Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampianarana Marina Ankasitrahan’Andriamanitra

Fampianarana Marina Ankasitrahan’Andriamanitra

Fampianarana Marina Ankasitrahan’Andriamanitra

TSY maintsy mampahafantatra ny fampianarana marina sy ankasitrahany Andriamanitra, mba hahalalan’ny olona maneran-tany azy ireny. Tsy maintsy manao izay hahazoan’ny rehetra an’izany koa izy. Raha tsy izany, dia tsy ho fantatry ny olona mihitsy ny fampianarana sy fivavahana ary fitondran-tena ankasitrahany. Nanome fanazavana toy izany ve Andriamanitra? Raha eny, tamin’ny fomba ahoana?

Misy olona afaka mampita ny hafatr’Andriamanitra amin’ny olombelona rehetra eto an-tany ve? Tsia. Fohy mantsy ny androm-piainan’ny olona, ka tsy ho vitany mihitsy izany. Afaka manao izany anefa ny boky. Mety tsara àry ny nanoratana ny hafatra avy amin’Andriamanitra ao anaty boky. Anisan’ny boky tranainy milaza fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Hoy ny iray amin’ny mpanoratra azy io: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana.” (2 Timoty 3:16) Andeha àry isika handinika ny Baiboly, mba hahitana raha marina ny fampianarany.

Fotoana nisiany

Ny Baiboly no anisan’ny tranainy indrindra amin’ireo bokim-pivavahana lehibe. Tokony ho 3 500 taona lasa izay no nanoratana ny tapany voalohany tamin’izy io. Tamin’ny taona 98 kosa no vita ilay boky manontolo. Mirindra tsara ny zavatra resahin’ny Baiboly, na dia olona 40 teo ho eo aza no nanoratra azy, tao anatin’ny 1 600 taona. Izany no izy, satria avy amin’Andriamanitra izy io.

Ny Baiboly no boky miely patrana sy nadika tamin’ny fiteny maro indrindra teo amin’ny tantara. Baiboly manontolo na ampahany miisa 60 tapitrisa eo ho eo no voazara isan-taona. Efa voadika amin’ny fiteny sy fitenim-paritra 2 300 mahery ny Baiboly manontolo na ampahany. Maherin’ny 90 isan-jaton’ny fianakavian’olombelona no afaka mahazo Baiboly manontolo na ampahany aminy, amin’ny fitenin-drazany. Tsy voasakan’ny sisin-tany, na olana ara-pirazanana sy ara-poko, ny fielezan’io boky io.

Zavatra raketiny

Raha manana Baiboly ianao, nahoana raha sokafana izy io mba hahitana izay raketiny? * Jereo aloha ny fanondroam-pejy. Ahitana izany eo am-piandohan’ny Baiboly maro. Hita eo ny anaran’ny boky tsirairay sy ny pejy misy azy. Ho voamarikao fa fitambaram-boky maromaro ny Baiboly, ary samy manana ny anarany avy izy ireny. Ny Genesisy no boky voalohany, ary ny Apokalypsy no boky farany. Mizara roa ny Baiboly. Antsoina hoe Soratra Hebreo ny boky 39 voalohany, satria nosoratana tamin’ny teny hebreo ny ankamaroany. Nosoratana tamin’ny teny grika kosa ny boky 27 farany, izay antsoina hoe Soratra Grika. Misy miantso an’ireo fizarana roa ireo hoe Testamenta Taloha sy Testamenta Vaovao.

Misy toko sy andininy ny Baiboly mba hanamorana ny fijerena azy. Hahita andinin-teny ianao ato anatin’ity gazety ity. Ny tarehimarika voalohany aorian’ny anaran’ilay boky dia manondro ny toko, fa ny tarehimarika manaraka kosa manondro ny andininy. Ny hoe “2 Timoty 3:16”, ohatra, dia midika hoe Timoty Faharoa toko faha-3, andininy faha-16. Tadiavo raha hitanao io andinin-teny io.

Ny famakiana Baiboly tsy tapaka no fomba mahomby indrindra hahafantarana tsara azy io. Hitan’ny olona sasany fa tsara kokoa raha ny Soratra Grika no vakina voalohany, izany hoe manomboka amin’ny bokin’ny Matio. Ho vitanao ao anatin’ny herintaona ny Baiboly manontolo, raha mamaky toko telo na dimy isan’andro ianao. Ahoana anefa no hahazoanao antoka fa tena avy amin’Andriamanitra ny Baiboly?

Azonao itokiana ve ny Baiboly?

Tokony hirakitra torohevitra tsy tontan’ny ela momba ny fiainana ny boky nataon’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra. Mahafantatra tsara ny olombelona ilay nampanoratra ny Baiboly, hany ka azo ampiharina amin’ny taranaka rehetra ny torohevitra raketiny. Azo ampiharina tsara koa ny toro lalana raketin’izy io ankehitriny, toy ny tamin’ny fotoana nanoratana azy ihany. Mampiharihary izany ilay toriteny malaza nataon’i Jesosy Kristy, ilay nanorina ny Kristianisma. Hita ao amin’ny Matio toko faha-5 ka hatramin’ny faha-7 izy io, ary antsoina hoe Toriteny teo An-tendrombohitra. Tsy ny fomba hahitana ny tena fahasambarana ihany no hita ao, fa izay tokony hatao mba handaminana tsy fifanarahana koa. Resahiny koa ny fomba tokony hivavahana, ny fomba fijery mety momba ny zavatra ilaina eo amin’ny fiainana, sy ny sisa. Hazavaina tsara ao amin’io toriteny io, ary koa manerana ny Baiboly, izay tokony hatao sy tsy tokony hatao, mba hampifalina an’Andriamanitra sy hanatsarana ny fiainana.

Afaka mitoky amin’ny Baiboly koa ianao, satria mifanaraka amin’ny siansa ny zavatra lazainy. Tamin’ny fotoana ninoan’ny ankamaroan’ny olona, ohatra, fa fisaka ny tany, no efa nilazan’ny Baiboly fa toy ny “andohalambo” na boribory, izy io. * (Isaia 40:22, Fandikan-teny Katolika) Efa 3 000 taona mahery talohan’ny nilazan’Atoa Isaac Newton, mpahay siansa malaza, fa mihazona ny planeta eny amin’ny habakabaka ny hery misintona, no efa nilazan’ny Baiboly tamin’ny fomba kanto fa ‘mihantona amin’ny tsy misy’ ny tany. (Joba 26:7) Diniho koa ity fanazavana kanto momba ny tsingerin’ny rano ity, izay nosoratana 3 000 taona lasa izay: “Ny renirano rehetra dia samy mankamin’ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin’izay falehan’ny renirano ihany no iverenany indray.” (Mpitoriteny 1:7) Avy amin’ilay Mpamorona an’izao rehetra izao tokoa ny Baiboly.

Marina ara-tantara koa ny Baiboly, ary mbola manaporofo izany fa avy amin’Andriamanitra izy io. Tsy angano fotsiny ny zavatra tantarainy, fa mifandray amin’ny daty, olona, ary toerana voafaritra tsara. Lazain’ny Lioka 3:1, ohatra, ny zava-nitranga tamin’ny “taona fahadimy ambin’ny folo nanjakan’i Tiberio Kaisara, fony i Pontio Pilato no governoran’i Jodia, ary Heroda no lehibem-paritr’i Galilia.”

Ny fandresena sy ny toetra tsaran’ny mpitondra ihany mazàna no resahin’ny mpahay tantara fahiny. Milaza ny marina kosa ny mpanoratra Baiboly, ka tantarainy ao na dia ny fahadisoan’ny tenany aza. Niaiky toy izao, ohatra, i Davida, mpanjakan’ny Israely: “Efa nanota indrindra aho tamin’izao nataoko izao ... efa nanao fahadalana lehibe aho.” Nosoratana tamim-pahatsorana tao amin’ny Baiboly ireo teny ireo. (2 Samoela 24:10) Niresaka momba ny fotoana tsy nianteherany tamin’ilay Andriamanitra marina koa i Mosesy, mpanoratra Baiboly.—Nomery 20:12.

Mbola misy porofo hafa manamarina fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Tanteraka ireo faminaniana raketiny, na ireo filazana mialoha ny zavatra hitranga amin’ny hoavy. Mahakasika an’i Jesosy Kristy ny faminaniana sasany. Nolazaina tao amin’ny Soratra Hebreo, 700 taona mahery talohan’ny nahaterahany, fa ho teraka “ao Betlehema any Jodia” io Taranaka Nampanantenaina io.—Matio 2:1-6; Mika 5:1.

Diniho koa ity ohatra iray ity. Izao no lazain’ny Baiboly ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5: “Amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hiavonavona, ho mpanevateva, tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra, jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy.” Tsy izany ve no toetran’ny olona maro ankehitriny? Tamin’ny taona 65 anefa no nanoratana ireo teny ireo, izany hoe maherin’ny 1 900 taona lasa izay!

Inona no ampianarin’ny Baiboly antsika?

Ho hitanao fa mirakitra fahendrena ambony ny Baiboly, rehefa mamaky azy io ianao. Mahafa-po ny valiny omeny an’ireto fanontaniana ireto: Iza moa Andriamanitra? Tena misy ve ny Devoly? Iza moa i Jesosy Kristy? Nahoana no misy ny fijaliana? Inona no antenaintsika ho an’ireo havantsika efa nodimandry? Samy hafa ny fomba amalian’ny olona an’ireo fanontaniana ireo, arakaraka ny finoany sy ny fombafombany. Ao amin’ny Baiboly anefa no ahitana ny marina momba izany sy ny loha hevitra maro hafa. Ao koa no ahitana ny tari-dalana tsara indrindra momba ny fitondran-tena sy ny fihetsika mety rehefa eo anatrehan’ny olon-kafa sy ny manam-pahefana. *

Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fikasan’Andriamanitra mahakasika ny tany sy ny olombelona? Mampanantena izy io hoe: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy ... Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” (Salamo 37:10, 11) “Andriamanitra mihitsy no ho eo [amin’ny olombelona]. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:3, 4) “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.”—Salamo 37:29.

Milaza koa ny Baiboly fa hifarana tsy ho ela ny ady, heloka bevava, herisetra, ary ny faharatsiana. Tsy hisy intsony ny aretina, fahanterana, ary ny fahafatesana. Hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany ny olona. Fanantenana mahavelom-bolo tokoa izany! Izany no mampiseho fa tena tia ny olombelona Andriamanitra!

Inona no hataonao?

Fanomezana sarobidy avy amin’ny Mpamorona ny Baiboly. Tokony hataonao ahoana izy io? Nisy lehilahy hindoa nilaza fa tsy maintsy noraketina an-tsoratra tany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona ny hafatra avy amin’Andriamanitra, mba hahasoa ny olona rehetra. Nanapa-kevitra izy fa hamaky ny Baiboly sy handinika ny zavatra raketiny, rehefa fantany fa nosoratana talohan’ny Veda, asa soratra hindoa tranainy indrindra, ny ampahany amin’izy io. * Nahatsapa koa ny profesora iray ao amin’ny oniversite any Etazonia, fa mila mamaky an’io boky miely patrana indrindra eto an-tany io izy, alohan’ny hilazany ny heviny momba azy io.

Hahazo fitahiana tondraka ianao, raha mamaky ny Baiboly sy mampihatra izay ampianariny. Hoy izy io: ‘Sambatra ny olona mankasitraka ny lalàn’i Jehovah, sy misaintsaina izany andro aman-alina. [Ho] tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, izay mamoa amin’ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.’ * (Salamo 1:1-3) Ho sambatra ianao raha mianatra ny Baiboly sy misaintsaina ny zavatra lazainy, satria ho fantatrao ny momba an’Andriamanitra. (Matio 5:3) Hasehon’ny Baiboly aminao ny fomba hahombiazana eo amin’ny fiainana, sy ny fomba hiatrehana zava-manahirana. ‘Misy valiny lehibe [tokoa] ny fitandremana ny [lalàn’Andriamanitra raketin’ny Baiboly].’ (Salamo 19:11) Handray fitahiana dieny izao koa ianao, sady hanantena hoavy sambatra, raha matoky ny fampanantenan’Andriamanitra.

Mampirisika antsika toy izao ny Baiboly: “Toy ny zaza menavava, dia ataovy izay haniriana fatratra ny ronono tsy misy fangarony, dia ny rononon’ny teny.” (1 Petera 2:2) Mila nono ny zaza, ary tsy manaiky mihitsy izy raha tsy mahazo izany. Tena mila ny fahalalana avy amin’Andriamanitra koa isika. Ataovy àry izay “haniriana fatratra” ny Teniny. Mirakitra fampianarana marina avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Ataovy tanjona ny hianatra azy io tsy tapaka. Ho faly hanampy anao handray soa faran’izay betsaka avy amin’izany, ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny faritra misy anao. Asaina amim-pitiavana ianao hifandray amin’izy ireny. Na azonao atao ny manoratra amin’ny adiresin’ny mpampanonta an’ity gazety ity.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanome Baiboly anao, raha tsy manana ianao.

^ feh. 13 Azo adika hoe “bola” koa ilay teny tany am-boalohany nadika hoe “andohalambo” ao amin’ny Isaia 40:22. Misy fandikan-teny sasany mandika azy io hoe “ny gilaobin’ny tany” (Dikan-tenin’i Douay), “ny boriborin’ny tany.”—Moffatt.

^ feh. 19 Miresaka an’ireo loha hevitra ireo ilay boky hoe Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 23 Misy mihevitra fa efa ho 3 000 taona lasa izay no namoronana ny hiram-pivavahana voalohany ao amin’ny Veda, ary nampitaina am-bava izy ireny. “Tamin’ny taonjato fahefatra anefa vao nosoratana ny Veda”, hoy i P. Saratkumar, tao amin’ilay bokiny hoe Tantaran’i Inde (anglisy).

^ feh. 24 Jehovah no anaran’ilay Andriamanitra resahin’ny Baiboly. Hita ao amin’ny Salamo 83:18 izy io, ao amin’ny fandikan-teny maro.

[Sary, pejy 7]

“Ataovy izay haniriana fatratra” ny Tenin’Andriamanitra. Mianara Baiboly tsy tapaka

[Sary nahazoan-dalana, pejy 5]

NASA photo