Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra

Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra

Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra

“Ho vavolombeloko ... any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.”—ASAN’NY APOSTOLY 1:8.

1. Inona no tokony hoeritreretin’ny mpampianatra Baiboly, ary nahoana?

 TSY ny teny holazainy amin’ny mpianany ihany no eritreretin’ny mpampianatra mahay, fa ny fomba ilazany izany koa. Izany koa no ataontsika mpampianatra ny fahamarinana ara-baiboly. Mieritreritra ny hafatra torintsika sy ny fomba anaovantsika izany isika. Tsy miova ny hafatra torintsika, fa ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ihany. Ny fomba fitorintsika kosa no ampifanarahintsika amin’ny zava-misy. Nahoana? Mba ho faran’izay betsaka ny olona mandre an’io hafatra io.

2. Iza no tahafintsika rehefa mampifanaraka ny fomba fitorintsika amin’ny zava-misy isika?

2 Manahaka ny mpanompon’Andriamanitra fahiny isika, rehefa mampifanaraka ny fomba fitorintsika amin’ny zava-misy. Nilaza, ohatra, ny apostoly Paoly hoe: “Tamin’ny Jiosy dia tonga Jiosy aho ... Tamin’izay tsy manan-dalàna, dia tonga toy izay tsy manan-dalàna aho ... Tamin’ny malemy, dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy. Tonga zava-drehetra ho an’ny karazan’olona rehetra aho, mba hisy hovonjeko na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.” (1 Korintianina 9:19-23) Nahita vokatra i Paoly, rehefa nahay nampifanara-javatra. Hahita vokatra koa isika, raha mihevitra izay ilain’ny olona iresahantsika.

Hatrany amin’ny “vazan-tany rehetra”

3. a) Inona no zava-tsarotra atrehintsika mpitory? b) Hazavao fa tanteraka amin’ny androntsika ny Isaia 45:22.

3 Zava-tsarotra lehibe atrehin’ny mpitory ny vaovao tsara, ny haben’ny faritany. “Ny tany onenana” mantsy no itoriana. (Matio 24:14) Niezaka mafy nanely ny vaovao tsara tany amin’ny tany mbola tsy nitoriana mihitsy ny mpanompon’i Jehovah, tamin’ny taonjato lasa teo. Mahavariana ny fitaran’ny asa maneran-tany vokatr’izany. Tany vitsivitsy monja no nitoriana tany am-piandohan’ireo taona 1900, nefa tany 235 izao no misy Vavolombelon’i Jehovah! Ambara any amin’ny “vazan-tany rehetra” tokoa ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.—Isaia 45:22.

4, 5. a) Iza no mandray anjara lehibe amin’ny fanelezana ny vaovao tsara? b) Inona no nolazain’ny sampana sasany, momba ireo vahiny tonga manompo ao amin’ny faritany iandraiketany?

4 Inona no mahatonga izany fandrosoana izany? Maro ny antony. Manana anjara lehibe amin’izany ny misionera nampiofanina tany amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada. Ao koa ireo rahalahy maherin’ny 20 000 nahazo diplaoma avy amin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Betsaka koa ny Vavolombelona mianto-tena, izay mifindra any amin’ny tany ilana mpitory maro kokoa. Mandray anjara lehibe amin’ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana eran-tany ireo Kristianina be fandavan-tena ireo, na lahy izy na vavy, na kely na lehibe, ary na mpitovo na manambady. (Salamo 110:3; Romanina 10:18) Tena ankasitrahantsika izy ireny. Mariho ny nolazain’ny sampana sasany momba ireo vahiny tonga manompo any amin’izay faritra ilana mpitory maro kokoa, ao amin’ny faritany iandraiketany.

5 “Mitarika ny asa fitoriana any amin’ny faritra mitokana ireo Vavolombelona ireo, mandray anjara amin’ny fisian’ny fiangonana vaovao, ary manampy ireo rahalahy sy anabavy handroso.” (Ekoatera) “Raha voatery miala eto ireo vahiny an-jatony manompo eto, dia hisy fiantraikany eo amin’ny fiangonana izany. Fitahiana ho anay ny manana azy ireo.” (Repoblika Dominikanina) “Be dia be ny anabavy eo anivon’ny fiangonana. Efa ho ny telo ampahefatry ny mpivory izy ireo indraindray. (Salamo 68:11) Vaovao ao amin’ny fahamarinana ny ankamaroany. Mampiofana azy ireny anefa ireo anabavy mpitovo mpisava lalana avy any an-tany hafa. Tsy hay tombanana ny fanampian’izy ireo, ary tena tombontsoa ho anay ny manana azy!” (Tany iray any Eoropa Atsinanana) Efa nieritreritra ny hanompo any an-tany hafa ve ianao? *Asan’ny Apostoly 16:9, 10.

“Folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra”

6. Milaza tsy mivantana ny Zakaria 8:23, fa ho sarotra ny hitory amin’ny olona mampiasa fiteny samy hafa. Hazavao.

6 Zava-tsarotra lehibe koa ny fiteny maro samy hafa maneran-tany. Efa nilaza ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Amin’izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Zakaria 8:23) Mifanitsy amin’ny vahoaka be ao amin’ny Apokalypsy 7:9, ireo folo lahy ireo ankehitriny. Mariho anefa fa tsy milaza fotsiny ny faminanian’i Zakaria hoe avy amin’ny firenena rehetra izy ireo, fa “avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra” mihitsy. Tanteraka ve io tsipiriany lehibe amin’ilay faminaniana io? Eny tokoa.

7. Manomeza antontan’isa mampiseho fa mahare ny vaovao tsara ny olona “avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra.”

7 Ireto misy antontan’isa vitsivitsy: Nivoaka tamin’ny fiteny 90 ny boky sy gazetintsika, 50 taona lasa izay. Misy amin’ny fiteny 400 mahery anefa izany izao. Manao izay ho vitany “ny mpanompo mahatoky sy malina” mba hamoahana boky sy gazety, na dia amin’ny fiteny vitsy mpampiasa aza. (Matio 24:45) Misy boky sy gazety ara-baiboly, ohatra, amin’ny fiteny groenlandey (ampiasain’ny olona 47 000 eo ho eo), palau (15 000 eo ho eo), ary yap (latsaka ny 7 000).

“Varavarana lehibe” misokatra ho an’ny mpitory

8, 9. Inona no nahatonga “varavarana lehibe” iray hisokatra ho antsika, ary inona no nataon’ny Vavolombelona an’arivony manoloana izany?

8 Tsy voatery hankany an-tany hafa anefa isika, vao ho afaka hilaza ny vaovao tsara amin’ny olona avy amin’ny fiteny rehetra. An-tapitrisany mantsy tato ho ato, ny mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana nankany amin’ny tany manankarena. Mampiasa fiteny maro be izy ireny. Fiteny 100 eo ho eo, ohatra, no ampiasaina any Paris, Frantsa. Miisa 125 izany any Toronto, Kanada, ary maherin’ny 300 any Londres, Angletera! Misy amin’ireo vahiny ireo mipetraka ao amin’ny faritanin’ny fiangonana maro, ka toy ny hoe misy “varavarana lehibe” misokatra hitoriana ny vaovao tsara amin’ny firenena rehetra.—1 Korintianina 16:9.

9 Vavolombelona an’arivony no mianatra teny vahiny mba hiatrehana io zava-tsarotra io. Tsy mora amin’ny ankamaroan’izy ireo ny manao izany. Valian-tsoa anefa ny fiezahany. Faly izy ireo manampy mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana hianatra ny fahamarinana ara-baiboly. Tato ho ato, dia efa ho ny antsasak’ireo natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tany amin’ny firenena iray any Eoropa Atsinanana, no avy any an-tany hafa.

10. Ahoana no nampiasanao ny bokikely Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra? (Jereo ny efajoro “Ny Mampiavaka ny Bokikely Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra”, pejy 26.)

10 Marina aloha fa tsy ho afaka hianatra teny vahiny ny ankamaroantsika. Afaka manampy ny mpifindra monina anefa isika, raha mampiasa tsara ilay bokikely vaovao hoe Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra. * Misy hafatra ara-baiboly mahaliana amin’ny fiteny maro ao anatiny. (Jaona 4:37) Mampiasa azy io ve ianao rehefa manompo?

Rehefa tsy mandray ny olona

11. Inona koa no zava-tsarotra hita any amin’ny faritany sasany?

11 Misy zava-tsarotra fahita koa, noho ny fitomboan’ny fitaoman’i Satana eto an-tany: Tsy mandray firy ny faritany sasany. Tsy mahagaga antsika izany satria efa nilaza izany mialoha i Jesosy. Hoy izy momba ny androntsika: “Hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro.” (Matio 24:12) Maro tokoa no lasa tsy mino an’Andriamanitra sy tsy manaja ny Baiboly. (2 Petera 3:3, 4) Noho izany, dia azo lazaina hoe vitsy ihany no lasa mpianatr’i Kristy any amin’ny tany sasany. Tsy midika anefa izany hoe very maina ny ezaka ataon’ireo rahalahy sy anabavintsika mitory tsy tapaka any amin’ireny faritany tsy mandray ireny. (Hebreo 6:10) Nahoana? Diniho izao.

12. Inona avy ireo tanjona roa eo amin’ny asa fitoriantsika?

12 Manana tanjona roa lehibe isika eo amin’ny asa fitoriantsika, araka ny asongadin’ny Filazantsaran’i Matio. Mitory isika mba ‘hanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.’ (Matio 28:19) Mitory koa isika mba ho “vavolombelona” ilay hafatra momba ilay Fanjakana. (Matio 24:14) Samy zava-dehibe ireo tanjona ireo, fa ilay faharoa no misy heviny manokana. Nahoana?

13, 14. a) Inona no lafiny iray misongadina amin’ny famantarana ny fanatrehan’i Kristy? b) Inona no tokony hotadidintsika, indrindra fa rehefa mitory amin’ny faritany tsy mandray firy?

13 Nanontany an’i Jesosy toy izao ny apostoly: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” (Matio 24:3) Namaly i Jesosy fa ny fitoriana eran-tany no anisan’ny famantarana hisongadina indrindra. Niresaka ny amin’ny asa fampianarana ve izy? Tsia. Hoy izy: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Matio 24:14) Nasehon’i Jesosy fa lafiny lehibe amin’ilay famantarana ny fitoriana ilay Fanjakana.

14 Tsara àry ny mitadidy fa efa mijoro ho “vavolombelona” isika rehefa mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, na dia tsy mety hianatra aza ny olona. Efa fantany ny ataontsika, na mandray izy na tsia, ka efa manatanteraka ny faminanian’i Jesosy isika. (Isaia 52:7; Apokalypsy 14:6, 7) Hoy i Jordy, Vavolombelona tanora any Eoropa Andrefana: “Faly be aho fa anisan’ireo ampiasain’i Jehovah mba hanatanteraka ny Matio 24:14.” (2 Korintianina 2:15-17) Azo antoka fa izany koa no tsapanao.

Rehefa toherina ny hafatra entintsika

15. a) Inona no efa nampitandreman’i Jesosy ny mpanara-dia azy? b) Inona no manampy antsika hitory na dia misy fanoherana aza?

15 Ny fanoherana no zava-tsarotra hafa atrehintsika mpitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Efa nampitandrina ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe: “Ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.” (Matio 24:9) Ankahalaina sy toherina ary enjehina ny mpanara-dia an’i Jesosy ankehitriny, toy ny Kristianina voalohany. (Asan’ny Apostoly 5:17, 18, 40; 2 Timoty 3:12; Apokalypsy 12:12, 17) Voararan’ny fitondram-panjakana ny asan’izy ireo any amin’ny tany sasany. Mbola mitory ny vaovao tsara foana anefa ny tena Kristianina any amin’ireny tany ireny, satria te hankatò an’Andriamanitra. (Amosa 3:8; Asan’ny Apostoly 5:29; 1 Petera 2:21) Ahoana no ahafahan’izy ireo sy ny Vavolombelona hafa rehetra, manao izany? Manome hery azy ireo amin’ny alalan’ny fanahiny masina i Jehovah.—Zakaria 4:6; Efesianina 3:16; 2 Timoty 4:17.

16. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa mifandray ny asa fitoriana sy ny fanahin’Andriamanitra?

16 Nasongadin’i Jesosy fa mifandray akaiky ny fanahin’Andriamanitra sy ny asa fitoriana. Hoy izy tamin’ny mpanara-dia azy: ‘Hahazo hery ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.’ (Asan’ny Apostoly 1:8; Apokalypsy 22:17) Zava-dehibe ny filaharan’ny hevitra ao amin’io andininy io. Mahazo ny fanahy masina aloha ny mpianatra, vao mitory maneran-tany. Tsy hanana hery hiaretana sy hijoroana ho “vavolombelona amin’ny firenena rehetra” izy ireo, raha tsy ampian’ny fanahin’Andriamanitra. (Matio 24:13, 14; Isaia 61:1, 2) Mety tsara àry ny niantsoan’i Jesosy ny fanahy masina hoe “mpanampy.” (Jaona 15:26) Nilaza izy fa hampianatra sy hitari-dalana ny mpianany izy io.—Jaona 14:16, 26; 16:13.

17. Ahoana no anampian’ny fanahy masina antsika, rehefa tojo fanoherana mahery vaika isika?

17 Ahoana no anampian’ny fanahin’Andriamanitra antsika, rehefa tojo fanoherana mahery vaika isika, noho ny fitoriana ny vaovao tsara? Manome hery antsika izy io, ary manohitra an’ireo manenjika antsika. Mampiseho izany ny zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Saoly Mpanjaka.

Toherin’ny fanahin’Andriamanitra

18. a) Inona no fiovana ratsy nitranga tamin’i Saoly? b) Inona no nataon’i Saoly mba hanenjehana an’i Davida?

18 Tsara fiandohana i Saoly, mpanjakan’ny Israely voalohany, nefa lasa tsy nankatò an’i Jehovah izy. (1 Samoela 10:1, 24; 11:14, 15; 15:17-23) Tsy nanampy azy intsony àry ny fanahin’Andriamanitra. I Davida, izay nohosorana ho mpanjaka handimby azy indray, no nampian’ny fanahin’Andriamanitra. Tezitra i Saoly, ka nampiasa herisetra taminy. (1 Samoela 16:1, 13, 14) Toy ny hoe tsy nanam-piarovana i Davida. Tsy nisy afa-tsy lokanga mantsy teny aminy, fa i Saoly kosa nanana lefona. Raha mbola nitendry lokanga i Davida indray andro, dia “natorak’i Saoly ny lefona; fa hoy izy: Hamely an’i Davida aho, ka hataoko miboroaka mihatra amin’ny rindrina. Fa Davida nisoroka indroa teo anatrehany.” (1 Samoela 18:10, 11) Nihaino ny tenin’i Jonatana zanany, naman’i Davida, i Saoly tatỳ aoriana, ka nianiana hoe: “Raha velona koa Jehovah, dia tsy hatao maty [i Davida].” Nikendry “hamely an’i Davida tamin’ny lefona” indray anefa izy avy eo, satria tiany ‘hatao miboroaka mihatra amin’ny rindrina’ izy. ‘Nisoroka niala teo anatrehan’i Saoly [anefa i Davida], ka ny rindrina no voan’ny lefona.’ Nandositra i Davida, nefa nenjehin’i Saoly. Lasa nanohitra an’i Saoly ny fanahin’Andriamanitra tamin’io fotoana nampidi-doza io. Tamin’ny fomba ahoana?—1 Samoela 19:6, 10.

19. Ahoana no niarovan’ny fanahin’Andriamanitra an’i Davida?

19 Nandositra tany amin’i Samoela mpaminany i Davida, ka naniraka olona hisambotra azy i Saoly. “Tonga tamin’ny irak’i Saoly [anefa] ny Fanahin’Andriamanitra, ka dia mba naminany koa izy” ireo, rehefa tonga tany amin’ny toerana niafenan’i Davida. Nanadino tanteraka ny iraka nampanaovina azy izy ireo, satria resin’ny fanahin’Andriamanitra. Indroa i Saoly no naniraka olona hisambotra an’i Davida taorian’izay, nefa nitovy foana ny nitranga. I Saoly Mpanjaka mihitsy no nankany amin’i Davida tamin’ny farany, nefa tsy nahatohitra ny fanahin’Andriamanitra koa izy. Tsy afa-nihetsika izy ‘nandritra iny andro sy alina iny’ noho ny herin’ny fanahy masina, ka nanam-potoana handosirana i Davida.—1 Samoela 19:20-24.

20. Inona no lesona tsoahintsika avy amin’ny nanenjehan’i Saoly an’i Davida?

20 Misy lesona mampahery tsoahina avy amin’io tantaran’i Saoly sy Davida io: Tsy afaka ny hahomby izay manenjika ny mpanompon’Andriamanitra, rehefa toherin’ny fanahy masina. (Salamo 46:11; 125:2) I Davida no efa nokasain’i Jehovah ho mpanjakan’ny Israely. Tsy nisy afaka nanova izany, na iza na iza. Raha ny amin’ny androntsika indray, dia efa nilaza i Jehovah fa ‘hotorina ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.’ Tsy misy mahasakana ny fahatanterahan’izany.—Asan’ny Apostoly 5:40, 42.

21. a) Inona no ataon’ny mpanohitra sasany ankehitriny? b) Inona no azontsika antoka?

21 Misy mpitondra fivavahana sy mpitondra fanjakana mampiasa lainga sy herisetra mihitsy aza, mba hanakantsakanana antsika. Niaro an’i Davida teo amin’ny lafiny ara-panahy anefa i Jehovah, ka hiaro ny vahoakany toy izany koa izy ankehitriny. (Malakia 3:6) Tsy misalasala àry isika milaza toa an’i Davida hoe: “Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ny olona amiko?” (Salamo 56:11; 121:1-8; Romanina 8:31) Enga anie isika hiatrika hatrany izay zava-tsarotra rehetra mety hipoitra, satria manampy antsika i Jehovah. Hanao hatrany ny asa nanirahany antsika isika, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny firenena rehetra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Jereo ny efajoro “Tena Afa-po Izy Ireo”, pejy 22.

^ Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tadidinao Ve?

• Nahoana no ampifanarahintsika amin’ny zava-misy ny fomba fitorintsika?

• Inona ilay “varavarana lehibe” misokatra ho an’ny mpitory?

• Mahavita manao inona isika na dia any amin’ny faritany tsy mandray firy aza?

• Nahoana no tsy misy mpanohitra mahasakana ny fitoriana ny vaovao tsara?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 22]

Tena Afa-po Izy Ireo

“Sambatra miara-manompo an’i Jehovah.” Izany no tsapan’ny fianakaviana iray avy any Espaina nifindra tany Bolivia. Nanampy antoko-mpitory tany mantsy ny zanakalahin’ilay fianakaviana. Hitan’ny ray aman-dreniny fa tena faly izy tany, ka tsy ela dia nifindra tany koa ny fianakaviany manontolo, izany hoe ny ray aman-dreniny sy ireo rahalahiny efatra (eo anelanelan’ny 14 sy 25 taona). Vao haingana izy no nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, ary mpisava lalana izao ny rahalahiny telo.

Avy any Kanada i Angelica, 30 taona, ary manompo any Eoropa Atsinanana. Hoy izy: “Be dia be ny zava-tsarotra atrehina, nefa mahafa-po ahy ny manampy ny olona hitako eny amin’ny fanompoana. Manohina ny foko koa ny tenim-pankasitrahana maro ataon’ireo Vavolombelona eo an-toerana. Matetika izy ireo no misaotra ahy, noho izaho tonga nanampy azy.”

Manompo any amin’ny Repoblika Dominikanina, ny mpirahavavy iray tam-po, 30 taona latsaka kely, avy any Etazonia. Hoy izy ireo: “Nila nizatra tamin’ny fomba aman-panao be dia be tsy nahazatra anay izahay. Naneho fikirizana ihany anefa izahay, ka fito izao ny olona ampianarinay Baiboly no efa mivory.” Nanampy antoko-mpitory tao amin’ny tanàna tsy nisy fiangonana izy mirahavavy ireo.

Telopolo taona latsaka kely i Laura, ary efa efa-taona mahery izy izao no manompo any an-tany hafa. Hoy izy: “Ataoko mihitsy izay hananana fiainana tsotra mba hahitan’ny mpitory, fa safidy sy fahendrena izany fa tsy fahantrana. Faly aho manampy ny hafa, indrindra fa ny tanora. Lasa maivana amiko kokoa àry ny miatrika ny olana amin’ny fanompoana atỳ an-tany hafa. Tsy hatakaloko fiainana hafa mihitsy ny fanompoako atỳ, ary hijanona atỳ aho raha mbola avelan’i Jehovah koa.”

[Efajoro/Sary, pejy 26]

Ny Mampiavaka ny Bokikely Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra

Misy hafatra nadika amin’ny fiteny 29 ao amin’ny bokikely Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra. Navantana amin’ny olona itoriana ilay hafatra. Toy ny hoe miresaka aminy àry ianao rehefa mamaky azy io izy.

Ny sarintanin’izao tontolo izao no hita rehefa sokafana izy io. Ampiasao io sarintany io mba hanombohan-dresaka amin’ny olona itorianao. Azonao tondroina angamba aloha ny tany misy anao, ary asehoy avy eo fa tianao ho fantatra hoe avy aiza izy. Mety hampirisika azy hiresaka izany, ka tsy ho sadaikatra na hihafahafa izy.

Mitanisa dingana vitsivitsy tokony harahina ilay bokikely ao amin’ny sasin-teniny, mba hahafahantsika hanampy tsara an’ireo olona mampiasa fiteny tsy haintsika. Iangaviana ianao hamaky tsara an’ireo dingana ireo, ary hampihatra izany an-tsakany sy an-davany.

Tsy ny fiteny hita ao amin’ilay bokikely ihany no ao amin’ny Fanondroam-pejy, fa ny litera famantarana azy koa. Manampy anao izany hamantatra ireo litera famantarana amin’ny taratasy mivalona sy ireo bokintsika amin’ny fiteny hafa.

[Sary]

Mampiasa ity bokikely ity ve ianao rehefa manompo?

[Sary, pejy 23]

Misy amin’ny fiteny 400 mahery izao ny boky sy gazetintsika ara-baiboly

GHANA

LAPONIE (SOEDA)

PHILIPPINES

[Sary, pejy 24, 25]

Afaka manompo any amin’ny toerana ilana mpitory ilay Fanjakana maro kokoa ve ianao?

EKOATERA

REPOBLIKA DOMINIKANINA