Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manome Voninahitra An’i Jehovah ny Olona Manao ny Marina

Manome Voninahitra An’i Jehovah ny Olona Manao ny Marina

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Manome Voninahitra An’i Jehovah ny Olona Manao ny Marina

FANTATRA ho olona manao ny marina ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, na kely na lehibe. Ireto misy ohatra avy any amin’ny firenena telo samihafa.

Mipetraka any Nizeria i Olusola, tovovavy 17 taona. Nahita poketra latsaka izy indray andro rehefa avy nianatra, ka nateriny tany amin’ny tale. Nisy vola ₦6 200 (Ar 85 000 eo ho eo) tao anatiny, rehefa nisain’ilay tale. Mpampianatra tao ihany no tompon’ilay poketra, ka naverin’ilay tale taminy izy io. Nomen’ilay mpampianatra ₦1 000 (Ar 13 200 eo ho eo) i Olusola ho fankasitrahana, ary nasainy naloany tamin’io ny saram-pianarany. Naneso azy ny mpianatra hafa rehefa nandre izany. Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nitaraina ny mpianatra iray fa nisy nangalatra ny volany. Nasaina nosavain’ny mpampianatra àry ny mpianatra rehetra. Hoy ilay mpampianatra tamin’i Olusola: “Mijoroa eto ianao. Fantatro fa tsy mangalatra mihitsy ianao, satria Vavolombelon’i Jehovah.” Tratra tany amin’ny ankizilahy roa, anisan’ireo naneso an’i Olusola, ilay vola, ka nosazina mafy izy ireo. Nanoratra i Olusola hoe: “Malaza ho olona tsy mangalatra mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah, ary manome voninahitra an’i Jehovah izany. Tena faly aho fa anisan’izy ireo.”

Avy any Arzantina i Marcelo. Nahita kitapo tao ambadiky ny tranony izy indray andro. Nentiny tao an-tranony ilay izy, ary nosokafan’izy mivady tsimoramora. Gaga izy ireo fa nisy vola be sy karatra fitrosana, ary seky voasonia maromaro tao anatiny. Nitentina iray tapitrisa pesos mihitsy aza ny vola tamin’ny seky iray. Nahita nomeraon-telefaonina teo amin’ny faktiora iray tao koa izy mivady. Nantsoin’izy ireo ny tompon’ilay izy, ary nifanarahana fa halain’izy io any am-piasan’i Marcelo ilay kitapo sy ny tao anatiny. Somary nitebiteby ilay tompony rehefa tonga tany. Nilaza taminy àry ny mpampiasa an’i Marcelo, fa Vavolombelon’i Jehovah i Marcelo ka tsy misy tokony hatahorany. Vola 20 pesos (Ar 11 300 eo ho eo) monja no valisoa nomen’ilay rangahy an’i Marcelo, noho ny nahitany ilay kitapo. Nisafoaka ilay mpampiasa nahita izany satria tena nampiaiky azy ny fanaovan’i Marcelo ny marina. Afaka nanazava i Marcelo tamin’izay fa te hanao ny marina foana izy, satria Vavolombelon’i Jehovah.

Avy any Kirghizistan indray ity tantara ity. Indray andro dia nahita poketra nisy vola 1 100 som (Ar 47 200 eo ho eo), ny zazalahy enin-taona antsoina hoe Rinat. Ramatoa mipetraka eny akaikin-dry zareo no tompon’ilay izy. Naverin’i Rinat taminy àry ny poketrany. Nisain’ilay ramatoa ny vola tao anatiny, ary nilaza tamin-drenin’i Rinat izy fa tsy ampy 200 som ilay izy. Nilaza i Rinat fa tsy naka an’izany. Niara-nitady ilay vola tsy ampy àry izy rehetra, ary teo akaikin’ny toerana nahitana ilay poketra ihany ilay izy. Gaga ilay ramatoa. Nisaotra azy mianaka izy noho ny namerenan’izy ireo ny volany, sy ny nampianaran-dreniny an’i Rinat ho tonga Kristianina.