“Ny Mahira-tsaina Mandinika ny Diany”
“Ny Mahira-tsaina Mandinika ny Diany”
NY OLONA mahira-tsaina dia mahay miatrika olana, lalin-tsaina, mahataka-javatra, mahay mandanjalanja, malina, mahay manavaka, ary hendry. Sady tsy mpamitaka izy no tsy mpandrokidroky. “Ny mahira-tsaina rehetra miasa amin’ny fahalalana”, hoy ny Ohabolana 13:16. Tsara tokoa izany hoe mahira-tsaina na malina izany.
Ahoana no anehoantsika fahiratan-tsaina eo amin’ny fiainantsika andavanandro? Ahoana no anehoantsika an’io toetra io rehefa manao safidy, sy mifandray amin’olona, ary miatrika toe-javatra samihafa? Inona no valisoa ho azon’ny olona malina? Inona no loza azony sorohina? Mamaly tsara izany i Solomona, mpanjakan’ny Israely fahiny, ao amin’ny Ohabolana 14:12-25. *
Manaova safidy tsara
Tsy maintsy mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy isika, raha te hanao safidy tsara sy hahomby eo amin’ny fiainana. Mampitandrina anefa ny Baiboly hoe: “Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany.” (Ohabolana 14:12) Tsy maintsy mianatra manavaka ny tena tsara sy ny toa tsara àry isika. Maro ny ‘lalana’ mamitaka mety hitarika ho amin’ny fahafatesana. Ireto misy lafiny tokony ho fantatsika sy hohalavirintsika.
Heverina ho manan-kaja sady hindrahindraina mazàna ny olona manankarena sy malaza eto amin’ity tontolo ity. Toy ny hoe mety ny ataony, matoa izy manam-bola sy lasa fantatr’olona. Ahoana anefa no nahazoan’ny ankamaroan’izy ireo harena na laza? Manao izay mahitsy sy mendrika foana ve izy ireo? Misy koa olona mafana fo amin’ny fivavahany. Ny fahatsorany anefa ve manaporofo fa marina ny zavatra inoany?—Romanina 10:2, 3.
Mamita-tena koa isika indraindray, ka mihevitra fa toa mahitsy ny lalana iray. Raha miankina amin’izay heverintsika fa mety fotsiny isika rehefa manapa-kevitra, dia manjary miantehitra amin’ny fo, izay mpitari-dalana mamitaka. (Jeremia 17:9) Mety hoheverintsika fa lala-mahitsy koa ny lalan-dratsy, raha tsy nampianarina sy nampiofanina ny feon’ny fieritreretantsika. Inona àry no hanampy antsika hanao safidy tsara?
Tsy maintsy mazoto mianatra samirery ny fahamarinana lalina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika, raha te hanana “fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy.” Tsy maintsy mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly koa isika, mba hanazarana sy ‘hampiasana’ izany fahaiza-misaina izany. (Hebreo 5:14) Tsy maintsy mitandrina isika sao manaraka lalana toa mahitsy, nefa hampiala antsika amin’ny ‘lalana ety mankany amin’ny fiainana.’—Matio 7:13, 14.
Rehefa ‘ory ny fo’
Afaka ny ho sambatra ve isika raha tsy milamin-tsaina? Manamaivana ny fahoriana lalim-paka ve ny hehy sy ny fanarian-dia? Mahira-tsaina ve ny olona iray, raha miboboka toaka sy midoroka zava-mahadomelina na manao firaisana amin’olona maro samihafa Ohabolana 14:13a.
mba hanadinoana ny fahaketrahany? Tsia no valiny. “Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo”, hoy ilay mpanjaka hendry.—Mety hanarona ny fahoriana ny hehy, fa tsy hanaisotra azy io. Hoy ny Baiboly: “Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy.” Ao tokoa “ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; ao ny andro isaonana, ary ao ny andro andihizana.” (Mpitoriteny 3:1, 4) Raha mahatsiaro ketraka foana isika mandritra ny fotoana lava, dia tsy maintsy manao zavatra handresena izany. Mila maka torohevitra any amin’ny “mpanolo-tsaina” isika raha ilaina izany. (Ohabolana 24:6) * Mahasoa ny mihomehy sy mifaly nefa kely ihany ny soa entiny. Nampitandrina ny amin’ny fialam-boly tsy mendrika sy tafahoatra i Solomona. Hoy izy: “Ny faran’ny hafaliana dia alahelo.”—Ohabolana 14:13b.
Nahoana no samy afa-po ny tsy manam-pinoana sy ny tsara fanahy?
Hoy ihany ilay mpanjakan’ny Israely: “Ny mihemotra am-po [na tsy manam-pinoana] dia ho voky ny alehany; fa ny tsara fanahy kosa ho voky ny azy ihany.” (Ohabolana 14:14) Nahoana no samy afa-po amin’izay ataony ny tsy manam-pinoana sy ny tsara fanahy?
Tsy mieritreritra ny olona tsy manam-pinoana hoe mbola hampamoahin’Andriamanitra izy. Tsy zava-dehibe aminy àry ny fanaovana izay mahitsy eo imason’i Jehovah. (1 Petera 4:3-5) Mahafa-po azy ny fiainany, na dia tsy manao afa-tsy izay hampitombo ny fananany aza izy. (Salamo 144:11-15a) Te hanao izay mahitsy eo imason’Andriamanitra kosa ny tsara fanahy. Manaraka ny tari-dalany marina izy, amin’izay rehetra ataony. Afa-po ny olona toy izany, satria i Jehovah no Andriamaniny, ary faran’izay mahafaly azy ny manompo an’ilay Avo Indrindra.—Salamo 144:15b.
Aza “mino ny teny rehetra”
Mampifanohitra ny ataon’ny kely saina sy ny mahira-tsaina i Solomona. Hoy izy: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” (Ohabolana 14:15) Tsy mora ambakaina ny olona mahira-tsaina. Mandinika tsara ny diany izy, fa tsy mino izay rehetra reny na manaraka ambokony fotsiny ny hevitry ny hafa. Fantany tsara izay hataony, satria mamantatra ny zava-misy rehetra izy.
Raiso, ohatra, ilay fanontaniana hoe: “Misy ve Andriamanitra?” Manaiky izay hevitra be mpitia fotsiny ny kely saina, na mino izay inoan’ny olo-malaza. Ny mahira-tsaina kosa maka fotoana handinihana ny zava-misy. Saintsaininy ny andinin-teny toy ny Romanina 1:20 sy ny Hebreo 3:4. Tsy manaiky befahatany izay lazain’ny mpitondra fivavahana fotsiny ny olona malina, eo amin’ny resaka fivavahana. ‘Fantariny aloha raha avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ireny fanambarana ireny na tsia.’—1 Jaona 4:1.
Fahendrena tokoa ny manaraka ilay torohevitra hoe aza “mino ny teny rehetra”! Ireo manana andraikitra hanoro hevitra ny hafa eo anivon’ny fiangonana kristianina indrindra, no tokony hampihatra izany. Tsy maintsy mamantatra tsara ny zava-nitranga rehetra aloha izy. Tsy maintsy mihaino tsara ny andaniny sy ny ankilany izy, fa tsy hihaino feon-dakolosy tokana. Hifanentana tsara ny torohevitra omeny amin’izay.—Ohabolana 18:13; 29:20.
“Ny olona mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina”
Manasongadina ny tsy fitovian’ny hendry sy ny adala indray ny mpanjakan’ny Israely. Hoy izy: “Ny hendry matahotra ka mivily tsy ho amin’ny ratsy; fa ny adala fatra-pirehareha ka matokitoky foana. Izay malaky tezitra dia manao adaladala; ary ny olona mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina.”—Ohabolana 14:16, 17.
Matahotra ny amin’izay ho vokatry ny fanaovan-dratsy ny olon-kendry. Malina àry izy, ary mankasitraka izay torohevitra misakana azy tsy hanao ratsy. Ny adala kosa tsy mba matahotra toy izany. Matoky tena izy, ary miavonavona sy tsy miraharaha ny torohevitry ny hafa. Mora tezitra izy, ka manao hadalana.
Misy heviny roa ilay teny tany am-boalohany nadika hoe “mamoron-tsain-dratsy.” Midika hoe mahay manavaka na lalin-tsaina izy io, raha raisina amin’ny heviny tsara. (Ohabolana 1:4; 2:11; 3:21) Mety hisy dikany ratsy koa anefa izy io, dia ny hoe ratsy saina na manao hasomparana.—Salamo 37:7; Ohabolana 12:2; 24:8.
Tsy mahagaga raha ankahalaina ny olona “mamoron-tsain-dratsy.” Nahoana kosa no ankahalaina ny olona mahay manavaka, raha ny hevitra tsaran’ilay teny tany am-boalohany no raisina? Tsy marina ve fa mety hankahala ny olona toy izany, ireo tsy manana io toetra io? Ankahalain’ity tontolo ity, ohatra, ny olona maneho fahaiza-misaina sy mifidy ny ‘tsy ho anisan’izao tontolo izao.’ (Jaona 15:19) Esoina ny tanora kristianina maneho fahaiza-misaina, satria tsy manaiky hotaomin’ny naman-dratsy hanana fitondran-tena tsy mendrika. Raha ny marina, dia mankahala ny tena Kristianina ity tontolo ity, izay eo ambany fahefan’i Satana Devoly.—1 Jaona 5:19.
‘Hiondrika ny ratsy fanahy’
Misy zavatra hafa koa tsy mampitovy ny olona malina, na mahira-tsaina, amin’ny kely saina. “Ny kely saina dia handova fahadalana; fa ny mahira-tsaina mahazo ny fahalalana ho satroboninahiny.” (Ohabolana 14:18) Tsy mahay manavaka ny olona kely saina, ka manao safidy adaladala. Izany foana no ataony eo amin’ny fiainany. Mampitombo ny voninahitry ny mahira-tsaina kosa ny fahalalana, ka toy ny satroboninahitry ny mpanjaka.
Hoy ilay mpanjaka hendry: “Ny ratsy fanahy miondrika eo anatrehan’ny tsara fanahy, ary ny meloka dia eo am-bavahadin’ny marina.” (Ohabolana 14:19) Te hilaza izany fa ho resin’ny tsara fanahy ny ratsy fanahy amin’ny farany. Diniho ny fitomboan’ny isan’ny vahoakan’Andriamanitra sy ny fomba fiainany tsara kokoa. Hahita izany fitahiana azon’ny mpanompon’i Jehovah izany ny mpanohitra sasany, ka voatery ‘hiondrika’ eo anatrehan’ny vadin’i Jehovah any an-danitra. Vehivavy an’ohatra izy io, ary misolo tena azy ny sisa voahosotra eto an-tany. Tsy maintsy hiaiky ny mpanohitra, fara fahatarany amin’ny ady Hara-magedona, fa misolo tena ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra tokoa ny fandaminany eto an-tany.—Isaia 60:1, 14; Galatianina 6:16; Apokalypsy 16:14, 16.
“Mamindra fo amin’ny ory”
Hoy i Solomona momba ny toetran’ny olombelona: “Ny malahelo dia halan’ny havany aza; fa ny manan-karena no tian’ny maro.” (Ohabolana 14:20) Izany tokoa no hita eo amin’ny olona tsy lavorary! Tia tena izy ireo mazàna, ka aleony ny olona manankarena toy izay ny mahantra. Be namana ny mpanankarena, nefa mihelina toy ny harenany ihany izy ireny. Tsy tokony handokadoka olona àry isika, na hampiasa ny volantsika, mba hahazoana namana.
Aoka hatao hoe nandini-tena tamim-pahatsorana isika, ka nahita fa mila ranondranony amin’ny mpanankarena, nefa manamavo ny mahantra. Inona no tokony hataontsika? Tokony ho takatsika fa raran’ny Baiboly ny fiangarana toy izany. Hoy izy io: “Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota; fa endrey ny fahasambaran’izay mamindra fo amin’ny ory!”—Ohabolana 14:21.
Tokony hanampy ny olona sahirana isika. (Jakoba 1:27) Amin’ny fomba ahoana? Azontsika ampiasaina ny ‘fananana eto amin’ity tontolo ity’, toy ny vola, sakafo, fialofana, ary akanjo. Afaka maneho fiahiana koa isika. (1 Jaona 3:17) Sambatra izay mamindra fo amin’izy ireny, satria “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.
Ny hiafaran’ny adala sy ny mahira-tsaina
Mihatra amin’ny mahira-tsaina sy ny adala ilay toro lalana hoe: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.” (Galatianina 6:7) Manao soa ny mahira-tsaina, fa ny adala kosa manao ratsy. Nanontany ilay mpanjaka hendry hoe: “Tsy mivily va izay manao asa ratsy?” Eny no valiny, “maniasia” tokoa izy ireo. (Kat.) “Fa famindrampo sy fahamarinana no ho an’izay manao asa tsara.” (Ohabolana 14:22) Tian’ny olona sy amindran’Andriamanitra fo ireo manao ny tsara.
Ampifandraisin’i Solomona amin’ny asa mafy ny fahombiazana, ary amin’ny kobaka am-bava ny tsy fahombiazana. Hoy izy: “Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa; fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona.” (Ohabolana 14:23) Tena mihatra amin’ny fanompoana kristianina ataontsika izany. Maro no lasa mahalala ny fahamarinana mamonjy aina avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, rehefa mifofotra amin’ny fanompoana isika. Faly sy afa-po isika, rehefa miantsoroka tsara ny fanompoantsika an’Andriamanitra sy ny fandaminany.
“Satroboninahitry ny hendry ny hareny; fa ny fahadalan’ny adala dia fahadalana ihany”, hoy ny Ohabolana 14:24. Midika angamba izany, fa ny fahendrena iezahan’ny hendry hananana no harenany, ary mampitombo ny voninahiny izany. Tsy mijinja afa-tsy hadalana kosa ny adala. Misy boky iray milaza fa mety hidika koa io ohabolana io hoe “toy ny haingo ny harena ho an’izay mampiasa tsara azy io ... ny adala [kosa] tsy manana afa-tsy ny hadalany.” Na ahoana na ahoana, dia tsara fiafara kokoa ny hendry noho ny adala.
Hoy ilay mpanjakan’ny Israely: “Ny vavolombelona marina mamonjy ain’olona; fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka.” (Ohabolana 14:25) Tena marina izany amin’ny resaka fitsarana, nefa mihatra amin’ny fanompoantsika koa izy io. Mijoro ho vavolombelona manambara ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra isika, rehefa mitory ilay Fanjakana sy manao mpianatra. Manafaka ny olona tso-po amin’ny fivavahan-diso izany, sady mamonjy aina. Hamonjy ny tenantsika sy izay mihaino antsika isika, raha mitandrina tsara foana ny tenantsika sy ny fampianarantsika. (1 Timoty 4:16) Eo am-panaovantsika izany, dia aoka isika hiezaka hahira-tsaina foana amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainantsika.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 3 Mamelabelatra ny Ohabolana 14:1-11 Ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 2004, pejy 26-29.
^ feh. 11 Jereo ny Mifohaza! 8 Septambra 2001, pejy 5-9.
[Sary, pejy 18]
Tsy maintsy mazoto mianatra fahamarinana lalina kokoa isika, raha te hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy
[Sary, pejy 18]
Tena ho afa-po ve ny olona, raha tsy manao afa-tsy izay hampitombo ny fananany?