Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faly Aho Nandray Anjara Tamin’ilay Asa Fampianarana Maneran-tany

Faly Aho Nandray Anjara Tamin’ilay Asa Fampianarana Maneran-tany

Tantaram-piainana

Faly Aho Nandray Anjara Tamin’ilay Asa Fampianarana Maneran-tany

NOTANTARAIN’I ANNA MATHEAKIS

Nirehitra ilay sambo 171 metatra. Saika maty aho raha nentin’izy io nilentika. Nilomano araka izay fara heriko aho, sady nisetra onja mahery, mba tsy hahafaty ahy. Salotr’aina nanaovan’ny vehivavy iray izay no nifikirako, mba tsy hampilentika ahy. Nivavaka tamin’Andriamanitra aho mba hananako tanjaka sy herim-po. Izay no hany azoko natao.

NY TAONA 1971 no nitranga izany, tamin’izaho niverina tany Italia, ilay toerana fahatelo nanendrena ahy ho misionera. Nafoiko tamin’io loza io ny ankamaroan’ny fananako. Tsy very kosa anefa ny zava-tsarobidy indrindra, dia ny aiko, ny fianakavian’ny mpirahalahy be fitiavana, ary ny tombontsoa hanompo an’i Jehovah. Efa nitety kontinanta telo aho noho io fanompoana io, ary iray monja tamin’ireo zavatra nampitebiteby niainako iny loza iny.

Teraka tamin’ny 1922 aho. Nipetraka tany Ramallah, tokony ho 16 kilaometatra any avaratr’i Jerosalema, ny fianakaviako. Avy any amin’ny nosy Kreta ny ray aman-dreniko, saingy tany Nazareta no nahalehibe an’i Dada. Niteraka telo lahy sy roa vavy izy ireo, ary izaho no farany. Maty tao amin’ny Reniranon’i Jordana ny zokiko lahiaivo, rehefa nanao fitsangantsanganana ny sekoly nianarany. Tena nangidy tamin’ny fianakavianay izany. Tsy nety nipetraka tany Ramallah intsony i Neny taorian’iny loza iny. Nifindra teto Atena, Gresy, àry izahay tamin’izaho telo taona.

Nahita ny fahamarinana ny fianakaviako

Nifandray tamin’ny Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny) i Nikos, zokiko lahimatoa, raha vao tonga kelikely teto Gresy izahay. Efa 22 taona izy tamin’izay. Tena nahafaly azy ny zavatra nianarany avy tao amin’ny Baiboly, ka lasa nazoto be tamin’ny fanompoana kristianina izy. Nahatezitra mafy an’i Dada izany, ka noroahiny hiala tao an-trano i Nikos. Niaraka tamin’i Nikos namonjy fivoriana kristianina anefa izahay sy Neny ary ny zokiko vavy, isaky ny nandeha tany Palestina i Dada. Mbola tsaroako foana fa nafana fo erỳ i Neny, rehefa niresaka momba ireo zavatra reny tany amin’ireny fivoriana ireny. Matin’ny kansera anefa izy tsy ela taorian’izay, tamin’izy 42 taona. I Ariadne rahavaviko no nikarakara tamim-pitiavana ny fianakavianay, nandritra izany fotoan-tsarotra izany. Mbola tanora kely izy, nefa lasa toy ny reniko mihitsy nandritra ny taona maro.

Nentin’i Dada tany amin’ny Eglizy Ortodoksa foana aho, rehefa teto Atena izy. Nandeha niangona ihany aho indraindray, taorian’ny nahafatesany. Tsy nankany intsony anefa aho, rehefa hitako fa tsy nanao ny sitrapon’Andriamanitra ny mpivavaka tany.

Nahita asa azo antoka tao amin’ny minisiteran’ny vola aho, rehefa maty i Dada. Nanokana ny fiainany tamin’ny asa fitoriana kosa ny anadahiko, ary nanompo teto Gresy nandritra ny taona maro. Nifindra tany Chypre izy, tamin’ny 1934. Tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah vita batisa tao amin’io nosy io tamin’izay, ka nanana tombontsoa hampandroso ny asa fitoriana tany izy. Nanambady an’i Galatia izy tatỳ aoriana. Nanomboka nanompo manontolo andro koa io vadiny io, ary nanao izany nandritra ny taona maro. * Matetika i Nikos no nandefa boky sy gazety ara-baiboly ho anay, saingy zara raha nosokafanay izy ireny. Nijanona tany Chypre izy mandra-pahafatiny.

Nanaiky ny fahamarinana aho

Nitsidika anay i George Douras tamin’ny 1940. Vavolombelona be zotom-po teto Atena izy, sady naman’i Nikos. Efa nisy antokon’olona vitsivitsy niara-nianatra Baiboly tao an-tranony, ka nasainy ho any koa izahay. Nahafaly anay izany. Tsy ela izahay dia nizara tamin’ny hafa ny zavatra nianaranay. Nandrisika anay mirahavavy hanolotra ny fiainanay ho an’i Jehovah ny fianarana Baiboly. Natao batisa i Ariadne tamin’ny 1942, fa izaho kosa tamin’ny 1943. 

Nanasa anay ho any Chypre i Nikos, rehefa nifarana ny Ady Lehibe II. Nifindra tany Nicosie àry izahay, tamin’ny 1945. Tsy voarara toy ny teto Gresy ny asa fitoriana tany Chypre, ka afaka nitory isan-trano sy teny an-dalana izahay.

Tsy maintsy niverina teto Gresy i Ariadne, roa taona taorian’izay. Nifankahita tamin’ny anadahy iray tena tiany izy, ka nanapa-kevitra ny hijanona teto. Nivady izy ireo tatỳ aoriana. Nampirisihin’ny zaodahiko sy ny rahavaviko hiverina teto Gresy, ary hanompo manontolo andro teto Atena aho, tsy ela taorian’izay. Efa niriko hatramin’ny ela ny ho mpisava lalana. Niverina teto Atena àry aho, satria nila mpitory maro kokoa teto tamin’izany.

Varavarana hafa nisokatra ho ahy

Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana aho tamin’ny 1 Novambra 1947, ary nanokana 150 ora isam-bolana tamin’ny fitoriana. Nidadasika ny faritanin’ny fiangonanay, ka tsy maintsy nandeha an-tongotra foana aho. Nandray fitahiana maro anefa aho. Matetika ny polisy no nisambotra izay Vavolombelona hitany nitory na nivory. Tsy ela àry dia voasambotra aho.

Fitaomana olona hanaraka ny finoan’ny tena no niampangana ahy. Heloka bevava izany tamin’izay. Voaheloka higadra roa volana tao amin’ny Fonjan’ny Vehivavy ao Averof, Atena, aho. Efa nisy vehivavy Vavolombelona nigadra tao. Nahafinaritra sy nampahery ny fiarahanay mirahavavy tao am-ponja. Faly aho nanohy ny asan’ny mpisava lalana rehefa vita ny saziko. Maro tamin’ireo olona niara-nianatra Baiboly tamiko tamin’izany no mbola mpanompon’i Jehovah mahatoky ankehitriny, ary tena mahafaly ahy izany.

Nahazo fanasana hanatrika ny kilasy faha-16 tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada tany Etazonia aho, tamin’ny 1949. Any no ampiofanana ny mpanompo manontolo andro hanao ny asa misionera. Faly be mihitsy izahay mianakavy. Nikasa hanatrika ny fivoriambe iraisam-pirenena tany New York aho, teo antenatenan’ny taona 1950, ary ho any Gileada aorian’izay.  

Nanana tombontsoa nanompo nandritra ny volana vitsivitsy tao amin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany New York aho, rehefa tonga tany Etazonia. Mpanadio no asako tamin’izay. Nadio ilay toerana, ary nahafinaritra sy nahatamana. Falifaly daholo ireo anadahy sy rahavavy niasa tao. Tsy hohadinoiko mihitsy ireo enim-bolana nijanonako tao. Tonga àry ny fotoana hanatrehana ny Sekolin’i Gileada. Tsy hitahita akory dia tapitra ireo dimy volana nilofosana tamin’ny fianarana sy nandraisana toromarika maro be. Tsapanay mpiara-mianatra fa tena tsara sy sarobidy ny fahalalana ny Soratra Masina. Nampitombo ny fifalianay sy ny fanirianay hizara amin’ny hafa ilay fahamarinana manome fiainana izany.

Fanendrena voalohany

Afaka nifidy izay ho namanay izahay tamin’ny Sekolin’i Gileada, talohan’ny nahazoanay fanendrena. I Ruth Hemmig (Bosshard ankehitriny) no namako. Rahavavy tena tsara toetra izy. Akory ny hafalianay sy Ruth rehefa nandre fa voatendry ho any Istanbul, Torkia, izahay! Fihaonan-dalana mampitohy an’i Azia sy Eoropa izy io. Fantatray fa mbola tsy nekena ho ara-dalàna ny asa fitoriana tao amin’io tany io, nefa azonay antoka fa hanampy anay i Jehovah.

Tanàna kanto i Istanbul, ary ahitana olona samy hafa fiaviana sy kolontsaina. Naresaka sady be entana ny tsena tany. Hita tany koa ny sakafo mafilotra avy amin’ny vazan-tany efatra, ny tranombakoka mahaliana, faritra mahafinaritra, ary ny moron-drano mahasondriana. Nahitana olona tso-po te hianatra momba an’Andriamanitra koa anefa tany, ary izany no zava-dehibe indrindra. Vitsivitsy ny Vavolombelona tany Istanbul. Saika Armenianina sy Grika ary Jiosy avokoa izy ireo. Olona maro anefa no avy amin’ny fiaviana samy hafa, ka tsara ny nahay fiteny maromaro, anisan’izany ny teny tiorka. Tena faly izahay nahita olona samy hafa fiaviana nangetaheta ny fahamarinana. Mbola mpanompon’i Jehovah mahatoky izao ny ankamaroan’izy ireny.

Tsy afaka nanavao ny fahazoan-dalana honina tany Torkia anefa i Ruth, ka voatery nandeha. Manompo manontolo andro any Soisa izy izao. Mbola tsaroako foana ny fotoana nahafinaritra sy nampahery niarahanay.

Nandeha nianatsimo

Tsy afaka nanavao ny fahazoan-dalana honina tany Torkia koa aho, tamin’ny 1963. Mafy tamiko ny nandao an’ireo Kristianina namako, satria hitako ny nandrosoan’izy ireo sy ny niezahany handresy zava-tsarotra. Te hampahery ahy ny fianakaviako, ka nanome ahy saran-dalana hamonjeko fivoriambe iraisam-pirenena tany New York. Mbola tsy nahazo fanendrena vaovao aho tamin’izay.

Voatendry hanompo tany Lima, Peroa, aho, taorian’ilay fivoriambe. Namantana tany amin’ilay faritany vaovao aho, rehefa avy any New York. Niaraka tamiko ny rahavavy tanora iray hiara-manompo amiko. Nianatra teny espaniola aho, ary nipetraka tao amin’ilay tranon’ny misionera, tao ambony rihan’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena nahafinaritra ny fitoriana tany, ary nahafaly tokoa ny nahafantatra an’ireo anadahy sy rahavavy teo an-toerana.

Faritany vaovao sy fiteny vaovao

Nihanandroso taona sy nihafarofy ny fianakaviako teto Gresy, rehefa nandeha ny fotoana. Tsy noheverin’izy ireo mihitsy anefa ny hoe hijanonako amin’ny fanompoana manontolo andro, ka hiverina tamin’ny fomba fiaina lazaina fa ara-dalàna, mba hikarakarana azy ireo. Nandinika lalina anefa aho sady nivavaka mafy, ka tsapako fa tsara kokoa raha nanompo tany amin’ny faritany akaikin’ny nisy azy ireo aho. Nanaiky izany tamim-pitiavana ireo anadahy tany amin’ny sampana, ka nanendry ahy ho any Italia. Vonona handoa ny saran-dalana ny fianakaviako. Nilana mpitory maro koa tany Italia tamin’izany.

Tsy maintsy nianatra fiteny vaovao indray aho, dia ny teny italianina. I Foggia no tanàna voalohany nanendrena ahy. Nafindra tany Naples aho tatỳ aoriana, satria nilana mpitory maro kokoa tany. Tany Polisipo no faritaniko. Anisan’ny faritra mahafinaritra indrindra any Naples izy io. Nidadasika ny faritaniko, ary mpitory iray ihany no tao. Tena nankafiziko ilay asa, ary afaka nanomboka fampianarana Baiboly maro aho, noho ny fanampian’i Jehovah. Nisy fiangonana lehibe tao, tatỳ aoriana.

Anisan’ireo Italianina nampianariko Baiboly voalohany, ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany efatra. Mbola Vavolombelon’i Jehovah izy sy ny zanany roa vavy hatramin’izao. Nisy mpivady nanan-janaka vavikely koa nampianariko Baiboly. Nandroso izy mianakavy, ary nanolo-tena sy natao batisa. Manambady mpanompon’i Jehovah mahatoky izao ilay zazavavy, ary mazoto manompo an’i Jehovah izy ireo. Tena niaiky ny herin’ny Tenin’Andriamanitra aho, rehefa nampianatra fianakaviana iray maro anaka. Namaky andinin-teny maromaro izahay, mba hampisehoana fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fivavahana amin’ny sary. Nanary ny sarivongana rehetra tao an-tranony avy hatrany ilay renim-pianakaviana, fa tsy niandry ny hifaranan’ilay fianarana akory! 

Niharan-doza tany an-dranomasina

Nandeha sambo foana aho, rehefa nivezivezy avy any Italia nanketo Gresy. Tena nahafinaritra foana ny dia, afa-tsy ilay teo antenatenan’ny taona 1971. Hiverina tany Italia aho tamin’izay, ary nandeha tamin’ny sambo Heleanna. Nisy afo nirehitra tao amin’ny lakozian’ilay sambo, ny 28 Aogositra vao maraina be. Niitatra ny afo ka nampisahotaka ny mpandeha. Safotra ny vehivavy, nitomany ny ankizy, ary ny lehilahy nitabataba sy nandrahona. Nihazakazaka ny olona namonjy ny lakan’aina teny amin’ny andaniny roa amin’ilay sambo. Sarotra anefa ny nampidina ireo lakan’aina, ary tsy ampy koa ny salotr’aina. Tsy mba nahazo salotr’aina aho, nefa efa niredareda be ny afo. Tsy nisy azoko natao afa-tsy ny nitsambikina tany an-dranomasina.

Nisy vehivavy nanao salotr’aina nitsinkafona teo akaikiko, rehefa tao anaty rano aho. Toa tsy nahay nilomano izy. Nobedaiko ny sandriny, ary nentiko nanalavitra an’ilay sambo nadiva hilentika izy. Nihanahery vaika ny onja. Niady mafy aho mba tsy hilentika, ary tena nandreraka ahy izany. Toa nampamoy fo ilay toe-javatra. Nivavaka tamin’i Jehovah foana anefa aho mba hananako herim-po, ary nampahery ahy izany. Nitamberina tao an-tsaiko ny zava-nitranga tamin’ny apostoly Paoly, tamin’izy vaky sambo.—Asan’ny Apostoly toko faha-27.

Sady nihazona an’ilay namako aho no niady tamin’ny onja, nandritra ny adiny efatra. Nilomano aho rehefa nanana hery hanaovana izany, sady nitalaho ny fanampian’i Jehovah. Nahatazana sambo kely iray aho, rehefa ela ny ela. Voavonjy aho, fa ilay namako kosa efa maty. Nentina tany amin’ny hopitaly aho, rehefa tonga tany amin’ny tanànan’i Bari, Italia, ary nahazo fitsaboana vonjimaika. Tsy maintsy nijanona tao amin’ny hopitaly aho, nandritra ny andro vitsivitsy. Maro ny Vavolombelona nitsidika ahy, sady nanome ahy izay nilaiko rehetra. Nampiaiky volana ny olona tao amin’ny hopitaly ny fitiavana kristianina nasehon’izy ireo. *

Voatendry ho any Roma aho, rehefa sitrana soa aman-tsara. Faritany be toeram-piasana tao afovoan-tanàna no nomena ahy. Afaka niasa tao nandritra ny dimy taona aho, noho ny fanampian’i Jehovah. Tiako ny fanompoana naharitra 20 taona nataoko tany Italia, ary lasa tena tiako ny Italianina.

Niverina teto Atena

Niharatsy ny fahasalaman’i Ariadne mivady. Noheveriko fa mety raha nipetraka tany akaikin-dry zareo aho, ka hanao izay azoko atao, mba ho setrin’ny fitiavana sy ny soa rehetra nataon’izy ireo tamiko. Tsy lavina fa nalahelo be aho rehefa handao an’i Italia. Namela ahy handeha anefa ireo anadahy tompon’andraikitra. Nanao ny asan’ny mpisava lalana teto Atena àry aho, nanomboka teo antenatenan’ny 1985. Teto koa no nanombohako nanompo manontolo andro, tamin’ny 1947.

Nitory tao amin’ny faritanin’ny fiangonanay aho. Nangataka tamin’ireo anadahy tao amin’ny biraon’ny sampana anefa aho, raha azoko natao koa ny nitory tao amin’ny faritany be toeram-piasana tao afovoan-tanàna. Nanao izany nandritra ny telo taona izahay sy ilay mpisava lalana namako. Afaka nitory tamin’ireo olona tsy tratra an-trano matetika izahay.

Nitombo hatrany ny faniriako hanompo rehefa nandeha ny fotoana, saingy nihena ny heriko. Efa maty ny zaodahiko. Efa tsy mahita intsony koa i Ariadne, ilay toy ny reniko. Salama tsara foana aho nandritra ireo taona nanompoako manontolo andro. Nianjera teo amin’ny tohatra vita tamin’ny marbra anefa aho vao haingana, ka tapaka ny sandriko havanana. Nianjera indray aho tatỳ aoriana, ka tapaka ny maojako. Tsy maintsy nodidiana aho, ary nijanona naharitra teo am-pandriana. Tsy afaka mandeha firy intsony aho izao. Mitondra tehina aho, ary tsy afaka mivoaka ny trano raha tsy misy olona miaraka amiko. Manao izay vitako anefa aho, ary manantena fa mbola hihatsara ny fahasalamako. Tena faly sy afa-po aho, satria mbola afaka mampianatra Baiboly, na dia tsy mahavita firy intsony aza.

Tena velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho, rehefa mahatsiaro ireo taona nahafinaritra nanompoako manontolo andro. Natokako hanompoana azy ny fiainako. Ny tari-dalana mahasoa, sy ny fanampiana sarobidy avy taminy sy ny fandaminany eto an-tany anefa, no nahafahako nampiasa ny fahaizako tamin’ny fomba feno. Ny tena faniriako, dia ny hanomezan’i Jehovah ahy hery hanompoana azy hatrany. Izy no mitarika ny asa fampianarana Baiboly maneran-tany, ary faly aho mba nandray anjara kely tamin’izany.—Malakia 3:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Jereo ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1995 (frantsay) pejy 73-90, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ Mitantara an’ilay loza amin’ny an-tsipiriany ny Mifohaza! (frantsay) 8 Jona 1972, pejy 12-16.

[Sary, pejy 9]

Izahay sy Ariadne rahavaviko ary i Michalis vadiny, tamin’izaho ho any Gileada

[Sary, pejy 10]

Voatendry ho any Istanbul, Torkia, izahay sy Ruth Hemmig

[Sary, pejy 11]

Tany Italia, teo am-piandohan’ireo taona 1970

[Sary, pejy 12]

Izahay sy Ariadne rahavaviko, ankehitriny