Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Nampijalina Noho ny Finoany”

“Nampijalina Noho ny Finoany”

“Nampijalina Noho ny Finoany”

NISY toeram-pahatsiarovana naorina tao amin’ny zaridainam-panjakana iray tao Cernobbio, any avaratr’i Italia. Ho fahatsiarovana an’ireo maty noho ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona izy io. Natokana ho an’i Narciso Riet ny iray amin’ireo takela-pahatsiarovana aseho ao. Italianina teraka tany Alemaina izy, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ireo taona 1930. Nampijalina ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny fitondran’i Hitler, satria tsy nanaiky hihevitra an’i Hitler ho ambony noho i Jehovah, ilay Andriamanitra marina.

Tratran’ny Gestapo, na polisy miafina, fa anisan’ny mpitondra gazety Ny Tilikambo Fiambenana tao amin’ireo toby fitanana i Riet. Nandositra nankany Cernobbio àry izy. Nasaina nandika Ny Tilikambo Fiambenana ho amin’ny teny italianina izy tany, ary nizara izany tamin’ny mpiray finoana taminy teo amin’ny manodidina. Nisy nahamarika anefa io asa nataony tamin-jotom-po io. Niditra an-keriny tao an-tranony ny miaramila SS ary nisambotra azy. Baiboly roa sy taratasy vitsivitsy no nalain’izy ireo tao, mba ho porofon’ny maha “mpanao heloka bevava” an’i Riet. Nalefa tany Alemaina izy, nogadraina tao amin’ny toby fitanan’i Dachau, ary novonoina taloha kelin’ny nifaranan’ny Ady Lehibe II. “Nampijalina noho ny finoany” izy, hoy ny soratra eo amin’ilay takela-pahatsiarovana ao Cernobbio.

Mampahery ny Kristianina ankehitriny ny finoan’i Narciso Riet sy ireo Vavolombelona an-jatony nampijalin’ny Nazia. Mampirisika azy ireo izany mba tsy hivadika amin’i Jehovah, ilay hany mendrika hivavahana. (Apokalypsy 4:11) Hoy i Jesosy: “Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana.” Hahatsiaro ny asan’izy ireny Andriamanitra, sady hitahy azy noho ny herim-pony.—Matio 5:10; Hebreo 6:10.