Fitoriana any Amin’ny Firenena efa Nielezan’ny Kristianisma
Fitoriana any Amin’ny Firenena efa Nielezan’ny Kristianisma
SAIKINOSY miendrika baoty i Italia, ary mitomandavana eo amin’ny Ranomasina Mediterane. Nanan-kery teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao ny fisehoan-javatra ara-pivavahana sy ara-kolontsaina tany. Mahasarika mpizaha tany an-tapitrisany izy io, noho ireo faritra mahafinaritra isan-karazany sy ireo zavakanto fanta-daza, ary ireo sakafo mafilotra hita any. Miroborobo koa ny fampianarana Baiboly ao amin’io firenena io.
Oviana no tonga voalohany tany Roma (renivohitr’ilay firenena natanjaka indrindra tamin’izany) ny Kristianina marina? Rehefa nody tany ireo Jiosy sy olon-kafa nankany Jerosalema ka lasa Kristianina, tamin’ny Pentekosta taona 33. Nitsidika voalohany an’i Italia ny apostoly Paoly, tamin’ny taona 59 tany ho any. “Nahita rahalahy” mpiray finoana taminy izy tany Potioly, tanàna amoron-tsiraka.—Asan’ny Apostoly 2:5-11; 28:11-16.
Niala tsikelikely tamin’ny Kristianisma marina ny mpivadi-pinoana, talohan’ny nifaranan’ny taonjato voalohany, araka ny nambaran’i Jesosy sy ireo apostoly. Ny tena mpianatr’i Jesosy kosa mitarika ny asa fitoriana ny vaovao tsara maneran-tany, anisan’izany i Italia, alohan’ny hifaranan’ity tontolo ratsy ity.—Matio 13:36-43; Asan’ny Apostoly 20:29, 30; 2 Tesalonianina 2:3-8; 2 Petera 2:1-3.
Fiandohana nahakivy
Nitsidika tanàna vitsivitsy tany Italia i Charles Russell, tamin’ny 1891. Izy tamin’izany no nitarika ny asa fitoriana maneran-tany nataon’ny Mpianatra Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny). Niaiky izy fa nahakivy ny asa fitoriana nataony tany. Hoy izy: “Tsy antenaina hisy vokatra i Italia.” Niverina tany izy tamin’ny lohataonan’ny 1910, ary nanao lahateny ara-baiboly tao amin’ny kianja mitafo iray tao afovoan’i Roma. Inona no vokany? Hoy izy: “Nandiso fanantenana ilay fivoriana, tamin’ny ankapobeny.”
Niadana ny fandrosoan’ny asa fitoriana ny vaovao tsara tany Italia, tany am-boalohany. Anisan’ny nahatonga izany ny fanenjehan’ireo mpitondra jadona fasista. Tsy nihoatra ny 150 ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’io firenena io tamin’izany. Havana na namana nipetraka tany amin’ny firenen-kafa no nahitan’ny ankamaroan’izy ireo ny fahamarinana ara-baiboly.
Fandrosoana mahatalanjona
Nisy misionera maromaro nalefa tany Italia, taorian’ny Ady Lehibe II. Nasain’ireo lohandohany tao amin’ny Eglizin’i Vatikana noroahin’ny fitondram-panjakana izy ireo, araka ny taratasy hita tao amin’ny arisivam-panjakana. Noterena handao an’ilay firenena ny ankamaroan’ireo misionera.
Olona maro no nanomboka nitanjozotra nankany amin’ny ‘tendrombohitr’i Jehovah’ na ny fivavahana marina, na dia teo aza ireo vato misakana. (Isaia 2:2-4) Niavaka ny fitomboan’ny Vavolombelona tany Italia. Nahatratra 233 527 ny tampon’isan’ny mpitory ny vaovao tsara tamin’ny 2004, izany hoe mpitory 1 isaky ny mponina 248. Olona 433 242 no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Nisy 3 049 ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nivory tamin’ny Efitrano Fanjakana tsara tarehy izy ireo. Nisy fitomboana koa teo amin’ny sokajin’olona sasany tato ho ato.
Fitoriana amin’ny fiteny maro
Tonga any Italia ny mpifindra monina avy any Afrika, Azia, Eoropa Atsinanana, mba hitady asa, na hikatsaka fiainana tsara kokoa, na efa leon’ny fijaliana. Ahoana no hampianarana Baiboly an’ireo olona an-tapitrisany ireo?
Maro ny Vavolombelona any Italia no vonona hianatra teny vahiny, na dia tsy mora aza izany. Anisan’ireny ny teny albanianina, amharique, arabo, bengali, pendjabi, sinhala, sinoa, ary tagalog. Nampianarina ny fomba fitory amin’ny teny vahiny izy ireo, nanomboka tamin’ny 2001. Nianatra lesona 79 tamin’ny fiteny 17 ny Vavolombelona 3 711, nandritra ny telo taona lasa. Noho izany, dia niorina ny fiangonana 146 sy antoko-mpitory 274, tamin’ny fiteny 25, sady azo natao koa ny nampahery azy ireo. Olona tso-po maro àry no nandre ny vaovao tsara ary nanomboka nianatra Baiboly. Matetika no tena niavaka ny vokatra.
Nitory tamin’i George, Karàna miteny malayalam, ny Vavolombelon’i Jehovah iray. Faly izy nanaiky hianatra Baiboly, na dia nanana olana lehibe momba ny asa aza. Tonga tany amin’ny Efitrano Fanjakana ny naman’i George atao hoe Gil, Karàna miteny pendjabi, andro vitsivitsy taorian’izay, ary nanomboka nianatra Baiboly. Nampifankahalalain’i Gil tamin’ny Vavolombelona indray i David, Karàna miteny télougou, ary tsy ela izy dia nianatra Baiboly. Niara-nipetraka tamin’i David i Sonny sy Shubash, Karàna roa hafa. Niara-nianatra Baiboly taminy koa izy ireo.
Naharay antso an-telefaonina avy tamin’i Dalip, lehilahy miteny marathe, indray ireo Vavolombelona, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana. Hoy izy: “Naman’i George aho. Afaka mampianatra Baiboly ahy ve ianareo?” Naniry hianatra koa i Sumit, lehilahy miteny tamoul. Niantso an-telefaonina ny naman’i George iray hafa, ary naniry hianatra Baiboly. Nentin’i George tany amin’ny Efitrano Fanjakana koa ny tovolahy iray atao hoe Max. Naniry hianatra Baiboly izy. Enina izao ny olona mianatra Baiboly, ary efa misy fandaharana atao mba hampianarana efatra hafa. Atao amin’ny teny anglisy ny fampianarana, sady ampiasaina koa ny boky sy gazety amin’ny teny hindi, malayalam, marathe, ourdou, pendjabi, tamoul, ary télougou.
“Mandre” ny vaovao tsara ny marenina
Misy 90 000 mahery ny marenina any Italia. Nanomboka nieritreritra ny hampianatra ny fahamarinana ara-baiboly azy ireo ny Vavolombelona, teo antenatenan’ireo taona 1970. Vavolombelona marenina, tamin’ny voalohany, no nampianatra Baiko Moana Italianina an’ireo mpitory vonon-kanampy. Nihanitombo ny marenina te hianatra Baiboly, tatỳ aoriana. Olona 1 400 mahery amin’ireo mampiasa Baiko Moana Italianina no manatrika fivoriana kristianina, ankehitriny. Fiangonana 15 sy antoko-mpitory 52 no mampiasa an’io baiko moana io.
Ireo mpitory ihany, tamin’ny voalohany, no nitady fomba hitoriana tamin’ny marenina. Nanomboka nandamina fivoriamben’ny vondrom-paritra ho an’ny marenina anefa ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah
tany Italia, tamin’ny 1978. Nambara ny volana Mey tamin’io taona io, fa hasiana fotoam-pivoriana ho an’ny marenina ilay fivoriambe iraisam-pirenena hatao any Milan, tsy ela taorian’izay. Natao tao amin’ny Efitrano Fivoriamben’i Milan, ny fivoriamben’ny faritra voalohany ho an’ny marenina, tamin’ny Febroary 1979.Nanara-maso akaiky ny fanomezana sakafo ara-panahy ho an’ny marenina ny sampana, nanomboka teo. Nihamaro ireo mpitory nianatra baiko moana, ary nampirisihin’ny sampana izy ireny mba hanatsara ny fahaizany. Nisy mpisava lalana manokana (mpitory ny vaovao tsara manontolo andro) nalefa tany amin’ny antoko-mpitory sasany, nanomboka tamin’ny 1995. Nandamina fivoriana kristianina izy ireo, sady nampiofaniny teny amin’ny fanompoana ireo Vavolombelona marenina. Efitrano Fivoriambe telo no misy fitaovana fandefasana video tena ary fomba, mba hanarahana tsara kokoa ny fandaharana. Misy amin’ny kasety video koa ireo boky sy gazety ara-baiboly, mba hanomezana sakafo ara-panahy ny marenina.
Tsikaritry ny olona fa karakarain’ny Vavolombelona tsara izay ilain’ny marenina, mba hahafahan’izy ireo hanatona an’Andriamanitra. Naka teny tao amin’ny taratasy nalefan’ny eveka katolika iray, ny gazety navoakan’ny Fikambanan’ny Marenina Italianina. Hoy izy io: “Sarotra ny toerana misy ny marenina, satria mila anehoana fiahiana foana izy. Mora aminy, ohatra, ny mankany am-piangonana, kanefa mila mpandika teny izy mba hanarahany izay rehetra vakina, resahina, na hiraina mandritra ny fotoam-pivavahana.” Hoy ihany ilay gazety: “Nalahelo ilay eveka rehefa nilaza fa mbola tsy vonona hikarakara ireo sembana ireo, ny eglizy. Nilaza izy fa voakarakara kokoa ny marenina maro any amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, noho ny any amin’ny eglizin’ny paroasy.”
Torina amin’ny voafonja ny vaovao tsara
Misy olona afaka ve any am-ponja? Eny, satria ny Tenin’Andriamanitra dia manan-kery “hanafaka” izay manaiky sy mampihatra azy io eo amin’ny fiainany. Manafaka amin’ny fahotana sy ny fivavahan-diso ny hafatra notorin’i Jesosy tamin’ny “babo.” (Jaona 8:32; Lioka 4:16-19) Tena tsara ny vokatry ny fitoriana tany amin’ny fonjan’i Italia. Efa ho 400 ny Vavolombelon’i Jehovah nahazo alalana tamin’ny Fanjakana, mba hitsidika sy hanampy ireo voafonja hianatra Baiboly. Ny Vavolombelon’i Jehovah no fikambanana tsy katolika voalohany nangataka sy nahazo alalana toy izany.
Tsy ampoizina ny fomba ielezan’ny hafatra ara-baiboly indraindray. Misy voafonja miresaka amin’ny namany momba ny asa fampianarana Baiboly ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mangataka ny hotsidihin’ny Vavolombelona ny sasany amin’izy ireo, noho izany. Na koa misy havany manomboka mianatra Baiboly, ka mampirisika azy hangataka ny hotsidihin’ny Vavolombelona. Voasazy higadra mandra-pahafatiny ny voafonja sasany, satria namono olona na nanao heloka bevava hafa. Nibebaka anefa izy ireny, ary nanao fiovana goavana. Tsy maintsy manao izany izy ireo, mba hahafahany hanolo-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra sy hatao batisa.
Misy lahateny ara-baiboly ho an’ny besinimaro, atao any amin’ny fonja sasany. Ankalazaina any koa ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, ary aseho amin’ny voafonja ireo video ara-baiboly navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Maro be ny voafonja manatrika ireny fivoriana ireny matetika.
Mizara gazety miresaka foto-kevitra mahasoa an’ireo voafonja ny Vavolombelona, mba hanampiana azy ireo. Anisan’izany ny Mifohaza! 8 Mey 2001 niompana tamin’ny loha hevitra hoe “Azo Ovana ve ny Voafonja?” Ny Mifohaza! 8 Aprily 2003 kosa nitondra ny loha hevitra hoe “Ny Fianakaviana sy ny Zava-mahadomelina.” Gazety an’arivony no nozaraina tamin’ireo voafonja, ka an-jatony no nanaiky hianatra Baiboly. Liana amin’ny hafatry ny Baiboly koa ny mpiambina fonja sasany.
Natao batisa tao amin’ny Efitrano Fanjakanan’i San Remo ny voafonja iray atao hoe Costantino, rehefa nahazo alalana manokana avy tamin’ny tompon’andraikitra. Nisy 138 ny Vavolombelona nanatrika izany. Tena nihetsi-po i Costantino taorian’ny batisany, ka hoy izy: “Mbola tsy nanehoana fitiavana lehibe toy izany mihitsy aho.” Izao no nolazain’ny mpiambina ny fonja, araka ny gazety teo an-toerana: “Tena faly izahay ... nanome iny fahazoan-dalana iny. Tokony hoheverina izay mety hanampiana ny voafonja ho tsara fitondran-tena, hahay hiara-monina indray amin’ny hafa, ary hifandray tsara amin’Andriamanitra.” Nisy heriny teo amin’ny fiainan’i Costantino ny fahalalana marina tsara ny Baiboly, ka nampiaiky volana ny vadiny sy ny zanany vavy. Hoy izy ireo: “Faly izahay fa niova izy. Lasa malemy fanahy izy, ary miahy anay bebe kokoa. Matoky sy manaja azy indray izahay izao.” Nanomboka nianatra Baiboly sy nanatrika fivoriana koa izy mianaka.
Voasazy higadra hatramin’ny 2024 i Sergio, noho izy nangalatra, nandroba sady nampiasa fitaovam-piadiana, nivarotra zava-mahadomelina an-tsokosoko, ary namono olona. Niroso ho amin’ny batisa izy, rehefa avy nandinika ny Soratra Masina nandritra ny telo taona, ary nanao fiovana lehibe teo amin’ny fiainany. Izy
no voafonja faha-15 lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa, tao amin’ny fonjan’i Porto Azzurro, any amin’ny nosy Elbe. Natao batisa tao anaty dobo plastika izy, teo amin’ny toerana fanaovana fanatanjahan-tena tao am-ponja.Voaheloka higadra 20 taona i Leonardo. Natao batisa tao amin’ny Efitrano Fanjakanan’i Parme izy, rehefa avy nahazo alalana manokana. Niresaka taminy ny mpanao gazety teo an-toerana. Nilaza mazava izy fa “tsy ny faniriana hivoaka ny fonja no nanapahany hevitra ho lasa Vavolombelon’i Jehovah, fa noho izy nahatsapa hoe tena mila an’Andriamanitra.” Hoy ihany izy: “Nilomano tao anatin’ny faharatsiana aho. Efa nialako anefa izany. Niova aho, na dia tsy tao anatin’ny indray mipy maso aza. Mila manao izay mahitsy foana aho.”
Namono olona i Salvatore, ka migadra ao amin’ny fonja tsara ambina indrindra any Spolète. Maro no nihetsi-po tamin’izy natao batisa tao am-ponja. Hoy ny mpiambina iray: “Tsara ny hampirisihana ny olona hanao safidy, izay hanampy azy hanatsara ny fitondran-tenany. Hahasoa ny voafonja sy ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny izany.” Manatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah izao ny vadin’i Salvatore sy ny zanany vavy, noho ireo fiovana nataony. Lasa mpanompon’i Jehovah vita batisa koa ny voafonja iray nitoriany.
Anisan’ny toerana efa nielezan’ny Kristianisma, i Italia. (Asan’ny Apostoly 2:10; Romanina 1:7) Nanao ny ainy tsy ho zavatra i Paoly sy ny Kristianina namany, mba hitoriana ny vaovao tsara tany. Mbola mandroso hatrany ny asa fitoriana any, amin’izao fotoam-pijinjana izao.—Asan’ny Apostoly 23:11; 28:14-16.
[Sarintany, pejy 13]
(Jereo ny gazety)
ITALIA
Roma
[Sary, pejy 15]
Efitrano Fivoriambe any Bitonto, sy fiangonana iray mampiasa Baiko Moana Italianina, any Roma
[Sary, pejy 16]
‘Manafaka’ ny voafonja ny fahamarinana ara-baiboly
[Sary, pejy 17]
Mbola mitohy ny fitoriana any amin’ilay toerana nielezan’ny Kristianisma