Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mitondra Teny Soa Mahafaly”

“Mitondra Teny Soa Mahafaly”

“Mitondra Teny Soa Mahafaly”

“Akory ny hatsaran’ny tongotr’irỳ mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra.”—ISAIA 52:7.

1, 2. a) Inona avy no zava-mahatsiravina mitranga isan’andro? b) Manao ahoana ny olona maro rehefa mandre vaovao ratsy foana?

 TOA tsy mahare afa-tsy vaovao ratsy ny olona eran-tany ankehitriny. Mandefa radio izy ireo, dia mahare vaovao mampahatahotra momba ny aretina mahafaty, izay mandrahona ny mponin’ny tany. Mijery vaovao amin’ny tele izy ireo, dia tsy afaka ao an-tsainy ny sarin’ireo ankizy mosarena mitalaho fanampiana. Mamaky gazety indray izy ireo, dia mahita fa nisy baomba nipoaka tany Ananona, izay nandrava trano sy nahafaty olona tsy manan-tsiny maro be.

2 Misy zava-mahatsiravina mitranga tokoa isan’andro. Miovaova ny sehatr’ity tontolo ity, ary vao mainka miharatsy aza. (1 Korintianina 7:31) Nilaza ny gazety eoropeanina iray fa misy fotoana toy ny hoe ‘hadiva ho levona’ ity tontolo ity. Tsy mahagaga àry raha mihabetsaka hatrany ny olona kivy! Nisy fanadihadiana natao, indray mandeha, momba ny fiheveran’ny olona an’ireo vaovao mandeha amin’ny tele any Etazonia. Azo antoka fa olona maro no hiray hevitra amin’ity lehilahy ity, izay namaly hoe: ‘Kivy tanteraka aho rehefa avy mijery vaovao. Tsy misy afa-tsy vaovao ratsy mantsy, ka mahatsiaro ho tsy afa-manoatra aho.’

Vaovao tokony ho ren’ny rehetra

3. a) Inona ny vaovao tsara resahin’ny Baiboly? b) Nahoana no sarobidy aminao ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana?

3 Mba misy vaovao tsara ihany ve eto amin’ity tontolo mahakivy ity? Eny tokoa! Mampahery ny mahafantatra fa misy vaovao tsara ao amin’ny Baiboly. Milaza izy io fa tsy hisy intsony ny aretina, hanoanana, heloka bevava, ady, ary ny fampahoriana maro samy hafa, rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. (Salamo 46:9; 72:12) Tsy tokony handre izany vaovao izany ve ny olona rehetra? Izany tokoa no fahitan’ny Vavolombelon’i Jehovah azy. Fantatra hatraiza hatraiza àry izy ireo, noho ny fiezahany hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny olona avy amin’ny firenena rehetra.—Matio 24:14.

4. Inona ireo lafin-javatra hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity sy ny lahatsoratra manaraka?

4 Ahoana anefa no ahitana fifaliana sy fahombiazana foana eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara, na dia any amin’ny faritany tsy mandray firy aza? (Lioka 8:15) Azo antoka fa hanampy antsika hanao izany ny fandinihana indray ny lafiny telo lehibe amin’ny asa fitoriantsika. Hodinihintsika: 1) Ny antony itoriantsika, na nahoana isika no mitory; 2) ny hafatra entintsika, na inona no torintsika; ary 3) ny fomba fiasantsika, na amin’ny fomba ahoana no itoriantsika. Ho afaka handre ny vaovao tsara indrindra, dia ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny karazan’olona rehetra, raha tsara foana ny antony manosika antsika hitory, mazava ny hafatra entintsika, ary mahomby ny fomba fiasantsika. *

Nahoana isika no mitory ny vaovao tsara?

5. a) Inona no antony lehibe indrindra manosika antsika hanao fanompoana? b) Nahoana no azo lazaina fa tia an’Andriamanitra isika, rehefa mankatò ilay didy hitory?

5 Hodinihintsika aloha ny lafiny voalohany, izany hoe ny antony itoriantsika. Nahoana tokoa moa isika no mitory ny vaovao tsara? Mitovy amin’ny antony nitorian’i Jesosy ihany. Hoy izy: “Tiako ny Ray.” (Jaona 14:31; Salamo 40:8) Ny fitiavantsika an’Andriamanitra no antony lehibe indrindra manosika antsika hitory. (Matio 22:37, 38) Ampifandraisin’ny Baiboly ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fanompoana. Hoy izy io: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny itandremantsika ny didiny.” (1 Jaona 5:3; Jaona 14:21) Anisan’ny didin’Andriamanitra koa ve ilay hoe ‘mandehana manao mpianatra’? (Matio 28:19) Izany tokoa. Marina aloha fa i Jesosy no nilaza ireo teny ireo, nefa i Jehovah no nandidy izany raha ny tena izy. Hoy mantsy i Jesosy: “Tsy manao na inona na inona araka ny nahim-poko aho, fa araka izay nampianarin’ny Ray ahy no ilazako izany.” (Jaona 8:28; Matio 17:5) Asehontsika àry fa tia an’i Jehovah isika, raha mankatò ilay didy hitory.

6. Nahoana ny fitiavana an’Andriamanitra no manosika antsika hitory?

6 Manosika antsika hitory koa ny fitiavana an’i Jehovah, satria tiantsika hoporofoina fa diso ny lainga aelin’i Satana momba azy. (2 Korintianina 4:4) Nilaza i Satana fa tsy ara-drariny ny fitondran’Andriamanitra. (Genesisy 3:1-5) Vavolombelon’i Jehovah isika, ka irintsika ny hanamasina ny anarany eo anatrehan’ny olona, sy hampiharihary fa mpandainga i Satana. (Isaia 43:10-12) Manao fanompoana koa isika, satria nanjary fantatsika ny toetran’i Jehovah sy ny lalany. Mahatsiaro ho akaiky azy isika, ka irintsika mafy ny hiresaka amin’ny hafa momba azy. Tena mahafaly antsika ny hatsaran’i Jehovah sy ny lalany marina, ka tsy ho afaka ny tsy hiresaka momba azy isika. (Salamo 145:7-12) Voatosika hidera azy sy hiresaka momba ny ‘hatsaran-toetrany’ amin’ireo mihaino antsika isika.—1 Petera 2:9; Isaia 43:21.

7. Ankoatra ny fitiavana an’Andriamanitra, inona koa no antony lehibe itoriantsika?

7 Misy antony lehibe hafa tokony hitoriantsika hatrany: Irintsika ny hitondra fanamaivanana ho an’ireo olona mijaly sy tototry ny vaovao ratsy. Miezaka manahaka an’i Jesosy isika, rehefa manao izany. Diniho, ohatra, ny fitantarana ao amin’ny Marka toko faha-6.

8. Inona no tsapan’i Jesosy rehefa nahita an’ilay vahoaka, araka ny Marka toko faha-6?

8 Avy nitory ireo apostoly, ary nitantara tamin’i Jesosy izay rehetra nataony sy nampianariny. Voamarik’i Jesosy fa reraka izy ireo, ka nasainy niaraka taminy mba ‘hiala sasatra kely.’ Nandeha sambokely ho any amin’ny toerana mangina àry izy ireo. Nihazakazaka nanaraka ny moron-drano anefa ny vahoaka, ka nahatratra azy ireo. Inona no nataon’i Jesosy tamin’izay? “Nahita vahoaka be [izy]. Nangoraka azy ireo anefa izy, satria toy ny ondry tsy misy mpiandry ireo. Ary nanomboka nampianatra azy zavatra maro izy.” (Marka 6:31-34) Ny fangoraham-po no nanosika an’i Jesosy hitory foana na dia efa reraka aza izy. Nahatsapa ny fahorian’ilay vahoaka izy, ary onena tokoa.

9. Inona no ianarantsika avy amin’ny Marka toko faha-6, momba ny antony tsara tokony hitoriantsika?

9 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Adidintsika Kristianina ny mitory ny vaovao tsara sy manao mpianatra. Andraikitsika izany, satria sitrapon’Andriamanitra “ny hamonjena ny karazan’olona rehetra.” (1 Timoty 2:4) Tsy fanefana adidy fotsiny anefa no manosika antsika hitory, fa fangoraham-po koa. Voatosika hanao izay azontsika atao isika mba hilazana hatrany ny vaovao tsara amin’ny olona, raha mangoraka azy ireo toa an’i Jesosy. (Matio 22:39) Hazoto hitory ny vaovao tsara foana isika, raha antony tsara toy izany no manosika antsika hanompo.

Ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana no hafatra entintsika

10, 11. a) Ahoana no ilazan’i Isaia ny hafatra torintsika? b) Ahoana no nanambaran’i Jesosy ny vaovao mahafaly, ary ahoana no anahafan’ny mpanompon’Andriamanitra azy ankehitriny?

10 Ahoana indray ny amin’ilay lafiny faharoa amin’ny asa fitoriana, dia ny hafatra entintsika? Inona tokoa moa no torintsika? Mahafinaritra ny fomba nilazan’ny mpaminany Isaia ny hafatra torintsika. Hoy izy: “Akory ny hatsaran’ny tongotr’irỳ mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin’i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!”—Isaia 52:7.

11 Ilay teny hoe “Mpanjaka Andriamanitrao” no hevi-dehibe ao amin’io andininy io. Mampahatsiahy antsika ilay hafatra tsy maintsy torintsika izy io, dia ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Marka 13:10) Asongadina eo koa fa tena mampahery ny hafatra entintsika, satria miresaka “teny soa mahafaly” sy “fiadanana” ary “famonjena.” Nanatanteraka tamin’ny fomba niavaka an’io faminaniana io i Jesosy Kristy, tamin’ny taonjato voalohany, taonjato maro taorian’i Isaia. Nazoto tokoa izy nanambara ny vaovao mahafaly, dia ny fiavian’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Lioka 4:43) Manahaka an’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, indrindra fa nanomboka tamin’ny 1919. Mazoto izy ireo manambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra efa niorina, sy ny fitahiana hoentin’izy io.

12. Inona no soa azon’izay manaiky ny vaovao tsara?

12 Inona no soa azon’izay manaiky ny vaovao tsara? Lasa manana fanantenana izy ireo sady mahazo fampiononana, toy ny tamin’ny andron’i Jesosy ihany. (Romanina 12:12; 15:4) Manjary velom-panantenana ireo olona tso-po, satria misy antony marim-pototra inoany fa misy hoavy tsara kokoa miandry azy ireo. (Matio 6:9, 10; 2 Petera 3:13) Manampy an’ireo olona matahotra an’Andriamanitra hiandrandra hoavy sambatra foana ny fanantenana toy izany. Milaza ny mpanao salamo fa “tsy mba manahinahy hahare loza” izy ireo.—Salamo 112:1, 7.

Hafatra “hahasitrana ny torotoro fo”

13. Milaza i Isaia mpaminany fa mahazo fitahiana dieny izao ireo manaiky ny vaovao tsara. Inona avy izany?

13 Mahazo fanamaivanana sy fitahiana dieny izao koa, ireo mihaino ny vaovao tsara torintsika. Amin’ny fomba ahoana? Nilaza mialoha ny fitahiana sasany i Isaia mpaminany. Hoy izy: “Ny Fanahin’i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ny mazava, hitory taona ankasitrahan’i Jehovah sy andro famalian’Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra.”—Isaia 61:1, 2; Lioka 4:16-21.

14. a) Nahoana ny hafatra momba ilay Fanjakana no lazaina fa ‘mahasitrana ny torotoro fo’? b) Ahoana no hanehoantsika fiahiana toa an’i Jehovah?

14 Resahin’io faminaniana io fa “hahasitrana ny torotoro fo” i Jesosy, rehefa mitory ny vaovao tsara. Misy heviny lalina tokoa ilay sarin-teny nampiasain’i Isaia! Izao no anazavan’ny diksionera ara-baiboly ny hevitr’ilay teny hebreo nadika hoe ‘manasitrana’: “Ampiasaina io teny io matetika mba hilazana ‘famonosana fery’ amin’ny lamba, rehefa mitsabo sy manasitrana olona maratra.” Maka lamba kely angamba ny mpitsabo iray be fiahiana, ary feheziny amin’iny ilay faritra maratra, mba hanampiana an’ilay olona ho sitrana. Manampy an’izay rehetra mijaly nefa vonona hihaino koa ireo mpitory be fiahiana, rehefa mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana. Maneho fiahiana toa an’i Jehovah izy ireo, rehefa mampahery an’ireo mila fanampiana. (Ezekiela 34:15, 16) Hoy mantsy ny mpanao salamo momba an’Andriamanitra: “Mahasitrana ny torotoro fo Izy sy mamehy ny feriny.”—Salamo 147:3.

Misy heriny lehibe ny hafatra momba ilay Fanjakana

15, 16. Hazavao amin’ny ohatra fa manampy sy mampahery an’ireo mila fanampiana, ny hafatra momba ilay Fanjakana.

15 Maro ny ohatra mampiseho fa tena manampy sy mampahery an’ireo torotoro fo ny hafatra momba ilay Fanjakana. Tsy te ho velona intsony, ohatra, i Oreanna, vehivavy zokiolona nipetraka tany Amerika Atsimo. Nanomboka nitsidika azy ny Vavolombelon’i Jehovah iray, ary namaky taminy ny Baiboly sy Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. * Natory teo am-pandriana sady nikimpy io vehivavy ketraka io tamin’ny voalohany, rehefa nihaino ny vakiteny, ary nisento lalina tsindraindray. Niezaka nipetraka teo ambony fandriana anefa izy, tsy ela taorian’izay, rehefa nihaino ilay vakiteny. Nipetraka teo ambony seza, tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny kosa izy, tatỳ aoriana, rehefa niandry ny hiavian’ilay olona hampianatra Baiboly azy. Nanomboka nanatrika fivoriana kristianina, tany amin’ny Efitrano Fanjakana io vehivavy io, rehefa nandeha ny fotoana. Nampahery azy ny zavatra nianarany tany. Nanomboka nizara gazety ara-baiboly tamin’ny olona nandalo teo akaikin’ny tranony àry izy. Lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa i Oreanna, tamin’izy 93 taona. Nahatonga azy hankamamy ny fiainana indray, ny hafatra momba ilay Fanjakana.—Ohabolana 15:30; 16:24.

16 Tena mampahery an’ireo marary tsy mety ho sitrana intsony koa, ny hafatra momba ilay Fanjakana. Izany no nitranga tamin’i Maria, avy any Eoropa Andrefana. Namoy fo izy, satria narary mafy ary tsy maintsy ho faty. Ketraka mafy izy tamin’izy notsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Lasa nisy heviny anefa ny fiainany, rehefa nianatra momba ny fikasan’Andriamanitra izy. Natao batisa izy, ary tena nazoto nitory. Nisoritra teny amin’ny endriny ny hafaliany sy ny fanantenany, nandritra ireo roa taona talohan’ny nahafatesany. Nino mafy i Maria fa hatsangana amin’ny maty.—Romanina 8:38, 39.

17. a) Hazavao fa misy heriny lehibe eo amin’ny fiainan’ireo mandray azy ny hafatra momba ilay Fanjakana. b) Ahoana no nahatsapanao fa “mampitraka izay rehetra mitanondrika” tokoa i Jehovah?

17 Asehon’ireny fitantarana ireny, fa misy heriny lehibe eo amin’ny fiainan’ireo tena te handre ny fahamarinana ara-baiboly, ny hafatra momba ilay Fanjakana. Mahazo hery indray ireo nidonam-pahoriana, rehefa fantany fa mbola hatsangana ny maty. (1 Tesalonianina 4:13) Lasa mahatsiaro ho misy vidiny sy manana herim-po indray ireo mitrongy vao homana, rehefa mahafantatra fa tsy hahafoy azy mihitsy i Jehovah raha tsy mivadika aminy izy ireo. (Salamo 37:28) Mihamatanja-tsaina ary mety ho sitrana mihitsy aza, ireo olona ao anatin’ny famoizam-po, noho ny fanampian’i Jehovah. (Salamo 40:1, 2) “Mampitraka izay rehetra mitanondrika” tokoa i Jehovah ankehitriny, amin’ny alalan’ny Teniny izay manome hery azy ireo. (Salamo 145:14) Mampionona an’ireo torotoro fo eo anivon’ny fiangonana sy ao amin’ny faritanintsika, ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Manana ny vaovao tsara indrindra tokoa àry isika ankehitriny!—Salamo 51:17.

‘Mitalaho amin’Andriamanitra ho azy ireo aho’

18. Tsy nandray ny vaovao tsara ny Jiosy. Inona no vokatr’izany teo amin’i Paoly, ary nahoana?

18 Maro no tsy mandray ny hafatra entintsika, na dia mirakitra ny vaovao tsara indrindra aza izy io. Inona no mety ho vokatr’izany eo amintsika? Toy izay nitranga tamin’ny apostoly Paoly ihany. Nitory matetika tamin’ny Jiosy izy, nefa tsy nandray ny hafatra momba ny famonjena ny ankamaroan’izy ireo. Tena nampalahelo an’i Paoly izany. Hoy izy: “Malahelo mafy sy ory foana aho ato am-poko ato.” (Romanina 9:2) Nangoraka an’ireo Jiosy nitoriany i Paoly, ary nalahelo izy rehefa tsy nandray ny vaovao tsara izy ireo.

19. a) Nahoana no tsy mahagaga raha kivy isika indraindray? b) Inona no nanampy an’i Paoly hitory hatrany?

19 Ny fangoraham-po koa no manosika antsika hitory ny vaovao tsara. Tsy mahagaga àry raha kivy isika, rehefa maro no tsy mandray. Midika izany, fa tena tiantsika hifandray tsara amin’Andriamanitra ireo olona itoriantsika. Tokony hitadidy ny ohatry ny apostoly Paoly anefa isika. Inona no nanampy azy hitory hatrany? Marina aloha fa nalahelo izy, rehefa tsy nandray ny vaovao tsara ny Jiosy. Tsy nilavo lefona anefa izy. Natoky izy, fa mbola hisy Jiosy handray an’i Kristy. Hoy mantsy izy momba ny Jiosy tsirairay: “Ny sitraky ny foko sy ny italahoako amin’Andriamanitra ho azy ireo dia ny mba hahazoany famonjena.”—Romanina 10:1.

20, 21. a) Ahoana no hanahafantsika an’i Paoly, rehefa manao fanompoana? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

20 Mariho ireo lafin-javatra roa nasongadin’i Paoly. Niriny ny hahazoan’ny Jiosy famonjena, ary nitalaho tamin’Andriamanitra momba izany izy. Manahaka an’i Paoly isika ankehitriny. Irintsika foana ny hahita olona manana toe-po tsara, ka mety handray ny vaovao tsara. Mivavaka amin’i Jehovah foana isika, mba hahita olona toy izany, ka ho afaka hanampy azy ireo hahazo famonjena.—Ohabolana 11:30; Ezekiela 33:11; Jaona 6:44.

21 Tsy ny antony itoriantsika sy ny hafatra entintsika ihany anefa no tokony hoeritreretintsika, mba hampitana ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’olona faran’izay betsaka. Mila mieritreritra ny fomba itoriantsika koa isika. Izany no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Ireo lafiny roa voalohany no hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity. Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny lafiny fahatelo.

^ Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Inona no Nianaranao?

• Nahoana isika no manao fanompoana?

• Inona ilay hafatra lehibe torintsika?

• Inona no fitahiana azon’ireo mandray ny hafatra momba ilay Fanjakana?

• Inona no hanampy antsika hanompo hatrany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Mampahery an’ireo torotoro fo ny hafatra momba ilay Fanjakana

[Sary, pejy 20]

Manampy antsika haharitra amin’ny fanompoana ny vavaka