Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Tanora, Miderà An’i Jehovah!

Ry Tanora, Miderà An’i Jehovah!

Ry Tanora, Miderà An’i Jehovah!

“Miderà an’i Jehovah etỳ an-tany, ... na ny zatovolahy, na ny zatovovavy.”—SALAMO 148:7, 12.

1, 2. a) Inona no fandrarana fantatry ny tanora maro? b) Nahoana no tsy tokony ho sosotra ny tanora, rehefa tsy avelan’ny ray aman-dreniny hanao zavatra sasany?

FANTATRY ny tanora tsara matetika ny zavatra mbola tsy azony atao. Tsy sarotra amin’ny ankamaroan’izy ireo ny hilaza aminao hoe, firy taona izy vao havela hiampita irery ny arabe, na hiari-tory alina kokoa, na hitondra fiara. Mety hieritreritra ny tanora indraindray, fa isaky ny misy zavatra mba tena tiany hatao, dia valin-teny mitovy foana no azony hoe: “Aleo aloha rehefa lehibe ianao.”

2 Fantatrareo ry tanora, fa mahalala izay hahasoa anareo ny ray aman-dreninareo, ary angamba te hiaro anareo, matoa mbola tsy mamela anareo hanao zavatra sasany. Fantatrareo tsara koa fa faly i Jehovah, rehefa mankatò ny ray aman-dreninareo ianareo. (Kolosianina 3:20) Hoatran’ny tery loatra ve anefa ny fiainanareo indraindray? Tsy misy zavatra tsara azonareo atao mihitsy ve, raha tsy rehefa lehibe ianareo? Diso tanteraka izany! Misy asa tsara ankehitriny, izay lehibe lavitra noho ny zavatra hafa rehetra tena tianareo hatao. Mahazo manao io asa io ve ianareo tanora? Eny, ary tsy vitan’izay, fa ilay Andriamanitra Avo Indrindra mihitsy no manasa anareo hanao izany!

3. Inona no asa faran’izay tsara anasan’i Jehovah ny tanora, ary inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

3 Inona izany asa izany? Mariho izay lazain’ny andinin-teny fototr’ity lahatsoratra ity: “Miderà an’i Jehovah etỳ an-tany, ... na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, na ny antitra, na ny tanora.” (Salamo 148:7, 12) Afaka midera an’i Jehovah ianareo, ary izany ilay asa faran’izay tsara azonareo atao. Faly be ve ianao mandray anjara amin’izany? Izany no tsapan’ny tanora maro. Andeha isika handinika fanontaniana telo, mba hahitana fa mahafaly tokoa io asa io. Voalohany: Nahoana ianao no tokony hidera an’i Jehovah? Faharoa: Ahoana no fomba hiderana azy mba hahitana vokatra tsara? Fahatelo: Rahoviana no fotoana tsara hanombohana hiderana an’i Jehovah?

Nahoana isika no tokony hidera an’i Jehovah?

4, 5. a) Inona no toe-javatra mahatalanjona iainantsika ankehitriny, araka ny Salamo faha-148? b) Ahoana no ahafahan’ny zavaboary midera an’i Jehovah, raha sady tsy miteny izy ireo no tsy mieritreritra?

4 I Jehovah no Mpamorona, ka izany no antony lehibe iray tokony hiderana azy. Manasongadina izany ny Salamo faha-148. Eritrereto izao: Manao ahoana ny fihetseham-ponao, raha mahita olona maro be mampiara-peo, manao hira mahafinaritra sy mampihetsi-po? Ahoana raha fantatrao fa marina ny lazain’ilay tonon-kira, ary hevi-dehibe sy mahafaly ary mampahery no ampitainy? Tsy mba maniry hianatra ilay tonon-kira koa ve ianao, ka hiara-mihira amin’izy ireo? Hanao izany ny ankamaroantsika. Toe-javatra toy izany no misy anao ankehitriny, ary tsara lavitra noho izany aza, araka ny asehon’ny Salamo faha-148. Miresaka vahoaka be mampiara-peo midera an’i Jehovah, io salamo io. Mety hahamarika zavatra tsy mahazatra anefa ianao rehefa mamaky azy io. Inona izany?

5 Tsy afaka miteny na mieritreritra, ny ankabeazan’ireo zavaboary midera an’Andriamanitra, resahin’ny Salamo faha-148. Vakintsika ao, ohatra, fa midera an’i Jehovah ny masoandro, volana, kintana, orampanala, rivotra, tendrombohitra, ary ny havoana. Ahoana no ahafahan’ireny zavaboary tsy mananaina ireny midera azy? (Andininy 3, 8, 9) Tsy misy hafa amin’izay ataon’ny hazo, sy ny zavaboary any an-dranomasina, ary ny biby. (Andininy 7, 9, 10) Efa nahita masoandro mody tsara tarehy ve ianao, na volana fenomanana mamakivaky ny lanitra feno kintana, na toerana iray tena kanto ka nahatalanjona anao? Efa toran’ny hehy nahita biby nilalao koa ve ianao? Azo lazaina hoe “nandre” ny hira fideran’ny zavaboary ianao tamin’izay. Ny zava-drehetra noforonin’i Jehovah dia mampahatsiahy antsika fa izy no Mpamorona, ary tsy misy mahery, na hendry, na be fitiavana toa azy eo amin’izao rehetra izao.—Romanina 1:20; Apokalypsy 4:11.

6, 7. a) Inona avy ireo zavaboary manan-tsaina midera an’i Jehovah, araka ny Salamo faha-148? b) Nahoana isika no tokony haniry hidera an’i Jehovah? Hazavao amin’ny ohatra.

6 Milaza koa ny Salamo faha-148, fa midera an’i Jehovah ny zavaboary manan-tsaina. Hitantsika eo amin’ny andininy faha-2, ohatra, fa midera azy ny “miaramilany” any an-danitra, izany hoe ireo anjely. Asaina hidera azy koa ny olona ambony sy manam-pahefana, toy ny mpanjaka sy ny mpitsara, araka ny andininy faha-11. Ny anjely mahery aza faly midera an’i Jehovah, ka isika olombelona indray ve no hihevi-tena ho zavatra loatra, ka tsy handray anjara amin’izany? Asaina koa ianareo tanora, eo amin’ny andininy faha-12 sy 13, mba handray anjara amin’ny fiderana azy. Te hanao izany ve ianao?

7 Eritrereto hoe mana-namana tena manan-talenta ianao. Ohatra hoe mahay mozika izy, na asa tanana, na manan-talenta amin’ny fanatanjahan-tena. Hiresaka momba azy amin’ny fianakavianao sy ny namanao hafa ve ianao? Tsy misy isalasalana ny amin’izany. Toy izany koa ny amin’i Jehovah. Manjary te hiresaka momba azy amin’ny olona isika, rehefa mahalala ny zava-drehetra nataony. Milaza, ohatra, ny Salamo 19:1, 2 fa mahatonga ny olona ‘hiteny’, ny lanitra feno kintana. Sarotra amintsika àry ny hangina ka tsy hiresaka amin’ny olona momba an’Andriamanitsika, rehefa mieritreritra ireo zava-mahatalanjona nataony.

8, 9. Nahoana isika no tian’i Jehovah hidera azy?

8 Manana antony lehibe hafa tokony hiderana an’i Jehovah isika: Izy mihitsy no maniry antsika hidera azy. Nahoana? Satria ve mila dera avy amin’ny olona izy? Tsia. Isika olombelona indraindray no mila izany, fa i Jehovah kosa ambony lavitra noho isika. (Isaia 55:8) Tsy hoe tsy matoky tena izy na misalasala ny amin’ny toetra tsarany. (Isaia 45:5) Tiany hidera azy anefa isika, ary faly izy rehefa manao izany isika. Nahoana? Misy antony roa ireto. Voalohany, fantany fa mila midera azy isika. Nataony tao amintsika ny faniriana hivavaka. (Matio 5:3) Faly i Jehovah rehefa tanterahintsika izany faniriana izany, toy ny ray aman-dreninao faly rehefa mahita anao mihinana sakafo mahasalama.—Jaona 4:34.

9 Faharoa, fantatr’i Jehovah fa mila mandre antsika midera azy ny olon-kafa. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny tovolahy iray atao hoe Timoty: “Tandremo tsara foana ny tenanao sy ny fampianaranao. Ary mahareta amin’izany, fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy ireo mihaino anao.” (1 Timoty 4:16) Rehefa mampianatra ny olona momba an’i Jehovah Andriamanitra àry ianao, izany hoe midera azy, dia hanjary hahafantatra an’i Jehovah koa izy ireo. Mety hahazoan’izy ireo ny fiainana mandrakizay mihitsy izany fahalalana izany!—Jaona 17:3.

10. Nahoana isika no tokony haniry hidera an’Andriamanitsika?

10 Mbola misy antony hafa koa anefa tokony hiderana an’i Jehovah. Tadidio ilay ohatra momba ilay namanao manan-talenta. Raha mahare olona manendrikendrika azy na manala baraka ny anarany ianao, tsy vao mainka ve ianao ho tapa-kevitra ny hidera azy na hilaza ny toetra tsarany? Tena voaendrikendrika koa i Jehovah eto an-tany. (Jaona 8:44; Apokalypsy 12:9) Voatosika hilaza ny marina momba azy àry ireo olona tia azy, mba hanitsiana izany. Tsy irinao koa ve ny haneho ny fitiavanao sy ny fankasitrahanao an’i Jehovah, ary hampiseho fa izy no tianao ho Mpitondra anao, fa tsy i Satana ilay fahavalony lehibe indrindra? Afaka manao izany rehetra izany ianao, raha midera an’i Jehovah. Ahoana àry no fomba hiderana azy?

Ahoana no nideran’ny tanora sasany an’i Jehovah?

11. Milazà tantara ao amin’ny Baiboly, mampiseho fa tena misy vokany tsara ny fideran’ny tanora an’i Jehovah.

11 Asehon’ny Baiboly fa tena misy vokany tsara matetika ny fideran’ny tanora an’i Jehovah. Nentin’ny Syrianina ho babo, ohatra, ny ankizivavy israelita iray. Sahy niresaka tamin’ny tompovaviny izy, momba an’i Elisa mpaminanin’i Jehovah. Noho izany, dia nisy fahagagana nitranga ka nomem-boninahitra tokoa i Jehovah. (2 Mpanjaka 5:1-17) Sahy nitory koa i Jesosy, tamin’izy mbola kely. Tamin’ny zava-drehetra niainany tamin’ny fahatanorany, dia ilay nitranga tao amin’ny tempolin’i Jerosalema, fony izy 12 taona, no nosinganin’i Jehovah mba hosoratana ao amin’ny Baiboly. Sahy nanontany an’ireo mpitondra fivavahana izy tamin’izay, ary gaga izy ireo nahita ny fahalalany ny hevitr’i Jehovah.—Lioka 2:46-49.

12, 13. a) Inona no nataon’i Jesosy tao amin’ny tempoly taloha kelin’ny nahafatesany, ary inona no vokany? b) Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Jesosy, rehefa nandre an’ireo ankizilahy nidera azy?

12 Nahatonga ny ankizy hidera an’i Jehovah koa ny zavatra nataon’i Jesosy, rehefa olon-dehibe izy. Tao amin’ny tempolin’i Jerosalema izy, ohatra, andro vitsivitsy monja talohan’ny nahafatesany. Milaza ny Baiboly fa nanao “zava-mahagaga” tao izy. Noroahiny ireo olona nanao an’ilay tempoly masina ho toerana fieren’ny mpangalatra. Nanasitrana ny jamba sy ny kilemaina koa izy. Tokony ho voatosika hidera an’i Jehovah sy ny Mesia Zanany ny olona rehetra tao, indrindra fa ireo mpitondra fivavahana. Nampalahelo anefa fa tsy nanao izany ny ankamaroan’ny olona. Fantany fa nirahin’Andriamanitra i Jesosy, nefa natahotra an’ireo mpitondra fivavahana ry zareo. Nisy olona niteny tamim-pahasahiana anefa tamin’izay. Fantatrao ve hoe iza izy ireo? Hoy ny Baiboly: “Tezitra ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nahita ny zava-mahagaga nataon[’i Jesosy] sy nahita ny ankizilahy niantsoantso tao amin’ny tempoly hoe: ‘Mba vonjeo re ny Zanak’i Davida e!’, ka niteny tamin[’i Jesosy] hoe: ‘Renao ve izay lazain’ireo?’ ”—Matio 21:15, 16; Jaona 12:42.

13 Nanantena ny mpisorona fa hampangina an’ireo ankizilahy nidera azy i Jesosy. Nanao izany ve izy? Tsy izany mihitsy! Namaly ny mpisorona izy hoe: “Eny. Mbola tsy novakinareo mihitsy ve ny hoe: ‘Avy amin’ny vavan’ny zaza madinika sy ny zaza minono no anomezanao fiderana’?” Hita amin’izany fa faly i Jesosy sy ny Rainy nahita ireo ankizilahy ireo nidera azy. Nanao izay tokony ho nataon’ireo olon-dehibe rehetra tao, izy ireo. Azo antoka fa nazava tsara taminy hoe iza i Jesosy, na dia mbola kely aza izy ireo. Hitan’izy ireo fa nanao zava-mahagaga izy, niteny tamim-pinoana sy herim-po, ary naneho fitiavana lalina an’Andriamanitra sy ny olony. Marina tokoa ny nambarany fa izy no Mesia nampanantenaina, “Zanak’i Davida.” Novalian-tsoa ny finoan’ireo ankizilahy ireo, satria nahazo tombontsoa nanatanteraka faminaniana mihitsy izy ireo.—Salamo 8:2.

14. Inona avy no tombony ananan’ny tanora ka manampy azy hidera an’Andriamanitra?

14 Inona no ianarantsika avy amin’ireo ohatra ireo? Tena misy vokany tsara ny fideran’ny tanora an’i Jehovah. Matetika no mora azon’izy ireo sady tsotra aminy ny fahamarinana, ka mafana fo sy mazoto erỳ izy rehefa miresaka momba ny finoany. Ananan’izy ireo koa ity resahin’ny Ohabolana 20:29 ity: “Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany.” Manana tombony tokoa ianareo ry tanora, satria manana hery sy tanjaka hiderana an’i Jehovah. Ahoana no azonareo ampiasana tsara izany?

Ahoana no azonao iderana an’i Jehovah?

15. Inona no tokony ho antony ideranao an’i Jehovah, raha te hahita vokatra tsara avy amin’izany ianao?

15 Ny fiderana avy amin’ny fo no tena misy vokany. Raha midera an’i Jehovah ianao, satria fotsiny hoe asain’ny hafa manao izany, dia tsy hisy vokany ilay izy. Tadidio fa izao no didy lehibe indrindra: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.” (Matio 22:37) Mianatra samirery ny Tenin’i Jehovah ve ianao, mba hahafantaranao tsara azy? Tokony hahatonga anao ho tia azy izany. Ary rehefa tia an’i Jehovah ianao, dia te haneho izany, ka handeha ho azy ny fiderana azy. Hazoto hidera an’i Jehovah ianao, raha vao mazava aminao ny antony anaovanao izany, sady tena tianao izy.

16, 17. Inona no vokatry ny fitondran-tena eo amin’ny fiderana an’i Jehovah? Manomeza ohatra.

16 Izay hataonao anefa no tokony hoeritreretinao voalohany, fa tsy izay holazainao. Raha toa ka zatra tsy nahalala fomba, tsy nanaja olona, na tsy nanao ny marina, ilay ankizivavy israelita tamin’ny andron’i Elisa, heverinao ve fa ho nihaino izay nolazainy momba ny mpaminanin’i Jehovah ireo Syrianina nitondra azy ho babo? Azo inoana fa tsy ho nihaino azy izy ireo. Toy izany koa fa vonona kokoa hihaino anao ny olona, raha manaja azy ianao sady manao ny marina, ary hendry tsara. (Romanina 2:21) Indro misy tantara iray.

17 Noterena hankalaza fety iray tany am-pianarana, ny ankizivavy iray 11 taona tany Portogaly. Tsy nety nanao izany anefa izy satria tsy nifanaraka tamin’ny Baiboly ilay izy, ka tsy neken’ny eritreriny. Nohazavainy tamim-panajana tamin’ilay mpampianatra ny antony, nefa naneso azy izy. Namasoka azy foana ilay mpampianatra, ary nataony fihomehezana ny fivavahany. Nanaja an’ilay mpampianatra foana anefa izy. Lasa mpisava lalana maharitra na mpitory manontolo andro izy, taona maromaro tatỳ aoriana. Nijery ny olona natao batisa izy, tany amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra iray, ary fantany ny iray tamin’izy ireo. Ilay mpampianatra azy taloha ilay izy! Nifamihina ry zareo sady nitomany. Nitantara taminy ilay mpampianatra fa tsy hadinony mihitsy ilay mpianatra nanaja azy. Rehefa nisy Vavolombelona nitsidika azy àry, dia noresahiny taminy ny fitondran-tenan’io mpianany io. Nanomboka nianatra Baiboly àry izy, ary nanaiky ny fahamarinana. Hita amin’izany, fa tena mety hitondra dera ho an’i Jehovah tokoa ny fitondran-tenanao!

18. Inona no azon’ny tanora atao, raha tsy sahy manombo-dresaka momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Baiboly izy?

18 Sarotra aminao ve indraindray ny manombo-dresaka momba ny finoanao, any am-pianarana? Tsy ianao irery no toy izany. Afaka manao zavatra anefa ianao, mba hahatonga ny hafa hanontany momba ny finoanao. Raha azo atao, ohatra, ny mitondra boky sy gazety ara-baiboly, nahoana raha mamaky azy ireny mandritra ny sakafo antoandro, na amin’ny fotoana hafa azo anaovana izany? Mety hanontany izay vakinao ny mpiara-mianatra aminao amin’izay. Afaka hamaly azy ianao, sady hiresaka aminy momba ny zavatra nahaliana anao tao amin’ilay lahatsoratra na ilay boky vakinao. Tsy ho tsikaritrao akory fa efa nanomboka resaka mahafinaritra ianareo. Aza hadinoina ny mametraka fanontaniana, mba hahalalana ny zavatra inoan’ny mpiara-mianatra aminao. Henoy amim-panajana izy, ary resaho aminy izay nianaranao tao amin’ny Baiboly. Midera an’Andriamanitra any am-pianarana ny tanora maro, araka ny asehon’ny fitantarana eo amin’ny pejy faha-29. Tena mahafaly azy ireo izany, sady manampy olona maro hahalala an’i Jehovah.

19. Inona no azon’ny tanora atao, mba hahitana vokatra tsara kokoa rehefa mitory isan-trano?

19 Tena misy vokany ny fiderana an’i Jehovah amin’ny alalan’ny fitoriana isan-trano. Raha mbola tsy mandray anjara amin’izany ianao, nahoana raha atao tanjona izany? Raha efa mandray anjara kosa ianao, misy tanjona hafa ve azonao tratrarina? Afaka manatsara ny fitorianao ianao, ohatra, fa tsy milaza zavatra mitovy foana. Mangataha soso-kevitra amin’ny ray aman-dreninao na mpitory za-draharaha hafa. Mianara mampiasa Baiboly bebe kokoa, manao fiverenana mitsidika mandaitra, ary manomboka fampianarana Baiboly. (1 Timoty 4:15) Hahita vokatra tsara kokoa ianao rehefa midera an’i Jehovah toy izany, ary hahafinaritra anao kokoa ny fanompoanao.

Rahoviana ianao no tokony hanomboka hidera an’i Jehovah?

20. Nahoana no tsy tokony hieritreritra ny tanora hoe mbola kely loatra ka tsy afaka hidera an’i Jehovah?

20 Ny valin’io fanontaniana io no tsotra indrindra, amin’ireo fanontaniana telo resahin’ity lahatsoratra ity. Mamaly mivantana ny Baiboly hoe: “Tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao.” (Mpitoriteny 12:1) Izao àry no fotoana tokony hanombohana hidera an’i Jehovah. Mety hilaza angamba ianao hoe: “Mbola kely loatra ange aho e! Tsy mahay aho. Aleo aloha aho ho lehibebe.” Efa nisy olona nieritreritra toy izany koa. Nilaza tamin’i Jehovah, ohatra, i Jeremia hoe: “Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.” Nanome toky azy anefa i Jehovah fa tsy misy antony tokony hatahorany. (Jeremia 1:6, 7) Tsy misy tokony hatahorantsika koa, rehefa midera an’i Jehovah. Tsy misy loza mety hanjo antsika, ka tsy hain’i Jehovah foanana.—Salamo 118:6.

21, 22. Nahoana no ampitovina amin’ny ranon’ando ny tanora mpidera an’i Jehovah, ary nahoana no mampahery izany?

21 Mampirisika anareo àry izahay ry tanora: Aza misalasala ny hidera an’i Jehovah! Izao fotoana maha tanora anareo izao no tena tsara hanaovana ilay asa lehibe indrindra tanterahina eto an-tany ankehitriny. Hahafinaritra tokoa ny vokatr’izany, satria ho anisan’ny fianakaviamben’ny mpidera an’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao ianareo. Tena faly i Jehovah satria anisan’izy io ianareo. Nasainy nanoratra toy izao ny mpanao salamo: “Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ny andro anafihanao; amin’ny fihaingoana masina, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.”—Salamo 110:3.

22 Tsy tsara tarehy tokoa ve ny ranon’ando, rehefa tarafin’ny hazavana maraina? Mahafinaritra erỳ ny mijery azy, manjelanjelatra, ary tsy tambo isaina. Toy izany no fahitan’i Jehovah anareo tanora, midera azy hatrany amin’izao fotoan-tsarotra izao. Azo antoka fa mampifaly ny fony ny safidinareo hidera azy. (Ohabolana 27:11) Koa miderà an’i Jehovah àry, ry tanora!

Ahoana no Havalinao?

• Inona avy no antony lehibe sasany tokony hiderana an’i Jehovah?

• Milazà ohatra ao amin’ny Baiboly, mampiseho fa tena mety hisy vokany tsara ny fideran’ny tanora an’i Jehovah.

• Ahoana no azon’ny tanora iderana an’i Jehovah ankehitriny?

• Rahoviana ny tanora no tokony hanomboka hidera an’i Jehovah, ary nahoana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 25]

Raha mana-namana tena manan-talenta ianao, tsy horesahinao amin’ny hafa ve izany?

[Sary, pejy 27]

Mety ho liana amin’ny zavatra inoanao ny mpiara-mianatra aminao

[Sary, pejy 28]

Mangataha soso-kevitra amin’ny Vavolombelona za-draharaha, raha te hanatsara ny fanompoanao ianao