Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lafy Tsara sy Lafy Ratsin’ny Asa

Lafy Tsara sy Lafy Ratsin’ny Asa

Lafy Tsara sy Lafy Ratsin’ny Asa

“Miasa, miasa! Mahafinaritra be erỳ ny mahalala fa mbola afaka manao ny zavatra tsara indrindra eo amin’ny fiainana isika.”—Katherine Mansfield, mpanoratra (1888-1923).

MAHAFINARITRA toy izany koa ve ny fahitanao ny asa? Ahoana ny hevitrao? Heverinao ho toy ny zavatra mahasosotra tsy maintsy iaretana, mandra-pahatongan’ny faran’ny herinandro ialana sasatra ve izy io? Sa tianao be ny asanao, ka mila handevoziny mihitsy ianao?

Saika miasa foana ny ankamaroan’ny olona, mandritra ny andro manontolo. Mety ho arakaraka ny asantsika ny toerana ipetrahantsika sy ny fomba fiainantsika. Ho an’ny olona maro, dia ny asa no hany zavatra nibahana teo amin’ny fiainany, nanomboka tamin’izy tonga olon-dehibe ka mandra-pisotrony ronono. Misy tena afa-po amin’ny asany. Ny sasany mieritreritra fa arakaraka ny karama sy ny laza azo avy amin’ilay asa, no amaritana raha tena tsara izy io na tsia. Ny hafa indray mihevitra ny asa ho toy ny fanalana andro fotsiny, na fandaniam-potoana mihitsy aza.

Ao ireo miasa mba ho velona, ary ao ireo velona mba hiasa; ny hafa indray matin’ny asany mihitsy. Vao haingana, ohatra, no nanao tatitra ny Firenena Mikambana fa be kokoa no mijaly sy maty noho ny asany, raha ampitahaina amin’ny tontalin’ireo mijaly sy maty “noho ny ady sy ny fidorohana zava-mahadomelina ary ny fibobohan-toaka.” Hoy ny gazety Ilay Mpiambina (anglisy) any Londres momba izany: “Maherin’ny roa tapitrisa ny olona maty isan-taona noho ny loza na aretina mifandray amin’ny asany ... Mahavoan’ny kansera sy mankarary fo ary mahatapaka lalan-dra, ny vovoka, zavatra simika, tabataba, ary taratra.” Anisan’ny zavatra mahatsiravina fahita ankehitriny koa ny fampiasana ankizy sy ny fanandevozana.

Miresaka momba an’ireo olona “lanaky ny asa tanteraka” koa ilay psikology atao hoe Steven Berglas. Hoy izy momba ireo mpiasa nahazo fisondrotana ka lasa sefo: “Mitebiteby foana [izy ireo], mahatsiaro ho mijaly sy tsy afa-manoatra na kivy tanteraka, satria mihevitra fa voagejan’ny asany, ka sady tsy afa-miala no tsy mahita fifaliana.”

Miasa mafy sa adalan’asa?

Mifofotra amin’ny asa mandritra ny ora maro ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, ka tsara havahana ihany ny olona miasa mafy sy ny adalan’asa. Maro amin’ireo adalan’asa no mihevitra, fa ny toeram-piasany no toerana azo antoka indrindra eto amin’ity tontolo feno loza sy miovaova ity. Ireo miasa mafy kosa mieritreritra fa tena ilaina ny asa, ary mahafa-po izy io indraindray. Tsy mieritreritra afa-tsy ny asany ny olona adalan’asa, ka tsy manao afa-tsy ny miasa. Ny olona miasa mafy kosa mahafantatra hoe rahoviana no tokony hovonoina ny ordinatera ary hafantoka amin-javatra hafa indray ny saina. Manatrika ny fankalazana ny andro fitsingerenan’ny mariaziny koa izy, ohatra, fa tsy ilaozany miasa. Rehefa tototry ny asa ny olona adalan’asa, dia finaritra sy vao mainka marisika, fa ny olona miasa mafy kosa tsy toy izany.

Tsy hita intsony ny mahasamy hafa ireo karazan’olona roa ireo ankehitriny, satria aseho toy ny zavatra mahafinaritra ny hoe tototry ny asa. Tsy miavaka intsony ny toeram-piasana sy ny trano fonenana, noho ny fampiasana ny telefaonina entin-tanana sy ny zavatra hafa mitovitovy amin’izany. Hizaka ny tsy eran’ny aina àry ny olona, raha azo antsoina noho ny asany foana na aiza na aiza, ary na amin’ny firy na amin’ny firy.

Inona no ataon’ny olona sasany manoloana izany? Voamariky ny manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina fa lasa tia miresaka momba ny Baiboly, ny olona tototry ny asa sy miady saina, rehefa any am-piasany. Tiany koa raha ampiarahina ny resaka fivavahana sy ny asa. Milaza ny gazety iray any San Francisco, fa “lasa fanaon’ny olona ny mampiaraka ny fivavahana sy ny asa.”

Hoy ny tatitra iray vao haingana momba ny Silicon Valley, foibe misahana ny teknolojia avo lenta any Etazonia: “Mihena ny isan’ny fiara eo amin’ny parking satria nahena ny isan’ny mpiasa. Feno kosa anefa ny ankamaroan’ny parking any amin’ireo toerana fianarana Baiboly, rehefa takariva.” Na inona na inona mety ho vokatr’izany, dia maro eran-tany no mahita fa misy heriny tsara eo amin’ny fiheverany ny asany ny Baiboly. Lasa mahay mandanjalanja kokoa izy ireo eo amin’ny fiainana.

Ahoana no anampian’ny Soratra Masina antsika hanana fomba fijery voalanjalanja momba ny asa? Misy toro lalana ara-baiboly ve afaka manampy antsika hiatrika ireo zava-tsarotra mifandray amin’izy io? Hamaly ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.