Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miaro An’ireo Miandry Azy i Jehovah

Miaro An’ireo Miandry Azy i Jehovah

Miaro An’ireo Miandry Azy i Jehovah

“Aoka ny famindramponao [fitiavana sy hatsaram-panahinao, “TV” ] sy ny fahamarinanao hiaro ahy mandrakariva.”—SALAMO 40:11.

1. Inona no nangatahin’i Davida Mpanjaka tamin’i Jehovah, ary ahoana no namaliany izany?

“NIANDRY dia niandry an’i Jehovah” i Davida mpanjakan’ny Israely fahiny, ka nilaza hoe: “Nitodika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako.” (Salamo 40:1) Imbetsaka izy no efa nahita an’i Jehovah niaro an’izay tia Azy. Afaka nangataka taminy àry i Davida mba hiaro azy mandrakariva. (Salamo 40:11) Anisan’ny olona nanam-pinoana nanantena “fitsanganana tsara kokoa” i Davida, ka tena azo inoana fa ao amin’ny fitadidian’i Jehovah. Hahazo izany valisoa izany tokoa izy. (Hebreo 11:32-35) Azo antoka tanteraka àry ny hoaviny. Efa voasoratra ao amin’ny ‘boky fahatsiarovan’i Jehovah’ ny anarany.—Malakia 3:16.

2. Hazavao fa manampy antsika hahazo ny dikan’ny hoe arovan’i Jehovah ny Soratra Masina.

2 Velona talohan’ny nahatongavan’i Jesosy Kristy teto an-tany, ireo olona nahatoky voaresaka ao amin’ny Hebreo toko faha-11. Niaina nifanaraka tamin’ireto tenin’i Jesosy ireto anefa izy ireo: “Izay tia ny ainy no hamoy azy, fa izay mankahala ny ainy eo amin’izao fiainana izao kosa, no hiaro azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.” (Jaona 12:25) Ny hoe arovan’i Jehovah àry dia tsy midika hoe tsy mijaly na tsy voaenjika mihitsy. Midika kosa izany fa arovany eo amin’ny lafiny ara-panahy isika, mba hahafahantsika hifandray tsara aminy foana.

3. Inona no manaporofo fa narovan’i Jehovah i Kristy Jesosy, ary inona no vokatr’izany?

3 Nenjehina mafy sy nalam-baraka i Jesosy, ary vitan’ny fahavalony mihitsy ny nampijalijaly sy namono azy ho faty. Tsy midika anefa izany hoe nivadika tamin’ny fampanantenany hiaro ny Mesia Andriamanitra. (Isaia 42:1-6) Reny ny fitarainan’i Jesosy, toy ny nandrenesany ny an’i Davida. Porofon’izany ny nananganany an’i Jesosy tamin’ny maty, telo andro taorian’ilay fahafatesany nanala baraka, sy ny nanomezany azy hery tsy hivadihana. (Matio 26:39) Lasa zavaboary tsy mety maty any an-danitra i Jesosy, noho izany fiarovan’i Jehovah izany. Manantena hiaina mandrakizay koa ny olona an-tapitrisany maneho finoana ilay vidim-panavotana.

4. Inona no toky omena ny Kristianina voahosotra sy ny “ondry hafa”?

4 Matoky isika fa maniry hiaro ny mpanompony ankehitriny koa i Jehovah, ary tena afaka manao izany izy, toy ny tamin’ny andron’i Davida sy Jesosy. (Jakoba 1:17) Afaka miantehitra amin’izao fampanantenan’i Jehovah izao ny sisa amin’ireo voahosotra, rahalahin’i Jesosy mbola eto an-tany: ‘[Misy] lova tsy mety simba sy tsy misy loto ary maharitra, voatahiry any an-danitra ho anareo. Arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana ianareo, ho amin’ny famonjena izay efa vonona haharihary amin’ny fotoana farany.’ (1 Petera 1:4, 5) Afaka matoky an’Andriamanitra sy ny fampanantenany koa ny “ondry hafa” manantena hiaina eto an-tany. Nampanantena toy izao mantsy i Jehovah tamin’ny alalan’ny mpanao salamo: “Tiava an’i Jehovah, ry olony masina rehetra; miaro ny marina Jehovah.”—Jaona 10:16; Salamo 31:23.

Miaro ny fifandraisan’ny Kristianina aminy i Jehovah

5, 6. a) Ahoana no iarovana ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny? b) Lazalazao ny fifandraisan’i Jehovah amin’ny voahosotra, sy amin’ireo manantena hiaina eto an-tany.

5 Miaro ny vahoakany amin’ny lafiny ara-panahy i Jehovah ankehitriny. Marina fa tsy miaro azy ireo amin’ny fanenjehana na ny olana sy ny loza fahita eo amin’ny fiainana izy. Manampy sy mampahery azy ireo foana anefa izy, mba hiarovana ny fifandraisana tsara ananan’izy ireo aminy. Lasa mifandray tsara amin’Andriamanitra tokoa mantsy ny vahoakany, noho izy ireo mino ny vidim-panavotana nomeny tamim-pitiavana. Voahosotry ny fanahin’Andriamanitra ny sasany amin’ireo Kristianina mahatoky ireo, ka hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. Nambara fa marina izy ireo ary noraisin’Andriamanitra ho zanany ara-panahy. Izy ireo no resahina amin’ireto teny ireto: “Nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny haizina izy, ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ilay Zanany tiany. Ny Zanaka no ahazoantsika ilay fanafahana entin’ny vidim-panavotana, dia ny famelana ny helotsika.”—Kolosianina 1:13, 14.

6 Kristianina mahatoky hafa an-tapitrisany koa no nomena toky, fa afaka mandray soa avy amin’ilay vidim-panavotana nomen’Andriamanitra. Izao no vakintsika: ‘Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.’ (Marka 10:45) Manantena hahazo “ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” ireo Kristianina ireo, amin’ny fotoana voatondro. (Romanina 8:21) Mandra-pahatongan’izany dia mankamamy ny fifandraisany amin’Andriamanitra izy ireo, ary miezaka manamafy izany.

7. Ahoana no iarovan’i Jehovah ny vahoakany eo amin’ny lafiny ara-panahy, ankehitriny?

7 Anisan’ny fomba iarovan’i Jehovah ny vahoakany eo amin’ny lafiny ara-panahy, ny fampiofanana azy ireo miandalana. Manampy azy ireo hahalala bebe kokoa ny fahamarinana izany. Manome tari-dalana tsy tapaka ny vahoakany koa i Jehovah, amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany ary ny fanahiny masina. Toy ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny vahoakan’Andriamanitra eran-tany, eo ambany fitarihan’ny “mpanompo mahatoky sy malina.” Miahy izay ilain’io fianakaviambe io eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-batana mihitsy aza ilay mpanompo rehefa ilaina izany, tsy misy fanavakavaham-bolon-koditra na saranga.—Matio 24:45.

8. Inona no atokisan’i Jehovah fa hataon’ny olony tsy mivadika, ary inona no toky omeny azy ireo?

8 Tsy niaro an’i Jesosy tamin’ny fanafihan’ny fahavalony i Jehovah, ary tsy miaro ny Kristianina amin’izany koa izy ankehitriny. Tsy midika anefa izany hoe tsy ankasitrahany izy ireo. Tsy izany mihitsy! Asehon’izany kosa fa matoky i Jehovah hoe hanohana ny zony hitondra an’izao rehetra izao izy ireo. (Joba 1:8-12; Ohabolana 27:11) Tsy handao ireo tsy mivadika aminy mihitsy izy, satria “tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina [na tsy mivadika, TV ]; harovana mandrakizay ireo.”—Salamo 37:28.

Miaro antsika ny fitiavana sy hatsaram-panahin’i Jehovah ary ny fahamarinany

9, 10. a) Ahoana no iarovan’ny fahamarinan’i Jehovah ny vahoakany? b) Inona no andinin-teny mampiseho fa miaro ny olony tsy mivadika ny fitiavana sy hatsaram-panahin’i Jehovah?

9 Araka ny vavak’i Davida ao amin’ny Salamo faha-40, dia nangatahiny hiaro azy ny fitiavana sy hatsaram-panahin’i Jehovah ary ny fahamarinany. Milaza mazava ny fitsipiny i Jehovah, satria Andriamanitry ny fahamarinana izy ary tia fahitsiana. Voaro amin’ny loza sy ny tahotra ary ny olana, izay mankatò an’ireny fitsipika ireny, fa tsy mba sahala amin’ireo tsy miraharaha azy ireny. Miaro ny tenantsika sy ny havantsika amin’ny olana maro mampalahelo isika, ohatra, raha tsy midoroka zava-mahadomelina, tsy miboboka toaka, tsy maloto fitondran-tena, ary tsy mahery setra. Na dia ireo niala tamin’ny lalan’ny fahamarinana aza, toy ny nataon’i Davida tsindraindray, dia afaka matoky fa mbola ‘fierena’ ho an’izay mibebaka i Jehovah. Afaka mifaly sy milaza izy ireo hoe: “Miaro ahy tsy ho azon’ny fahoriana Hianao.” (Salamo 32:7) Izany ka tena fanehoam-pitiavana sy hatsaram-panahy avy amin’Andriamanitra!

10 Misy ohatra hafa koa mampiseho fa be fitiavana sy hatsaram-panahy Andriamanitra. Mampitandrina ny mpanompony izy mba hisaraka hatrany amin’ity tontolo ratsy madiva horavany ity. Izao no vakintsika: “Aza tia an’izao tontolo izao na ny zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy tia an’izao tontolo izao, dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray, satria ny zava-drehetra eo amin’izao tontolo izao, izany hoe ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana fananana, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao.” Ho voaro mandrakizay ny aintsika raha mihaino an’io fampitandremana io isika, sady manao zavatra mifanaraka amin’izany. Hoy ihany mantsy ilay andininy: “Ary mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”—1 Jaona 2:15-17.

Miaro antsika ny fisainana mazava sy ny fahaiza-manavaka ary ny fahendrena

11, 12. Hazavao fa miaro antsika ny fisainana mazava sy ny fahaiza-manavaka ary ny fahendrena.

11 Izao no nasain’Andriamanitra nosoratan’i Solomona, zanak’i Davida, ho an’ireo te hahazo sitraka aminy: “Hiaro anao ny fisainana mazava, ary hiambina anao ny fahalalana” na ny fahaiza-manavaka. Nampirisika koa izy hoe: “Mahazoa fahendrena ... Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy; tiavo izy, dia hitandrina anao.”—Ohabolana 2:11; 4:5, 6.

12 Mampiasa ny saintsika isika rehefa misaintsaina izay ianarantsika avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Manampy antsika hahay hanavaka kokoa izany, ka hahita izay tena zava-dehibe eo amin’ny fiainana. Tena ilaina izany, satria mety ho efa hitantsika teo amin’ny fiainana, fa mipoitra ny olana rehefa tsy izay tokony homena ny toerana voalohany no atao loha laharana. Marina foana izany na iniana atao ilay izy na tsia. Mitaona antsika hikatsaka harena sy laza ary fahefana ny tontolon’i Satana. I Jehovah kosa mampirisika antsika hikatsaka tanjona ambony kokoa mifandray amin’ny fanompoana azy. Raha tsy izany no ataon’ny olona iray loha laharana eo amin’ny fiainana, dia mety hisaratsaraka ny fianakaviany, ho very namana izy, na tsy hanana tanjona eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra intsony. Hampalahelo fa ho tanteraka amin’ny olona toy izany ity voalazan’i Jesosy ity: ‘Inona moa no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy nefa very ny ainy?’ (Marka 8:36) Hendry àry isika raha manaraka ny torohevitr’i Jesosy hoe: “Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.”—Matio 6:33.

Mampidi-doza ny fitiavan-tena

13, 14. Inona no dikan’ny hoe tia tena, ary nahoana no tsy fahendrena ny hananana an’io toetra io?

13 Efa voajanahary ao amin’ny olona ny miahy izay hahasoa ny tenany. Mipoitra anefa ny olana, rehefa lasa mitana toerana lehibe loatra eo amin’ny fiainany ny zavatra tiany sy mahaliana azy. Mandidy antsika tsy ho tia tena àry i Jehovah, mba hiarovana ny fisakaizantsika aminy. Ny hoe tia tena dia midika hoe “tsy mieritreritra afa-tsy izay tiana na ilaina na mahaliana ny tena.” Tsy izany ve no toetran’ny olona maro ankehitriny? Tsara homarihina fa efa nilaza ny Baiboly hoe ‘ho tia tena ny olona amin’ny andro faran’ity’ tontolon’i Satana ity.—2 Timoty 3:1, 2.

14 Takatry ny Kristianina fa fahendrena ny mihevitra izay hahasoa ny hafa sy tia azy ireo tahaka ny tenany, araka ny andidian’ny Baiboly. (Lioka 10:27; Filipianina 2:4) Mieritreritra ny ankamaroan’ny olona fa tsy ho vita izany. Tena zava-dehibe anefa ny hanaovantsika izany, raha tiantsika ny hanana tokantrano sambatra sy fianakaviana mifandray tsara ary namana mahafinaritra. Tsy tokony ho ny fitadiavana izay hahasoa ny tenany fotsiny àry no hibahana eo amin’ny fiainan’ny tena mpanompon’i Jehovah. Tsy tokony hataony an-kilabao ireo zava-dehibe kokoa. Ary fantatsika fa ny tena zava-dehibe indrindra, dia ny asa mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra.

15, 16. a) Inona no mety hiafaran’ny olona tia tena? Manomeza ohatra manamarina izany. b) Inona no ataon’ny olona iray raha ny marina, rehefa maika hitsara ny hafa izy?

15 Mety hanjary hihevi-tena ho marina ny olona tia tena, ka ho lasa tery saina sy hiana-kendry. Marina ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Na iza na iza ianao, ralehilahy, dia tsy afa-tsiny ianao raha mitsara. Fa izay zavatra itsaranao ny hafa no anamelohanao ny tenanao, satria ianao izay mitsara io dia mpanao izany koa.” (Romanina 2:1; 14:4, 10) Nihevi-tena ho marina ny mpitondra fivavahana tamin’ny andron’i Jesosy, ka nihevitra fa zony ny manakiana an’i Jesosy sy ny mpanara-dia azy. Naka ny toeran’ny mpitsara izy ireo, rehefa nanao izany. Nanamelo-tena izy ireo raha ny marina, satria tsy nahita ny fahadisoan’ny tenany.

16 Lasa nitsara ny hafa koa i Jodasy, ilay mpanara-dia an’i Jesosy nefa namadika azy. Tezitra izy rehefa nohosoran’i Maria, anabavin’i Lazarosy, menaka manitra i Jesosy, tany Betania. Hoy izy: “Fa nahoana no tsy namidy denaria telonjato iny menaka manitra iny, ka nomena ny mahantra?” Manazava anefa ny Baiboly hoe: “Tsy noho ny fiahiany ny mahantra anefa no nilazany izany, fa noho izy mpangalatra, sady izy no nitana ny boatim-bola ka nakany ny tao anatiny.” (Jaona 12:1-6) Enga anie isika tsy hanahaka mihitsy an’i Jodasy sy ireo mpitondra fivavahana, izay maika erỳ hitsara ny hafa, ka nanjary nanamelo-tena.

17. Hazavao amin’ny ohatra ny loza ateraky ny fieboeboana na ny fatokian-tena loatra.

17 Tsy mpangalatra toa an’i Jodasy ny Kristianina voalohany sasany, nefa nampalahelo fa lasa niavonavona ka nanjary nieboebo. Hoy i Jakoba momba azy ireo: “Mirehareha amin’ny rehaka sy ny fieboeboanareo [ianareo]. Ratsy ny fireharehana rehetra toy izany.” (Jakoba 4:16) Mampidi-doza ny mirehareha momba ny zava-bitantsika na ny tombontsoam-panompoantsika. (Ohabolana 14:16) Tsaroantsika ny nitranga tamin’ny apostoly Petera, izay natoky tena loatra ka nirehareha hoe: “Na hihemotra noho ny aminao aza ny rehetra, izaho tsy mba hihemotra mihitsy! ... Na hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handa anao mihitsy.” Tsy misy antony hireharehantsika, raha ny marina. Avy amin’ny fitiavana sy hatsaram-panahin’i Jehovah daholo ny zava-drehetra ananantsika. Tsy hieboebo isika raha mitadidy izany.—Matio 26:33-35, 69-75.

18. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny avonavona?

18 Voalaza fa “ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.” Nahoana? Mamaly i Jehovah hoe: ‘Ny fiavonavonana sy ny fireharehana dia samy halako avokoa.’ (Ohabolana 8:13; 16:18) Tsy mahagaga àry raha nisafoaka izy, noho “ny fiavonavonan’ny fon’ny mpanjakan’i Asyria sy ny reharehan’ny fiandranandran’ny masony”! (Isaia 10:12) Nampamoahin’i Jehovah izy noho izany. Tsy ho ela koa, dia hampamoahin’i Jehovah ny tontolon’i Satana manontolo, mbamin’ireo mpitondra miavonavona sy manambony tena, na hita maso izy na tsia. Enga anie isika tsy ho be di-doha toa an’ireo fahavalon’i Jehovah mihitsy!

19. Inona no voninahitra lehibe ananan’ny vahoakan’Andriamanitra, nefa nahoana izy ireo no manetry tena?

19 Voninahitra lehibe ho an’ny tena Kristianina tokoa ny manompo an’i Jehovah. (Jeremia 9:23) Tokony hanetry tena hatrany anefa izy ireo. Nahoana? Satria “samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Romanina 3:23) Raha tiantsika hatrany àry ny ho mpanompon’i Jehovah sy hiaro izany toerantsika izany, dia tsy maintsy manana ny toe-tsain’ny apostoly Paoly isika. Hoy izy: “Tonga teo amin’izao tontolo izao i Kristy Jesosy mba hamonjy ny mpanota.” Hoy koa izy: “Ary izaho no lohany tamin’ireny.”—1 Timoty 1:15.

20. Ahoana no iarovan’i Jehovah ny vahoakany ankehitriny, ary ahoana no hiarovany azy ireo amin’ny hoavy?

20 Mampandefitra ny sitrapony ny vahoakan’i Jehovah, mba ho loha laharana eo amin’ny fiainany ny sitrapon’Andriamanitra. Azo antoka àry fa hiaro hatrany ny fifandraisan’izy ireo aminy i Jehovah. Afaka matoky koa isika fa rehefa ho tonga ny fahoriana lehibe, dia hiaro ny vahoakany i Jehovah, tsy eo amin’ny lafiny ara-panahy fotsiny, fa hiaro ny ain’izy ireo koa. Ho afaka hilaza toy izao izy ireo rehefa hiditra ny tontolo vaovaon’Andriamanitra: “Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; indro Jehovah, Izay nandrasantsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin’ny famonjeny isika.”—Isaia 25:9.

Tadidinao Ve?

• Ahoana no niarovana an’i Davida Mpanjaka sy Jesosy Kristy?

• Ahoana no iarovana ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny?

• Nahoana isika no tsy tokony ho tia tena?

• Inona no voninahitra lehibe ananantsika, nefa nahoana isika no manetry tena?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Ahoana no niarovan’i Jehovah an’i Davida sy Jesosy?

[Sary, pejy 10, 11]

Amin’ny fomba ahoana avy no iarovana ny vahoakan’Andriamanitra eo amin’ny lafiny ara-panahy ankehitriny?

[Sary, pejy 12]

Voninahitra lehibe ny manompo an’i Jehovah, nefa tsy maintsy manetry tena isika