Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpanjaka Voalohany

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpanjaka Voalohany

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpanjaka Voalohany

“RAHA mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka; fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy.” (Ohabolana 29:2) Manamarina tsara izany ny bokin’ny Mpanjaka Voalohany ao amin’ny Baiboly. Voatantara ao ny fiainan’i Solomona. Nanjary niadana sy nanan-karena be ny firenen’Israely, nandritra ny fotoana nanjakany. Voalaza ao amin’ny Mpanjaka Voalohany, fa nizara roa ilay firenena taorian’ny nahafatesan’i Solomona. Hita ao koa ny tantaran’ireo mpanjaka 14 nandimby azy tany Israely sy Joda. Ny roa tamin’ireo ihany no tsy nivadika tamin’i Jehovah mandra-pahafatiny. Resahina ao koa ny asa nataon’ny mpaminany enina, anisan’izany i Elia.

I Jeremia mpaminany no nanoratra io boky io tany Jerosalema sy Joda, ary zava-nitranga nandritra ny 129 taona teo ho eo no voatantara ao (1040 T.K. ka hatramin’ny 911 T.K.). Azo inoana fa nandinika asa soratra tranainy toy “ny bokin’ny tantaran’i Solomona” i Jeremia, rehefa nanoratra azy io. Tsy misy intsony anefa ireny boky tranainy ireny ankehitriny.—1 Mpanjaka 11:41; 14:19; 15:7.

MPANJAKA HENDRY NITONDRA FIADANANA SY HARENA

(1 Mpanjaka 1:1–11:43)

Manomboka amin’ny tantara iray mahaliana ny Mpanjaka Voalohany. Saika haka ny toeran-drainy i Adonia, zanakalahin’i Davida Mpanjaka. Nandamòka anefa ilay tetika satria nanao zavatra avy hatrany i Natana mpaminany, ka i Solomona zanak’i Davida no lasa mpanjaka. Nahafaly an’i Jehovah ny fangatahan’ilay mpanjaka vaovao, ka nomeny “saina hendry sady mahiratra” ary “harena sy voninahitra” izy. (1 Mpanjaka 3:12, 13) Tsy nanan-tsahala ny fahendren’ilay mpanjaka, ary tsy nisy nanan-karena toa azy. Niadana sy nanan-karena tokoa ny Israely tamin’izay.

Maro ny trano nokasain’i Solomona haorina, ary anisan’ny efa vitany ny tempolin’i Jehovah sy ireo tranom-panjakana. Nanome toky azy i Jehovah fa ‘hampitoeriny mandrakizay amin’ny Israely ny seza fiandrianan’ny fanjakany’, raha mankatò azy foana ilay mpanjaka. (1 Mpanjaka 9:4, 5) Nampitandrina azy ny amin’ny vokatry ny tsy fankatoavana koa ilay Andriamanitra marina. Nanjary nanana vady maro hafa firenena anefa i Solomona. Nitaona azy hanaraka fivavahan-diso izy ireny, rehefa nihantitra izy. Nilaza àry i Jehovah fa hizara ny fanjakany. Maty i Solomona tamin’ny 997 T.K., rehefa avy nanjaka 40 taona. I Rehoboama zanany lahy indray no nandimby azy.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:5—Nahoana i Adonia no nitady handrombaka ny fanjakana, nefa i Davida mbola velona? Tsy milaza ny antony ny Baiboly. Azo inoana fa efa maty i Amnona sy Absaloma zokin’i Adonia ary i Kileaba zanak’i Davida, tamin’izay. Nieritreritra àry i Adonia fa zony ny ho lasa mpanjaka, satria izy no lahimatoa tamin’ireo zanakalahin’i Davida mbola velona. (2 Samoela 3:2-4; 13:28, 29; 18:14-17) Natoky angamba izy fa hahomby ny tetiny, satria efa azony ny fanohanan’i Joaba, lehilahy nahery sady komandin’ny miaramila, sy Abiatara, mpisoronabe to teny. Tsy milaza ny Baiboly raha efa fantany na tsia ny fikasan’i Davida hanao an’i Solomona ho mpandimby azy. Tsy nanasa an’i Solomona sy ny olon-kafa tsy nivadika tamin’i Davida anefa i Adonia, rehefa nanao fanatitra. (1 Mpanjaka 1:9, 10) Mety ho nidika izany fa nihevitra an’i Solomona ho rafy izy.

1:49-53; 2:13-25—Nahoana i Solomona no namono nahafaty an’i Adonia, nefa efa namela ny helony? Niangavy an’i Batseba i Adonia, mba ho any amin’ny mpanjaka hangataka an’i Abisaga ho vadiny. Tsy nahatakatra ny tena anton’ilay fangatahana i Batseba, fa i Solomona kosa nahatakatra. Noheverina ho anisan’ny vaditsindranon’i Davida mantsy i Abisaga tsara tarehy, na dia tsy nanaovany firaisana aza. Izay mpandimby ara-dalàna an’i Davida ihany no tokony ho tompony, raha ny fomba tamin’izany no narahina. Nieritreritra angamba i Adonia fa nety hahazo ny fanjakana ihany izy, raha lasa vadiny i Abisaga. Tsy namela ny helok’i Adonia intsony àry i Solomona, satria takany fa ny faniriana hanjaka no nahatonga an’i Adonia hanao ilay fangatahana.

6:37–8:2—Oviana no nitokanana ny tempoly? Vita ny tempoly tamin’ny taona faha-11 nanjakan’i Solomona, ny volana fahavalo tamin’ny taona 1027 T.K. Toa naharitra 11 volana ny fametrahana ny fanaka sy ny fanomanana hafa. Azo antoka àry fa ny volana fahafito tamin’ny taona 1026 T.K. no nitokanana ny tempoly. Talohan’ny niresahana ilay fitokanana, dia voalaza fa nisy trano hafa koa naorina rehefa vita izy io. Natao izany mba hanazavana bebe kokoa ny fizotran’ny asa fanorenana tamin’izany.—2 Tantara 5:1-3.

9:10-13—Tsy nandika ny Lalàn’i Mosesy ve i Solomona rehefa nanome tanàna 20 tany Galilia ho an’i Hirama, Mpanjakan’i Tyro? Ny faritra nonenan’ny Israelita ihany angamba no voakasik’ilay Lalàna ao amin’ny Levitikosy 25:23, 24. Mety ho tsy Israelita no nonina tao amin’ireo tanàna nomen’i Solomona an’i Hirama, na dia tao amin’ny Tany Nampanantenaina ihany aza no nisy azy ireo. (Eksodosy 23:31) Mety ho nampiseho koa izany fa tsy nankatò an-tsakany sy an-davany ny Lalàna i Solomona. ‘Nanana soavaly maro’ sy naka vady maro koa mantsy izy. (Deoteronomia 17:16, 17) Na ahoana na ahoana, dia tsy nahafaly an’i Hirama ilay fanomezana. Tsy tsara toerana angamba ireo tanàna ireo, na tsy voakarakaran’ireo mpanompo sampy nonina tao.

11:4—Mety ho lasa verivery saina ny olona rehefa antitra. Izany ve no nahatonga an’i Solomona hivadika? Toa tsy izany. Mbola tanora ihany i Solomona tamin’izy lasa mpanjaka, ka mbola tsy antitra be izy na dia efa nanjaka 40 taona aza. Tsy hoe nandao tanteraka an’i Jehovah koa izy, fa toa niezaka nanao karazana firaisam-pinoana.

Lesona ho antsika:

2:26, 27, 35. Tanteraka foana izay rehetra lazain’i Jehovah. Tanteraka “ny tenin’i Jehovah, ilay nolazainy tao Silo ny amin’ny taranak’i Ely”, rehefa naongana tsy ho mpisorona i Abiatara, taranak’i Ely. Tanteraka koa ny Nomery 25:10-13 rehefa nasolo an’i Abiatara i Zadoka, taranak’i Finehasa.—Eksodosy 6:25; 1 Samoela 2:31; 3:12; 1 Tantara 24:3.

2:37, 41-46. Mampidi-doza ny fieritreretana fa mety ho afa-maina ny olona mandika ny lalàn’Andriamanitra! Hizaka ny vokatry ny fanapahan-kevitra ratsy noraisiny, ny olona minia miala amin’ny ‘lalana ety mankany amin’ny fiainana.’—Matio 7:14.

3:9, 12-14. Mamaly ny vavaka avy amin’ny fo ataon’ny mpanompony i Jehovah, rehefa mangataka fahendrena sy fahakingan-tsaina ary tari-dalana izy ireo, mba hanompoany azy.—Jakoba 1:5.

8:22-53. Endrey ny halalin’ny fankasitrahan’i Solomona an’i Jehovah, ilay Andriamanitra be fitiavana sy hatsaram-panahy, Mpanatanteraka fikasana, ary Mpihaino vavaka! Hankasitraka kokoa ireo toetran’i Jehovah ireo sy ny maro hafa isika, raha misaintsaina an’io vavaka nataon’i Solomona tamin’ny fitokanana io.

11:9-14, 23, 26. Nanangana fahavalo hanohitra an’i Solomona i Jehovah, rehefa tsy nankatò azy intsony izy nandritra ny fahanterany. “Andriamanitra manohitra ny manambony tena, fa maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa kosa amin’ny manetry tena”, hoy ny apostoly Petera.—1 Petera 5:5.

11:30-40. Nitady hamono an’i Jeroboama i Solomona Mpanjaka, rehefa nahare ny faminanian’i Ahia momba an’i Jeroboama. Hafa tanteraka anefa ny fihetsik’ilay mpanjaka 40 taona talohan’izay, tamin’izy tsy nety namaly faty an’i Adonia sy ireo mpikomy hafa! (1 Mpanjaka 1:50-53) Noho izy nandao an’i Jehovah no nampiova azy toy izany.

FANJAKANA IRAY NIZARA ROA

(1 Mpanjaka 12:1–22:54)

Nankany amin’i Rehoboama Mpanjaka i Jeroboama sy ny vahoaka, mba hangataka azy hanamaivana ny fanompoana mafy nampanaovin’i Solomona rainy azy ireo. Tsy nanaiky anefa i Rehoboama, fa vao mainka aza nilaza fa hampitombo ny enta-mavesatr’izy ireo. Nikomy àry ny foko folo, ary nanao an’i Jeroboama ho mpanjakany. Nizara ilay fanjakana. I Rehoboama nitondra ny fanjakana tany atsimo, izany hoe ny fokon’i Joda sy Benjamina, fa i Jeroboama kosa nanjaka tamin’ireo foko folon’ny Israely tany avaratra.

Nanao ombilahy volamena roa i Jeroboama mba tsy hankanesan’ny olona hivavaka tany Jerosalema. Nataony tany Dana ny ombilahy iray ary tany Betela ilay iray hafa. Ireto avy no mpanjakan’ny Israely nandimby an’i Jeroboama: Nadaba, Basa, Elaha, Zimry, Tibny, Omry, Ahaba, ary Ahazia. Ry Abia, Asa, Josafata, ary Jehorama kosa no nandimby an’i Rehoboama tany Joda. Ireto avy no mpaminany tamin’ny andron’ireo mpanjaka ireo: Ahia, Semaia, lehilahin’Andriamanitra iray tsy fantatra anarana, Jeho, Elia, ary Mikaia.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

18:21—Nahoana no tsy namaly ny vahoaka, rehefa nasain’i Elia hanaraka an’i Jehovah na i Bala? Nahatsiaro tena ho meloka angamba izy ireo, satria fantany fa tsy nankatoavin’izy ireo ilay didy hivavaka amin’i Jehovah irery ihany. Na mety ho efa donto be ny feon’ny fieritreretany, ka tsy hitany ny naha ratsy ny hoe sady nanompo an’i Bala no nihambo ho nanompo an’i Jehovah. Rehefa avy nampiseho ny heriny i Jehovah, vao niaiky izy ireo hoe: “Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.”—1 Mpanjaka 18:39.

20:34—Nampian’i Jehovah i Ahaba ka nandresy ny Syrianina. Nahoana anefa izy no tsy namono an’i Beni-hadada Mpanjakan’i Syria? Tsy namono an’i Beni-hadada i Ahaba fa nanao fifanekena taminy. Nifanaiky izy ireo fa homena lalambe any Damaskosy, renivohitr’i Syria, i Ahaba, angamba mba hanaovany tsena. Efa nanao raharaham-barotra teny amin’ny lalan’i Samaria koa ny rain’i Beni-hadada. Novotsorana àry i Beni-hadada mba hahafahan’i Ahaba hanao raharaham-barotra tany Damaskosy.

Lesona ho antsika:

12:13, 14. Tokony haka torohevitra amin’ny olona hendry sy matotra, izay mahalala tsara ny Soratra Masina sy manaja fatratra ny toro lalan’Andriamanitra isika, rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe.

13:11-24. Tokony hampitahaina amin’ny tari-dalana feno fahendrena avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny torohevitra na soso-kevitra rehetra mampisalasala, na dia avy amin’ny mpiara-manompo tso-po aza.—1 Jaona 4:1.

14:13. Mitady izay tsara ao amintsika i Jehovah. Afaka mampitombo ny toetra tsara ao anatintsika izy, na dia kely toy inona aza izy io, raha manompo azy araka izay fara herintsika isika.

15:10-13. Tsy maintsy manana herim-po isika, mba handavana ny fivadiham-pinoana sy hampandrosoana ny fivavahana marina.

17:10-16. Takatr’ilay mpitondratena tany Zarefata fa mpaminany i Elia, ka noraisiny tsara. Nasehony tamin’ny asa ny finoany, ka notahin’i Jehovah izy. Voamarik’i Jehovah koa ny asa mampiseho finoana ataontsika ankehitriny, ary hamaly soa an’ireo manohana amin’ny fomba samihafa ny asan’ilay Fanjakana izy.—Matio 6:33; 10:41, 42; Hebreo 6:10.

19:1-8. Afaka matoky isika fa hanampy antsika i Jehovah, rehefa tojo fanoherana mafy isika.—2 Korintianina 4:7-9.

19:10, 14, 18. Tsy irery mihitsy ny tena mpanompon’Andriamanitra, satria eo i Jehovah sy ny rahalahiny eran-tany.

19:11-13. Tsy herin’ny natiora toy ny rivotra na afo fotsiny i Jehovah.

20:11. Hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Beni-hadada, izay nirehareha fa handrava an’i Samaria: “Aoka izay vao misikina [na mampiditra akanjo fiarovana toy ny rehefa handeha hiady] tsy mba hirehareha tahaka ny efa mamaha” ny akanjo fiarovany, toy ny rehefa avy nandresy. Tsy tokony hatoky tena loatra na hirehareha isika, rehefa omena asa vaovao.—Ohabolana 27:1; Jakoba 4:13-16.

Tena sarobidy ho antsika

Rehefa nitantara ny nanomezana ny Lalàna teo an-tendrombohitra Sinay i Mosesy, dia hoy izy tamin’ny zanak’Israely: “Indro, izaho mametraka fitahiana sy ozona eo anoloanareo anio: fitahiana, raha hohenoinareo ny didin’i Jehovah Andriamanitrareo, izay andidiako anareo anio; ary ozona kosa, raha tsy hohenoinareo ny didin’i Jehovah Andriamanitrareo, fa hivily hiala amin’ny làlana izay andidiako anareo anio mba haleha ianareo.”—Deoteronomia 11:26-28.

Manasongadina an’io fahamarinana lehibe io tokoa ny bokin’ny Mpanjaka Voalohany! Mampianatra lesona sarobidy hafa ho antsika koa izy io, araka ny hitantsika teo. Velona sy mahery tokoa ny hafatra raketiny.—Hebreo 4:12.

[Sary, pejy 29]

Ny tempoly sy ny trano hafa naorin’i Solomona

[Sary, pejy 30, 31]

Hoy ny vahoaka rehefa avy nampiseho ny heriny i Jehovah: “Jehovah, Izy no Andriamanitra.”