Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitadiavana Fiadanan-tsaina

Fitadiavana Fiadanan-tsaina

Fitadiavana Fiadanan-tsaina

MANAN-JANAKA roa mahafatifaty i Albert, ary sambatra tokoa ny tokantranony. Tsapany anefa fa nisy zavatra tsy ampy teo amin’ny fiainany. Nisy fotoana nahasahirana azy nitady asa, ka lasa niditra tamin’ny politika izy. Nanjary mpikambana nafana fo tao amin’ny antoko kominista tao an-tanànany mihitsy izy.

Tsy ela anefa dia nandiso fanantenana an’i Albert ny Kominisma. Tsy nanao politika intsony àry izy, fa nanokana ny fotoanany rehetra ho an’ny fianakaviany. Ny hahasambatra azy ireo no lasa zava-kendreny teo amin’ny fiainana. Mbola tsapany ihany anefa fa nisy zavatra tsy ampy teo amin’ny fiainany. Tsy nety nahatsapa tena fiadanan-tsaina izy.

Olona maro be no toa an’i Albert. An-tapitrisany no manandrana manaraka firehan-kevitra, filozofia ary fivavahana samihafa, mba hananany zava-kendrena mahafa-po eo amin’ny fiainana. Tany amin’ireo taona 1960, ohatra, dia nisy antokon’olona nantsoina hoe hippies tany amin’ny tany tandrefana. Nanohitra ny fitsipi-pitondran-tena sy ny fitsipika hafa narahin’ny fiaraha-monina izy ireo. Nanana karazana mpitondra fivavahana izy ireo, ary nanaraka ny filozofia nampianarin’izy ireny sady nampiasa zava-mahadomelina. Mba hahitana fahasambarana sy zava-kendrena eo amin’ny fiainana no antony nanaovany izany, ary ny tanora no tena voasarik’ilay izy. Tsy nitondra tena fahasambarana anefa izany, fa nahatonga ny zatovo hiankin-doha tamin’ny zava-mahadomelina sy haloto fitondran-tena kosa. Vao mainka nisafotofoto ny fitsipi-pitondran-tena.

Efa hatramin’ny taonjato maro, dia be dia be ny olona manangon-karena, mikatsaka fahefana, na mandranto fianarana ambony, mba hahitana fahasambarana. Diso fanantenana anefa izy ireo tamin’ny farany. Hoy i Jesosy: “Na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.” (Lioka 12:15) Matetika no tsy sambatra ny olona tapa-kevitra ny hanan-karena. Milaza ny Baiboly hoe: “Izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanan-karena dia latsaka ao amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny faniriana maro tsy misy antony sady manimba, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fanimban-tena. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny karazan-javatra ratsy rehetra. Ary nikely aina ho amin’izany ny sasany, ka ... nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.”—1 Timoty 6:9, 10.

Ahoana àry no ahitana fiadanan-tsaina sy zava-kendrena eo amin’ny fiainana? Voatery hanandranandrana foana ve isika, ka toy ny hoe mitsapatsapa ao anatin’ny haizina? Soa ihany fa tsy izany. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka fa hiadan-tsaina isika, raha manome fahafaham-po ny faniriana iray tena lehibe mampiavaka ny olombelona.

[Sary, pejy 3]

Hiadan-tsaina ve ianao raha mikatsaka harena, sy fahefana, ary mandranto fianarana ambony?