Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Sambatra ny Mahatsapa fa Mila An’Andriamanitra”

“Sambatra ny Mahatsapa fa Mila An’Andriamanitra”

“Sambatra ny Mahatsapa fa Mila An’Andriamanitra”

MISIOTSIOKA ny vorona matetika rehefa mifoha maraina, ary manidina mba hitady sakafo. Mody ao amin’ny akaniny izy ny hariva, misiotsioka elaela kely indray, ary matory. Maka vady izy rehefa mandeha ny fotoana, manatody, ary mitaiza ny zanany. Saika mitovitovy amin’izany daholo ny fiainan’ny biby.

Tsy toy izany anefa isika olombelona. Marina fa misakafo, matory ary miteraka isika, nefa tsy mianina amin’izany fotsiny ny ankamaroantsika. Tiantsika ho fantatra ny antony ahavelomantsika. Mitady zava-kendrena isika eo amin’ny fiainana, ary maniry hoavy sambatra. Ireo faniriana lalim-paka ireo no mahatonga ny olombelona hahatsapa fa mila an’Andriamanitra, ary izany no mampiavaka azy.

Noforonina tahaka ny endrik’Andriamanitra

Manazava ny antony ilan’ny olona an’Andriamanitra ny Baiboly. Hoy izy: “Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.” (Genesisy 1:27) Ny hoe noforonina “tahaka ny endrik’Andriamanitra” dia midika fa afaka manahaka ny toetrany sasany isika, na dia mpanota sy tsy lavorary aza. (Romanina 5:12) Afaka mamoron-javatra, ohatra, isika. Manana fahendrena sy mahay manavaka ny rariny isika, ary afaka maneho fitiavana tsy mitady valiny. Afaka mieritreritra ny lasa sy mitsinjo ny hoavy koa isika.—Ohabolana 4:7; Mpitoriteny 3:1, 11; Mika 6:8; Jaona 13:34; 1 Jaona 4:8.

Efa ao anatintsika ao ny faniriana hivavaka amin’Andriamanitra, ka izany no tena mampiharihary fa mila azy isika. Tsy afaka mahita ny tena fahasambarana maharitra isika, raha tsy manatsara ny fifandraisantsika amin’ny Mpamorona antsika. Hoy i Jesosy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Matio 5:3) Mila miezaka anefa isika mba hahalala ny marina momba an’Andriamanitra, sy ny fitsipiny ary ny fikasany momba ny olombelona. Ahoana no ahafantarantsika izany? Ao amin’ny Baiboly.

“Ny teninao no fahamarinana”

Hoy ny apostoly Paoly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso.” (2 Timoty 3:16) Mifanaraka tamin’ny vavaka nataon’i Jesosy tamin’Andriamanitra, ireo tenin’i Paoly ireo. Hoy izy: “Ny teninao no fahamarinana.” Fantatsika fa ny Baiboly Masina no mirakitra izany Teny izany. Tsara àry raha hamarinintsika ao, ny zavatra inoantsika sy ny fitsipi-pitondran-tena arahintsika.—Jaona 17:17.

Manahaka ireo mponina tany Beria fahiny isika, raha ampitahaintsika amin’ny Tenin’Andriamanitra ny zavatra inoantsika. Nohamarinin’izy ireo mantsy raha nifanaraka tamin’ny Soratra Masina ny fampianaran’i Paoly. Tsy nanakiana azy ireo tamin’izany i Lioka, fa nidera azy kosa. Hoy izy: “Faran’izay nazoto nandray ny teny izy ireo, ka nandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro hahitana raha izany tokoa no izy.” (Asan’ny Apostoly 17:11) Tena mila manahaka an’ireo Berianina nanana toe-tsaina tsara ireo isika. Maro mantsy ankehitriny ny fampianarana mifanipaka, na eo amin’ny fivavahana izany na eo amin’ny fitondran-tena.

Mba hahafantarana ny fahamarinana, dia ilaina koa ny mijery ny vokatr’izy io eo amin’ny fiainan’ny olona manaraka azy. (Matio 7:17) Tokony hahatonga ny olona iray ho vady, ray na reny tsara kokoa, ohatra, ny fanarahana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Hampitombo ny fahasambaram-pianakaviana izany, ary hahatonga ilay olona ho afa-po kokoa amin’ny fiainana. Nilaza i Jesosy fa ‘sambatra izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany.’—Lioka 11:28.

Ireo tenin’i Jesosy ireo dia mampahatsiahy antsika ny tenin’ilay Rainy any an-danitra tamin’ny Israelita fahiny. Hoy izy: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao. Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao.” (Isaia 48:17, 18) Azo antoka fa hanaiky izany fiangaviana amim-pitiavana izany ny olona rehetra tia ny fahatsarana sy ny fahamarinana.

Aleon’ny sasany “zavatra mahafinaritra ny sofiny”

Nanao io fiangaviana amim-pitiavana io tamin’ireo Israelita Andriamanitra, noho izy ireo voafitaky ny lainga ara-pivavahana. (Salamo 106:35-40) Tsy maintsy mitandrina koa àry isika sao voafitaky ny fampianaran-diso. Hoy i Paoly momba ireo mitonona ho Kristianina: “Ho avy ... ny fotoana tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana mahasoa ka hanangonany mpampianatra ho an’ny tenany, araka izay iriny, mba handrenesany zavatra mahafinaritra ny sofiny. Ary tsy hihaino ny fahamarinana intsony izy, fa hivily kosa ho amin’ny tantara tsy marina.”—2 Timoty 4:3, 4.

Milaza zavatra mahafinaritra ny sofin’ny olona ireo mpitondra fivavahana, rehefa manala tsiny ny fanao ratsy toy ny firaisan’ny olona tsy mpivady, ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ary ny fimamoana. Milaza mazava tsara anefa ny Baiboly fa “tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra” ny olona mankasitraka ireny fanao ireny sy ireo manao izany.—1 Korintianina 6:9, 10; Romanina 1:24-32.

Tsy isalasalana fa mila herim-po ianao raha te hanaraka ny fitsipiky ny Baiboly, indrindra fa rehefa misy maneso. Azo atao tsara anefa izany. Nisy olona maro nandevozin’ny zava-mahadomelina, mpimamo, mpijangajanga, jiolahy, mpangalatra ary mpandainga, nefa lasa Vavolombelon’i Jehovah. Niova izy ireo satria nandray am-po ny Tenin’Andriamanitra, ary nampian’ny fanahy masina mba “handeha mendrika an’i Jehovah.” (Kolosianina 1:9, 10; 1 Korintianina 6:11) Nihavana tamin’Andriamanitra izy ireo, ka lasa miadan-tsaina sy manantena hoavy sambatra. Inona izany hoavy sambatra izany?

Ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana

Mampanantena ny Baiboly fa hiaina ao anatin’ny fiadanana maharitra ny olombelona mankatò, ary ny Fanjakan’Andriamanitra no hanatanteraka izany. Nilaza i Jesosy tao amin’ilay vavaka modely hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:10) Tsy misy afa-tsy ny Fanjakan’Andriamanitra tokoa no ho afaka hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra etỳ an-tany. Nahoana? Satria io fitondram-panjakana any an-danitra tarihin’i Jesosy Kristy io, no hampiasain’Andriamanitra hampihatra ny zony hitondra ny tany.—Salamo 2:7-12; Daniela 7:13, 14.

Mpanjakan’io Fanjakana any an-danitra io i Jesosy, ary hanafaka ny olombelona amin’ny karazana fanandevozana rehetra. Anisan’izany ny ota, izay toy ny tandra vadin-koditra, nolovana avy tamin’i Adama, sy ny aretina ary ny fahafatesana vokatr’izany. Hoy ny Apokalypsy 21:3, 4: “Indro, eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra ... Ary hofafany [Jehovah Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”

Hanjaka maneran-tany ny fiadanana maharitra. Nahoana no azo antoka izany? Satria hoy ny Isaia 11:9: “Tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy [ny olom-pehezin’ilay Fanjakana]; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” Hahalala ny marina momba an’Andriamanitra sy hankatò azy tokoa ny olona rehetra eto an-tany. Tsy mahafaly anao ve izany fanantenana izany? Raha izany no izy, dia izao no fotoana tokony hanombohanao handray “fahalalana an’i Jehovah” izay sarobidy tokoa.

Hihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana ve ianao?

Hanafoana ny asan’i Satana rehetra Andriamanitra amin’ny alalan’ilay Fanjakany, ary hampianatra ny olona ny lalany marina. Tsy mahagaga àry raha io Fanjakana io no foto-kevitry ny fampianaran’i Jesosy. Hoy izy: “Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra ... aho, fa izany no nanirahana ahy.” (Lioka 4:43) Nandidy ny mpianany hampita io hafatra io tamin’ny olona izy. (Matio 28:19, 20) Nilaza mialoha izy hoe: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14) Efa mananontanona io farany io. Tena ilain’ny olona tso-po àry ny mihaino io vaovao tsara mamonjy aina io!

Nandre ny hafatra momba ilay Fanjakana i Albert, ilay noresahina tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha. Nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mantsy ny vadiny sy ny zanany lahy. Nisalasala i Albert tamin’ny voalohany. Niantso ny mpitondra fivavahana iray tao an-tanànany mihitsy aza izy, mba hitsidika ny vadiny sy ny zanany lahy, ka hampiseho fa diso ny Vavolombelona. Tsy te hiditra tamin’ilay raharaha anefa ilay mpitondra fivavahana. Nanapa-kevitra àry i Albert fa hihaino ilay dinidinika momba ny Baiboly, mba hitadiavana izay diso tamin’ny fampianaran’ny Vavolombelona. Indray mandeha monja izy no nanao izany. Nanomboka nianatra avy hatrany izy taorian’izay, satria te handalina bebe kokoa. Nohazavainy, tatỳ aoriana, ny antony nampiova azy. Hoy izy: “Io mihitsy no efa notadiaviko hatramin’izay.”

Nahazo ny fanampiana nilainy mba hifandraisana amin’Andriamanitra ihany i Albert tamin’ny farany, ary tsy nanenina mihitsy izy. Nikaroka vahaolana amin’ny tsy rariny sy ny kolikoly manjaka eto an-tany izy nandritra ny androm-piainany, ary nitady fanantenana momba ny hoavy. Nanampy azy hahita izany ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, ary nanome azy fiadanan-tsaina. Mahazo izay ilainao mba hifandraisana amin’Andriamanitra koa ve ianao? Nahoana raha maka fotoana mba hamakiana ireo fanontaniana ao amin’ilay efajoro eo amin’ny pejy faha-6? Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao, raha mila fanazavana fanampiny ianao.

[Efajoro/Sary, pejy 6]

MAHAZO IZAY ILAINA MBA HIFANDRAISANA AMIN’ANDRIAMANITRA VE IANAO?

Mahafa-po anao ve ny sakafo ara-panahy raisinao? Manasa anao izahay hamaky ireto fanontaniana manaraka ireto, ary asio marika izay hainao valiana tsara.

□ Iza Andriamanitra, ary iza no anarany?

□ Iza i Jesosy Kristy? Nahoana izy no tsy maintsy maty? Inona no soa azonao raisina noho ny nahafatesany, ary ahoana no handraisanao izany soa izany?

□ Misy ve ny Devoly? Raha eny, ahoana no nampisy azy?

□ Inona no mitranga amintsika rehefa maty isika?

□ Inona no fikasan’Andriamanitra momba ny tany sy ny olombelona?

□ Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

□ Inona avy ireo fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena?

□ Inona avy ireo andraikitra nomen’Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy manambady? Milazà toro lalana ara-baiboly sasany manatsara ny fiainam-pianakaviana.

Raha tsy hainao tsara ny valin’ny sasany amin’ireo fanontaniana ireo, dia azonao atao ny mangataka ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fiteny 300 eo ho eo io bokikely io. Manazava foto-kevitra lehibe ara-baiboly 16 izy io, ary manome ny valin’ireo fanontaniana rehetra eo ambony ireo.

[Sary, pejy 4]

Mila mifandray amin’Andriamanitra ny olona, fa tsy toy ny biby

[Sary, pejy 5]

‘Hanangona mpampianatra ho an’ny tenany ny olona, mba handrenesany zavatra mahafinaritra ny sofiny.’—2 Timoty 4:3

[Sary, pejy 7]

Hitondra fiadanana maharitra eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’ny Mesia