Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Zahao Toetra Foana ny Tenanareo”

“Zahao Toetra Foana ny Tenanareo”

“Zahao Toetra Foana ny Tenanareo”

“Mandiniha tena foana mba hahitana raha ao amin’ny finoana ianareo na tsia, ary zahao toetra foana ny tenanareo.”—2 KORINTIANINA 13:5.

1, 2. a) Inona no vokany, rehefa misalasala ny amin’ny zavatra inoantsika isika? b) Inona no nitranga tany Korinto tamin’ny taonjato voalohany, ka nahatonga ny olona sasany hisalasala ny amin’izay tokony hataony?

TONGA teo amin’ny sampanan-dalana ny rangahy iray nandeha tany ambanivohitra, ka tsy fantany izay haleha. Nanontany mpandalo izy, nefa nifanohitra ny nolazain’ireo. Very hevitra izy, ary tsy afaka nanohy ny diany. Toy izany koa isika raha misalasala ny amin’ny zavatra inoantsika. Mety tsy ho afaka hanapa-kevitra isika, satria tsy hahita izay tokony hatao.

2 Tamin’ny taonjato voalohany, dia nety ho nahatonga ny Kristianina sasany hisalasala ny zava-nitranga teo anivon’ny fiangonan’i Korinto, tany Gresy. Nanohitra ny fahefan’ny apostoly Paoly ny olona sasany nihevi-tena ho ‘apostoly tsara loatra.’ Hoy izy ireo: “Mavesa-danja sady mahery ny taratasiny, fa rehefa eo kosa izy dia malemy, ary tsy misy vidiny ny teniny.” (2 Korintianina 10:7-12; 11:5, 6) Mety ho nahatonga ny Kristianina sasany hisalasala ny amin’izay tokony hatao izany fomba fihevitra izany.

3, 4. Nahoana no tokony hahaliana antsika ny torohevitra nomen’i Paoly ny Korintianina?

3 Nanorina ny fiangonana tao Korinto i Paoly, rehefa nitsidika tany, tamin’ny taona 50. Nijanona tao “herintaona sy tapany izy ka nampianatra ny tenin’Andriamanitra teo amin’izy ireo.” “Tonga mpino ny ankamaroan’ny Korintianina izay nandre, ka natao batisa.” (Asan’ny Apostoly 18:5-11) Tena naniry hanatanjaka ny finoan’ny mpiara-manompo taminy tao Korinto i Paoly. Efa nanoratra taminy koa izy ireo, mba hahazoana torohevitra momba ny raharaha sasany. (1 Korintianina 7:1) Noho izany, dia nomeny torohevitra tsara dia tsara izy ireo.

4 Nanoratra tamin’izy ireo i Paoly hoe: “Mandiniha tena foana mba hahitana raha ao amin’ny finoana ianareo na tsia, ary zahao toetra foana ny tenanareo.” (2 Korintianina 13:5) Tsy ho nisalasala momba izay tokony hatao mihitsy ireo rahalahy tao Korinto, raha nanaraka io torohevitra io. Ary toy izany koa isika. Ahoana àry no hanarahantsika io torohevitr’i Paoly io? Ahoana no handinihantsika tena, mba hahitana raha ao amin’ny finoana isika? Ary inona no dikan’ny hoe mizaha toetra ny tenantsika?

“Mandiniha tena foana mba hahitana raha ao amin’ny finoana ianareo na tsia”

5, 6. Inona no fitaratra ahafahantsika mahita raha ao amin’ny finoana isika na tsia, ary nahoana izy io no fitaratra tonga lafatra?

5 Mampiasa fitaratra ny olona matetika mba handinihana ny tenany. Araka ny torohevitr’i Paoly, dia ny tenantsika mihitsy no asaina dinihintsika, fa tsy ny finoana, na ny fitambaran’ny zavatra inoantsika. Manana fitaratra tsy misy tsininy isika handinihana ny tenantsika. Hoy i Davida mpanao salamo, tao amin’ny hira iray noforoniny: “Tsy misy tsiny ny lalàn’i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehovah, mahahendry ny kely saina. Mahitsy ny fandidian’i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin’i Jehovah, mampahazava ny maso.” (Salamo 19:7, 8) Ao amin’ny Baiboly no misy ireo didy tsy misy tsiny sy mahitsy ary madio avy amin’i Jehovah. Ao koa no ahitana ny teni-vavolombelony na fampahatsiahivany azo itokisana. Ny hafatra raketin’izy io no fitaratra tonga lafatra ahafahantsika mandini-tena.

6 Hoy ny apostoly Paoly momba io hafatra avy amin’Andriamanitra io: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, eny, maranitra noho ny sabatra roa lela ary manindrona ka mahavita manavaka ny miseho ivelany sy ny any am-po ary mampisaraka ny tonon-taolana sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany.” (Hebreo 4:12) Afaka mampiharihary izay ao am-pontsika, izany hoe ny tena maha isika antsika, ny tenin’Andriamanitra. Ahoana no handraisantsika soa amin’izany hafatra misy heriny lehibe toy ny sabatra maranitra izany? Nolazain’ilay mpanao salamo mazava tsara ny tokony hatao. Nihira izy hoe: “Sambatra ny olona ... [raha] ny lalàn’i Jehovah no sitrany; eny, ny lalàny no saintsaininy andro aman-alina.” (Salamo 1:1, 2) Ao amin’ny Baiboly no misy “ny lalàn’i Jehovah.” Tsy maintsy tia mamaky ny Tenin’i Jehovah àry isika, sady manokana fotoana hisaintsainana azy io. Eo am-panaovana izany, dia tokony hampitaha ny tenantsika amin’izay voalaza ao isika.

7. Inona no fomba tsara indrindra hahitana raha ao amin’ny finoana isika?

7 Izao àry no fomba tsara indrindra hahitana raha ao amin’ny finoana isika: Mamaky sy misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra, ary mieritreritra raha mifanaraka amin’izay ianarantsika ny fitondran-tenantsika. Faly tokoa isika satria be dia be ny fanampiana omena antsika, mba hahazoantsika izay voalaza ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

8. Nahoana ny boky sy gazety avoakan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” no manampy antsika hahita raha ao amin’ny finoana isika?

8 Mampianatra antsika i Jehovah, amin’ny alalan’ireo boky sy gazety manazava ny Soratra Masina, avoakan’ny “mpanompo mahatoky sy malina.” (Matio 24:45) Eritrereto fotsiny, ohatra, ilay efajoro hoe “Fanontaniana Hosaintsainina” amin’ny faran’ny toko tsirairay ao amin’ny boky Manatòna An’i Jehovah. * Tena manampy antsika tsirairay hisaintsaina tsara io efajoro io! Maro koa ny lahatsoratra mivoaka amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, izay manampy antsika hahita raha ao amin’ny finoana isika. Hoy ny vehivavy kristianina iray momba ireo lahatsoratra nivoaka vao haingana, namelabelatra ny bokin’ny Ohabolana: “Hitako fa tena mahasoa ireny lahatsoratra ireny, satria manampy ahy handinika raha mifanaraka amin’ny fitsipika marin’i Jehovah ny fiteniko sy ny fitondran-tenako ary ny fisainako.”

9, 10. Inona avy no fanampiana omen’i Jehovah, mba hahafahantsika hahita raha ao amin’ny finoana isika?

9 Mandray toromarika sy fampaherezana be dia be koa isika, mandritra ny fivoriana sy fivoriambe. Anisan’ny fanampiana omen’Andriamanitra ny vahoakany ireny. Naminany toy izao i Isaia, momba an’io vahoaka io: “Izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany. Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ... mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony.” (Isaia 2:2, 3) Fitahiana tokoa ireny fampianarana momba ny lalan’i Jehovah ireny.

10 Tsy azo odian-tsy hita koa ny torohevitra omen’ireo olona araka ny fanahy, anisan’izany ny anti-panahy kristianina. Hoy ny Baiboly momba azy ireny: “Ry rahalahy isany, raha misy olona sendra manao fahadisoana nefa tsy fantany akory, dia aoka izay olona araka ny fanahy eo aminareo hiezaka hanitsy azy amim-pahalemem-panahy, sady mitandrina tsara ny tenanao sao mba halaim-panahy koa ianao.” (Galatianina 6:1) Tena ankasitrahantsika izany fanampiana natao hanitsiana antsika izany!

11. Inona no ilaintsika hatao mba hahitana raha ao amin’ny finoana isika?

11 Fanampiana tsara dia tsara avy amin’i Jehovah ireo boky aman-gazetintsika sy ny fivoriana kristianina ary ireo lehilahy voatendry. Isika mihitsy anefa no mila mandini-tena, mba hahitana raha ao amin’ny finoana isika na tsia. Rehefa mamaky ny boky aman-gazetintsika àry isika, na mihaino torohevitra araka ny Soratra Masina, dia mila manontany tena hoe: ‘Sahala amin’izany voalaza izany ve aho? Izany ve no ataoko? Manaraka tsara ny fitambaran’ny zavatra inoan’ny Kristianina ve aho?’ Misy vokany eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra koa ny fiheverantsika ilay zavatra voalaza ao amin’ilay boky na ilay torohevitra. Hoy mantsy ny Baiboly: “Ny olona araka ny nofo dia tsy mandray izay an’ny fanahin’Andriamanitra, satria hadalana aminy izany. ... Fa ny olona araka ny fanahy kosa mandinika ny zava-drehetra.” (1 Korintianina 2:14, 15) Moa ve isika tsy tokony hiezaka mba ho olona araka ny fanahy foana, ka hankasitraka izay vakintsika ao amin’ny boky aman-gazetintsika, sy izay rentsika any am-pivoriana, ary izay lazain’ny anti-panahy?

“Zahao toetra foana ny tenanareo”

12. Inona no tafiditra amin’ny hoe mizaha toetra ny tenantsika?

12 Mila mandini-tena koa isika rehefa mizaha toetra ny tenantsika. Efa ao amin’ny fahamarinana angamba isika, nefa hatraiza isika no miaina mifanaraka amin’izy io? Rehefa mizaha toetra ny tenantsika isika, dia mijery hoe inona no manaporofo fa matotra sy tena mankasitraka ny sakafo ara-panahy isika.

13. Araka ny Hebreo 5:14, inona no manaporofo fa matotra isika?

13 Inona avy no manaporofo fa Kristianina matotra isika? Hoy ny apostoly Paoly: “Ny ventin-kanina ... dia ho an’ny olona matotra, izay manana fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy, satria nampiasaina.” (Hebreo 5:14) Manaporofo ny fahamatorantsika isika, raha manazatra ny fahaizantsika misaina. Raha ny mpanao fanatanjahan-tena no resahina, dia mila fanazarana ny hozatra sasany amin’ny vatany, izany hoe mila ampiasaina matetika, mba hahaizany tsara an’ilay fanatanjahan-tena. Toy izany koa ny fahaizantsika misaina. Tsy maintsy zarina izy io, izany hoe mila ampiasaina amin’ny fampiharana ny toro lalan’ny Baiboly.

14, 15. Nahoana isika no tokony hiezaka mafy hianatra ireo zavatra lalina kokoa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra?

14 Tsy maintsy miezaka hanana fahalalana anefa aloha isika, vao ho afaka hanazatra ny fahaizantsika misaina. Noho izany, dia tena mila mazoto mianatra samirery isika. Mihatsara ny fahaizantsika misaina, rehefa mianatra samirery tsy tapaka isika, indrindra fa raha mianatra ireo zavatra lalina kokoa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Maro ny loha hevitra lalina efa novelabelarina tao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Ahoana no hataontsika rehefa mahita lahatsoratra manazava fahamarinana lalina isika? Dinganintsika fotsiny ve ilay izy, satria hoe misy “zavatra saro-takarina” ao aminy? (2 Petera 3:16) Tsia. Mila miezaka isika mba hahazo izay raketin’ireny lahatsoratra ireny.—Efesianina 3:18.

15 Ahoana raha sarotra amintsika ny mianatra samirery? Tena mila mianatra hankafy izany isika. * (1 Petera 2:2) Raha te hihamatotra isika, dia mila miezaka mihinana ventin-kanina, izany hoe mianatra ireo fahamarinana lalina kokoa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy hivoatra firy ny fahaizantsika misaina, raha tsy izany. Tsy ampy hanaporofoana ny fahamatorana anefa ny fahaiza-misaina. Tsy maintsy ampiharintsika eo amin’ny fiainana andavanandro koa ny fahalalana azontsika avy amin’ny fianarana samirery.

16, 17. Inona no torohevitra nomen’i Jakoba mpianatra momba ny ‘fankatoavana ny teny’?

16 Manaporofo izay tena ao am-pontsika ny fanehoantsika fankasitrahana ny fahamarinana, izany hoe ny asam-pinoana ataontsika. Nanao fanoharana mampieritreritra i Jakoba mpianatra, mba hampisehoana hoe ahoana no ahafahana mandini-tena amin’io lafiny io. Hoy izy: “Aoka ... ianareo ho mpankatò ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny ihany, ka hamita-tena amin’ny fiheveran-diso. Raha misy mpihaino ny teny fa tsy mpankatò, dia toy ny olona mijery ny tarehiny eo amin’ny fitaratra izy. Mijery ny tenany izy dia lasa, ary hadinony avy hatrany hoe manao ahoana izy. Fa izay mijery tsara ny lalàna tonga lafatra momba ny fahafahana, ary maharitra amin’izany, ka tonga mpankatò ny teny fa tsy mpihaino manadino, dia ho sambatra izy rehefa mankatò.”—Jakoba 1:22-25.

17 Te hilaza i Jakoba teo hoe: ‘Halalino ny Tenin’Andriamanitra, izay toy ny fitaratra. Diniho ny tenanao. Tohizo foana izany, ary jereo tsara raha mifanaraka amin’izay hitanao ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fomba fiainanao. Aza mora manadino izay hitanao ho tsy mety, fa ahitsio izay tokony hahitsy.’ Mety ho sarotra indraindray ny manaraka io torohevitra io.

18. Nahoana no sarotra ny manaraka ny torohevitr’i Jakoba?

18 Takina, ohatra, ny hitoriantsika ilay Fanjakana. Hoy i Paoly: “Amin’ny fo no inoana mba hahatongavana ho olo-marina, ary amin’ny vava no anaovana fanambarana ampahibemaso mba hahazoana famonjena.” (Romanina 10:10) Mila manao fanitsiana sasany eo amin’ny fiainantsika isika, raha te hanao fanambarana ampahibemaso mba hahazoana famonjena. Tsy mora amin’ny ankamaroantsika ny mandeha mitory. Vao mainka aza mila manao fiovana maro kokoa sy mahafoy zavatra maro kokoa mihitsy isika, raha te ho be zotom-po amin’ny fitoriana sy hanao azy io ho loha laharana eo amin’ny fiainantsika. (Matio 6:33) Ho sambatra anefa isika rehefa mankatò, ka manao io asa nankinin’Andriamanitra tamintsika io, satria mitondra dera ho azy izany. Mazoto mitory ilay Fanjakana àry ve isika?

19. Inona avy ireo asam-pinoana tokony hataontsika?

19 Inona avy ireo asam-pinoana tokony hataontsika? Hoy i Paoly: “Ataovy hatrany ireo zavatra nianaranareo sy nekenareo sy renareo ary hitanareo tamiko. Ary ho aminareo ilay Andriamanitry ny fiadanana!” (Filipianina 4:9) Manaporofo izay tena ao am-pontsika isika, rehefa mampihatra izay nianarantsika, nekentsika, rentsika ary hitantsika, izany hoe izay rehetra tafiditra amin’ny maha Kristianina vita fanoloran-tena sy mpianatr’i Jesosy antsika. “Ity no làlana, ka andehano”, hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany.—Isaia 30:21.

20. Karazan’olona manao ahoana no mitondra soa be dia be ho an’ny fiangonana?

20 Mitondra soa be dia be ho an’ny fiangonana ny lehilahy sy vehivavy mazoto mianatra ny Tenin’Andriamanitra, marisika mitory ny vaovao tsara, tsy mivadika mihitsy, ary manohana tanteraka ilay Fanjakana. Tena manatanjaka ny fiangonana misy azy izy ireo. Mitondra fanampiana lehibe koa izy ireo, satria maro ny vaovao mila karakaraina. Isika koa dia ho modely ho an’ny hafa, raha manaraka tsara ilay torohevitr’i Paoly hoe: “Mandiniha tena foana mba hahitana raha ao amin’ny finoana ianareo na tsia, ary zahao toetra foana ny tenanareo.”

Ankafizo ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra

21, 22. Ahoana no ahafahantsika mankafy ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra?

21 Hoy i Davida, mpanjakan’ny Israely fahiny: “Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitro ô, no sitrako; ary ny lalànao no ato anatiko.” (Salamo 40:8) Nahafinaritra an’i Davida ny nanao ny sitrapon’Andriamanitra. Nahoana? Satria tao am-pony ny lalàn’i Jehovah. Tsy nisalasala ny amin’izay tokony hataony i Davida.

22 Tsy misalasala ny amin’izay tokony hatao koa isika, raha ao anatintsika ny lalàn’Andriamanitra. Mahafinaritra antsika ny manao ny sitrapony. Koa aoka àry isika ‘hiezaka mafy’ eo am-panompoana an’i Jehovah amin’ny fontsika.—Lioka 13:24.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 15 Misy soso-kevitra tsara momba ny fomba fianatra, eo amin’ny pejy 27-32 amin’ny boky Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tadidinao Ve?

• Ahoana no ahafahantsika mahita raha ao amin’ny finoana isika?

• Inona no dikan’ny hoe mizaha toetra ny tenantsika?

• Ahoana no hanaporofoantsika fa Kristianina matotra isika?

• Nahoana ny asam-pinoana no ahitana izay tena ao am-pontsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Fantatrao ve ny fomba tsara indrindra hahitana raha ao amin’ny finoana ianao?

[Sary, pejy 24]

Manaporofo ny fahamatorantsika isika, rehefa manazatra ny fahaizantsika misaina

[Sary, pejy 25]

Manaporofo izay tena ao am-pontsika isika, raha “mpankatò ny teny fa tsy mpihaino manadino”