Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Ray Aman-dreny, Omeo Izay Ilainy ny Fianakavianareo

Ry Ray Aman-dreny, Omeo Izay Ilainy ny Fianakavianareo

Ry Ray Aman-dreny, Omeo Izay Ilainy ny Fianakavianareo

“Raha misy tsy manome izay ilain’ny ... ankohonany, dia efa nanda ny finoana izy.”—1 TIMOTY 5:8.

1, 2. a) Nahoana no mampahery ny mahita fianakaviana miara-manatrika fivoriana? b) Inona no olana sasany atrehin’ny fianakaviana, mba ho tonga ara-potoana any am-pivoriana?

JEREO ange ny manodidina anao alohan’ny hanombohan’ny fivoriana e! Mahita ankizy madio sy miakanjo tsara mamonjy toerana eo akaikin’ny ray aman-dreniny angamba ianao. Tsy mahafinaritra anao ve ny mahita fa tia an’i Jehovah ireo fianakaviana ireo sady mifankatia? Mora anefa ny manadino fa miezaka mafy izy ireny, mba ho tonga ara-potoana any am-pivoriana.

2 Efa be atao mandritra ny andro manontolo ny ray aman-dreny matetika. Vao mainka anefa mitombo ny zavatra atao, rehefa misy fivoriana. Tsy maintsy karakaraina ny sakafo, ny raharaha tsy maintsy atao, ary ny ankizy tsy maintsy mamita devoara. Ny ray aman-dreny no tena be asa, satria tsy maintsy jereny koa raha madio tsara sy efa nisakafo ny ankizy rehetra, ary vonona ara-potoana. Tsy ilaozan’izay sampona anefa ny olona manan-janaka, ary matetika amin’ny fotoana maha maika iny mihitsy ilay izy no mitranga. Rovitra tany am-pilalaovana ny pataloan’ny lahimatoa. Mandraraka sakafo ny faralahy. Miady ny ankizy. (Ohabolana 22:15) Inona no vokany? Mety tsy handeha amin’ny laoniny ny fiomanana efa maty paika nataon’ny ray aman-dreny. Tonga any amin’ny Efitrano Fanjakana alohan’ny hanombohan’ny fivoriana anefa matetika, ireny fianakaviana ireny. Mandeha ny herinandro ary mifandimby ireo taona, nefa mampahery fa tonga mivory foana izy ireo, ka lasa mpanompon’i Jehovah ireo ankizy rehefa lehibe!

3. Inona no manaporofo fa tena sarobidy amin’i Jehovah ny fianakaviana?

3 Sarotra tokoa indraindray ny andraikitry ny ray aman-dreny, ary mahatrotraka mihitsy aza. Matokia anefa fa tena sarobidy amin’i Jehovah ny ezaka ataonareo. Izy no namorona ny fianakaviana. Izany no ilazan’ny Teniny fa izy no ahazoan’ny fianakaviana rehetra “anarana”, izany hoe izy no nampisy azy. (Efesianina 3:14, 15) Manome voninahitra an’ilay Tompo Fara Tampony àry ianareo ray aman-dreny, rehefa miezaka manao ny andraikitrareo araka ny tokony ho izy. (1 Korintianina 10:31) Tombontsoa lehibe tokoa izany! Mety àry ny handinihantsika ny asa ankinin’i Jehovah amin’ny ray aman-dreny. Takiny ny hanomezan’izy ireo izay ilain’ny fianakaviany. Handinika lafiny telo amin’izany isika.

Famelomana ankohonana

4. Inona no fandaharana nataon’i Jehovah, mba hahazoan’ny ankizy izay ilainy?

4 Hoy ny apostoly Paoly: “Raha misy tsy manome izay ilain’ny havany, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nanda ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino.” (1 Timoty 5:8) Iza no tiany horesahina eto? Ny loham-pianakaviana, izay ny ray mazàna. Nomen’Andriamanitra andraikitra mendri-kaja koa ny vehivavy, dia ny hanampy ny vadiny. (Genesisy 2:18; fanamarihana ambany pejy) Nanampy ny vadiny hamelona ny fianakaviana ny vehivavy fahiny matetika. (Ohabolana 31:13, 14, 16) Mihabetsaka ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny ankehitriny. * Deraina ny Kristianina maro mitaiza irery ny zanany, satria mahavita mamelona tsara ny fianakaviany. Ny tena tsara aloha dia hoe samy eo ny ray sy ny reny, ka ny ray no mitarika.

5, 6. a) Inona no zava-tsarotra sasany atrehin’ny olona miezaka mamelona ankohonana? b) Ahoana no tokony hiheveran’ny Kristianina ny asa, mba hahafahany hamelona hatrany ny ankohonany?

5 Inona no tian’i Paoly holazaina amin’ny hoe manome izay ilaina, ao amin’ny 1 Timoty 5:8? Ny famelomana ny ankohonana no tena tiany horesahina eo, rehefa jerena ny teny manodidina. Maro ny zava-tsarotra atrehin’ny loham-pianakaviana ankehitriny, mba hamelomana ny ankohonany. Fahita eran-tany ny olana ara-bola sy ny fandroahana mpiasa. Betsaka ny tsy an’asa, ary miakatra ny vidim-piainana. Inona no hanampy ny loham-pianakaviana hamelona foana ny fianakaviany, na dia eo aza ireo olana ireo?

6 Tokony hotadidiny fa i Jehovah no nanome azy izany andraikitra izany. Asehon’ny teny nampanoratin’Andriamanitra an’i Paoly, fa toy ny “nanda ny finoana” ny olona iray, raha afaka mankatò io didy io, nefa tsy mety manao izany. Hiezaka mafy ny Kristianina, mba tsy ho toy ny olona mandà ny finoana, eo anatrehan’Andriamanitra. Mampalahelo anefa ankehitriny fa maro no ‘tsy tia ny mpianakaviny.’ (2 Timoty 3:1, 3) Betsaka ny lehilahy mandositra adidy, ka mandao ny vady aman-janany ao anatin’ny sarotra. Tsy manana fo vato toy izany ny lehilahy kristianina, ka hihevitra fa tsy zava-dehibe loatra ny famelomana ankohonana. Na ny asa heverin’ny lehilahy maro ho faran’izay ambany aza, dia mendri-kaja sy zava-dehibe aminy. Heveriny ho toy ny fomba hampifaliana an’i Jehovah Andriamanitra ilay asa, satria manampy azy hamelona ny vady aman-janany.

7. Nahoana no mety ny handinihan’ny ray aman-dreny ny modely nomen’i Jesosy?

7 Hanampy ny loham-pianakaviana koa ny fandinihana ny modely tonga lafatra nomen’i Jesosy. Tadidio fa antsoina hoe “Rain’ny mandrakizay” izy, ao amin’ny faminanian’ny Baiboly. (Isaia 9:5, 6) Mahasolo tsara an’ilay “Adama voalohany”, i Jesosy ilay “Adama farany”, izay rain’ny olombelona maneho finoana. (1 Korintianina 15:45) Ray faran’izay tsara i Jesosy, fa tsy toa an’i Adama, izay ray tia tena sy tsy niraharaha afa-tsy izay hahasoa azy. Hoy ny Baiboly momba an’i Jesosy: “Izao no nahafantarantsika ny fitiavana: Satria nahafoy ny ainy ho antsika izy.” (1 Jaona 3:16) Nanolotra an-tsitrapo ny ainy ho an’ny olona izy. Hita tamin’ny fiainany andavanandro koa aza fa izay hahasoa ny hafa foana no zava-dehibe kokoa taminy, fa tsy izay hahasoa ny tenany. Tena tsara raha mahafoy tena toa azy ianareo ray aman-dreny.

8, 9. a) Inona no azon’ny ray aman-dreny ianarana avy amin’ny vorona, izay mahafoy tena mamelona ny zanany? b) Ahoana no anehoan’ny ray aman-dreny kristianina maro fa mahafoy tena izy ireo?

8 Mianatra ny atao hoe fitiavana tsy mitady valiny ny ray aman-dreny, rehefa mandinika ny tenin’i Jesosy tamin’ny vahoakan’Andriamanitra nania. Hoy izy: “Impiry aho no te hanangona ny zanakao, tahaka ny fanangonan’ny reniakoho ny zanany ao ambany elany!” (Matio 23:37) Toy ny hita maso mihitsy ilay fanoharana noresahiny teo: Reniakoho miaro ny zanany eo ambany elany. Afaka miana-javatra maro avy amin’ny ataon’ny vorona ho an-janany ny ray aman-dreny. Efa voajanahary ao amin’izy ireny ny miaro ny zanany. Vonona hanao vy very ny ainy mihitsy aza izy, mba hiarovana azy ireo amin’ny loza. Mahavariana koa anefa ny ataon’izy ireny isan’andro. Manidina eny foana izy, mivezivezy mitady sakafo. Efa ho trotraka tanteraka izy ireo indraindray, rehefa mitondra ilay sakafo ho an-janany. Efa mitanatana erỳ ny vavan’ireto voronkely. Ataony indray mitelina anefa ilay sakafo, ary miandry ny manaraka indray izy. Manana ‘fahaizana’ voajanahary hikarakarana ny zanany, ny ankamaroan’ny zavaboarin’i Jehovah.—Ohabolana 30:24.

9 Mahafoy tena toy izany koa ny ray aman-dreny kristianina eran-tany, ka mendri-piderana. Aleonareo miaritra ny mafy, toy izay hisy zava-dratsy hanjo ny zanakareo. Mampandefitra ny sitraponareo koa ianareo isan’andro, mba hamelomana azy ireo. Maro aminareo no mifoha vao maraina, mba hamonjy asa mamizana be na mahamonamonaina. Mifofotra erỳ ianareo, mba hahazoan’ny ankohonanareo sakafo mahavelona. Miasa mafy ianareo, mba hananan’ny zanakareo akanjo madio sy fonenana tsara ary fianarana araka ny tokony ho izy. Manao izany isan’andro ianareo, ary mandavantaona mihitsy aza. Matokia fa mahafaly an’i Jehovah izany fahafoizan-tena sy fiaretanareo izany! (Hebreo 13:16) Tadidio anefa fa misy zava-dehibe kokoa ilain’ny ankohonanareo ary tokony homenareo azy.

Fanampiana azy hifandray tsara amin’Andriamanitra

10, 11. Inona no zava-dehibe indrindra ilain’ny olombelona, ary inona aloha no tsy maintsy ataon’ny ray aman-dreny kristianina, mba hanampiana ny zanany amin’io lafiny io?

10 Zava-dehibe lavitra noho ny famelomana ny ankohonana, ny fanampiana azy ireo hifandray tsara amin’Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (Matio 4:4; 5:3) Raha ray na reny ianao, inona àry no azonao atao, mba hanampiana ny zanakao hifandray tsara amin’i Jehovah?

11 Tsy misy andinin-teny voatonona imbetsaka noho ny Deoteronomia 6:5-7 angamba, rehefa miresaka momba izany. Jereo ao amin’ny Baibolinao ange io andinin-teny io ary vakio e! Mariho fa ny ray aman-dreny aloha no tokony hiezaka hifandray tsara amin’i Jehovah, izany hoe hiezaka ho tia azy sy handray am-po ny teniny. Midika izany fa mila mianatra tsara ny Tenin’Andriamanitra ianao. Mila mamaky Baiboly tsy tapaka sy misaintsaina izay vakinao ianao, mba ho azonao tsara sy ho tianao ny fihevitr’i Jehovah sy ny toro lalany ary ny lalàny. Amin’izay dia hameno ny fonao ireo fahamarinana mahafinaritra ao amin’ny Baiboly, ka ho faly ianao ary hanaja fatratra an’i Jehovah sy ho tia azy. Hanan-javatra tsara maro hampitaina amin’ny zanakao koa ianao.—Lioka 6:45.

12. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anahafana an’i Jesosy, rehefa mampianatra ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny zanany?

12 Rehefa manana finoana matanjaka ny ray aman-dreny, dia ho afaka hampihatra ny torohevitra ao amin’ny Deoteronomia 6:7, izany hoe hanararaotra ny fotoana rehetra mba ‘hampianarana’ ny tenin’i Jehovah amin’ny zanany. Tsy midika fotsiny hoe ‘mampianatra’ io teny io, fa midika koa hoe mandentika ao an-tsaina amin’ny alalan’ny famerimberenana. Fantatr’i Jehovah tsara fa mila averimberina amintsika ny zavatra ianarantsika, ary ny ankizy no tena mila izany. Izany no nahatonga an’i Jesosy hamerimberina ny zavatra nampianariny. Nitady fomba isan-karazany izy, ohatra, mba hamerimberenana tamin’ny mpianany fa tokony hanetry tena izy ireo, fa tsy hiavonavona na ho tia mifaninana. Nampisaintsaina azy ireo izy, nanao fanoharana, ary nasehony mihitsy ny fomba ampiharana ilay zavatra nampianariny. (Matio 18:1-4; 20:25-27; Jaona 13:12-15) Tsara homarihina anefa fa tsy mora sosotra mihitsy i Jesosy. Mila mitady fomba isan-karazany koa ny ray aman-dreny, mba hampianarana ny fahamarinana fototra amin’ny zanany. Tsy tokony ho mora sosotra izy ireo, fa hamerimberina ireo toro lalan’i Jehovah, mandra-pahazavan’ilay izy tsara amin’izy ireo sy ampihariny.

13, 14. Inona avy no fotoana azo hararaotina, mba hampianarana ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny ankizy, ary inona no fitaovana azo ampiasaina?

13 Fotoana mety tsara hampianarana ny ankizy ny fianaram-pianakaviana. Tena manatanjaka ny finoan’ny fianakaviana izy io, rehefa atao tsy tapaka sy mampahery ary amim-pifaliana. Tena tia manao io fianarana io ny fianakaviana kristianina eran-tany. Mampiasa ny boky sy gazety avoakan’ny fandaminan’i Jehovah izy ireo amin’izany, ary mampifanaraka an’ilay fianarana amin’izay ilain’ny ankizy. Fitaovana tena tsara tokoa ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe sy ilay hoe Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra. * Tsy mandritra ny fianaram-pianakaviana ihany anefa no azo ampianarana ny ankizy.

14 Asehon’ny Deoteronomia 6:7 fa misy fotoana maro azo hararaotina, mba hiresahana zavatra ara-panahy amin’ny ankizy. Afaka manararaotra miresaka momba izany ianao, rehefa miara-manao dia lavitra aminy, na miara-manao raharaha, na miara-miala voly. Tsy voatery hanao “toriteny” momba ny fahamarinana ara-baiboly foana akory ianao, nefa miezaha foana hiresaka zavatra ara-panahy mampahery amin’ny zanakao. Misy lahatsoratra isan-karazany ao amin’ny Mifohaza! Raha mamaky azy ireny ianao, dia ho afaka hiresaka momba ny biby noforonin’i Jehovah, ny toerana kanto maneran-tany, ary ireo karazana kolontsaina sy fomba fiaina mahavariana. Mety handrisika ny ankizy izany, mba hamaky bebe kokoa ny boky aman-gazety avoakan’ny mpanompo mahatoky sy malina.—Matio 24:45-47.

15. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao, mba ho tsapan’ny zanany fa mahaliana sy mahafa-po ny fanompoana?

15 Mila mianatra miresaka momba ny finoany koa ny ankizy kristianina, ary manampy azy hanao izany ny resaka mampahery ataonao aminy. Rehefa miresaka momba ny hevitra nahaliana hitanao tao amin’ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza! ianao, dia azonao ampifandraisina amin’ny fitoriana izany. Afaka manontany azy, ohatra, ianao hoe: “Tsy hahafinaritra ve raha betsaka kokoa ny olona mahalala an’io zavatra momba an’i Jehovah io? Ahoana no azontsika atao, mba ho liana amin’izany ny olona?” Mety hahatonga ny ankizy hazoto kokoa hiresaka amin’ny olona momba izay ianarany izany. Rehefa miaraka aminao eny amin’ny fanompoana àry izy, dia ho hitany tsara ny fomba ampiharanao ireny resaka ifanaovanareo ireny. Ho tsapany koa fa mahaliana sy mahafinaritra ny fanompoana, ary tena mahafa-po sy mahafaly.—Asan’ny Apostoly 20:35.

16. Inona no mety hianaran’ny ankizy, rehefa mihaino ny vavaka ataon’ny ray aman-dreniny?

16 Manampy ny ankizy hifandray tsara amin’Andriamanitra koa ny ray aman-dreny, rehefa mivavaka. Nampianatra ny mpianany hivavaka i Jesosy, ary imbetsaka izy ireo no niara-nivavaka. (Lioka 11:1-13) Eritrereto ange ny habetsahan’ny zavatra nianaran’izy ireo, rehefa niara-nivavaka tamin’ilay Zanak’i Jehovah izy e! Afaka miana-javatra maro toy izany koa ny zanakao, rehefa mandre anao mivavaka. Mety ho tsapany amin’izany, ohatra, fa tian’i Jehovah hiresaka aminy avy amin’ny fo isika, ka hilaza aminy izay rehetra mampanahy antsika. Hianatra zava-dehibe iray tena iankinan’ny aina tokoa ny zanakao, rehefa mandre ny vavaka ataonao: Ho tsapany fa afaka mifandray amin’ilay Rainy any an-danitra izy.—1 Petera 5:7.

Fanehoana fitiavana

17, 18. a) Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa tena ilaina ny maneho fitiavana amin’ny ankizy? b) Ahoana no tokony hanahafan’ny ray an’i Jehovah, rehefa maneho fitiavana amin’ny zanany?

17 Tena mila fitiavana koa ny ankizy. Asehon’ny Tenin’Andriamanitra fa mila manome fahafaham-po an’izany faniriana izany ny ray aman-dreny. Ampirisihina ho ‘tia ny zanany’, ohatra, ny vehivavy tanora. Ampifandraisina amin’ny ‘fahatsapan-tena’ na ny fahendrena izany fitiavana izany. (Titosy 2:4) Fahendrena tokoa ny maneho fitiavana amin’ny ankizy. Mampianatra azy haneho fitiavana izany, sady hitondra soa maharitra. Hadalana kosa ny tsy fanehoana fitiavana amin’ny zanaka. Miteraka alahelo be izany, ary ireo manao toy izany dia tsy manahaka an’i Jehovah, izay maneho fitiavana lehibe amintsika, na dia tsy lavorary aza isika.—Salamo 103:8-14.

18 I Jehovah mihitsy no manao ny dingana voalohany, mba hanehoana fitiavana amin’ny zanany eto an-tany. “Izy no tia antsika voalohany”, hoy ny 1 Jaona 4:19. Ianareo ray no tena tokony hanahaka an’i Jehovah, ka hanao ny dingana voalohany mba hifandray am-po amin’ny zanakareo. Mampitandrina ny ray ny Baiboly, mba tsy hampahatezitra ny zanany, ka “ho kivy izy.” (Kolosianina 3:21) Tsy misy zavatra mampahatezitra ny ankizy toy ny fahatsapana hoe tsy tia azy ny ray aman-dreniny, na mihevitra azy ho tsy misy vidiny. Tokony hitadidy ny ohatr’i Jehovah ireo ray tsy sahy maneho ny fihetseham-pony. Niteny avy tany an-danitra mihitsy izy, ka nilaza fa nankasitraka sy tia an’ilay Zanany. (Matio 3:17; 17:5) Azo antoka fa nampahery an’i Jesosy izany! Tena mampahery ny zanany koa ny ray aman-dreny, rehefa milaza amim-pahatsorana amin’izy ireo ny fitiavany sy ny fankasitrahany.

19. Nahoana no ilaina ny famaizana, ary ahoana no anehoan’ny ray aman-dreny fahaiza-mandanjalanja?

19 Tsy ny teny fotsiny anefa no mampiseho ny fitiavana. Ny atao no tena ahitana izany. Azo raisina ho porofom-pitiavana ny famelomana ny ankizy sy ny fanampiana azy hifandray amin’Andriamanitra, indrindra raha miharihary fa atao amim-pitiavana izany. Fanehoam-pitiavana tena ilaina koa ny famaizana. “Izay tian’i Jehovah no faiziny.” (Hebreo 12:6) Tsy tia ny zanany kosa izay tsy manafay azy! (Ohabolana 13:24) Mahay mandanjalanja foana anefa i Jehovah, ka manafay “araka ny antonony.” (Jeremia 46:28) Tsy mora amin’ny ray aman-dreny ny mandanjalanja toy izany, satria tsy lavorary izy. Tsy ho very maina anefa ny ezaka mafy ataonareo. Raha manafay ny zanakareo amin’ny fomba hentitra sy amim-pitiavana ianareo, dia ho sambatra sy handray soa izy. (Ohabolana 22:6) Tsy izany ve no fanirian’ny ray aman-dreny kristianina rehetra?

20. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany ‘hifidy ny fiainana’?

20 Handray valisoa lehibe ianareo ry ray aman-dreny, raha manao ilay asa lehibe ankinin’i Jehovah aminareo, izany hoe mamelona ny zanakareo, manampy azy hifandray amin’Andriamanitra, ary maneho fitiavana aminy. Ho afaka ‘hifidy ny fiainana’ izy ireo amin’izay, ka ‘ho velona’ mandrakizay. (Deoteronomia 30:19) Tena mahafaly ny ray aman-dreniny ny mahita ireny ankizy ireny mifidy ny hanompo an’i Jehovah, sy mandeha hatrany eo amin’ny lalan’ny fiainana rehefa lehibe. (Salamo 127:3-5) Haharitra mandrakizay mihitsy izany fifaliana izany! Ahoana anefa no ideran’ny tanora an’i Jehovah ankehitriny? Hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Ny lehilahy no tena resahina ato amin’ity lahatsoratra ity. Mihatra amin’ny vehivavy kristianina koa anefa ny toro lalana omena ato, raha izy no mamelona ny fianakaviana.

^ feh. 13 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ahoana no Havalinao?

Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba:

• hamelomana ny zanany?

• hanampiana ny zanany hifandray tsara amin’Andriamanitra?

• hanehoana fitiavana amin’ny zanany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Vorona maro no mikely aina mamelona ny zanany

[Sary, pejy 20]

Tsy maintsy manatanjaka ny finoany aloha ny ray aman-dreny

[Sary, pejy 21]

Misy fotoana maro azon’ny ray aman-dreny ampianarana ny zanany momba ilay Mpamorona

[Sary, pejy 22]

Mampahery ny ankizy ny fankasitrahan’ny ray aman-dreniny