Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Nampahazava’ Kokoa ny Baiboly ny Tranomboky Tranainy any Rosia

‘Nampahazava’ Kokoa ny Baiboly ny Tranomboky Tranainy any Rosia

‘Nampahazava’ Kokoa ny Baiboly ny Tranomboky Tranainy any Rosia

NITADY Baiboly sora-tanana tranainy ny manam-pahaizana roa. Samy namakivaky tany efitra izy ireo, nikaroka tao anaty lava-bato sy monasitera ary haram-bato nonenan’ny olona taloha. Nifanena tao amin’ny tranomboky tranainy indrindra any Rosia izy mirahalahy, taona maro tatỳ aoriana, ary napetrany tao ireo Baiboly sora-tanana anisan’ny niavaka indrindra hatramin’izay. Iza ireo lehilahy ireo? Nahoana no niafara tany Rosia ny zava-tsarobidy hitan’izy ireo?

Miaro ny Tenin’Andriamanitra ny sora-tanana fahiny

Tsy maintsy miverina any am-piandohan’ireo taona 1800 isika, raha te hahafantatra ny iray amin’ireo manam-pahaizana roa ireo. Nisy fiovana be tany Eoropa tamin’izay. Nandroso ny siansa ary maro ny zava-bita teo amin’ny lafiny kolontsaina. Lasa nisalasala ny amin’ny zavatra ninoany hatramin’izay àry ny olona. Nitady hampihen-danja ny Baiboly koa ny mpanao tsikera. Nisalasala ny amin’ny fahamarinan’izy io mihitsy aza ny manam-pahaizana.

Nisy olona tso-po mpiaro ny Baiboly nahatakatra, fa ireo sora-tanana fahiny (na dia mbola tsy hita aza tamin’izay) no ho afaka hiaro ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra. Ho voamarina fa tsy niova ny hafatra raketin’izy io, raha nahita Baiboly sora-tanana tranainy kokoa noho izay nisy tamin’izany izy ireo. Efa imbetsaka mantsy no nisy nitady hanapotika na hanova io hafatra io. Ho hita koa amin’izay hoe taiza no nisy fahadisoana vitsivitsy tafiditra tao amin’ny Baiboly.

Tany Alemaina no tena niadian-kevitra be ny fahamarinan’ny Baiboly. Nandao ny fiainana nampiadana nananany àry ny tovolahy iray, profesora tany amin’ny oniversite, mba hitady Baiboly sora-tanana. Anisan’ny niavaka indrindra hatramin’izay ny Baiboly hitany. Konstantin von Tischendorf no anaran’io manam-pahaizana momba ny Baiboly io. Tsy nanaiky ny hevitry ny mpitsikera ny Baiboly izy, ka niaro tamin’ny fomba niavaka ny fahamarinan’izy io. Tsy nanampo hahita izay notadiaviny izy, tamin’ny diany voalohany tany an’efitr’i Sinay, tamin’ny 1844. Nahita Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo efa tranainy (Soratra Hebreo nadika ho grika) izy, raha sendra nanopy ny masony tao anatin’ny fitoeram-pakon’ny monasitera iray. Io no fandikan-teny trainainy indrindra hita hatramin’izay! 

Dibo-kafaliana i Tischendorf ary afaka nahazo pejy 43 tamin’ilay Baiboly izy. Sombina pejy ihany anefa sisa no azony rehefa niverina tany izy tamin’ny 1853, na dia nino aza fa mbola nisy betsaka tao amin’ilay monasitera. Nankaiza ny sasany? Lany ny volan’i Tischendorf, ka nitady fanampiana tany amin’ny lehilahy iray mpanankarena izy. Nanapa-kevitra koa izy fa handao ny taniny indray, mba hitady sora-tanana tranainy. Nangataka ny hihaona tamin’ny mpanjakan’i Rosia anefa izy talohan’io diany io.

Nanjary liana ilay mpanjaka

Mety ho nanontany tena i Tischendorf hoe ahoana no handraisan’ny olona azy rehefa ho tonga any Rosia izy. Manam-pahaizana protestanta mantsy izy, nefa ny fivavahana ortodoksa no tena be mpanaraka tany amin’ny firenena midadasik’i Rosia. Soa ihany fa efa nisy fanovana sy fanatsarana maro tany. Nanjary nomen-danja ny fampianarana, ka nanorina ny Tranombokim-panjakanan’i Saint-Pétersbourg ny mpanjakavavy Catherine II (na Catherine Lehibe), tamin’ny 1795. Io no tranombokim-panjakana voalohany tany Rosia, ary maro be ny asa soratra azon’ny olona an-tapitrisany nojerena tao.

Anisan’ny tranomboky tsara indrindra tany Eoropa izy io, nefa nisy indro kely. Sora-tanana hebreo enina monja no tao, 50 taona taorian’ny nanorenana azy. Vitsy tokoa izany, raha ampitahaina amin’ny isan’ireo Rosianina te hianatra ny fiteny nanoratana ny Baiboly sy nandikana azy io. Nisy manam-pahaizana nalefan’i Catherine II hianatra teny hebreo tany amin’ireo oniversite eoropeanina. Nanjary nisy fianarana teny hebreo tany amin’ny seminera lehibe ortodoksa rosianina, rehefa niverina ireo manam-pahaizana ireo. Sambany koa izy ireo no nampiasa ny teny hebreo fahiny mba handikana tsara ny Baiboly tamin’ny teny rosianina. Tsy ampy anefa ny vola teo am-pelatanan’izy ireo, ary nanohitra azy ireo koa ny mpitondra fivavahana tsy tia fiovana. Mbola tsy nahita ny tena fahazavana àry ireo naniry hahafantatra ny Baiboly.

Takatry ny Mpanjaka Alexandre II fa zava-dehibe ny dia hataon’i Tischendorf, ka nanaiky hiantoka izay lany izy. Nitondra ny sisa tamin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo i Tischendorf, rehefa niverina avy tany Sinay, na dia nisy “nialona sy nanohitra mafy” aza. * Nantsoina hoe Codex Sinaiticus io fandikan-teny io, ary mbola anisan’ny Baiboly sora-tanana tranainy indrindra izy io. Vao tafaverina tany Saint-Pétersbourg i Tischendorf, dia nidodododo nankany amin’ny lapa fonenan’ny mpanjaka rehefa ririnina. Nangataka tamin’ilay mpanjaka izy mba hanampy azy hanao ny “iray amin’ireo asa lehibe indrindra natao hamakafakana sy hianarana ny Baiboly.” Tsy inona izany fa ny hanonta an’ilay sora-tanana vao hita. Napetraka tao amin’ny Tranombokim-panjakana izy io tatỳ aoriana. Nanaiky avy hatrany ilay mpanjaka, ka tsy omby tratra ny hafalian’i Tischendorf. Nanoratra izy hoe: ‘Nomen’Andriamanitra antsika velona ankehitriny ny Baiboly Sinaiticus, mba hazava tsara amintsika hoe inona marina no raketin’ny Teniny. Hampiharihary koa izy io fa tsy niova ny hafatra ao anatiny, ka hanampy antsika hiaro ny fahamarinana izany.’

Baiboly sarobidy avy tany Crimée

Nisy manam-pahaizana nikaroka Baiboly sarobidy koa voaresaka tetsy am-piandohana. Iza izy io? Naharay asa soratra nahazendana ny Tranombokim-panjakana tany Rosia, taona vitsivitsy talohan’ny niverenan’i Tischendorf tany. Nahaliana ny mpanjaka ilay izy, ary nahasarika manam-pahaizana maro nanerana an’i Eoropa. Tsy nampino azy ireo ny zavatra hitany. Nisy antontana sora-tanana sy asa soratra hafa nivangongo nanoloana azy ireo. Nahavariana fa nisy 2 412 ireo asa soratra, anisan’izany ny sora-tanana sy horonam-boky 975. Tao koa ny Baiboly sora-tanana 45, izay efa nisy talohan’ireo taona 900. Sarotra inoana ny hoe olona iray ihany no nanangona ny ankamaroan’ireo sora-tanana rehetra ireo. Tsy iza izany fa i Abraham Firkovich, manam-pahaizana karahita maherin’ny 70 taona! Fa iza moa ireo Karahita? *

Tena nahaliana ny mpanjaka rosianina io fanontaniana io. Nanitatra ny sisin-taniny izy, ka nisy faritanin’ny firenen-kafa lasa anisan’i Rosia. Nanjary nisy foko vaovao àry tao amin’ilay fanjakana. Toa Jiosy, ohatra, no nipetraka tany amin’ilay faritra mahafinaritra atao hoe Crimée, amoron’ny Ranomasina Mainty. Nanaraka ny fombafomban’ny Tiorka anefa izy ireo, ary nitovitovy tamin’ny teny tatar ny fiteniny. Ireo no atao hoe Karahita, ary toa ireo Jiosy babo tany Babylona taorian’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 607 T.K. no razambeny. Tsy nanaraka ny voalazan’ilay bokim-pivavahana Talmoda toa an’ireo raby jiosy anefa izy ireo, fa nanantitrantitra ny famakiana ny Soratra Masina. Nirin’ireo Karahita ny hanaporofo tamin’ilay mpanjaka, fa tsy nitovy tamin’ny raby jiosy izy ireo, ka tokony havahana aminy. Nampiseho ireo sora-tanana tranainy nananany àry izy ireo, mba hanaporofoana fa taranak’ireo Jiosy nafahana avy tany Babylona, izay nifindra monina tany Crimée.

Tany amin’ny haram-baton’i Chufut-Kale tany Crimée, i Firkovich no nanomboka nikaroka antontan-taratasy sy sora-tanana tranainy. Nonina sy nivavaka tao amin’ny trano kely namboarina tao amin’ireny haram-bato ireny, ny taranaka karahita maro nifandimby. Tsy nopotehiny mihitsy ny Soratra Masina nisy ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, satria noheveriny ho fanazimbazimbana zava-masina izany. Nampiriminy tsara kosa izy ireny, ary nataony tao anaty trano kely atao hoe genizà, izay midika hoe “toerana miafina” amin’ny teny hebreo. Mahalana vao nisy nikitika ireny hodi-biby malefaka nisy soratra ireny, satria nanaja lalina ny anaran’Andriamanitra ireo Karahita.

Tsy nahakivy an’i Firkovich ny vovoka niavosa nandritra ny an-jatony taona, fa nokarohiny tsara ireo genizà. Tao amin’ny iray tamin’izy ireny no nahitany ilay sora-tanana malaza vita tamin’ny taona 916. Antsoina hoe Petersburg Codex of the Latter Prophets izy io, ary anisan’ny tranainy indrindra amin’ny Soratra Hebreo.

Nahangona sora-tanana maro be i Firkovich, ary natolony ho an’ny Tranombokim-panjakan’i Rosia izy ireo tamin’ny 1859. Nanampy tamin’ny fividianana ireny sora-tanana ireny i Alexandre II, tamin’ny 1862. Nitentina 125 000 roubles ilay izy, izay vola be tokoa. Tsy nihoatra ny 10 000 roubles isan-taona akory anefa, ny teti-bolan’ilay tranomboky tamin’izany! Anisan’ny novidina tamin’izay ny Leningrad Codex (B 19A), izay tena malaza tokoa. Nadika tanana tamin’ny 1008 izy io, ary io no tranainy indrindra amin’ny Soratra Hebreo manontolo. Nilaza ny manam-pahaizana iray fa izy io “angamba no ampahany amin’ny Baiboly sora-tanana sarobidy indrindra, satria avy amin’izy io no andikan’ny ankamaroan’ny mpandika teny ankehitriny ny Soratra Hebreo.” (Jereo ny efajoro.) Nivoaka tamin’io taona 1862 io koa ny Codex Sinaiticus nadikan’i Tischendorf, ary nankasitrahana eran-tany.

Fahazavana ara-panahy ankehitriny

Any amin’ny Tranombokim-pirenen’i Rosia no misy sora-tanana tranainy betsaka indrindra ankehitriny. * Impito niova ny anaran’io tranomboky io nandritra ny 200 taona, araka ny tantaran’i Rosia. Anisan’ny anarany be mpahalala ny hoe Tranombokim-pirenen’i Saltykov-Shchedrin. Nisy simba ihany ilay tranomboky nandritra ireo korontana tamin’ireo taona 1900. Voaro tsara anefa ireo sora-tanana tao, nandritra ireo ady lehibe roa sy ny fahirano natao tamin’i Leningrad. Inona no soa raisintsika avy amin’ireo sora-tanana ireo?

Maro ny fandikan-tenin’ny Baiboly mifototra amin’ny sora-tanana tranainy. Manampy an’ireo tena mitady ny fahamarinana hahazo tsara ny Soratra Masina izy ireny. Ny Codex Sinaiticus sy Leningrad no tena nanampy tamin’ny fandikana Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Baiboly manontolo navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1961, izy io. Mifototra amin’ny Leningrad Codex, ohatra, ny Biblia Hebraica Stuttgartensia sy ny Biblia Hebraica nataon’i Kittel, nampiasain’ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao. Hita ao amin’izy io ny Litera Efatra na ny anaran’Andriamanitra, izay miverina in-6 828 ao amin’ny soratra tany am-boalohany.

Vitsy amin’ny mpamaky Baiboly no mahalala, fa tokony hankasitraka ny fisian’ny tranombokin’i Saint-Pétersbourg sy ny sora-tanana ao aminy izy ireo. Leningrad no anaran’io tanàna io taloha, ary mitondra izany anarana izany ny sora-tanana sasany. I Jehovah, ilay nampanoratra ny Baiboly sy nanome antsika fahazavana ara-panahy anefa, no tena tokony hankasitrahantsika. Nitalaho taminy ny mpanao salamo hoe: “Ampandehano ny fahazavanao sy ny fahamarinanao; aoka hitarika ahy ireo.”—Salamo 43:3.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Nitondra ny Soratra Grika Kristianina manontolo, vita tamin’ny taonjato fahefatra koa izy.

^ feh. 13 Manazava kokoa momba ny Karahita ny lahatsoratra “Ny Karahita sy ny Fitadiavany ny Fahamarinana”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1995.

^ feh. 19 Namidy tamin’ny British Museum ny ankamaroan’ny Codex Sinaiticus. Sombina horonana amin’izy io ihany sisa no ao amin’ny Tranombokim-pirenen’i Rosia.

[Efajoro, pejy 13]

FANTATRA SY NAMPIASAINA NY ANARAN’ANDRIAMANITRA

Hendry i Jehovah, ka nataony izay hiarovana ny Teniny hatramin’izao. Nanampy be tamin’izany ny asa mafy nataon’ny mpanora-dalàna nandritra ny taona maro. Ny Masoreta no nikaly indrindra ny asany. Mpanora-dalàna hebreo matihanina izy ireo, ary tamin’ireo taona 500 ka hatramin’ireo taona 900 no nisiany. Nosoratana tsy nisy zanatsoratra ny teny hebreo fahiny. Nosoloana teny aramianina ny teny hebreo tatỳ aoriana, ka natahorana tsy ho tadidy intsony ny fanononana azy. Nampian’ny Masoreta teboka-zanatsoratra àry ny teny ao amin’ny Baiboly, mba ho marina tsara ny fanononana ireo teny hebreo.

Tsara homarihina fa manampy hamantatra ny fanononana ny Litera Efatra, ireo teboka-zanatsoratra nampiasain’ny Masoreta tao amin’ny Leningrad Codex. Izao no fanononana ireo renintsoratra hebreo efatra nanoratana ny anaran’Andriamanitra: Yehwah’, Yehwih’, sy Yeho·wah.’ Ny fanononana hoe “Jehovah” no be mpampiasa indrindra ankehitriny. Nahazatra ny mpanoratra Baiboly sy ny olon-kafa fahiny ny nampiasa ny anaran’Andriamanitra. Fantatr’olona an-tapitrisany sy ampiasainy koa io anarana io ankehitriny, ary ekeny fa ‘i Jehovah irery ihany, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.’—Salamo 83:18.

[Sary, pejy 10]

Efitra misy ny sora-tanana ao amin’ny Tranombokim-pirenena

[Sary, pejy 11]

Mpanjakavavy Catherine II

[Sary, pejy 11]

Konstantin von Tischendorf (afovoany) sy Alexandre II, mpanjakan’i Rosia

[Sary, pejy 12]

Abraham Firkovich

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Sary roa: Tranombokim-pirenen’i Rosia, Saint-Pétersbourg

[Sary nahazoan-dalana, pejy 11]

Catherine II: Tranombokim-pirenen’i Rosia, Saint-Pétersbourg; Alexandre II: Avy amin’ilay boky Spamers Illustrierte Weltgeschichte, Leipzig, 1898