Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Hoy ny Deoteronomia 14:21: “Aza homana izay maty ho azy.” Izany ve tsy mifanohitra amin’ny Levitikosy 11:40 hoe: “Izay mihinana amin’ny fatiny dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan’ny andro”?

Tsy mifanohitra mihitsy ireo andininy ireo. Ny Deoteronomia 14:21 dia mamerina fotsiny ilay lalàna mandrara ny fihinanana biby maty ho azy, na noviraviraim-biby. (Eksodosy 22:30; Levitikosy 22:8) Ny Levitikosy 11:40 kosa dia manazava izay tokony hataon’ny Israelita mety ho nandika azy io tsy nahy.

Mety horaran’ny Lalàna ny fanaovana zavatra iray. Izany akory tsy midika hoe hankatò azy io foana ny olona. Nisy, ohatra, lalàna nandrara ny halatra, vonoan’olona, fijoroana ho vavolombelona mandainga, sy ny sisa. Nisy koa anefa ny sazy ho an’izay nandika an’ireny lalàna avy amin’Andriamanitra ireny. Asehon’ireny sazy ireny àry fa tena zava-dehibe ny lalàna, ka tokony hankatoavina.

Ho naloto teo imason’i Jehovah ny olona nandika ny lalàna momba ny fihinanana biby maty ho azy. Tsy maintsy nanaraka ny fombafomba fidiovana notakina taminy àry izy. “Ho meloka” kosa izy, raha tsy nanadio ny tenany araka ny tokony ho izy.—Levitikosy 17:15, 16.