Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Midera An’i Jehovah any Am-pianarana

Midera An’i Jehovah any Am-pianarana

Midera An’i Jehovah any Am-pianarana

MAHITA fomba hiderana an’Andriamanitra any am-pianarana ny tanora Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Amin’ny teniny sy ny fitondran-tenany no anaovany izany. Be zotom-po izy ireny, araka ny asongadin’ireto fitantarana ireto.

Nasaina nanao lahatsoratra momba ny fandotoana ny atmosfera, ny tanora Vavolombelona iray tany Gresy. Nikaroka tao amin’ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah (Indeksa) izy, ka nahita hevitra tsara tao amin’ny gazety Mifohaza! Nolazainy teo am-pamaranana ilay lahatsoratra, fa io no gazety nakany hevitra. Niteny taminy ny mpampianatra azy, fa anisan’ny famelabelarana tsara indrindra novakiny ilay izy. Nampiasainy tany amin’ny seminera iray ny hevitra hitany tao amin’izy io, ary nisy vokany tsara izany. Nomen’ilay anabavy Mifohaza! maromaro àry izy, anisan’izany ilay gazety nitondra ny lohateny hoe “Inona no ho Vita Raha Tsy eo ny Mpampianatra?” Niresaka momba ny hatsaran’ny Mifohaza! ilay madama tao an-dakilasy, ka nangataka an’ilay izy ny mpianatra sasany. Tsy maintsy nitondra gazety maromaro tany am-pianarana àry ilay anabavy, mba hisy hovakin’izy ireo.

Hafakely ny fitsapam-pinoana nihatra tamin’ny ankizivavy kristianina iray tany Bénin, atsy Afrika. Nifanaraka ny ray aman-drenin’ny mpianatra tao amin’ny sekoly nianarany, fa hanakarama mpampianatra vitsivitsy mba hampianatra an’ireo taranja sarotra. Fanaon’izy ireo izany, mba hanampiana ny zanany hiatrika fanadinana. Ny asabotsy anefa no nofidin’ireo mpampianatra hanaovana izany. Tsy nanaiky àry ilay ankizivavy Vavolombelona, fa niteny hoe: “Miara-mitory ny olona rehetra ao amin’ny fiangonanay rehefa asabotsy. Io no fotoana mahafinaritra ahy indrindra ao anatin’ny herinandro, ka tsy hatakaloko na inona na inona mihitsy!” Nanaiky izany koa ilay rainy, izay mitaiza irery ny zanany sady Vavolombelona. Niezaka nandresy lahatra ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra sasany izy, mba hanova ilay fandaharam-potoana, nefa tsy nisy nanaiky izy rehetra. Tsy nanaraka ilay fampianarana àry ilay ankizivavy, fa naleony nitory niaraka tamin’ny fiangonany. Naneso azy ny mpiara-mianatra taminy, sady nampirisika azy tsy hitory intsony sy hiala amin’ny Andriamaniny. Nihevitra izy ireo fa tsy ho afa-panadinana izy. Ireo ankizy ireo indray anefa no tsy afaka, fa nisondrotra kilasy kosa ilay anabavy kelintsika. Mazava ho azy fa nitsahatra ny fanesoana. Milaza aminy kosa ny mpianatra izao hoe: “Aza ajanona mihitsy ny fanompoanao an’Andriamanitrao.”

Nasaina niomana hanazava ny mombamomba ny boky novakiny ny ankizivavy iray 12 taona, tany amin’ny Repoblika Tseky. Nampirisihin’ny reniny izy hiresaka momba ilay boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Natombony tamin’ireto fanontaniana ireto ny fanazavany: “Ahoana ny hevitrareo? Iza no lehilahy niavaka indrindra teto an-tany?” Noresahiny avy eo ny momba an’i Jesosy sy ny fiainany teto an-tany ary ny fampianarany. Novelabelariny koa ilay toko hoe “Fianarana Momba ny Famelan-keloka.” Niaiky ny mpampianatra azy hoe: “Iny no famelabelarana tsara indrindra nataonao!” Faly izy nandray ilay boky, ary naka koa ny mpianatra sasany. Faly erỳ ilay ankizivavy ny ampitson’iny, satria nahapetraka boky 18.

Tena faly ireny tanora ireny, rehefa midera an’i Jehovah any am-pianarana. Tsara tokoa raha mazoto toa azy ireo isika rehetra.