Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voavonjy Noho ny Hatsaram-panahy Tsy Manam-paharoa, fa Tsy Noho ny Asa Ihany

Voavonjy Noho ny Hatsaram-panahy Tsy Manam-paharoa, fa Tsy Noho ny Asa Ihany

Voavonjy Noho ny Hatsaram-panahy Tsy Manam-paharoa, fa Tsy Noho ny Asa Ihany

‘Novonjena ianareo, noho ny finoanareo. Tsy avy amin’izay atao izany, mba tsy hisy hanana antony hireharehana.’—EFESIANINA 2:8, 9.

1. Inona no tsy mampitovy ny Kristianina sy ny ankamaroan’ny olona rehefa mahavita zavatra, ary nahoana?

MIDERA tena ny olona amin’izao andro izao rehefa mahavita zavatra, ary mailaka erỳ hirehareha momba izany. Tsy mba toy izany ny Kristianina. Tsy manasongadina ny zava-bitany izy, na dia ny zavatra mifandray amin’ny fivavahana marina aza. Mahafaly azy ny zava-bitan’ny vahoakan’i Jehovah amin’ny fitambarany, nefa tsy mirehareha ny amin’izay anjara noraisiny tamin’izany izy. Takany fa zava-dehibe kokoa noho ny zava-bita ny antony manosika tsara, eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Omena fiainana mandrakizay ny olona iray, noho ny finoany sy ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’Andriamanitra, fa tsy noho ny zava-bitany akory.—Lioka 17:10; Jaona 3:16.

2, 3. Inona no nireharehan’i Paoly, ary nahoana?

2 Nahafantatra izany tsara ny apostoly Paoly. Intelo izy no nivavaka mba hialan’ilay ‘tsilo tao amin’ny nofony.’ Hoy anefa i Jehovah: “Ampy anao ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehoko aminao. Fa ny heriko dia manjary lavorary ao amin’ny fahalemena.” Nanetry tena i Paoly, ka nanaiky ny fanapahan-kevitr’i Jehovah. Hoy izy: “Koa aleoko àry mirehareha ny amin’ny fahalemeko, mba hitoetra eo amiko toy ny tranolay ny herin’i Kristy.” Tokony hanetry tena toa an’i Paoly isika.—2 Korintianina 12:7-9.

3 Niavaka ny zava-bitan’i Paoly teo amin’ny fanompoana kristianina. Niaiky anefa izy fa tsy ny fahaizany manokana no nahavitany izany. Nanetry tena izy, ka nilaza hoe: “Izaho izay kely noho ny kely indrindra amin’ny olona masina rehetra no nanehoana izany hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izany, mba hitoriako amin’ny hafa firenena ny vaovao tsara momba ny harena tsy hita fetran’i Kristy.” (Efesianina 3:8) Sady tsy nirehareha i Paoly, no tsy niseho ho masina be, na niavonavona. “Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, fa maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa amin’ny manetry tena kosa.” (Jakoba 4:6; 1 Petera 5:5) Manahaka an’i Paoly ve isika, ka mihevitra ny tenantsika ho kely noho ny kely indrindra amin’ireo rahalahintsika?

“Aoka samy hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany”

4. Nahoana no mety ho sarotra amintsika indraindray ny mihevitra ny hafa ho ambony noho ny tenantsika?

4 Nanoro hevitra ny Kristianina ny apostoly Paoly hoe: “Aza manao na inona na inona noho ny fitia te hifanditra na noho ny rehaka, fa amim-panetren-tena kosa dia aoka samy hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany.” (Filipianina 2:3) Mety ho sarotra izany, indrindra raha manana andraikitra isika. Sarotra amintsika angamba ny manetry tena, satria misy heriny eo amintsika ihany ny toe-tsaina tia mifaninana manjaka eto amin’ity tontolo ity. Nozarina hifaninana tamin’ny mpiray tam-po na mpiara-mianatra tamintsika angamba isika, tamin’ny mbola kely. Angamba koa isika nampirisihina foana mba ho lasa mpanao fanatanjahan-tena malaza, na ny mpianatra nahay indrindra tany am-pianarana. Mazava ho azy fa tena tsara ny manao araka izay fara herintsika amin’izay rehetra ataontsika. Tsy hisarika ny sain’ny olona ho amin’ny tenany anefa no anaovan’ny Kristianina izany, fa mba handraisany soa faran’izay betsaka sy hahasoa ny hafa koa angamba. Mety hanimba anefa ny faniriana ho voalohany foana. Nahoana?

5. Inona no mety hitranga rehefa tsy voafehy ny toe-tsaina tia mifaninana?

5 Rehefa tsy voafehy ny fieboeboana na ny toe-tsaina tia mifaninana, dia mety hahatonga ny olona iray tsy hanaja ny hafa na hiavonavona. Mety hialona ny fahaizana sy ny tombontsoa ananan’ny hafa izy. Hoy ny Ohabolana 28:22: “Ny mpialona dia maimay ta-hanan-karena; tsy fantany fa hanjo azy ny alahelo.” Mety hiana-kendry mihitsy aza izy, ka hiezaka hahazo toerana tsy mendrika azy akory. Mety hanomboka himonomonona sy hitsikera ny hafa izy, mba hanamarinana ny zavatra ataony. Tokony hanalavitra an’izany toe-tsaina izany anefa ny Kristianina. (Jakoba 3:14-16) Raha tsy izany mantsy, dia mety ho lasa tia tena izy.

6. Inona no fampitandremana omen’ny Baiboly momba ny toe-tsaina tia mifaninana?

6 Mampirisika ny Kristianina àry ny Baiboly hoe: “Aoka isika tsy hirehaka ka hampisy fifaninanana sy fifampialonana.” (Galatianina 5:26) Niresaka momba ny Kristianina iray nanana an’io toe-tsaina io ny apostoly Jaona. Hoy izy: “Nisy zavatra nosoratako ho an’ny fiangonana, saingy te ho voalohany eo amin’izy ireo i Diotrefa, ka tsy nety nandray tamim-panajana na inona na inona avy taminay. Raha tonga àry aho, dia hampahatsiahiviko ny nataony, izay mbola tohiziny ihany. Manaratsy anay tsy an-kijanona izy.” Mampalahelo tokoa raha Kristianina no manana toe-tsaina toy izany!—3 Jaona 9, 10.

7. Inona no tsy tokony hataon’ny Kristianina, any amin’ireo toeram-piasana anjakan’ny fifaninanana?

7 Marina aloha fa tsy afa-miala amin’ny karazana fifaninanana rehetra ny Kristianina. Mety hifaninana amin’olona na orinasa mamokatra entam-barotra mitovy amin’ny azy na manao asa mitovy amin’ny azy, ohatra, ny toeram-piasany. Tokony hahay hanaja sy ho tia ary hihevitra ny hafa foana anefa ny Kristianina, rehefa manao ny asany. Handa izay fanao tsy ara-dalàna na tsy mendrika ny Kristianina izy, sady tsy te halaza hoe olona tia mifaninana. Fantany mantsy fa tsy ny ho voalohany amin’izay rehetra atao no zava-dehibe indrindra. Raha mila manana izany toe-tsaina izany ny Kristianina rehefa miasa, mainka moa fa rehefa manompo an’Andriamanitra!

‘Tsy hampitaha ny tenany amin’ny hafa’

8, 9. a) Nahoana ny anti-panahy kristianina no tsy tokony hifaninana amin’izy samy izy? b) Nahoana ny 1 Petera 4:10 no mihatra amin’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra?

8 Izao no lazain’ny Baiboly, momba ny toe-tsaina tokony hananan’ny Kristianina rehefa manompo an’Andriamanitra: “Aoka ... ny tsirairay samy handinika izay ataony avy, ary amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy amin’ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa.” (Galatianina 6:4) Mifanampy sy miara-miasa akaiky ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonana, satria tsy mifaninana izy ireo. Faly izy ireo rehefa afaka mitondra ny anjara birikiny ny tsirairay, mba hahasoa ny fiangonana. Tsy mifaninana àry izy ireo fa miray saina tsara, mba hotahafin’ny fiangonana.

9 Mety ho havanana na hahay hanavaka kokoa noho ny hafa ny anti-panahy sasany, noho ny taonany, ny traikefa ananany, na ny fahaizany. Izany no tsy mampitovy ny andraikitra tanan’ny anti-panahy eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah. Tsy mifampitaha izy ireo, fa mitadidy kosa izao torohevitra izao: “Ampiasao mba hifanompoana izay rehetra nomena anareo, arakaraka izay noraisinareo tsirairay avy. Ianareo mantsy no mpanompo tsara miandraikitra ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’Andriamanitra. Ary niseho tamin’ny fomba maro samihafa izany hatsaram-panahiny izany.” (1 Petera 4:10) Mihatra amin’ny mpanompon’i Jehovah rehetra io andinin-teny io. Azo lazaina hoe samy nomena fahalalana marina tsara mantsy ny rehetra, sady manana tombontsoa handray anjara amin’ny fanompoana kristianina.

10. Inona ihany no tokony hanosika antsika hanao fanompoana masina, raha tiantsika hankasitrahan’i Jehovah izany?

10 Ny fitiavana sy ny fahafoizan-tena ihany no tokony hanosika antsika hanao fanompoana masina ho an’i Jehovah, fa tsy ny fitia te ho ambony noho ny hafa. Amin’izay dia hampifaly an’i Jehovah ny zavatra ataontsika. Tena mila mahay mandanjalanja àry isika eo amin’ny fanompoantsika. Tsy misy tena mahafantatra ny antony manosika ny hafa, fa i Jehovah ihany no “mandanja ny fo.” (Ohabolana 24:12; 1 Samoela 16:7) Mila manontany tena àry isika tsindraindray hoe: ‘Inona no manosika ahy hanompo an’i Jehovah?’—Salamo 24:3, 4; Matio 5:8.

Fomba fijery mety momba ny fanompoana

11. Inona no fanontaniana tsara hapetratsika momba ny fanompoantsika?

11 Ny antony manosika no zava-dehibe indrindra, mba hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah. Midika àry ve izany fa tokony hohamaivanintsika ny fanompoana? Tena mila soratana foana ve ny fanompoana vitantsika na ny habetsahany, raha mbola tsara ny antony manosika antsika hanao izany? Tsara ny ametrahana ireo fanontaniana ireo, satria tsy ny isa misoratra eo amin’ny tatitra no tokony ho zava-dehibe kokoa noho izay tena ataontsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Tsy ny hamerina tatitra tsara koa no tokony himasoantsika eo amin’ny asa kristianina.

12, 13. a) Nahoana isika no manao tatitra momba ny fanompoantsika? b) Inona avy no mahafaly antsika, rehefa mijery ny tatitra momba ny asa fitoriana maneran-tany?

12 Mariho izay lazain’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah: ‘Nahaliana ny mpanara-dia an’i Jesosy Kristy voalohany ny fandroson’ny asa fitoriana. (Marka 6:30) Tantarain’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ao amin’ny Baiboly fa nisy olona 120 teo ho eo nanatrika, rehefa nilatsahan’ny fanahy masina ny mpianatra, tamin’ny Pentekosta. Tsy ela dia nitombo ho 3 000 ny mpianatra, ary avy eo 5 000. (Asan’ny Apostoly 1:15; 2:5-11, 41, 47; 4:4; 6:7) Tsy maintsy ho nampahery an’ireo mpianatra ny fandrenesana momba izany fitomboana izany!’ Miezaka koa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny mba hanangona tatitra marina tsara momba ny asa fitoriana atao eran-tany, ho fanatanterahana ity tenin’i Jesosy ity: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14) Ahafahana mamantatra ny asa vita maneran-tany ireny tatitra ireny. Hita amin’izy ireny ny toerana mila fanampiana, ary koa ny isa sy ny karazana boky na gazety ilaina mba hampandrosoana ny asa fitoriana.

13 Tontosa tsara kokoa àry ilay asa fitoriana nanirahana antsika, raha manao tatitra ny fanompoantsika isika. Mahafaly antsika koa ny mandre ny asa vitan’ireo rahalahintsika any an-toeran-kafa. Dibo-kafaliana ny fontsika, rehefa mandre ny fitomboana sy ny fitaran’ny asa maneran-tany. Noho izany, dia voatosika hampitombo ny fanompoantsika isika, sady mahazo toky fa mitahy antsika i Jehovah. Faly koa isika, satria fantatsika fa ao anatin’io tatitra maneran-tany io ny tatitra nataontsika tsirairay! Kely ihany ny vitantsika raha ampitahaina amin’ilay tatitra maneran-tany, kanefa hitan’i Jehovah izany. (Marka 12:42, 43) Tadidio fa tsy feno ny tatitra maneran-tany, raha tsy teo ny tatitra nataonao. 

14. Inona koa no ataontsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ankoatra ny fitoriana sy fampianarana?

14 Zava-dehibe ny tatitra momba ny fanompoana, satria manampy antsika hazoto foana sy tsy hampihena ny asa fitoriantsika. Tsy misoratra ao amin’ny tatitra anefa ny ankamaroan’ny zavatra tokony hataon’ny mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena. Tsy hita ao, ohatra, ny fianarana samirery ny Baiboly, fanatrehana sy fandraisana anjara amin’ny fivoriana kristianina, asa atao eo anivon’ny fiangonana, fanampiana mpiara-manompo rehefa ilaina, fanohanana ara-bola ny asa fitoriana ilay Fanjakana eran-tany, sy ny sisa. Tokony hahay handanjalanja àry isika. Tsy tokony hoheverina ho toy ny tapakila hahazoana fiainana mandrakizay ny tatitra.

“Mazoto amin’ny asa tsara”

15. Nahoana no tena ilaina ny fanompoana, na dia tsy io ihany aza no mahavonjy?

15 Tena ilaina ny fanompoana, na dia tsy io ihany aza no mahavonjy. Izany no antony iantsoana ny Kristianina hoe “firenena iray ho azy manokana, dia firenena mazoto amin’ny asa tsara”, sy ampirisihana azy ireo “hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara.” (Titosy 2:14; Hebreo 10:24) Nilaza mivantana kokoa i Jakoba, mpanoratra Baiboly, hoe: “Maty ny vatana raha tsy misy aina, ary maty toy izany koa ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao.”—Jakoba 2:26.

16. Inona no mbola zava-dehibe kokoa noho ny fanompoana, nefa inona no tsy maintsy tandremantsika?

16 Zava-dehibe ny asa tsara, kanefa mbola zava-dehibe kokoa ny antony manosika antsika hanao izany. Fahendrena àry ny handinihana tsindraindray ny antony manosika antsika. Tsy maintsy mitandrina anefa isika mba tsy hitsara ny hafa, satria tsy misy olona afaka mamantatra ny tena antony manosika azy ireo. Mipetraka amintsika izao fanontaniana izao: “Fa iza moa ianao no hitsara ny mpiasa an-tranon’ny hafa?” Mazava ny valiny hoe: “Eo anoloan’ny mpampiasa azy no ijoroany na ahalavoany.” (Romanina 14:4) Hitsara ny asa vitantsika i Jehovah, ilay Mpampiasa antsika rehetra, sy Kristy Jesosy, ilay Mpitsara voatendriny. Tsy izany ihany anefa no hitsarany antsika, fa ny antony manosika antsika koa, ny toe-javatra misy antsika, ary ny fitiavana sy ny fahafoizan-tenantsika. I Jehovah sy Kristy Jesosy ihany no afaka mitsara marina, raha manao izay asaina ataon’ny Kristianina isika na tsia, araka ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Ataovy izay rehetra azonao atao mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ho olona ankasitrahana, dia mpiasa tsy mitsanga-menatra na amin’inona na amin’inona, ary manazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.”—2 Timoty 2:15; 2 Petera 1:10; 3:14.

17. Nahoana isika no tokony hitadidy ny Jakoba 3:17, rehefa miezaka manao izay rehetra azontsika atao?

17 Tsy mitaky be loatra amintsika i Jehovah. Milaza ny Jakoba 3:17 fa “mandefitra”, na mahay mandanjalanja, “ny fahendrena avy any ambony.” Haneho fahendrena sady tena hahavita zavatra tsara isika, raha manahaka azy amin’io lafiny io. Tsy tokony hitaky be loatra amin’ny tenantsika na amin’ireo rahalahintsika àry isika.

18. Inona no azontsika antenaina, raha toa isika ka manana fomba fijery voalanjalanja momba ny fanompoantsika sy ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’i Jehovah?

18 Mampiavaka ny tena mpanompon’i Jehovah ny fifaliana. Ho faly foana isika, raha manana fomba fijery voalanjalanja momba ny fanompoantsika sy ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’i Jehovah. (Isaia 65:13, 14) Mahafaly antsika ny fitahiana arotsak’i Jehovah amin’ny vahoakany manontolo, na betsaka na kely ny zavatra azontsika atao. ‘Mivavaka sy mitalaho ary misaotra’ an’Andriamanitra foana isika, ary mangataka aminy mba hanampy antsika hanao izay rehetra azontsika atao. Azo antoka amin’izay fa ‘hiambina ny fontsika sy ny saintsika amin’ny alalan’i Kristy Jesosy ny fiadanan’Andriamanitra, izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.’ (Filipianina 4:4-7) Mampionona sy mampahery tokoa ny mahafantatra fa afaka ny ho voavonjy isika noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’i Jehovah, fa tsy noho ny asa ihany!

Hainao Hazavaina ve hoe Nahoana ny Kristianina no

• tsy mirehareha noho ny zava-bitany?

• tsy manana toe-tsaina tia mifaninana?

• manao tatitra momba ny fanompoany?

• tsy mitsara ny Kristianina namany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

“Ampy anao ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehoko aminao”

[Sary, pejy 16, 17]

Faly ny anti-panahy rehefa afaka mitondra ny anjara birikiny ny tsirairay, mba hahasoa ny fiangonana

[Sary, pejy 18, 19]

Tsy feno ny tatitra maneran-tany, raha tsy teo ny tatitra nataonao