Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Miatrika ny Fitsapana Rehetra Isika!

Afaka Miatrika ny Fitsapana Rehetra Isika!

Afaka Miatrika ny Fitsapana Rehetra Isika!

MIATRIKA fitsapana ve ianao izao? Kivy tanteraka ve ianao, ary mihevitra fa tsy ho tafavoaka? Matahotra mihitsy aza ve ianao indraindray sao ianao irery no manana io olana io, ary tsy misy vahaolana ilay izy? Mahereza raha izany no mitranga! Manome toky antsika ny Baiboly, fa afaka manampy antsika Andriamanitra, na inona na inona fitsapana atrehintsika.

Miaiky ny Baiboly fa “tojo fitsapana maro samihafa” ny mpanompon’Andriamanitra. (Jakoba 1:2) Mariho ilay teny hoe “maro samihafa.” Avy amin’ny teny grika hoe poi·kiʹlos izy io. “Maro isan-karazany” na “maro loko” no dikan’io teny grika io fahiny, ary manantitrantitra fa “isan-karazany ireo fitsapana.” Toy ny hoe miseho amin’ny loko isan-karazany àry ny fitsapana, rehefa lazaina fa “maro samihafa.” Ampian’i Jehovah hiatrika azy ireny tsirairay anefa isika. Nahoana izany no azontsika antoka?

‘Miseho amin’ny fomba maro samihafa ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa’

Milaza ny apostoly Petera fa ‘ampalahelovina amin’ny fitsapana maro samihafa’ ny Kristianina. (1 Petera 1:6) Lazainy koa fa ‘miseho amin’ny fomba maro samihafa’ ny “hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’Andriamanitra.” (1 Petera 4:10) Ilay teny grika hoe poi·kiʹlos koa no nakana ilay teny nadika hoe “fomba maro samihafa.” Manazava azy io toy izao ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly: “Tena lalina sy mahavariana ilay hevitra. ... Ny filazana hoe poikilos ny fahasoavan’Andriamanitra [na hatsaram-panahy tsy manam-paharoa], dia midika fa hain’izy io vahana daholo ny zava-mitranga eo amin’ny fiainan’ny olona, na inona na inona loko isehoany.” Hoy koa izy: ‘Hain’ny fahasoavan’Andriamanitra atrehina na vahana daholo ny olana lehibe, na loza tampoka, na zavatra ilaina maika. Tsy misy tsy voavahany na inona na inona mitranga eo amin’ny fiainana. Mampahatsiahy antsika àry ilay teny poikilos, fa ampy tsara iatrehana ny zava-drehetra ny fahasoavan’Andriamanitra satria maro loko.’

Manampy hiaritra fitsapana ny hatsaram-panahin’Andriamanitra

Nilaza i Petera fa fomba iray anehoan’Andriamanitra ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa, ny fisian’ny olona maro samihafa eo anivon’ny fiangonana kristianina. (1 Petera 4:11) Nahazo fanomezana ara-panahy, na fahaizana, ny mpanompon’Andriamanitra tsirairay. Azo ampiasaina izany mba hampaherezana ireo iharam-pitsapana. (Romanina 12:6-8) Miavaka noho ny fahaizany mampianatra Baiboly, ohatra, ny sasany. Mandrisika ny hafa hiaritra izy ireo rehefa asehony amin’ny teniny, fa takany izay manjo azy. (Nehemia 8:1-4, 8, 12) Ny hafa indray manao fitsidihan’ny mpiandry tsy tapaka, ka mankany an-tranon’ireo mila fanampiana. ‘Mampionona ny fo’ ireny fitsidihana mampahery ireny. (Kolosianina 2:2) Mizara fanomezana ara-panahy ny mpiandraikitra rehefa mitsidika toy izany, ka manatanjaka finoana. (Jaona 21:16) Misy mihitsy aza Kristianina fantatra ho tsara fanahy sy mangoraka ary be fitiavana, rehefa mifandray amin’ny mpiray finoana aminy kivy noho ny fitsapana. (Asan’ny Apostoly 4:36; Romanina 12:10; Kolosianina 3:10) Fomba lehibe iray, na “loko” iray, isehoan’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’Andriamanitra, ny fanampiana sy fiaraha-miorin’ireo rahalahy sy anabavy be fitiavana.—Ohabolana 12:25; 17:17.

“Andriamanitry ny fampiononana rehetra”

‘Mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra’ koa i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra.” (2 Korintianina 1:3, 4) Ny fahendrena hita ao amin’ny Teniny sy ny hery avy amin’ny fanahiny masina no tena ampiasainy mba hamaliana vavaka, rehefa mangataka fanampiana aminy isika. (Isaia 30:18, 21; Lioka 11:13; Jaona 14:16) Mety hampahery antsika ilay fampanantenana nomen’ny apostoly Paoly hoe: ‘Mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo izany.’—1 Korintianina 10:13.

Na inona na inona àry karazana na “loko” isehoan’ny fitsapana mihatra amintsika, dia hisy hifanentana amin’izy io foana ny “loko”, na fomba isehoan’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’Andriamanitra. (Jakoba 1:17) Ara-potoana sy mifanaraka amin’izay ilain’ny mpanompony ny fanampiana omen’i Jehovah, na dia samihafa aza ny fakam-panahy na zava-tsarotra atrehin’izy ireo. Iray monja amin’ny “lafiny maro samihafa amin’ny fahendren’Andriamanitra” izany. (Efesianina 3:10) Sa tsy izany?

[Sary, pejy 31]

Manampy antsika hiatrika fitsapana i Jehovah