Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Tsy Misy Firaisan-tsaina Eran-tany?

Nahoana no Tsy Misy Firaisan-tsaina Eran-tany?

Nahoana no Tsy Misy Firaisan-tsaina Eran-tany?

“Sambany izao no tafaray ireo firenena eran-tany, taorian’ny Ady Lehibe II. ... Azo hararaotina izany mba hanorenana ilay tontolo vaovao nampanantenaina hatry ny ela.”

IZANY no tenin’ny prezidàn’i Etazonia, tany amin’ireo taona 1990. Toa nadiva ho tafaray izao tontolo izao tamin’izany fotoana izany, raha nojerena ny zava-nisy eran-tany. Nifandimby niongana ireo fitondrana jadona. Nitondra fiovana lehibe tany Eoropa ny firodanan’ny Rindrin’i Berlin, izay nampisaraka ny faritra kominista sy ny tsy kominista tany Alemaina. Rava ny Firaisana Sovietika, ary gaga tokoa izao tontolo izao nahita izany. Izy io mantsy no fototr’ireo ady eran-tany, araka ny hevitry ny olona maro tany amin’ny firenena tsy kominista. Nifarana koa ny Ady Mangatsiaka nampifanandrina an’i Etazonia sy ny Firaisana Sovietika, ary nisy siosion-dresaka hoe hahena ny fitaovam-piadiana, anisan’izany ny fiadiana niokleary. Marina fa nisy ady nipoaka indray tany amin’ny Hoala Persika taorian’izay, nefa toa nihelina ihany izany. Vao mainka aza ilay izy nahatonga ny ankamaroan’ireo firenena ho tapa-kevitra kokoa hikatsaka fandriampahalemana.

Tsy ny toe-draharaha politika ihany no nahavelom-bolo, fa ny lafiny hafa tamin’ny fiainana koa. Nihatsara ny fari-piainana tany amin’ny faritra maro eran-tany. Nandroso ny fitsaboana, ka nahavita zava-mahagaga tsy vitan’ny olona tany aloha ny dokotera. Niroborobo haingana koa ny toe-karena tany amin’ny tany maro, ka noheverina fa hanan-karena izao tontolo izao raha mitohy izany. Toa nizotra tsara ny zava-drehetra.

Taona vitsivitsy ihany izay no lasa, nefa voatery manontany tena isika izao hoe: ‘Fa inona no nitranga? Aiza ilay firaisan-tsaina eran-tany nampanantenaina?’ Toa ny mifanohitra amin’izany no hita ankehitriny. Miseho matetika amin’ny vaovao ny fanapoahana baomba, fampihorohoroana, fitomboan’ny fitaovam-piadiana mahery vaika, ary zava-mitranga hafa mampanahy. Vao mainka mampisara-bazana an’izao tontolo izao ireo fisehoan-javatra ireo. Hoy ny manam-pahaizana ara-bola iray, vao haingana: “Tsy tafavoaka isika, fa vao mainka miteraka herisetra bebe kokoa ny herisetra efa misy.”

Miray saina ve izao tontolo izao sa misara-bazana?

Anisan’ny tanjon’ny Firenena Mikambana tamin’izy vao niforona, ny “hanao izay hampihavana ireo firenena, amin’ny alalan’ny fanajana ny fitovian-jo sy ny fahaleovan-tenan’ireo firenena.” Tanteraka ve izany zava-kendrena mendri-piderana izany, 60 taona atỳ aoriana? Tsy izany velively! Toa ny ‘fahaleovan-tenany’ no mibahana kokoa ao an-tsain’ny firenena maro, fa tsy ny ‘fihavanana.’ Mikely aina ny firenena sy foko samihafa mba hampiharihary ny maha izy azy sy hanasongadina fa mizaka tena izy, hany ka vao mainka misara-bazana izao tontolo izao. Efa 191 izao no isan’ny firenena ao amin’ny Firenena Mikambana, raha 51 tamin’ny voalohany.

Toa efa nanangasanga ny firaisan-tsaina eran-tany, tamin’ny faramparan’ireo taona 1990. Nandiso fanantenana anefa izany, satria nihanisara-bazana hatrany izao tontolo izao taorian’izay. Porofon’izany ny hotakotaka mampizarazara an’i Iogoslavia, ny fifandonana eo amin’i Tchétchénie sy Rosia, ny ady any Irak, ary ny ra mandriaka tsy misy farany any Moyen-Orient.

Azo antoka fa tso-po sy maniry hanatsara zavatra tokoa ireo miezaka mikatsaka fandriampahalemana. Toa tsy ho tanteraka ihany anefa ny firaisan-tsaina eran-tany, ka maro no manontany hoe: ‘Nahoana no sarotra toy izany ny mampisy firaisan-tsaina eran-tany? Inona no hiafaran’ity tontolo ity?’

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

AP Photo/Lionel Cironneau

Arlo K. Abrahamson/AFP/ Getty Images