Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpanjaka Faharoa

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpanjaka Faharoa

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpanjaka Faharoa

TOHIN’NY bokin’ny Mpanjaka Voalohany, ny Mpanjaka Faharoa. Mirakitra tantarana mpanjaka 29 izy io: 12 avy tao amin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra, ary 17 avy tao amin’ny fanjakan’ny Joda tany atsimo. Mitantara ny zavatra nataon’i Elia sy Elisa, ary Isaia mpaminany koa izy io. Tsy tena milahatra araka ny fotoana nisehoany ny tantara ao, kanefa voaresaka ao koa ny nandravana an’i Samaria sy Jerosalema. Mahafaoka fe-potoana naharitra 340 taona ny Mpanjaka Faharoa, nanomboka tamin’ny 920 T.K. ka hatramin’ny 580 T.K., fotoana nahavitan’i Jeremia mpaminany an’ilay boky.

Inona no soa raisintsika avy amin’ny bokin’ny Mpanjaka Faharoa? Inona no ampianarin’izy io momba an’i Jehovah sy ny fifandraisany amin’ny olona? Inona no lesona tsoahintsika avy amin’ny zavatra nataon’ireo mpanjaka, mpaminany, ary olon-kafa voaresaka ao amin’io boky io? Andeha hojerentsika.

NANDIMBY AN’I ELIA I ELISA

(2 Mpanjaka 1:1–8:29)

Nianjera tao an-tranony i Ahazia, mpanjakan’ny Israely, ka narary. Nilaza i Elia mpaminany fa ho faty izy. Maty i Ahazia, ka i Jorama rahalahiny no nandimby azy. I Josafata no nanjaka teo amin’ny Joda tamin’izany. Nentin’ny tafio-drivotra i Elia, ka i Elisa mpanompony no mpaminany nandimby azy. Nanao fahagagana maro be i Elisa, nandritra ny fanompoany naharitra 60 taona teo ho eo.—Jereo ny efajoro “Fahagagana Nataon’i Elisa.”

Nikomy tamin’ny Israely ny mpanjakan’i Moaba. Nandeha niady taminy àry i Jorama sy Josafata, ary ny mpanjakan’i Edoma. Nandresy izy ireo, noho ny tsy fivadihan’i Josafata. Nitetika ny hanafika tampoka ny Israely ny mpanjakan’i Syria, tatỳ aoriana. Nampandamòka an’izany tetika izany anefa i Elisa. Tezitra mafy ny mpanjakan’i Syria, ka nandefa “soavaly sy kalesy ary miaramila be” mba hisambotra azy. (2 Mpanjaka 6:14) Nanao fahagagana roa i Elisa, ary nalefany nody soa aman-tsara ireo Syrianina avy eo. Nanao fahirano an’i Samaria i Beni-hadada, mpanjakan’i Syria, tatỳ aoriana. Tena mafy ny mosary noho izany. Nilaza mialoha anefa i Elisa fa hifarana izy io.

Nankany Damaskosy i Elisa, taoriana kelin’izay. Narary i Beni-hadada Mpanjaka tamin’io, ka naniraka an’i Hazaela mba hanontany an’i Elisa raha ho sitrana izy na tsia. Nilaza i Elisa fa ho faty ny mpanjaka, ary i Hazaela no handimby azy. Nosaronan’i Hazaela “lamba firakotra” lena ny tarehin’ny mpanjaka ny ampitson’iny. Sempotra izy ka maty. I Hazaela indray no nanjaka avy eo. (2 Mpanjaka 8:15) Lasa mpanjakan’ny Joda i Jehorama zanak’i Josafata. I Ahazia zanany kosa no nandimby an’i Jehorama.—Jereo ny efajoro “Mpanjakan’ny Joda sy Israely.”

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

2:9—Nahoana i Elisa no nangataka ‘anjaran-droa tamin’ny fanahin’i Elia’? Nila nanana ny toe-tsain’i Elia i Elisa, mba hahafahany haminany eo amin’ny Israely. Tokony ho be herim-po sy tsy hatahotahotra toa azy izy. Nahatsapa izany i Elisa ka nangataka anjaran-droa tamin’ny fanahin’i Elia. Efa nanompo an’i Elia nandritra ny enin-taona i Elisa tamin’izy notendren’i Elia handimby azy. Nihevitra an’i Elia ho toy ny rainy ara-panahy àry i Elisa. Izy kosa toy ny hoe zanaka lahimatoan’i Elia. (1 Mpanjaka 19:19-21; 2 Mpanjaka 2:12) Nahazo anjaran-droa tamin’ny lovan-drainy ny zanaka lahimatoa. Izany no antony nangatahan’i Elisa anjaran-droa tamin’ny lova ara-panahy avy tamin’i Elia, ary nahazo tokoa izy.

2:11—Inona ilay ‘lanitra’ niakaran’i Elia ‘tao anaty tafio-drivotra’? Tsy ny any ambony tsy taka-maso any akory no tiana holazaina eo, na ny faritra ara-panahy onenan’Andriamanitra sy ny anjely. (Deoteronomia 4:19; Salamo 11:4; Matio 6:9; 18:10) Manondro ny habakabaka kosa ilay ‘lanitra’ niakaran’i Elia. (Zefania 1:3) Toa nitondra an’i Elia tany an-toeran-kafa ilay kalesy afo, rehefa avy nirifatra teny amin’ny habakabaka. Tany indray izy no nipetraka nandritra ny fotoana kelikely. Mbola nanoratra ho an’i Jehorama, mpanjakan’ny Joda, mantsy i Elia, taona vitsivitsy tatỳ aoriana.—2 Tantara 21:1, 12-15.

5:15, 16—Nahoana i Elisa no tsy nety nandray ny fanomezan’i Namàna? Satria fantatr’i Elisa fa tsy ny herin’ny tenany no nahafahany nanasitrana an’i Namàna, fa ny herin’i Jehovah. Tsy tao an-tsainy mihitsy ny hanararaotra ny andraikitra nomen’Andriamanitra azy. Tsy mitady tambiny avy amin’ny fanompoany an’i Jehovah koa ny mpivavaka marina, ankehitriny. Mandray am-po an’ity fampirisihan’i Jesosy ity izy ireo: “Efa nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.”—Matio 10:8.

5:18, 19—Nangataka famelan-keloka ve i Namàna, noho izy voatery handray anjara tamin’ny fombafombam-pivavahana? Toa efa antitra sy osa ny mpanjakan’i Syria, ka tsy maintsy nitehina tamin’i Namàna. Rehefa niankohoka nivavaka tamin’i Rimona àry ny mpanjaka, dia mba nanao toy izany koa i Namàna. Fombafomba fotsiny anefa izany tamin’i Namàna, fa tsy tena nivavaka tamin’io andriamanitra io izy. Nila nanohana ny mpanjaka tsy hianjera fotsiny izy. Nangataka famelan-keloka tamin’i Jehovah i Namàna, noho io asany io. Nino an’i Namàna i Elisa, ka nanao hoe: “Mandehana soa aman-tsara.”

Lesona ho antsika:

1:13, 14. Mety ho voavonjy ny aintsika raha mandray lesona avy amin’ny zavatra hitantsika isika sady manetry tena.

2:2, 4, 6. Tsy nety nisaraka tamin’i Elia mihitsy i Elisa, na dia efa enin-taona aza angamba no nanompoany azy. Tena fakan-tahaka tokoa ny tsy fivadihany sy ny fisakaizany!—Ohabolana 18:24.

2:23, 24. Nahita lehilahy sola nanao ny akanjo fanaovan’i Elia ireo ankizy ireo, ka izany angamba no tena nanakorany an’i Elisa. Fantatr’izy ireo fa solontenan’i Jehovah i Elisa, saingy tsy tiany ny hahita azy eny akaikin’ny tanànany. Nilaza àry izy ireo hoe “miakara”, izany hoe tokony hiakatra hatrany Betela izy, na hoentin’ny tafio-drivotra toa an’i Elia. Toa hita taratra teo amin’ireo ankizy ireo, ny toe-tsain’ny ray aman-dreniny, izay nanohitra ny mpaminanin’Andriamanitra. Tena zava-dehibe àry ny hampianaran’ny ray aman-dreny ny zanany hanaja ireo solontenan’Andriamanitra!

3:14, 18, 24. Tanteraka foana ny tenin’i Jehovah.

3:22. Notarafin’ny tara-masoandro vao maraina ny rano teo amin’ireo lavaka vao nohadina, ka nanjary toy ny ra. Ny tany mena nesorina avy tao angamba no nahatonga izany. Afaka mampiasa ny natiora i Jehovah, mba hanatanterahana ny fikasany.

4:8-11. Nampiantrano an’i Elisa ilay vehivavy tany Sonema, rehefa fantany fa “masina sady lehilahin’Andriamanitra” izy. Tsy tokony hanao toy izany amin’ny mpanompon’i Jehovah mahatoky ve isika?

5:3. Nino ilay zazavavy kely israelita fa afaka manao fahagagana Andriamanitra. Sahy niresaka momba ny finoany koa izy. Miezaka manatanjaka ny finoanareo ny fampanantenan’Andriamanitra ve ianareo tanora? Misikina herim-po ve ianareo mba hitoriana ny fahamarinana amin’ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra aminareo?

5:9-19. Asehon’ny ohatr’i Namàna, fa afaka mianatra manetry tena ny olona miavonavona.—1 Petera 5:5.

5:20-27. Mijinja vokatra mangidy tokoa ny mpamitaka! Miteraka ratram-po sady ahitan-doza ny hoe mody miseho ho manompo an’i Jehovah, nefa manao ratsy any ambadika. Hanalavitra an’io fomba fiaina io isika, raha misaintsaina an’izany.

LASA BABO NY ISRAELY SY NY JODA

(2 Mpanjaka 9:1–25:30)

Nohosorana ho mpanjakan’ny Israely i Jeho. Noringaniny avy hatrany ny taranak’i Ahaba. Nampiasa hafetsena i Jeho, mba hamongorana ny fivavahana tamin’i Bala teo amin’ny Israely. (2 Mpanjaka 10:28) Nony fantatr’i Atalia renin’i Ahazia fa novonoin’i Jeho ny zanany, dia “nitsangana izy ka nandringana ny zanak’andriana rehetra” tany Joda, ary izy indray no nanjaka. (2 Mpanjaka 11:1) I Joasy, ilay zanakalahy kelin’i Ahazia, ihany no tsy maty tamin’izany. Nafenina nandritra ny enin-taona izy, ary avy eo notendrena ho mpanjakan’ny Joda. Nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah i Joasy, raha mbola teo i Joiada mpisorona, nanoro hevitra azy.

Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ny mpanjakan’ny Israely rehetra nandimby an’i Jeho. Maty i Elisa rehefa antitra, tamin’ny andron’ny zafikelin’i Jeho. Anisan’ny mpanjakan’ny Joda i Ahaza, ary mpanjaka telo no teo anelanelan’izy sy Joasy. ‘Tsy nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah’ i Ahaza. (2 Mpanjaka 16:1, 2) Mpanjaka “nifikitra tamin’i Jehovah” kosa i Hezekia zanany. (2 Mpanjaka 17:20; 18:6) Resin’i Salmanesera, mpanjakan’i Asyria, i Samaria tamin’ny 740 T.K., ary “nentiny ho babo tany Asyria ny Israely.” (2 Mpanjaka 17:6) I Hezekia no mpanjakan’ny Joda tamin’izany, ary Hosea no mpanjakan’ny Israely. Vahiny no nasaina nipetraka tao amin’ny tanin’ny Israely taorian’izay, ary niforona ny fivavahan’ny Samaritanina.

I Josia ihany no nandray fepetra hanesorana ny fivavahan-diso tany Joda, tamin’ireo mpanjaka fito nandimby an’i Hezekia. Farany, tonga ny Babylonianina tamin’ny 607 T.K. Resy i Jerosalema ary nentina ho “babo niala tamin’ny taniny” ny Joda.—2 Mpanjaka 25:21.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

13:20, 21—Manamarina ny fankamasinana ny taolan’ny olo-masina (relìka) ve io fahagagana io? Tsia. Tsy miresaka momba ny fankamasinana ny taolan’i Elisa mihitsy ny Baiboly. Ny herin’Andriamanitra no nampisy an’iny fahagagana iny, sy ireo fahagagana rehetra nataony tamin’izy mbola velona.

15:1-6—Nahoana i Azaria (na Ozia) no nataon’i Jehovah boka? “Nony nahery [i Ozia], dia niavonavona ny fony ... fa nivadika tamin’i Jehovah Andriamaniny ka niditra tao amin’ny tempolin’i Jehovah handoro ditin-kazo manitra teo amin’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.” Rehefa “nanohitra an’i Ozia” ny mpisorona, ka nilaza taminy mba ‘hiala teo amin’ny fitoerana masina’, dia tezitra be tamin’ny mpisorona izy, ka nanjary boka.—2 Tantara 26:16-20.

18:19-21, 25—Nanao fifanekena tamin’i Ejipta ve i Hezekia? Tsia. Diso ny fiampangan’i Rabsake sy ny filazany hoe ‘nirahin’i Jehovah izy.’ I Jehovah ihany no nianteheran’i Hezekia, mpanjaka tsy nivadika.

Lesona ho antsika:

9:7, 26. Asehon’ny didim-pitsarana henjana nihatra tamin’ny taranak’i Ahaba, fa halan’i Jehovah ny fivavahan-diso sy ny fandatsahana ny ran’ny tsy manan-tsiny.

9:20. Fantatry ny olona hoe nirifatra i Jeho rehefa nitondra kalesy. Izany no manaporofo fa be zotom-po izy nanatanteraka ny asa nampanaovina azy. Fantatra ho be zotom-po amin’ny fitoriana ilay Fanjakana ve ianao?—2 Timoty 4:2.

9:36, 37; 10:17; 13:18, 19, 25; 14:25; 19:20, 32-36; 20:16, 17; 24:13. Afaka matoky isika fa tsy maintsy ‘tanteraka ny teny izay aloaky ny vavan’i Jehovah.’—Isaia 55:10, 11.

10:15. Nanaiky ny fanasan’i Jeho tamin’ny fony manontolo i Jonadaba, ka niaraka taminy tao anaty kalesy. Ny “vahoaka be” koa dia manohana an-tsitrapo an’i Jesosy Kristy, ilay Jeho amin’ny andro ankehitriny, sy ny voahosotra mpanara-dia azy.—Apokalypsy 7:9.

10:30, 31. Tsy hoe tsy nanan-tsiny akory i Jeho, nefa dia nankasitrahan’i Jehovah izay rehetra nataony. ‘Tsy mba tsy marina tokoa Andriamanitra, ka hanadino izay nataontsika.’—Hebreo 6:10.

13:14-19. Tsy afaka nandresy tanteraka ny Syrianina i Joasy, zafikelin’i Jeho. Tsy mba niezaka mafy mantsy izy, fa nikapoka ny tany intelo monja tamin’ny zana-tsipìka. Takin’i Jehovah ny hanaovantsika ny asa nanendreny amin’ny fontsika manontolo sy amim-pahazotoana.

20:2-6. “Mpihaino vavaka” i Jehovah.—Salamo 65:2.

24:3, 4. ‘Tsy nety namela ny heloky’ ny Joda i Jehovah, noho ny trosan-dran’i Manase. Sarobidy amin’Andriamanitra ny ran’ny tsy manan-tsiny. Afaka matoky àry isika fa hamaly izay nandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny izy, ka handringana azy ireny.—Salamo 37:9-11; 145:20.

Mahasoa antsika

Asehon’ny Mpanjaka Faharoa fa Mpanatanteraka fikasana i Jehovah. Lasa babo ny mponina tao amin’ireo fanjakana roa, ny an’ny Israely aloha, ary avy eo ny an’ny Joda. Manamafy izany fa tanteraka ilay didim-pitsarana nambara mialoha tao amin’ny Deoteronomia 28:15–29:27. Asehon’ny Mpanjaka Faharoa fa nazoto nanandratra ny anaran’i Jehovah sy ny fivavahana marina, i Elisa mpaminany. Voalaza ao koa fa mpanjaka nanetry tena sady nanaja ny Lalàn’Andriamanitra, i Hezekia sy Josia.

Mandray lesona sarobidy tokoa isika rehefa misaintsaina ny fihetsika sy ny zavatra nataon’ireo mpanjaka, mpaminany, ary ny olon-kafa voaresaka ao amin’ny Mpanjaka Faharoa. Manjary fantatsika izay tokony hiezahana hatao sy tokony hohalavirina. (Romanina 15:4; 1 Korintianina 10:11) Tena “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.”—Hebreo 4:12.

[Efajoro/Sary, pejy 10]

FAHAGAGANA NATAON’I ELISA

1. Nisaraka ny ranon’i Jordana.—2 Mpanjaka 2:14

2. Ratsy ny ranon’i Jeriko, nefa nanjary tsara. —2 Mpanjaka 2:19-22

3. Noviravirain’ny bera ireo ankizy naditra.—2 Mpanjaka 2:23, 24

4. Nahazo rano ny miaramila.—2 Mpanjaka 3:16-26

5. Nahazo diloilo fandrahoana sakafo ny mpitondratena iray.—2 Mpanjaka 4:1-7

6. Nitoe-jaza ny vehivavy sonemita iray, na dia momba aza izy teo aloha.—2 Mpanjaka 4:8-17

7. Natsangana tamin’ny maty ny zaza iray.—2 Mpanjaka 4:18-37

8. Nanjary azo nohanina ny sakafo nisy poizina. —2 Mpanjaka 4:38-41

9. Nahavoky 100 lahy ny mofo 20.—2 Mpanjaka 4:42-44

10. Sitrana tamin’ny habokany i Namàna.—2 Mpanjaka 5:1-14

11. Nifindra tamin’i Gehazy ny habokan’i Namàna. —2 Mpanjaka 5:24-27

12. Natsingevana ny lela famaky.—2 Mpanjaka 6:5-7

13. Nahita kalesy nisy anjely ny zatovo iray.—2 Mpanjaka 6:15-17

14. Lasa jamba ireo miaramila syrianina.2 Mpanjaka 6:18

15. Nahita indray ireo miaramila syrianina.—2 Mpanjaka 6:19-23

16. Nitsangana tamin’ny maty ny lehilahy iray.—2 Mpanjaka 13:20, 21.

[Tabilao/Sary, pejy 12]

MPANJAKAN’NY JODA SY ISRAELY

Saoly/Davida/Solomona: 1117/1077/1037 T.K. *

FANJAKAN’NY JODA DATY (T.K.) FANJAKAN’NY ISRAELY

Rehoboama ․․․․․․ 997 ․․․․․․ Jeroboama

Abia/Asa ․․․․ 980/978 ․․․․

․․ 976/975/952 ․․ Nadaba/Basa/Elaha

․․ 951/951/951 ․․ Zimry/Omry/Tibny

․․․․․․ 940 ․․․․․․ Ahaba

Josafata ․․․․․․ 937 ․․․․․․

․․․․ 920/917 ․․․․ Ahazia/Jorama

Jehorama ․․․․․․ 913 ․․․․․․

Ahazia ․․․․․․ 906 ․․․․․․

(Atalia) ․․․․․․ 905 ․․․․․․ Jeho

Joasy ․․․․․․ 898 ․․․․․․

․․․․ 876/859 ․․․․ Joahaza/Joasy

Amazia ․․․․․․ 858 ․․․․․․

․․․․․․ 844 ․․․․․․ Jeroboama II

Azaria (Ozia) ․․․․․․ 829 ․․․․․․

․․ 803/791/791 ․․ Zakaria/Saloma/Menahema

․․․․ 780/778 ․․․․ Pekahia/Peka

Jotama/Ahaza ․․․․ 777/762 ․․․․

․․․․․․ 758 ․․․․․․ Hosea

Hezekia ․․․․․․ 746 ․․․․․․

․․․․․․ 740 ․․․․․․ Resy i Samaria

Manase/Amona/Josia ․․ 716/661/659 ․․

Joahaza/Joiakima ․․․․ 628/628 ․․․․

Joiakina/Zedekia ․․․․ 618/617 ․․․․

Rava i Jerosalema ․․․․․․ 607 ․․․․․․

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Manondro ny taona tokotokony ho nanombohana nanjaka ireo daty.

[Sary, pejy 8, 9]

Nanetry tena i Namàna ka sitrana, noho ny herin’i Jehovah

[Sary, pejy 8, 9]

Inona no nitranga tamin’i Elia, rehefa ‘niakatra tao anaty tafio-drivotra’ izy?