrefana izahay, tamin’ny 1975. Nipetraka tao amin’ny biraon’ny sampana izahay ary nahazo andraikitra vaovao. Tsy naharitra tao anefa izahay. Voan’ny tazo mahery mantsy aho ka narary sy reraka be, ary tsy maintsy notsaboina teto Londres. Notoroana hevitra aho mba tsy hiverina tany Afrika intsony. Nalahelo izahay sy Joyce, nefa nandray tsara anay ny fianakavian’ny Betela teto Londres. Betsaka koa ny rahalahy afrikanina any amin’ireo fiangonana maro eto, ka tsy dia nahatsiaro tena ho vahiny izahay. Nihatsara ny fahasalamako, ary nizatra fiainana hafa indray izahay. Niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fividianana Entana aho. Somokotra tamin’io asa io tokoa aho, satria betsaka ny fanitarana natao nandritra ireo taona nanaraka.

Voan’ny aretin’ny selan-kozatra i Joyce malalako tany am-piandohan’ireo taona 1990, ary maty izy tamin’ny 1994. Tena vady be fitiavana sy tsy nivadika ary nanohana ahy foana izy. Niovaova ny toe-javatra niainanay, nefa vonona foana izy ny hampifanaraka ny fiainany tamin’izany. Tsapako fa tena ilaina ny mifandray tsara foana amin’Andriamanitra sy mibanjina hatrany ny hoavy, mba hizakana ny alahelo. Mivavaka amin’i Jehovah aho mba hampiany handray anjara tsy tapaka amin’ny lafiny rehetra amin’ny fanompoana, anisan’izany ny fitoriana. Mahatonga ny saiko manontolo hifantoka foana amin’ny fanompoana an’i Jehovah izany.—Ohabolana 3:5, 6.

Tombontsoa ny manompo eto amin’ny Betela, ary tena mahafinaritra ny fomba fiaina eto. Misy tanora maro miara-miasa aminay, ary be dia be ny zavatra iaraha-mifaly. Mahafinaritra koa ny mahita mpitsidika maro tonga atỳ aminay, eto Londres. Mifankahita amin’ireo namana tsy foiko avy any amin’ireo toerana nanompoako tany Afrika aho indraindray, ary mitamberina ao an-tsaiko ireo fahatsiarovana mahafinaritra. Mahatonga ahy hankafy hatrany ny “fiainana ankehitriny” izany, ary manampy ahy hiandrandra sy hanantena ilay ‘fiainana ho avy.’—1 Timoty 4:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1928, fa tsy atao pirinty intsony.

[Sary, pejy 25]

Niaraka tamin’i Neny, 1946

[Sary, pejy 26]

Izahay sy Joyce tamin’ny mariazinay, 1950

[Sary, pejy 26]

Fivoriambe tany Bristol, 1953

[Sary, pejy 27]

Nikarakara antoko-mpitory (ambony) sy fiangonana (havia) tany Rodezia Atsimo, Zimbabwe ankehitriny