Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahafoy Tena Izy Ireo

Mahafoy Tena Izy Ireo

Mahafoy Tena Izy Ireo

“NY OLONAO dia mazoto manolo-tena.” (Salamo 110:3) Misy heviny manokana ireo teny ireo ho an’ny kilasy faha-118, nanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana. Mampiofana mpitory ho misionera io sekoly io, mba hanampiana olona any an-tany hafa hanatona an’Andriamanitra. Ahoana no niomanan’ireo mpianatra 46 ireo? Hoy i Mike sy Stacie, anisan’io kilasy io: “Nanapa-kevitra ny hanana fiainana tsotra izahay, ka tsy variana loatra tamin’ny zavatra hafa, fa nanao ny fanompoana an’Andriamanitra ho loha laharana foana. Nandeha be ny varotra nataonay, nefa tsy namela izany hisakana anay tsy hanatratra tanjona teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izahay.” Nahafoy tena toa azy mivady koa ireo mpianatra hafa, ary mitory ilay Fanjakana any amin’ny kontinanta efatra izy ireo izao. 

Tamin’ny asabotsy 12 Martsa 2005 ny fizarana diplaoma, ary olona 6 843 no faly nanatrika izany. I Theodore Jaracz, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no nitarika ny fandaharana. Niarahaba tonga soa an’ireo vahiny avy any amin’ny firenena 28 izy, ary nanazava ny maha sarobidy ny fanabeazana ara-baiboly. Namerina ny tenin’i William Phelps, mpanabe amerikanina, izy hoe: “Tena azo lazaina ho nahita fianarana ny olona rehetra manana fahalalana lalina ny Baiboly.” Marina fa mahasoa ny fianarana, nefa tsara kokoa noho izany ny fanabeazana ara-baiboly. Manampy ny olona hahafantatra an’Andriamanitra izy io, ka hahafahany hiaina mandrakizay. (Jaona 17:3) Nidera ireo nahazo diplaoma ny Rahalahy Jaracz, noho izy ireo vonona handray anjara bebe kokoa amin’ilay fandaharam-pampianarana Baiboly ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, any amin’ny fiangonana 98 000 mahery.

Fampaherezana nilain’ireo misionera vaovao

Taorian’ny teny fanokafana, dia nandray ny fitenenana i William Samuelson, ka namelabelatra ny foto-kevitra hoe “Ahoana no Hahatonga Anao ho Tahaka ny Oliva Maitso ao An-tranon’Andriamanitra?”, miorina amin’ny Salamo 52:8. Nohazavainy fa natao hilazana zavatra mamokatra, tsara tarehy, ary mendrika, ny hazo oliva ao amin’ny Baiboly. (Jeremia 11:16) Nampitaha ireo mpianatra tamin’ny hazo oliva ny Rahalahy Samuelson. Hoy izy: “Ho tsara tarehy sy mendrika eo imason’Andriamanitra ianareo raha tsy mivadika, fa manohy mitory ilay Fanjakana any amin’izay anendrena anareo ho misionera.” Tokony hisandrahaka tsara ny fakan’ny hazo oliva mba tsy hahafaty azy, rehefa main-tany. Toy izany koa fa mila manana finoana lalim-paka ireo misionera mba ho afaka hiaritra ny tsy firaikan’ny olona, ny fanoherana, na ny fitsapana hafa mety ho hitany any amin’ny tany anendrena azy.—Matio 13:21; Kolosianina 2:6, 7.

Iray tamin’ireo rahalahy telo ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana nanatrika teo, ny Rahalahy John Barr. Izao no lohatenin’ny lahateniny: “Ianareo no Siran’ny Tany.” (Matio 5:13) Nohazavainy fa miaro ny sakafo tsy ho simba ny sira, ka toy izany ireo misionera mitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Mamonjy ny ain’ny olona mihaino azy ilay hafatra torina, satria miaro ny fitondran-tenany sy ny fihavanany amin’Andriamanitra mba tsy ho simba. Nampirisihin’ny Rahalahy Barr tamin-katsaram-panahy, avy eo, ireo misionera vaovao, mba ‘hihavana tsara hatrany’ amin’ny hafa. (Marka 9:50) Hoy izy: “Miezaha hanana ny vokatry ny fanahy, ary aoka hahafinaritra sy ho feno hatsaram-panahy foana ny teninao sy ny ataonao.”

“Mijanòna ao Anaty Sambo, ary Mandehana eny Amin’ny Lalina.” Io no lahateny nataon’ny Rahalahy Wallace Liverance, mpampianatra ao Gileada. Nohazavainy fa afaka miroso amin’ny lalana tokony halehany ny sambo, rehefa mandeha eny amin’ny rano lalina. Toy izany koa fa manampy antsika handroso ara-panahy ny fahatakarana “ny zava-dalin’Andriamanitra”, na ny fahamarinana momba ny fikasany sy ny fomba hanatanterahany izany. (1 Korintianina 2:10) Tsy handroso tsara isika raha mijanona eo amin’ny rano marivo, na “ny fampianarana fototra momba ny fanambarana masin’Andriamanitra.” Mety hahatonga antsika ho ‘vaky sambo ny amin’ny finoana’ mihitsy aza izany. (Hebreo 5:12, 13; 1 Timoty 1:19) Izao no famaranan-tenin’ny Rahalahy Liverance: “Enga anie ka hanatanjaka anareo hatrany ny ‘halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany’, any amin’izay anendrena anareo ho misionera.”—Romanina 11:33.

Izao no lohatenin’ny lahateny nataon’i Mark Noumair, mpampianatra ao Gileada: “Ho Mendrika ny Lovanareo ve Ianareo?” Nanjary natokisan’ny olona sy tena tsara laza ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, noho ny fitoriana tsara dia tsara nataon’ny misionera, nandritra ireo 60 taona lasa. (Genesisy 31:48) Lova tsara ho an’ireo misionera anisan’ny kilasy faha-118 izany. Nampirisika azy ireo ny Rahalahy Noumair, mba hanahaka ny Tekoita tamin’ny andron’i Nehemia, ka hanetry tena ary hiara-miasa amin’ny fiangonana sy ny misionera any amin’ny toerana anendrena azy. Nanariny koa izy ireo mba tsy hanahaka ireo “olona ambonimbony” niavonavona noresahin’i Nehemia, fa ho vonona kosa hiasa amim-panetren-tena sy tsy hisehoseho.—Nehemia 3:5.

Fitantarana sy fanadinadinana nianaran-javatra

Izao no lohatenin’ny tapany faharoa tamin’ilay fandaharana: “Tsy Nitsahatra Niroborobo ny Tenin’Andriamanitra.” (Asan’ny Apostoly 6:7) Teo ambany fitarihan’i Lawrence Bowen, mpampianatra ao Gileada, dia nataon’ireo mpianatra fampisehoana ny zavatra hitany teny amin’ny fanompoana nandritra ny fotoana niofanany tao Gileada. Hita fa nazoto nitory ny Tenin’Andriamanitra tokoa izy ireo, ka tena notahin’i Jehovah ny ezaka nataony.

Nanadinadina mpianakavin’ny Betela vitsivitsy, nanao asa nifandray akaiky tamin’ilay sekoly, ny Rahalahy Richard Ashe avy eo. Hita tamin’ny tenin’izy ireo, fa tena nanampy an’ireo mpianatra handray soa faran’izay betsaka tamin’ilay fiofanana, ny fianakavian’ny Betela. Nanadinadina rahalahy misionera telo nahazo diplaoma taloha i Geoffrey Jackson taorian’izay. Nasongadin’izy ireo, fa misy fomba maro ahafahan’ny misionera midera sy manome voninahitra an’i Jehovah. Hoy ny iray tamin’ireo rahalahy: “Dinihin’ny olona ny zavatra rehetra ataon’ny misionera. Mihaino izy ireo, mijery, ary mitadidy.” Nampirisihina àry ireo mpianatra hitadidy, fa mila manome ohatra tsara foana izy ireo. Tena hanampy izany torohevitra mahasoa izany amin’ny hoavy.

I Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny farany hoe “Mandehana Mitondra ny ‘Rano Velona.’ ” (Jaona 7:38) Nilaza izy fa nandray soa be dia be ireo misionera nandritra ireo dimy volana lasa, satria nandalina ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Hataon’izy ireo inona anefa izany fahalalana izany? Nampirisihin’ny Rahalahy Lett izy ireo hizara io ranon’ny fahamarinana io, mba hananan’ny olona “loharano ao anatiny, izay hiboiboika mba hanome fiainana mandrakizay.” (Jaona 4:14) Hoy koa izy: “Aza hadinoina mihitsy ny manome an’i Jehovah ny voninahitra tokony ho azy, satria izy no ‘loharanon’aina.’ Manàna faharetana rehefa mampianatra ireo olona nandao ny hain-tany ara-panahy tao amin’ny Babylona Lehibe.” (Jeremia 2:13) Teo am-pamaranana ny lahateniny, dia nampirisihin’ny Rahalahy Lett ireo nahazo diplaoma, mba hanahaka ny fanahy sy ny ampakarina ka hazoto hiteny tsy an-kijanona hoe: “ ‘Avia!’ Ary aoka ho avy izay mangetaheta. Ary izay maniry, aoka izy hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.”—Apokalypsy 22:17.

Namarana ny fandaharana ny Rahalahy Jaracz, tamin’ny famakiana firarian-tsoa avy any amin’ny tany samihafa. Taorian’izay, dia namaky taratasy fankasitrahana ny rahalahy iray anisan’ilay kilasy nomena diplaoma.

Hahafoy tena hanompo any amin’izay ilana mpitory maro kokoa ve ianao? Sahala amin’ireo mpianatra vao nahazo diplaoma ireo àry, dia manàna tanjona eo amin’ny fanompoanao an’Andriamanitra. Ho faly sy ho afa-po ianao raha mahafoy tena toy izany, ka ho lasa misionera any an-tany hafa, na hitory ao amin’ny taninao ihany.

[Efajoro, pejy 13]

ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY

Tany nanana solontena: 8

Tany nanendrena: 19

Mpianatra: 46

Salanisan-taona: 33

Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana: 16,5

Salanisan’ny taona nanompoana manontolo andro: 12,9

[Sary, pejy 15]

Ny Kilasy Faha-118 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada

Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.

1) Brockmeyer, A.; Moloney, S.; Symonds, N.; Lopez, Y.; Howard, C. 2) Jastrzebski, T.; Brown, D.; Hernandez, H.; Malagón, I.; Jones, A.; Connell, L. 3) Howard, J.; Lareau, E.; Shams, B.; Hayes, S.; Brown, O. 4) Burrell, J.; Hammer, M.; Mayer, A.; Kim, K.; Stanley, R.; Rainey, R. 5) Jastrzebski, P.; Zilavetz, K.; Ferris, S.; Torres, B.; Torres, F. 6) Connell, J.; Hernandez, R.; Moloney, M.; Malagón, J.; Shams, R.; Hayes, J. 7) Ferris, A.; Hammer, J.; Stanley, G.; Kim, C.; Symonds, S.; Lopez, D.; Burrell, D. 8) Brockmeyer, D.; Mayer, J.; Rainey, S.; Zilavetz, S.; Jones, R.; Lareau, J.