Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanombantombana ny Hevitry ny Baiboly i Philon avy any Aleksandria

Nanombantombana ny Hevitry ny Baiboly i Philon avy any Aleksandria

Nanombantombana ny Hevitry ny Baiboly i Philon avy any Aleksandria

TONGA tany Ejipta i Aleksandra Lehibe sy ny tafiny, tamin’ny 332 T.K. Nanorina tanàna nantsoiny hoe Aleksandria izy, talohan’ny nizorany niantsinanana mba handresena izao tontolo izao. Io tanàna io no lasa foiben’ny kolontsaina grika. Nisy mpandresy hafa teraka tao, tamin’ny taona 20 T.K. tany ho any. Tsy sabatra na lefona anefa no fitaovam-piadiany, fa hevitra filozofika. Fantatra amin’ny anarana hoe Philon avy any Aleksandria na Philon Jiosy izy io, satria Jiosy.

Maro ny Jiosy lasa nipetraka tany Ejipta, rehefa rava i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. An’arivony no nipetraka tany Aleksandria. Nifanolana anefa ny Jiosy sy ny Grika. Tsy nety nivavaka tamin’ireo andriamanitry ny Grika mantsy ny Jiosy, ary ny Grika indray naneso ny Soratra Hebreo. Nahafantatra tsara izany i Philon, noho izy nianatra tany amin’ny sekoly grika sy notezaina tao amin’ny tokantrano jiosy. Nino izy fa ny Jodaisma no fivavahana marina. Tsy mba nifanditra toy ny olona maro izy, fa nitady fomba hitarihana ny Hafa Firenena hanatona an’Andriamanitra. Niriny ny haneken’izy ireo ny Jodaisma.

Nisy heviny vaovao ny soratra fahiny

Ny teny grika no nanabeazana an’i Philon, toy ny Jiosy maro tany Aleksandria. Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo àry no tena nofakafakainy. Rehefa avy nandinika azy io izy, dia resy lahatra fa nisy filozofia tao anatiny. Nilaza koa izy fa “filozofa nahay” i Mosesy.

Hitan’ny manam-pahaizana grika, taonjato maro talohan’izay, fa sarotra ekena ny tantaran’ireo andriamanitra sy andriamanibavy, izany hoe ireo olona goavam-be sy demonia ao amin’ny anganony. Nanomboka nanome fanazavana vaovao momba ireny angano ireny izy ireo. Nanazava ny fomba nampiasain’izy ireo i James Drummond, manam-pahaizana tamin’ny andron’ny Grika fahiny. Hoy izy: “Tadiavin’ireo filozofa aloha ny hevitra fonosin’ireo angano. Naharikoriko sy tsy nampino ny zavatra noresahina tao amin’izy ireny matetika. Nihevitra anefa ireo filozofa, fa ny hampita fahalalana sy fahamarinana lalina no tsy maintsy nirin’ireo mpanoratra, tamin’ireny sarin-teny ireny.” Izany no fomba nanazavan’izy ireo an’ireo angano. Niezaka nampiasa io fomba io koa i Philon, mba hanazavana ny Soratra Masina.

Raiso, ohatra, ny Genesisy 3:21 manao hoe: “Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an’i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy.” Nihevitra ny Grika fa nanambany an’ilay Andriamanitra Fara Tampony ny fanamboarana akanjo. Nilaza àry i Philon fa teny an’ohatra no hita ao amin’io andininy io. Hoy izy: “Manondro ny hoditra, na ny vatantsika, ilay akanjo hoditra. Ny fahaizana misaina mantsy no noforonin’Andriamanitra voalohany, ary nantsoiny hoe Adama. Namorona ny fahafahana mihetsiketsika indray izy avy eo, ary nantsoiny hoe Aina. Hitany tamin’ny farany fa nilaina ny vatana, ary io no nantsoiny an’ohatra hoe akanjo hoditra.” Novan’i Philon ho hevitra filozofika natao hosaintsainina àry, ilay fanomezan’Andriamanitra akanjo ho an’i Adama sy Eva.

Diniho koa ny Genesisy 2:10-14, izay miresaka momba ny loharano nanondraka ny zaridainan’i Edena, sy ireo ony efatra avy tao aminy. Niezaka i Philon nitady ny hevitra fonosin’ireo teny miresadresaka momba an’ilay zaridaina. Nolazainy aloha ny heviny momba an’ilay tany, ary hoy izy avy eo: “Misy heviny an’ohatra koa angamba io andalan-teny io. Manondro toetra tsara efatra mantsy ireo ony efatra.” Mariky ny fahamalinana ny ony Pisona, araka ny tombantombany. Manondro ny fahamaotinana kosa ny ony Gihona, mifanitsy amin’ny herin-tsaina ny ony Hidekela (na Tigra), ary manondro ny fitiavana ny rariny ny ony Eofrata. Nivadika ho fanoharana àry ny jeografia.

Noraisin’i Philon ho toy ny fanoharana koa ny fitantarana momba ny famoronana, ny namonoan’i Kaina an’i Abela, ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa, ny niavian’ny fiteny maro tao Babela, ary ireo toro lalana ao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Niaiky aloha izy fa azo raisina ara-bakiteny ny andinin-teny iray, araka ny hitantsika tetsy aloha. Milaza ny fahazoany ny hevitra fonosin’ilay andininy anefa izy avy eo manao hoe: “Mila raisintsika an’ohatra angamba ireo teny ireo.” Mampalahelo fa ny fanoharana no misongadina ao amin’ny asa soratr’i Philon, fa takona ny hevitry ny Soratra Masina na dia efa mazava aza.

Iza moa Andriamanitra?

Nampiasa fanoharana mafonja i Philon, mba hanaporofoana fa misy Andriamanitra. Nanatsoaka hevitra toy izao izy, rehefa avy niresadresaka momba ny tany, renirano, planeta, ary ny kintana: “Izao tontolo izao no zavaboary tena niangaliana indrindra, toy ny hoe noforonin’ny olona iray sady matihanina no faran’izay mahay. Izany no nahatonga anay hihevitra fa misy Andriamanitra.” Marim-pototra izany hevitra izany.—Romanina 1:20.

Tena nivaona tamin’ny fahamarinana anefa i Philon, rehefa nanazava ny mombamomba an’ilay Andriamanitra Hery Fara Tampony. Nilaza izy fa “tsy manana toetra mampiavaka azy” Andriamanitra, sady “tsy takatry ny saina.” Nataony izay tsy hiezahan’ny olona hahafantatra an’Andriamanitra. Hoy izy: “Tena hadalana ny hiezahana hamotopototra ny toetra mampiavaka an’Andriamanitra na ny maha izy azy.” Tsy hevitra avy ao amin’ny Baiboly izany, fa avy amin’i Platon, ilay filozofa mpanompo sampy.

Nilaza i Philon fa tena tsy takatry ny saina Andriamanitra, ka tsy ho azo atao mihitsy ny hiantso azy amin’ny anarana iray. Hoy izy: “Rariny àry raha tsy misy anarana azo iantsoana an’ilay Andriamanitra velona.” Tena mifanohitra amin’ny zava-misy anefa izany!

Lazain’ny Baiboly mazava tsara fa manana anarana Andriamanitra. Hoy ny Salamo 83:18: ‘Ianao irery ihany, izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.’ Hoy Andriamanitra, araka ny Isaia 42:8: “Izaho no Jehovah, izany no anarako.” Jiosy i Philon ary fantany tsara ireo andininy ireo. Nahoana anefa izy no nampianatra fa tsy manana anarana Andriamanitra? Satria tsy ilay Andriamanitra velona ao amin’ny Baiboly no noresahiny, fa andriamanitra tsy manana anarana sy tsy azo hatonina ao amin’ny filozofia grika.

Inona moa ny fanahy?

Nampianatra i Philon fa misaraka amin’ny vatana ny fanahy. Nilaza izy fa “vatana sy fanahy” ny olona. Mety maty ve ny fanahy? Mariho ny fanazavany: “Raha mbola velona isika, dia maty ao anatintsika ny fanahintsika, toy ny hoe ao anaty fasana. Rehefa maty kosa [ny vatana], dia afaka manana ny fiainany amin’izay ilay fanahy, satria tsy afaka mangeja azy intsony ilay vatana mpanota sy tsy misy aina.” An’ohatra koa ny fahafatesan’ny fanahy tamin’i Philon. Tsy tena maty izy io, satria tsy mety maty.

Inona anefa no ampianarin’ny Baiboly momba ny fanahy? Lazainy fa maty tanteraka ny olona rehefa maty, fa tsy hoe mbola velona any ho any. (Mpitoriteny 9:5, 10) Tsy manana fanahy tsy mety maty ny olona. Hoy ny Ezekiela 18:4: “Ny fanahy izay manota no ho faty.” Maty àry ny fanahy, rehefa maty ny olona. *

Tsy dia nasian’ny Jiosy fiheverana i Philon rehefa maty. Nandray ny fampianarany kosa ny Kristianisma Anarana. Nino i Eusèbe sy ny mpitondra fivavahana hafa, fa niova ho Kristianina i Philon. Nampidirin’i Jérôme tao amin’ny lisitry ny Rain’ny Eglizy izy. Tsy ny Jiosy àry no nitahiry ny asa soratr’i Philon, fa ireo Kristianina mpivadi-pinoana.

Nanova be ny fivavahana, ny asa soratr’i Philon. Ny fampianarany no nahatonga ny Kristianina anarana handray an’ilay foto-pinoana tsy araka ny Soratra Masina hoe tsy mety maty ny fanahy. Ny fampianarany momba ny Logos (na Teny) koa, no niavian’ny Andriamanitra telo izay iray. Foto-pinoan’ny Kristianina mpivadi-pinoana izany, fa tsy hita ao amin’ny Baiboly.

Aza mety ho voafitaka

Rehefa namakafaka ny Soratra Hebreo i Philon, dia nataony azo antoka, fa “tsy nisy teny manana hevitra an’ohatra voadingany tao.” Izao anefa no nolazain’i Mosesy momba ny Lalàn’Andriamanitra, araka ny Deoteronomia 4:2: “Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin’i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo.” Na dia nety ho tsara fikasa aza i Philon, dia nampanjavozavo ny fampianarana mazava ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ireo tombantombana nataony.

Hoy ny apostoly Petera: “Tsy nanaraka angano noforonina tamin-kafetsena izahay rehefa nampahafantatra anareo ny hery sy ny fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (2 Petera 1:16) Tsy toy ny asa soratr’i Philon ny toromarika nomen’i Petera ny fiangonana kristianina voalohany, fa niorina tamin’ny zavatra tena nisy sy ny tari-dalan’ny fanahin’Andriamanitra. Izany dia ny “fanahin’ny fahamarinana”, izay nitari-dalana azy ireo ho amin’ny fahamarinana rehetra.—Jaona 16:13.

Mila tari-dalana marina ianao, raha maniry hivavaka amin’ilay Andriamanitry ny Baiboly, fa tsy hiantehitra amin’ny fanazavana miorina amin’ny fomba fisainan’olombelona. Mila manana fahalalana marina tsara an’i Jehovah sy ny sitrapony ianao. Ilainao koa ny manetry tena mba ho mpianatra tso-po. Hahasoa anao izany rehefa mianatra Baiboly, mba hahafantaranao ‘ny Soratra Masina, izay hampahahendry anao ho amin’ny famonjena, amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy Jesosy.’ Ho hitanao fa afaka manampy anao “ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra”, ny Tenin’Andriamanitra.—2 Timoty 3:15-17.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Hoy ny Rakipahalalana Jiosy (anglisy) tamin’ny 1910, momba ny fanahy: “Tombantombana filozofika na teolojika ny finoana fa mbola velona ny fanahy rehefa maty ny vatana. Tsy finoana tsotra fotsiny izy io, sady tsy ampianarina ao amin’ny Soratra Masina.”

[Efajoro/Sary, pejy 10]

TANÀNA NIPETRAHAN’I PHILON

Nipetraka sy niasa tany Aleksandria any Ejipta, i Philon. Nalaza io tanàna io nandritra ny taonjato maro, noho ireo boky tao aminy. Tao koa no ambohipihaonan’ny manam-pahaizana.

Manam-pahaizana fanta-daza no nampianatra tany amin’ireo sekoly tao an-tanàna. Nanjary nalaza eran-tany ny trano fitahirizam-bokin’i Aleksandria. Nahatratra ana hetsiny ny isan’ny boky tao, satria nataon’ireo tompon’andraikitra izay hahazoana ny asa soratra rehetra nivoaka.

Nihena ny tahirim-pahalalana sy ny lazan’i Aleksandria, rehefa nandeha ny fotoana. I Roma indray no nohindrahindrain’ireo emperora romanina. Lasa tany Eoropa àry ny foibe ara-kolontsaina. Nisy nanafika i Aleksandria tamin’ny taonjato fahafito, ka rava tanteraka. Mbola malahelo foana ny mpahay tantara hatramin’izao, noho ny faharavan’ilay fitahirizam-boky malaza. Misy amin’izy ireo aza milaza fa lasa tara 1 000 taona ny fandrosoan’ny kolontsaina.

[Sary nahazoan-dalana]

L. Chapons/Illustrirte Familien-Bibel nach der deutschen Uebersetzung Dr. Martin Luthers

[Efajoro, pejy 12]

RAISINA HO TOY NY FANOHARANA KOA NY BAIBOLY ANKEHITRINY

Ny fanoharana dia “fampitahana” na ‘tantara tsy mivantana. Ny biby na ny olona lazaina ao dia ohatra na sary amonosana ny tena izy.’ Tsy milaza mivantana ny hevitra tena tiana hasongadina ireo asa soratra mampiasa fanoharana, fa mampita izany amin’ny alalan’ny ohatra. Manahaka an’i Philon koa ny mpitondra fivavahana sasany ankehitriny, ka mandray ny Baiboly ho toy ny fanoharana.

Resahina ao amin’ny Genesisy toko 1-11, ohatra, ny tantaran’ny olombelona, nanomboka tamin’ny famoronana ka hatramin’ny niparitahan’ny olona avy tao amin’ny tilikambon’i Babela. Hoy Ny Baiboly Amerikanina Vaovao (anglisy), fandikan-teny katolika, momba an’io tapany ao amin’ny Baiboly io: “Ny zava-nisy tamin’izany fotoana izany no tsy maintsy nampiasaina, mba ho azon’ny Israelita tsara ny fahamarinana ao amin’ireo andininy ireo. Ny Israelita mantsy no nasaina niaro an’ireny fahamarinana ireny. Tsy maintsy mamakafaka ny hevitra fonosin’ireo teny àry isika, mba hahitana ny fahamarinana.” Mihevitra izy ireo, araka izany, fa tsy tokony horaisina ara-bakiteny ny Genesisy toko 1-11. Mifono hevi-dalina ny teny ao amin’izy io, toy ny akanjo manarona ny vatana.

Nampianatra anefa i Jesosy fa marina sady ara-bakiteny ireo toko voalohandohany ao amin’ny Genesisy. (Matio 19:4-6; 24:37-39) Nanao toy izany koa ny apostoly Paoly sy Petera. (Asan’ny Apostoly 17:24-26; 2 Petera 2:5; 3:6, 7) Mandà izay fanazavana tsy mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra iray manontolo ny mpianatra Baiboly tso-po.

[Sary, pejy 9]

Fara lehibe any Aleksandria

[Sary nahazoan-dalana]

Archives Charmet/Bridgeman Art Library