Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hiafaran’ity Tontolo Ity?

Inona no Hiafaran’ity Tontolo Ity?

Inona no Hiafaran’ity Tontolo Ity?

FIRAISAN-TSAINA ERAN-TANY. Toa hahafinaritra erỳ izany! Tsy izany ve moa no hetahetan’ny olon-drehetra? Betsaka ny resaka efa natao momba izany. Matetika koa izy io no ataon’ny mpitondra eran-tany foto-kevitry ny fivorian’izy ireo. Nisy mpitondra fivavahana maherin’ny 1 000 nanatrika ny Fihaonana An-tampony Momba ny Fandriampahalemana Eran-tany, tamin’ny Aogositra 2000. Natao tany amin’ny foiben’ny Firenena Mikambana any New York ilay izy. Nikaon-doha nitady vahaolana hampitsaharana ny ady eran-tany izy ireo. Na io fihaonana io aza anefa dia nahitana taratry ny tsy fifankahazoan’ireo firenena. Tsy nety nanatrika azy io ny manam-pahaizana iray momba ny lalàn’ny Silamo, satria tonga teo koa ny mpitondra fivavahana jiosy iray. Tezitra ny mpandray anjara sasany, satria tsy nasaina hanatrika ireo roa andro voalohany ny Dalai Lama, mpitondra ao Tibet, noho izy natahorana hifanditra tamin’ny solontenan’i Chine.

Nandinika ny raharaha momba ny fandriampahalemana eran-tany ireo firenena manamorona ny Pasifika, tamin’ny Oktobra 2003. Natao tany Tailandy nandritra ny fihaonan’ny Fiaraha-miasa Ara-toe-karena any Azia sy Pasifika (APEC) izany fivoriana izany. Nanao dina ireo firenena 21 nanatrika tao, fa handrava ireo antoko mpampihorohoro. Nanao fifanarahana koa izy ireo momba ny tetika harahina mba hampitomboana ny fandriampahalemana eran-tany. Nitaraina anefa ny solontena maromaro hoe nisy praiminisitra iray nanao teny feno fankahalana ny Jiosy.

Nahoana no tsy misy ny firaisan-tsaina?

Betsaka tokoa ny resaka atao momba ny fampiraisana an’izao tontolo izao, nefa tsy misy zavatra mivaingana hita vokatr’izany. Nahoana àry no mbola tsy misy foana ny firaisan-tsaina ankehitriny, nefa efa miezaka mafy ny olona maro?

Nilaza ny antony iray mahatonga izany ny praiminisitra iray nanatrika ny fihaonan’ny APEC. Nambarany fa “ny fanindrahindram-pirenena” no antony iray tsy isian’ny firaisan-tsaina. Marina tokoa fa diso manindrahindra tanindrazana loatra ny olona. Samy maniry hahaleo tena ny firenena sy foko tsirairay. Miteraka olana lehibe anefa ny fanindrahindram-pirenena sy ny fifaninanana ary ny fitiavan-karena. Ny tombontsoan’ny firenena matetika no lasa aloha, na dia mifanohitra amin’ny tombontsoan’ny mponina eran-tany aza.

Azo oharina amin’ny “areti-mandoza” ny fanindrahindram-pirenena, araka ny tenin’ny mpanao salamo. (Salamo 91:3) Niteraka fijaliana be dia be toy ny areti-mandoza tokoa izy io. Efa nisy hatramin’ny taonjato maro ny fanindrahindram-pirenena, izay miteraka fankahalana ny olona hafa firenena. Mbola mampisara-bazana foana izy io ankehitriny, ary tsy hain’ny mpitondra ny mampitsahatra azy.

Manam-pahefana maro no miaiky fa ny fanindrahindram-pirenena sy ny fitiavan-tena no fototry ny olana eto amin’ity tontolo ity. Nilaza toy izao, ohatra, i U Thant, Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana taloha: “Vokatry ny toe-tsaina tsy mety ny ankamaroan’ny olana misy ankehitriny ... Anisan’izany ny fanindrahindram-pirenena, izay mahatonga ny olona ho tery saina sy hieritreritra hoe: ‘Tanindrazako foana io, na manana ny rariny izy na tsia.’ ” Vao mainka anefa manizingizina ny zony hitondra ny taniny ny firenena ankehitriny, noho ny fitiavan-tenany. Izay manana fahefana amin’ny hafa, dia tsy mety hampihena izany mihitsy na dia kely aza. Izao, ohatra, no voalaza tao amin’ny gazety International Herald Tribune, momba ny Vondrona Eoropeanina: “Fifaninanana sy tsy fifampitokisana no hita matetika eo amin’ireo fitondrana ao Eoropa. Tsy eken’ny ankamaroan’ny firenena anisan’ny Vondrona Eoropeanina, ny hananan’ny iray amin’izy ireo fahefana bebe kokoa noho ny hafa sy ny hitarihany azy ireo.”

Marina ny voalazan’ny Tenin’Andriamanitra momba ny fitondran’olombelona, hoe: ‘Manapaka ny namany ny olona ka mampiditra loza aminy.’ (Mpitoriteny 8:9) Nozarazaraina ho firenena maro be izao tontolo izao, ka tanteraka amin’ny vondron’olona sy ny isam-batan’olona ity tenin’ny Baiboly ity: “Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.”—Ohabolana 18:1.

Mahalala izay tena mahasoa antsika ny Mpamorona antsika, ary tsy niriny hanangana ny fitondram-panjakany manokana mihitsy ny olombelona. Tsy niraharaha ny fikasan’Andriamanitra izy ireo rehefa nanao izany. Hita koa fa tsy eken’izy ireo hoe an’Andriamanitra ny zava-drehetra. Hoy ny Salamo 95:3-5: “Andriamanitra lehibe Jehovah, ary Mpanjaka lehibe ambonin’ny andriamanitra rehetra Izy. Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin’ny tany; ary Azy ny tendrombohitra avo. Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy; ary ny tany maina dia noforonin’ny tànany.” Andriamanitra no manana zo ho Mpanjaka, ary tokony hanaiky ny fitondrany ny rehetra. Manohitra ny sitrapony kosa ireo firenena manizingizina ny zon’izy ireo hitondra.—Salamo 2:2.

Inona no ilaina?

Tsy hisy ny firaisan-tsaina eran-tany, raha tsy fanjakana iray ihany no mitondra ny firenena rehetra, ka hiahy izay hahasoa ny olona rehetra. Maro no miaiky izany rehefa mandinika ny zava-misy. Tsy any amin’ny tokony ho izy anefa izy ireo matetika no mitady vahaolana. Olona maro, anisan’izany ny mpitondra fivavahana, no mampirisika ny olona hitady fanampiana any amin’ny Firenena Mikambana mba hampisy firaisan-tsaina eran-tany. Mbola tsy nisy mihitsy anefa fikambanan’olombelona nahavita namaha ireo olana miseho eran-tany, na dia tsara sitrapo toy inona aza. Hita taratra ao amin’ny ankamaroan’ireny fikambanana ireny kosa aza ny tsy fifankahazoan’ireo firenena.

Mampitandrina antsika mba tsy hitady vahaolana any amin’ny fikambanan’olombelona ny Baiboly, rehefa milaza hoe: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.” (Salamo 146:3) Midika ve anefa izany fa tsy hisy mihitsy ny firaisan-tsaina eran-tany? Tsy izany velively, satria misy vahaolana hafa.

Maro no tsy mahalala fa efa nanangana fitondram-panjakana iray Andriamanitra, ary afaka hampisy firaisan-tsaina eran-tany izy io. Izao no tenin’i Jehovah Andriamanitra ao amin’ny Baiboly: “ ‘Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako tambonin’i Ziona, tendrombohitro masina.’ Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran’ny tany ho fanananao.” (Salamo 2:6, 8) Mariho fa ‘efa nanendry ny Mpanjakany’ i Jehovah Andriamanitra. Antsoiny hoe “Zanako” izy io eo amin’ny andininy faha-7. Tsy iza io mpanjaka io fa i Jesosy Kristy, ilay ambony indrindra amin’ny Zanak’Andriamanitra. Nomena fahefana eo amin’ny firenena rehetra izy.

Ahoana no hampisy ny firaisan-tsaina eran-tany?

Tsy manaiky ny fisian’io fitondrana napetrak’Andriamanitra any an-danitra io, ny ankamaroan’ny olona. Mbola miziriziry amin’ny zony hitondra ireo firenena. Tsy handefitra foana amin’ireo mandà ny zony hitondra sy tsy mety manaiky ilay fanjakana efa natsangany anefa Andriamanitra. Izao no hataon’i Jesosy Kristy Zanany amin’izy ireny, araka ny Salamo 2:9: “Hotorotoroinao amin’ny tehimby izy: Toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy.” Madiva hiady amin’Andriamanitra ireo firenena ankehitriny, na miaiky izany izy ireo na tsia. Milaza ny boky farany ao amin’ny Baiboly, fa hangonina ‘ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra, izay Hery Fara Tampony, ireo mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina.’ (Apokalypsy 16:14) Hofongorana tsy hisy intsony ireo firenena sy ny toe-tsainy mampisara-bazana. Aorian’izay, dia tsy hisy hanakantsakana intsony ny asan’ny fanjakan’Andriamanitra.

Haniraka ny Zanany i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpanjakan’izao Rehetra Izao, mba hampiasa ny heriny amim-pahendrena, ka hitondra ny fiovana ilaina mba hampisy firaisan-tsaina eran-tany. Hampisy ny tena firaisan-tsaina ny fanjakan’Andriamanitra, ka hitahy ny olona rehetra tia fahitsiana. Nahoana raha maka fotoana kely mba hamakiana ny Salamo faha-72 ao amin’ny Baibolinao? Misy faminaniana momba ny soa hoentin’ny fitondran’ny Zanak’Andriamanitra ho an’ny olombelona, ao amin’io salamo io. Voalaza ao fa hisy ny tena firaisan-tsaina eran-tany, ary tsy hanan-java-manahirana intsony ny olona. Hanjavona ny fampahoriana, ny herisetra, ny fahantrana, sy ny sisa.

Maro no mihevitra fa nofinofy fotsiny izany, satria misara-bazana ity tontolo ity. Diso hevitra anefa izy ireo. Mbola tsy nisy tsy tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra, ary tsy hisy mihitsy izany. (Isaia 55:10, 11) Tsy hahafinaritra anao ve ny hahita ireo fiovana noresahintsika teo? Afaka hahita izany tokoa ianao. Efa misy olona miomana ho amin’izany fiainam-baovao izany aza ankehitriny. Avy amin’ny firenena rehetra izy ireo, nefa tsy miady fa tafaray sy manaiky hofehezin’ny fitondran’Andriamanitra. (Isaia 2:2-4) Iza izy ireo? Ny Vavolombelon’i Jehovah. Asaina ianao hitsidika ny toeram-pivoriany. Azo inoana fa hahafinaritra anao ny hiaraka amin’ireo olona ireo, izay afaka manampy anao hanaiky hofehezin’ny fitondran’Andriamanitra. Ho tsapanao fa misy firaisan-tsaina eo anivon’izy ireo, ary hitohy mandrakizay izany.

[Sary, pejy 7]

Miomana hiaina ao amin’ny tontolo hanjakan’ny firaisan-tsaina ny olona avy amin’ny firenena rehetra

[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]

Saeed Khan/AFP/Getty Images

[Sary nahazoan-dalana, pejy 5]

Vehivavy mitomany: Igor Dutina/AFP/Getty Images; mpirotaka: Said Khatib/AFP/Getty Images; fiara miaramila: Joseph Barrak/AFP/Getty Images