Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Malaky Kivy Rehefa Manao ny Tsara

Aza Malaky Kivy Rehefa Manao ny Tsara

Aza Malaky Kivy Rehefa Manao ny Tsara

“AOKA ho tsara foana ny fitondran-tenanareo eo amin’izao tontolo izao”, hoy ny apostoly Petera. (1 Petera 2:12) Manondro zavatra “kanto, ambony, mendri-kaja”, ilay teny grika nadika hoe “tsara.” Tsy dia antenaina hanaraka fitsipi-pitondran-tena ambony na mendri-kaja, ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao. Mahavita manaraka ny torohevitr’i Petera anefa ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny, amin’ny ankapobeny. Ny fitondran-tena tsarany mihitsy aza no ahafantarana azy ireo, eran-tany.

Tena mendri-komarihina izany, rehefa dinihina ny zava-tsarotra sy tebiteby tsy maintsy atrehintsika amin’izao “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao. (2 Timoty 3:1) Misy foana ny fitsapana isan’andro, ary matetika ny olona no manohitra ny fomba fiaina kristianina. Vetivety ihany ny fitsapana sasany, fa tsy misy farany kosa ny hafa, ary mihamafy mihitsy aza. Nampirisika toy izao anefa ny apostoly Paoly: “Aoka isika tsy halaky ho kivy rehefa manao ny tsara, satria amin’ny fotoana voatondro no hijinjantsika raha tsy reraka isika.” (Galatianina 6:9) Ahoana àry no ahafahana manao ny tsara sy hanaovana izany hatrany, na dia eo aza ny fitsapana mangidy sy ny fanoherana tsy an-kiato?

Fanampiana antsika hanao ny tsara

Manana toetra “ambony sy mendri-kaja” ny olona iray, rehefa izay mihitsy no maha izy azy. Tsy noho ny kisendrasendra àry no ahafahan’ny olona iray manana fitondran-tena tsara hatrany, rehefa misy fitsapana sy zava-tsarotra. Tsy maintsy ho efa zatra nanaraka ny toro lalan’ny Baiboly isan’andro kosa izy, teo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainany. Inona no lafin-javatra sasany hanampy antsika ho tsara fitondran-tena hatrany? Diniho ireto manaraka ireto.

Manàna ny toe-tsain’i Kristy. Ilaina ny fanetren-tena mba hiaretana, rehefa misy zavatra toa tsy ara-drariny. Sarotra inoana hoe hahavita hiaritra fampijaliana ny olona manambony tena. I Jesosy anefa “nanetry tena ka nankatò ary tonga hatramin’ny fahafatesana.” (Filipianina 2:5, 8) ‘Tsy ho kivy na ho reraka’ amin’ny fanompoana masina ataontsika isika raha manahaka azy. (Hebreo 12:2, 3) Aoka ianao hanetry tena sy hankatò foana, ka ho vonona hiara-miasa amin’ireo mitarika eo anivon’ny fiangonana misy anao. (Hebreo 13:17) Mianara mihevitra ny hafa ho “ambony” noho ny tenanao, ary tadiavo izay hahasoa azy ireo alohan’ny anao.—Filipianina 2:3, 4.

Tadidio fa tia anao i Jehovah. Tokony hiaiky isika fa “misy [i Jehovah] sady mpamaly soa an’izay mitady azy fatratra.” (Hebreo 11:6) Tena mikarakara antsika izy sady maniry ny hahazoantsika fiainana mandrakizay. (1 Timoty 2:4; 1 Petera 5:7) Tsy ho kivy isika rehefa iharam-pitsapana, raha mitadidy fa tsy misy afaka manakana an’Andriamanitra tsy ho tia antsika.—Romanina 8:38, 39.

Matokia tanteraka an’i Jehovah. Tena mila matoky an’i Jehovah isika, indrindra raha toa tsy hisy farany ireo fitsapana, na mety haningotra ny aina. Tsy maintsy matoky tanteraka isika, fa tsy hamela antsika halaim-panahy ‘mihoatra noho izay zakantsika’ i Jehovah, sady ‘hanisy lalan-kivoahana’ foana. (1 Korintianina 10:13) Tena hanana herim-po isika rehefa matoky azy, na dia rahonana ho faty aza.—2 Korintianina 1:8, 9.

Mahareta amin’ny vavaka. Tena ilaina ny vavaka avy amin’ny fo. (Romanina 12:12) Anisan’ny fomba anatonantsika an’i Jehovah ny vavaka amim-pahatsorana. (Jakoba 4:8) Hitantsika avy amin’ny zavatra iainantsika fa ‘mihaino antsika izy, na inona na inona angatahintsika.’ (1 Jaona 5:14) Avelan’i Jehovah hitohy ny olana indraindray mba hitsapana ny tsy fivadihantsika. Mila mangataka ny fanampiany isika amin’izay mba hiaretana. (Lioka 22:41-43) Ny vavaka no manampy antsika hahatsapa fa tsy irery mihitsy isika, sady ho afaka handresy foana satria momba antsika i Jehovah.—Romanina 8:31, 37.

‘Mitondra fiderana sy haja’ ny asa tsara

‘Ampalahelovina amin’ny fitsapana maro samihafa’ ny Kristianina indraindray. Tsy tokony “halaky ho kivy [anefa isika] rehefa manao ny tsara.” Hahazo hery ianao rehefa iharam-pitsapana, raha mahalala fa “hitondra fiderana sy voninahitra ary haja” ny fahatokianao. (1 Petera 1:6, 7) Hararaoty izay rehetra omen’i Jehovah mba hanatanjahana ny finoanao. Manatòna an’ireo mpiandry sy mpampianatra ary mpanolo-tsaina eo anivon’ny fiangonana kristianina, raha mila fanampiana manokana ianao. (Asan’ny Apostoly 20:28) Atreho tsy tapaka ny fivoriana rehetra, satria ‘mandrisika [antsika] ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara’ izy ireny. (Hebreo 10:24) Hatanjaka ny finoanao ary ho mailo hatrany ianao, raha mamaky Baiboly isan’andro, mianatra samirery, ary mandray anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana kristianina.—Salamo 1:1-3; Matio 24:14.

Vao mainka ‘hazoto amin’ny asa tsara’ ianao, arakaraka ny ahatsapanao ny fitiavana sy ny fiahian’i Jehovah. (Titosy 2:14) Tsarovy fa “izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Matio 24:13) Aoka àry ianao ho tapa-kevitra ny “tsy halaky ho kivy rehefa manao ny tsara”!

[Teny notsongaina, pejy 29]

Tsy maintsy matoky tanteraka isika, fa tsy hamela antsika halaim-panahy ‘mihoatra noho izay zakantsika’ i Jehovah, sady ‘hanisy lalan-kivoahana’ foana

[Sary, pejy 30]

Afaka hiatrika fitsapana isika, raha mazoto manao zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah