Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana no nilaza ny mpianatra hoe: “Anjelin’i Petera izany”, rehefa ren’izy ireo fa tao am-baravarana izy?—Asan’ny Apostoly 12:15.

Nihevitra angamba ny mpianatra, fa anjely mpitondra hafatra nisolo tena an’i Petera no tao am-bavahady. Diniho ireo andininy manodidina.

Nosamborin’i Heroda i Petera, ka nino ireo mpianatra fa hovonoiny tahaka an’i Jakoba koa izy. Nifatotra rojo vy sy nambenana andia-miaramila efatra nifandimby izy tao am-ponja. Nafahana tamin’ny fomba mahagaga anefa izy indray alina, ary nentin’ny anjely nivoaka. Nilaza toy izao izy tamin’ny farany, rehefa azony izay tena nitranga: “Fantatro marina izao fa naniraka ny anjeliny i Jehovah, mba hanafaka ahy tamin’ny tanan’i Heroda.”—Asan’ny Apostoly 12:1-11.

Nankany an-tranon’i Maria, renin’i Jaona Marka, avy hatrany i Petera. Nisy mpianatra maromaro nivory tao. Nandondòna izy, ary nankeny am-bavahady ny mpanompovavy iray atao hoe Roda. Raha vao fantany ny feon’i Petera, dia lasa nihazakazaka nampandre ny mpianatra izy, fa tsy namoha azy! Tsy nino ny mpianatra tamin’ny voalohany, fa i Petera no tao am-bavahady. Nihevitra kosa izy ireo fa “anjelin’i Petera izany.”—Asan’ny Apostoly 12:12-15.

Nihevitra ve ny mpianatra fa efa novonoina i Petera, ka ny fanahiny no tao am-bavahady? Sarotra inoana izany. Fantatr’izy ireo mantsy izay tena ampianarin’ny Soratra Masina momba ny maty, dia ny hoe: “Tsy mba mahalala na inona na inona” izy ireny. (Mpitoriteny 9:5, 10) Inona àry no tian’izy ireo holazaina tamin’ny hoe: “Anjelin’i Petera izany”?

Fantatry ny mpianatr’i Jesosy fa nisy mpanompon’Andriamanitra nampian’ny anjely, nandritra ny tantara. Niresaka momba “ny Anjely Izay Mpamonjy [azy] tamin’ny loza rehetra”, ohatra, i Jakoba. (Genesisy 48:16) Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy toy izao koa i Jesosy, rehefa niresaka momba ny zaza iray teo afovoan’izy ireo: “Tandremo sao manao tsinontsinona ny iray amin’ireny madinika ireny ianareo. Fa lazaiko aminareo fa ny anjeliny any an-danitra dia mahita mandrakariva ny tavan’ny Raiko any an-danitra.”—Matio 18:10.

Mahaliana fa “mpitondra hafatra” no nandikana ny teny hoe agʹge·los (“anjely”), ao amin’ny Fandikana Ara-bakiteny ny Baiboly Masina Nataon’i Young (anglisy). Toa nino ny Jiosy, fa nanana “anjely mpiambina” ny mpanompon’Andriamanitra tsirairay. Marina aloha fa tsy mampianatra an’izany mivantana ny Tenin’Andriamanitra. Mety ho nihevitra anefa ny mpianatra fa anjely iray mpitondra hafatra nisolo tena an’i Petera no tao am-bavahady, rehefa nilaza izy ireo hoe: “Anjelin’i Petera izany.”