Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Tokony Hataon’ny Mpivady Rehefa Mifamaly?

Inona no Tokony Hataon’ny Mpivady Rehefa Mifamaly?

Inona no Tokony Hataon’ny Mpivady Rehefa Mifamaly?

TSY tia mifamaly ny mpivady mazàna, nefa tena fahita izany ankehitriny. Izao matetika no mitranga: Milaza zavatra mahasosotra ny vadiny ilay lehilahy na ilay vehivavy. Miakatra ny feo, mitroatra ny hatezerana, ka raikitra ny fifandirana sy ny teny maneso. Tsy misy mifampiteny avy eo, fa mifampimonjomonjo. Tony ihany anefa ny fahatezerana amin’ny farany, ary samy miala tsiny izy roa. Milamina indray iny aloha, mandra-pahatongan’ny fifamaliana manaraka.

Be dia be ny hatsikana sy fandaharana ao amin’ny tele momba ny adin’ny mpivady, nefa tsy mampihomehy izy io, raha ny marina. Mety ho “toy ny fanindron’ny sabatra” mihitsy aza ny teny tsy voahevitra, hoy ny ohabolana ao amin’ny Baiboly. (Ohabolana 12:18) Mandratra tokoa ny teny masiaka, ka mety mbola tsy hikatona ilay fery na dia efa tapitra hatry ny ela aza ilay ady. Mety hahatonga herisetra mihitsy aza ny fifamaliana.—Eksodosy 21:18.

Mazava ho azy fa tsy maintsy misy olana eo amin’ny mpivady indraindray, satria tsy lavorary ny olombelona. (Genesisy 3:16; 1 Korintianina 7:28) Tsy tokony hoheverina ho ara-dalàna anefa ny mifamaly be sy matetika. Voamariky ny mpikaroka mantsy, fa atahorana kokoa hisara-panambadiana ny mpivady miady matetika. Tena mila mianatra mandamina amim-pahatoniana ny tsy fifanarahanareo àry ianareo mivady.

Fakafakao izay mitranga

Raha mifamaly lava ianareo roa, dia iezaho fantarina raha mitovy foana ny zava-mitranga rehefa miady ianareo. Inona matetika no miseho rehefa tsy mitovy hevitra ianareo? Vetivety ve dia misafoaka ianareo, ka vary raraka ny ompa sy ny fanomezan-tsiny? Inona no azo atao raha mitranga izany?

Eritrereto amin’ny saina tsy miangatra aloha hoe: Sao dia mba ianao ihany àry no mampitombo ilay olana? Mora tezitra ve ianao? Mila ady foana ve ianao? Ahoana no fahitan’ny vadinao anao amin’io lafiny io? Zava-dehibe ny handinihana an’io fanontaniana farany io, satria mety tsy hitovy ny dikan’ny hoe mila ady, aminareo mivady.

Aoka hatao hoe somary tsy be teny ny vadinao, fa ianao kosa mivantambantana sy tena mafana fo rehefa miresaka. Mety hilaza ianao hoe: “Tsy mila ady aho raha miteny hoatran’izany, fa izany no nahazatra anay mianakavy tany an-trano, rehefa nifampiresaka!” Resaka tsy miolakolaka angamba ilay izy aminao, fa teny mandratra sy filana ady kosa no fandraisan’ny vadinao azy. Mety hisoroka tsy fifankahazoana ianareo mivady, raha samy mahatakatra fotsiny fa tsy mitovy ny fomba fampitanareo hevitra.

Tadidio koa fa tsy voatery hikiakiaka ny olona vao lazaina hoe mifamaly. Hoy i Paoly tamin’ny Kristianina: ‘Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny filelalelana rehetra sy ny fanevatevana rehetra.’ (Efesianina 4:31) Mampiaka-peo no dikan’ny hoe ‘milelalela’, fa ny hoe ‘manevateva’ kosa manondro ilay zavatra lazaina mihitsy. Azo heverina ho mila ady àry ny olona iray raha manao teny maharary sy manambany, na dia mibitsibitsika aza.

Eritrereto izany ary diniho indray ny fomba andaminanareo ny tsy fifanarahanareo. Mila ady foana ve ianao? Efa hitantsika teo, fa miankina be dia be amin’ny fomba fihevitry ny vadinao ny tena valin’io fanontaniana io. Aza maika hanilika ny fomba fiheviny, ka hilaza hoe mora tohina loatra izy. Miezaha kosa hahatakatra ny fomba fiheviny momba anao, ary ahitsio izay hitanao fa ilaina hahitsy. Hoy i Paoly: “Aoka ny tsirairay hitady mandrakariva, tsy izay hahasoa ny tenany, fa izay hahasoa ny hafa.”—1 Korintianina 10:24.

“Tandremo ny fomba fihainoanareo”

Nilaza fomba iray hafa andaminana tsy fifanarahana koa i Jesosy. Hoy izy: “Tandremo ny fomba fihainoanareo.” (Lioka 8:18) Marina fa tsy niresaka momba ny fifampiresahan’ny mpivady i Jesosy teo, nefa azon’izy ireo ampiharina io toro lalana io. Mihaino ny vadinao ve ianao? Mihaino azy tsara ve ianao? Sa tonga dia tapahinao ny teniny mba hanomezana vahaolana tsotsotra, nefa tsy azonao tsara akory ilay olana? “Izay mamaly teny mbola tsy re, dia hadalana sy henatra ho azy izany”, hoy ny Baiboly. (Ohabolana 18:13) Resaho àry izay zavatra tsy ifanarahanareo, ary henoy tsara izay lazain’ny vadinao.

Aza hamaivanina ny heviny, fa miezaha ‘hiara-miory’ aminy. (1 Petera 3:8) Raha misy mampalahelo ny vadinao, dia tokony halahelo koa ianao. Miezaha hahatakatra ny fomba fiheviny.

Izany indrindra no nataon’i Isaka, lehilahy tia an’Andriamanitra. Milaza ny Baiboly fa sahiran-tsaina mafy tamin’i Jakoba zanany i Rebeka vadiny, indray mandeha. Hoy izy tamin’i Isaka: “Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin’ny Hetita; raha maka vady amin’ny zanakavavin’ny Hetita Jakoba tahaka ireto izay avy amin’ny zazavavy tompon-tany, koa hataoko inona ny aiko?”—Genesisy 27:46

Azo inoana fa somary nanitatra i Rebeka noho ny fanahiany. Tena tsy te ho velona intsony ve izy? Naleony tokoa ve maty, raha nanambady ny zanakavavin’ny Hetita ny zanany lahy? Azo inoana fa tsia. Tsy nanamaivana izay tsapan’i Rebeka anefa i Isaka. Hitany fa nitombina ny fanahian’i Rebeka, ka nanao zavatra izy. (Genesisy 28:1) Manaova hoatran’izany koa amin’ny manaraka, rehefa misy mampanahy ny vadinao. Aza hamaivanina fotsiny ilay izy, fa henoy izy, hajao ny heviny, ary manehoa fangorahana.

Mihainoa sy mahaiza mandinika

Hoy ny Baiboly: “Ny fahendren’ny olona manindry ny fahatezerany.” (Ohabolana 19:11) Mahay mandinika ny olona hendry mazàna. Mora erỳ ny mamaly tsy amim-pieritreretana, isaky ny manao teny maharary ny vadinao. Vao mainka mampiady anefa izany matetika. Aoka àry ianao ho tapa-kevitra ny hamantatra izay fihetseham-po fonosin’ny tenin’ny vadinao, fa tsy hihaino fotsiny izay lazainy. Tsy hifantoka amin’izay mahasosotra anao fotsiny ianao raha mahay mandinika toy izany, fa hahita ny tena fototr’ilay olana.

Mety hilaza, ohatra, ny vadinao hoe: “Tsy mba miaraka amiko mihitsy ianao!” Mety ho sosotra ianao mahare an’izany, ka tsy hiraharaha izay fihetseham-pony fa hilaza fotsiny hoe: “Vao tamin’ny volana lasa aho no niaraka taminao iray andro naninjitra!” Raha mihaino tsara anefa ianao, dia ho tsikaritrao fa tsy ny fotoana iarahanareo loatra no tena tian’ny vadinao horesahina. Fanomezan-toky avy any aminao kosa no mety ho tena tiany hangatahina, satria mahatsiaro ho tsy raharahaina sy tsy tiana angamba izy.

Aoka hatao hoe vehivavy ianao, ary manontany anao momba ny zavatra vao novidinao ny vadinao. Gaga be izy manontany hoe: “Tsy vola be ve no laninao tamin’io?” Hiaro tena avy hatrany angamba ianao, ka hanazava fa ampy tsara nividianana an’ilay izy ny volanareo, na hampitaha izay nolaninao amin’ny vola nividianany zavatra ho azy. Raha mahay mandinika anefa ianao, dia ho hitanao fa tsy ilay vola loatra no tian’ny vadinao horesahina. Malahelo kosa angamba izy, satria tsy nanontany ny heviny ianao talohan’ny nividiananao zavatra lafo vidy.

Mazava ho azy fa samy manana ny fomba andaminany ny fotoana iarahany, sy ny fomba anapahany hevitra momba izay zavatra hovidina, ny mpivady. Izao no lesona azo tsoahina: Hahatsindry fo sy hahita ny tena olana ianareo raha mahay mandinika. Aza maimaika hamaly, fa araho ny fampirisihan’i Jakoba, mpanoratra Baiboly, mba “ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra.”—Jakoba 1:19.

Tadidio fa zava-dehibe ny fomba firesakao amin’ny vadinao. Milaza ny Baiboly fa “ny lelan’ny marina dia fanasitranana.” (Ohabolana 12:18) Mandratra ve ny teninao sa manasitrana, rehefa mifamaly ianareo mivady? Mampisara-bazana ve izay lazainao, sa mamitram-pihavanana? Manetsika ady ny fahatezerana na ny famaliana maimaika, araka ny efa hitantsika teo.—Ohabolana 29:22.

Miezaha mafy kokoa mba tsy hivaona amin’ilay tena olana, raha lasa mifandramatra ianareo. Mifantoha amin’ilay antony ifamalianareo, fa aza mitady hanakiana ny vadinao. Izay zavatra tokony hatao no eritrereto bebe kokoa, fa tsy hoe iza no manana ny rariny. Mitandrema mba tsy handranitra ady ny teninao. Hoy ny Baiboly: “Ny teny maharary mahatonga fahasosorana.” (Ohabolana 15:1) Mety ho arakaraka izay lazainao sy ny fomba ilazanao azy, no hahatonga ny vadinao hiezaka koa mba hihavana aminao.

Ataovy tanjona ny hihavana fa tsy ny handresy

Ny hahita vahaolana no tanjontsika rehefa misy fifamaliana, fa tsy ny handresy. Inona àry no hanampy anareo? Azo antoka fa hahita vahaolana ianareo, raha mikaroka ny torohevitry ny Baiboly sy mampihatra izany. Ny lehilahy indrindra no tokony hanao izany. Nahoana raha mihevitra an’ireo zava-manahirana toy ny fiheveran’i Jehovah azy, fa tsy maimaika hanizingizina ny hevitrao fotsiny? Mivavaha aminy, ary mangataha ny fiadanany, izay hiambina ny fonao sy ny sainao. (Efesianina 6:18; Filipianina 4:6, 7) Miezaha mafy mba hitady izay hahasoa ny vadinao, fa tsy izay hahasoa ny tenanao ihany.—Filipianina 2:4.

Vao mainka miharatsy ny toe-javatra matetika, raha ny ratram-po sy ny hatezerana no avelanareo hibaiko ny eritreritrareo sy ny ataonareo. Hihavana sy hifanaraka ary hotahin’i Jehovah anefa ianareo, raha manaiky hahitsin’ny torohevitry ny Teniny. (2 Korintianina 13:11) Avelao hitari-dalana anareo àry “ny fahendrena avy any ambony” ary manehoa toetra tsara. Hahita soa ianareo amin’izay satria “mpampihavana.”—Jakoba 3:17, 18.

Ny olona rehetra mihitsy no tokony hianatra handamina tsy fifanarahana. Tokony hatao amim-pahatoniana izany, na dia misy zavatra tiana tsy maintsy ampandeferina aza. (1 Korintianina 6:7) Ampiharo ny torohevitr’i Paoly, ka esory ny “fahatezerana, fahavinirana, faharatsiana, fanevatevana, ary resaka vetaveta lazain’ny vavanareo. ... Ary esory ny toetra taloha mbamin’ireo fanao niaraka taminy, ary tafio ny toetra vaovao.”—Kolosianina 3:8-10.

Mety hilaza zavatra hanenenanareo ihany ianareo indraindray. (Jakoba 3:8) Mialà tsiny rehefa mitranga izany. Aza sasatry ny miezaka. Ho hitanareo mivady rehefa mandeha ny fotoana, fa tena hihatsara ny fandaminanareo fifamaliana.

[Efajoro/Sary, pejy 22]

Dingana Telo Mandravona Fifamaliana

• Henoy ny vadinao. Ohabolana 10:19

• Hajao ny heviny. Filipianina 2:4

• Manehoa fitiavana. 1 Korintianina 13:4-7

[Efajoro/Sary, pejy 23]

Inona no Azonao Atao?

Apetraho amin’ny vadinao ireto fanontaniana ireto, ary henoy tsara ny valin-teniny fa aza tapahina ny teniny. Afaka manontany anao indray izy avy eo.

• Mila ady foana ve aho?

• Tena mihaino ve aho rehefa miteny ianao, sa maika hamaly aho nefa mbola tsy tapitra akory ny teninao?

• Toy ny hoe tsy miraharaha ny fihetseham-ponao na tezitra ve aho, rehefa miteny?

• Inona no azontsika atao mba hanatsarana ny fomba ifampiresahantsika, indrindra rehefa tsy mitovy hevitra isika?

[Sary, pejy 21]

Mihaino ve ianao?

[Sary, pejy 22]

“Mahatsiaro ho tsy raharahaina sy tsy tiana aho”

[Sary, pejy 22]

“Tsy mba miaraka amiko mihitsy ianao!”

[Sary, pejy 22]

“Vao tamin’ny volana lasa aho no niaraka taminao iray andro naninjitra!”