Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mpamaly Soa An’izay Mitady Azy Fatratra” i Jehovah

“Mpamaly Soa An’izay Mitady Azy Fatratra” i Jehovah

“Mpamaly Soa An’izay Mitady Azy Fatratra” i Jehovah

“Izay manatona [an’Andriamanitra] dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady azy fatratra.”—HEBREO 11:6.

1, 2. Nahoana ny mpanompon’i Jehovah sasany no mihevi-tena ho tsy mendrika?

 “EFA ho 30 taona izao no naha Vavolombelon’i Jehovah ahy”, hoy i Baholy, * “nefa mbola tsy nahatsapa mihitsy aho hoe mendrika izany anarana izany. Efa mba mpisava lalana ihany aho, sady nanana tombontsoa maro, kanefa nihevitra foana aho fa tsy mendrika ny hantsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah.” Hoy koa i Kiady: “Nihevi-tena ho tsy mendrika aho indraindray, satria manana antony maro hifaliana ny mpanompon’i Jehovah nefa izaho tsy mba faly. Nanjary nanamelo-tena aho, nefa vao mainka nanampy trotraka ny fahoriako izany.”

2 Nahatsapa toy izany koa ny mpanompon’i Jehovah mahatoky fahiny sy ankehitriny. Izany koa ve no tsapanao indraindray? Tototry ny zava-manahirana foana angamba ianao. Ny mpiray finoana aminao anefa toa tsy mba manana olana, fa faly sy mankafy ny fiainana. Mety hihevitra àry ianao fa tsy ankasitrahan’i Jehovah, sady tsy mendrika ny hanehoany fiheverana. Aza maika hanatsoaka hevitra toy izany. Manome toky antsika toy izao ny Baiboly: “Tsy manao tsinontsinona na marikorikon’ny fahorian’ny ory [i Jehovah], ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.” (Salamo 22:24) Asehon’io faminaniana momba ny Mesia io, fa mihaino ny fitarainan’ny mpanompony mahatoky i Jehovah sady mamaly soa azy ireo.

3. Nahoana isika no tojo zava-tsarotra?

3 Tojo zava-tsarotra avokoa ny rehetra, na dia ny vahoakan’i Jehovah aza. I Satana Devoly, ilay fahavalon’i Jehovah lehibe indrindra, no mpitondra an’ity tontolo misy antsika ity. (2 Korintianina 4:4; 1 Jaona 5:19) Ny vahoakan’i Jehovah no tena ataony lasibatra, satria tsy voaro amin’ny fomba mahagaga izy ireo. (Joba 1:7-12; Apokalypsy 2:10) Mandra-pahatongan’ny fotoana voatondron’Andriamanitra àry, dia mila ‘miaritra fahoriana’ sy ‘maharitra amin’ny vavaka’ isika, sady matoky fa miahy antsika i Jehovah. (Romanina 12:12) Tsy tokony hieritreritra mihitsy isika hoe tsy tia antsika i Jehovah, ilay Andriamanitsika!

Olona niaritra fahiny

4. Milazà mpanompon’i Jehovah niaritra toe-javatra nahakivy.

4 Tsy maintsy niaritra toe-javatra nahakivy ny mpanompon’i Jehovah maro, fahiny. “Nalahelo fanahy indrindra”, ohatra, i Hana, satria tsy mba niteraka. Nihevitra izy fa nanadino azy Andriamanitra. (1 Samoela 1:9-11) Natahotra i Elia, rehefa nitady hamono azy i Jezebela Vadi-mpanjaka. Hoy izy tamin’i Jehovah: “Aoka izay! alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô, fa tsy tsara noho ny razako aho.” (1 Mpanjaka 19:4) Azo antoka fa tena nalahelo ny apostoly Paoly noho izy tsy lavorary. Niaiky toy izao mantsy izy: “Rehefa te hanao izay tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy ... “Indrisy! Olo-mahantra aho!”—Romanina 7:21-24.

5. a) Inona no valisoa azon’i Hana sy Elia ary Paoly? b) Inona no fampiononana azontsika avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, rehefa kivy isika?

5 Fantatsika tsara fa sady niaritra i Hana sy Elia ary Paoly, no nanompo an’i Jehovah foana. Novalian-tsoa izy ireo noho izany. (1 Samoela 1:20; 2:21; 1 Mpanjaka 19:5-18; 2 Timoty 4:8) Nanana fihetseham-po maro samihafa koa anefa izy ireo, toy ny alahelo, fahadisoam-panantenana, ary tahotra. Tsy tokony ho gaga àry isika, raha kivy indraindray. Inona àry no tokony hataonao raha be fanahiana ianao, ka manontany tena raha tia anao i Jehovah na tsia? Afaka mahazo fampiononana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ianao. Noresahintsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, ohatra, fa ‘na ny volon-dohantsika aza’ dia voaisan’i Jehovah avokoa, araka ny tenin’i Jesosy. (Matio 10:30) Asehon’ireo teny mampahery ireo, fa tena miahy ny mpanompony tsirairay i Jehovah. Tsarovy koa ilay fanoharan’i Jesosy momba ny fody. Raha ny iray amin’ireny voronkely ireny aza voamarik’i Jehovah rehefa latsaka amin’ny tany, nahoana moa izy no tsy hahita izay manjo anao?

6. Ahoana no ampiononan’ny Baiboly an’ireo kivy?

6 Mety ho sarobidy amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona mahery indrindra, ve isika olombelona tsy lavorary? Eny! Andinin-teny maro no manamarina izany. Rehefa misaintsaina azy ireny isika, dia afaka milaza toy ny mpanao salamo hoe: “Raha be ny ahiahy ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.” (Salamo 94:19) Andeha isika handinika andinin-teny mampionona vitsivitsy, izay hanampy antsika hahatakatra kokoa fa sarobidy amin’Andriamanitra isika, ary hamaly soa antsika izy raha manao ny sitrapony foana isika.

“Rakitra soa” ho an’i Jehovah

7. Inona ilay faminaniana mampahery nolazain’i Malakia, momba an’ilay firenena ratsy fitondran-tena?

7 Tena ratsy ny toe-piainan’ny Jiosy nandritra ireo taona 400 T.K. Nandray biby kilemaina sy marary ny mpisorona, ary nanolotra azy ireny ho fanatitra ho an’i Jehovah teo amin’ny alitara. Nizaha tavan’olona ny mpitsara. Niely patrana ny fanaovana ody ratsy, lainga, hosoka, ary fijangajangana. (Malakia 1:8; 2:9; 3:5) Niharihary fa ratsy fitondran-tena ilay firenena, nefa nahagaga ny faminaniana nolazain’i Malakia momba azy io. Hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah indray io vahoakany io, rehefa mandeha ny fotoana. Izao no voalaza ao: “Ho rakitra soa ho Ahy ireny amin’ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy.”—Malakia 3:17.

8. Nahoana isika no afaka milaza fa mihatra amin’ny vahoaka be koa ny Malakia 3:17?

8 Tanteraka amin’ny firenena ara-panahy, misy Kristianina voahosotra 144 000, ny faminanian’i Malakia, ankehitriny. Tena “rakitra soa” na “olona nataon’[i Jehovah] ho fananany manokana” tokoa io firenena io. (1 Petera 2:9) Mety hampahery ny “vahoaka be” koa ny faminanian’i Malakia. ‘Mijoro eo anoloan’ny seza fiandrianana sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry’ mantsy izy ireo sady ‘manao akanjo fotsy lava.’ (Apokalypsy 7:4, 9) Lasa andiany iray izy ireo sy ny voahosotra, ary iray ihany no Mpiandry azy, dia i Jesosy Kristy.—Jaona 10:16.

9. Nahoana i Jehovah no mihevitra ny vahoakany ho toy ny “rakitra soa”?

9 Ahoana no fiheveran’i Jehovah an’ireo mifidy ny hanompo azy? Toy ny fiheveran’ny ray be fitiavana ny zanany lahy, araka ny Malakia 3:17. Mariho koa ilay teny fiderana iantsoany ny vahoakany hoe “rakitra soa.” Misy fandikan-teny mandika azy io hoe “fananako”, “harenako sarobidy indrindra” ary “vatosoako.” Nahoana no heverin’i Jehovah ho sarobidy toy izany ireo mifidy ny hanompo azy? Satria Andriamanitra mahay mankasitraka izy. (Hebreo 6:10) Mifandray akaiky amin’ireo manompo azy amin’ny fo manontolo izy, sady mihevitra azy ireo ho sarobidy.

10. Ahoana no iarovan’i Jehovah ny vahoakany?

10 Manana zava-tsarobidy toy ny rakitra soa ve ianao? Azo antoka fa arovanao tsara izy io. Izany koa no ataon’i Jehovah amin’ilay ‘rakitra soany.’ Marina aloha fa tsy miaro ny vahoakany amin’ny fitsapana sy ny loza rehetra izy. (Mpitoriteny 9:11) Kanefa afaka miaro ny fifandraisany amin’ny mpanompony mahatoky izy, ary tena hiaro azy io. Manome ny hery ilain’izy ireo izy, mba hahafahany hizaka ny fitsapana rehetra. (1 Korintianina 10:13) Izany no nahatonga an’i Mosesy hilaza tamin’ny Israelita, vahoakan’Andriamanitra fahiny, hoe: “Mahereza sy matanjaha ... Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.” (Deoteronomia 31:6) Mamaly soa ny vahoakany i Jehovah, satria toy ny “rakitra soa” no fiheverany azy ireo.

“Mpamaly soa” i Jehovah

11, 12. Hazavao fa manampy antsika handresy fisalasalana ny fitadidiana hoe Mpamaly soa antsika i Jehovah.

11 Mamaly soa ny vahoakany i Jehovah. Manaporofo koa izany fa sarobidy aminy izy ireo. Hoy izy tamin’ny Israelita: “Izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran’ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.” (Malakia 3:10) Homen’i Jehovah fiainana mandrakizay tokoa ny mpanompony amin’ny farany. (Jaona 5:24; Apokalypsy 21:4) Asehon’io valisoa tsy hay tombanana io, fa tena be fitiavana i Jehovah sady tena malala-tanana. Ahariharin’izy io koa fa tena sarobidy aminy ireo mifidy ny hanompo azy. Tadidio foana àry fa Mpamaly soa i Jehovah sady malala-tanana. Hanampy antsika izany rehefa misalasala isika raha ankasitrahany na tsia. I Jehovah mihitsy aza no miangavy antsika mba hihevitra azy ho Mpamaly soa! Hoy i Paoly: “Izay manatona azy dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady azy fatratra.”—Hebreo 11:6.

12 Marina aloha fa tsy fanantenana valisoa fotsiny no manosika antsika hanompo an’i Jehovah, fa ny fitiavantsika azy. Tsara anefa ny mitadidy ilay valisoa ampanantenainy antsika, ary tsy fitiavan-tena izany. (Kolosianina 3:23, 24) Manao ny dingana voalohany i Jehovah ka mamaly soa an’ireo mitady azy fatratra, satria tia sy mihevitra azy ireo ho sarobidy izy.

13. Nahoana ny fanomezan’i Jehovah ny vidim-panavotana no porofo lehibe indrindra fa tia antsika izy?

13 Ny vidim-panavotana no porofo lehibe indrindra, fa sarobidy amin’i Jehovah ny olombelona. Hoy ny apostoly Jaona: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Nanome an’i Jesosy Kristy ho sorom-panavotana i Jehovah. Tsy mitombina mihitsy àry ny filazana fa tsy tian’i Jehovah isika, na hoe tsy misy vidiny aminy. Azo antoka fa tena tia antsika i Jehovah, matoa nahafoy zavatra tena sarobidy ho antsika, dia ny ain’ny Zanany lahitokana.

14. Ahoana no niheveran’i Paoly ny vidim-panavotana?

14 Aoka àry ianao hisaintsaina ny vidim-panavotana, rehefa mahatsiaro ho tsy misy vidiny. Ataovy toy ny hoe nomen’i Jehovah ho anao mihitsy izy io. Izany no nataon’ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Indrisy! Olo-mahantra aho!” Hoy anefa izy avy eo: “Isaorana anie Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika!” izay “efa tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy.” (Romanina 7:24, 25; Galatianina 2:20) Tsy hoe nanambony tena akory i Paoly rehefa nilaza izany. Natoky kosa izy fa nihevitra azy ho sarobidy i Jehovah. Afaka manahaka an’i Paoly koa ianao, ka hihevitra fa natao ho anao mihitsy ny vidim-panavotana. Tsy Mpamonjy mahery fotsiny i Jehovah, fa Mpamaly soa sy be fitiavana koa.

Mitandrema amin’ny ‘teti-dratsin’i’ Satana

15-17. a) Inona no ataon’ny Devoly, rehefa mihevitra ny olona iray hoe tsy tian’i Jehovah? b) Inona no fampaherezana azontsika avy amin’ny zavatra niainan’i Joba?

15 Mety ho sarotra aminao ihany anefa ny hino hoe natao ho anao ny fampiononana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mety hihevitra ianao fa ny olon-kafa angamba no mendrika hahazo an’izany fiainana mandrakizay izany, fa tsy ianao mihitsy. Inona no azonao atao, raha izany no tsapanao?

16 Azo antoka fa fantatrao tsara ny tenin’i Paoly ho an’ny Efesianina hoe: “Tafio avokoa ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra mba hahafahanareo ho mafy orina ka hahatohitra ny teti-dratsin’ny Devoly.” (Efesianina 6:11) Raha vao hoe fandrik’i Satana no resahina, dia tonga ao an-tsaina avy hatrany ny fitiavan-karena sy fijangajangana, ary marina izany. Mpanompon’Andriamanitra maro mantsy no efa voan’ireny fandrika ireny, taloha sy ankehitriny. Tsy tokony hohadinointsika koa anefa ilay fandrika hafa ampiasain’i Satana: Ataony izay handresena lahatra ny olona fa tsy tia azy ireo i Jehovah Andriamanitra.

17 Hain’ny Devoly tsara ny manararaotra ny fihetseham-po toy izany, mba hitaomana ny olona hanalavitra an’Andriamanitra. Tsarovy ny tenin’i Bildada tamin’i Joba: “Aiza no hahamarina ny zanak’olombelona eo anatrehan’Andriamanitra? Ary aiza no hadio izay tera-behivavy? Indro, ny volana aza tsy mangarangarana, ary ny kintana aza tsy madio eo imasony; koa mainka fa ny olombelona, izay kankana, ary ny zanak’olombelona, izay olitra.” (Joba 25:4-6; Jaona 8:44) Tena nahakivy tokoa ireo teny ireo! Aza avela hanakivy anao àry i Satana. Fantaro kosa ny teti-dratsiny, mba hanananao herim-po sy herin-tsaina hiadiana mafy kokoa hanaovana ny tsara. (2 Korintianina 2:11) Marina aloha fa tsy maintsy nanitsy an’i Joba i Jehovah, nefa novaliany soa ny fiaretany. Naveriny taminy ny fananany ary nataony avo roa heny aza.—Joba 42:10.

“Lehibe noho ny fontsika” i Jehovah

18, 19. Nahoana Andriamanitra no lazaina fa “lehibe noho ny fontsika” sady “mahalala ny zava-drehetra”?

18 Marina aloha fa sarotra ny mandresy ny hakiviana, rehefa tena lalim-paka izy io. Afaka manampy anao tsikelikely anefa ny fanahin’i Jehovah, mba handrava “zavatra efa mafy orina ... [izay] atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra.” (2 Korintianina 10:4, 5) Saintsaino izao tenin’ny apostoly Jaona izao, raha mitady ho resin’ny hakiviana ianao: “Izao no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika, ary izao no hanomezantsika toky ny fontsika eo anatrehany ny amin’izay rehetra mety hanamelohan’izy io antsika: Lehibe noho ny fontsika mantsy Andriamanitra, sady mahalala ny zava-drehetra.”—1 Jaona 3:19, 20.

19 Inona no dikan’ny hoe ‘lehibe noho ny fontsika Andriamanitra’? Mety hanameloka antsika ny fontsika indraindray, indrindra rehefa tsapantsika ny kilema sy ny hadisoantsika. Na mety hihevitra isika fa tsy misy ankasitrahan’i Jehovah daholo izay ataontsika, noho ny zavatra niainantsika. Manome toky antsika anefa ny apostoly Jaona fa lehibe noho izany i Jehovah! Tsy mifantoka amin’ny fahadisoantsika izy, ary fantany ny zavatra mety ho vitantsika. Fantany koa ny antony manosika antsika sy ny zava-kendrentsika. Hoy i Davida: “Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” (Salamo 103:14) Eny, mahafantatra antsika tsara kokoa noho ny tenantsika i Jehovah!

“Satroboninahitra” sy “satrok’andriana”

20. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny mpanompony, araka ny faminanian’i Isaia?

20 Nampanantena ny vahoakany fahiny i Jehovah, fa hampody azy ireo any amin’ny taniny, araka ny nolazain’i Isaia mpaminany. Izany fampiononana sy fanomezan-toky izany mihitsy no nilain’ilay vahoaka kivy, izay babo tany Babylona! Hoy i Jehovah rehefa niresaka momba ny fotoana hampodiny azy ireo: “Ho tonga satroboninahitra eo an-tànany hianao sy satrok’andriana eo am-pelatànan’Andriamanitrao.” (Isaia 62:3) Nasehon’i Jehovah tamin’ireo teny ireo, fa nomeny haja amam-boninahitra ny vahoakany. Nataony toy izany koa ny Israely ara-panahy ankehitriny. Toy ny hoe nasandrany ho ambony izy ireo, mba hohajain’ny rehetra.

21. Inona no hanampy anao hatoky fa hamaly soa anao i Jehovah, raha miaritra sy tsy mivadika ianao?

21 Tanteraka voalohany amin’ny voahosotra io faminaniana io. Asehon’izy io koa anefa fa manandratra izay rehetra manompo azy i Jehovah. Rehefa misalasala àry ianao raha tian’i Jehovah na tsia, dia tadidio fa sarobidy aminy toy ny “satroboninahitra” sy “satrok’andriana” ianao, na dia tsy lavorary aza. Ampifalio hatrany àry ny fony, ka miezaha manao ny sitrapony. (Ohabolana 27:11) Afaka matoky ianao amin’izay fa hamaly soa anao i Jehovah, raha miaritra sy tsy mivadika ianao!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Novana ny anarana sasany.

Tadidinao Ve?

• Nahoana isika no “rakitra soa” ho an’i Jehovah?

• Nahoana no zava-dehibe ny hiheverantsika an’i Jehovah ho Mpamaly soa?

• Inona ilay ‘teti-dratsin’i Satana’ tokony hitandremantsika tena?

• Nahoana Andriamanitra no “lehibe noho ny fontsika”?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Paoly

[Sary, pejy 26]

Elia

[Sary, pejy 26]

Hana

[Sary, pejy 28]

Misy fampiononana maro be ao amin’ny Tenin’Andriamanitra