Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Omen’i Jehovah Valisoa Izay Mitandrina ny Lalany

Omen’i Jehovah Valisoa Izay Mitandrina ny Lalany

Tantaram-piainana

Omen’i Jehovah Valisoa Tondraka Izay Mitandrina ny Lalany

NOTANTARAIN’I ROMUALD STAWSKI

Nisy fifanafihana nahery vaika tany amin’ny faritra avaratr’i Polonina, rehefa nipoaka ny Ady Lehibe II tamin’ny Septambra 1939. Sivy taona aho tamin’izany, ary nahaliana ahy izay nitranga. Nandeha nijery ny toeram-piadiana teo akaiky teo àry aho. Nihoron-koditra aho nahita ireo faty niampatrampatra tamin’ny tany sy ny setroka manempotra teny amin’ny rivotra. Ny ho tonga soa tany an-trano no masaka tao an-tsaiko, nefa nieritreritra koa aho hoe: “Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny zava-mahatsiravina toy izao? Iza amin’ireo andaniny roa miady no tohanany?”

NOTERENA hiasa ho an’ny fitondrana alemà ny tovolahy, rehefa hifarana ny ady. Nahantona tamin’ny hazo na tetezana izay nanda, ary nasiana takelaka nisy soratra hoe “mpamadika” na “mpanohitra” teo amin’ny tratrany. Teo anelanelan’ireo tafika nifanandrina no nisy an’i Gdynia tanànanay. Nisidina teny ambony lohanay ny bala sy ny baomba, rehefa nantsaka tany ivelan’ny tanàna izahay. Izany no nahafaty an’i Henryk zandriko lahy. Nafindran’i Neny tao amin’ny lakaly iray izahay efatra mianadahy, mba ho voaro tamin’izany toe-javatra nahatsiravina izany. Matin’ny difiteria tao i Eugeniusz rahalahiko, tamin’izy roa taona.

Nanontany tena indray aho hoe: “Aiza àry Andriamanitra? Nahoana no avelany hisy izao fahoriana rehetra izao?” Tsy nahazo valiny aho, na dia Katolika nafana fo sy niangona foana aza.

Nanaiky ny fahamarinana ara-baiboly

Tsy nampoiziko ny fomba nahitako ny valim-panontaniako. Tapitra ny ady tamin’ny 1945. Nisy Vavolombelon’i Jehovah nitsidika anay tany Gdynia, teo am-piandohan’ny 1947. Izy sy Neny no niresaka, ary nisy reko izany. Toa nitombina izay nolazainy, ka nanaiky ny fanasany hanatrika fivoriana kristianina izahay. Niara-nitory tamin’ny Vavolombelona teo an-toerana aho, iray volana tatỳ aoriana, na dia mbola tsy nahalala tsara ny fahamarinana ara-baiboly aza. Niresaka tamin’ny olona momba ny tontolo tsara kokoa tsy hisy ady sy habibiana intsony izahay. Tena nahafaly ahy izany.

Natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny faritra tany Sopot aho, tamin’ny Septambra 1947. Nanomboka ny asan’ny mpisava lalana maharitra aho, tamin’ny Mey 1948. Natokako hitoriana ny hafatra ara-baiboly àry ny ankamaroan’ny fotoanako. Nanohitra mafy ny asanay ny mpitondra fivavahana, ary nampirisika ny olona hiady taminay. Nisy vahoaka romotra nanafika anay indray mandeha, ka nitora-bato sy nikapoka mafy anay. Nisy olona nasain’ny masera sy ny mpitondra fivavahana nanafika anay koa tamin’ny fotoana hafa. Nitady fiarovana tany amin’ny paositry ny polisy izahay, nefa nihodidina ilay trano ireo olona ireo ary nandrahona ny hikapoka anay. Nisy polisy hafa tonga avy eo, ka nitondra anay niala teo. 

Tsy nisy fiangonana ilay faritra nitorianay tamin’izany. Tany anaty ala izahay no natory indraindray. Faly anefa izahay fa afaka nitory, na izany aza. Misy fiangonana matanjaka maromaro izao any amin’io faritra io.

Nanompo tao amin’ny Betela ary nosamborina

Nasaina nanompo tao amin’ny Betela tany Łódź aho tamin’ny 1949. Tombontsoa tokoa izany! Nampalahelo anefa fa tsy naharitra ela tao aho. Nosamborina izahay sy ny rahalahy hafa tao amin’ny Betela tamin’ny Jona 1950, iray volana talohan’ny nandrarana tamin’ny fomba ofisialy ny asanay. Nogadraina aho, ary nampijalina nandritra ny fakana am-bavany.

Niasa tamin’ny sambo mpankany New York ny raiko, ka noteren’ireo mpanao famotorana hiaiky aho fa mpitsikilon’ny Amerikanina izy. Tsy nisy indrafo mihitsy izy ireo rehefa naka am-bavany ahy. Nisy polisy efatra koa niara-nanery ahy hiampanga ny Rahalahy Wilhelm Scheider, mpiandraikitra ny asa fitoriana tany Polonina tamin’izany. Nokapohin’izy ireo tamin’ny hazo ny voditongotro ka nivoa-dra. Tsy zakako intsony ilay izy ka nivalampatra teo amin’ny tany aho sady niantsoantso hoe: “Jehovah ô, ampio aho!” Gaga izy ireo ka tsy nikapoka ahy intsony, ary vetivety dia resin-tory ry zareo. Nahatsiaro ho maivamaivana aho, ary nahazo hery indray. Niaiky aho tamin’izay fa tia ny mpanompony nanolo-tena i Jehovah, ka mamaly ny fitalahoany. Nanatanjaka ny finoako izany, ary nampianatra ahy hitoky tanteraka amin’Andriamanitra.

Nolazaina fa vavolombelona mandainga aho, tao amin’ny tatitra farany taorian’ny famotorana. Hoy ny polisy iray tamiko rehefa nanda izany aho: “Any amin’ny fitsarana ianao manazava an’izany!” Tsara fanahy ilay voafonja niray efitra tamiko. Nilaza izy fa tsy tokony hanahy aho, satria hisy miaramila mpampanoa lalàna hanamarina ilay tatitra, ka mbola ho afaka hiaro tena aho. Izany tokoa no nitranga.

Lasa mpiandraikitra ny faritra ary nogadraina indray

Nafahana aho tamin’ny 1951 ary lasa mpiandraikitra mpitety faritany, iray volana taorian’izay. Marina fa teo ny fandrarana, nefa niara-niasa tamin’ny rahalahy hafa aho, mba hanampy ireo fiangonana sy ireo Vavolombelona hafa niparitaka noho ny fanenjehan’ny polisy miafina. Nampirisihinay hanohy ny fanompoany ireo rahalahy. Nanohana tamin-kerim-po ny mpiandraikitra mpitety faritany izy ireny tatỳ aoriana. Nanao pirinty sy nizara ireo boky aman-gazety ara-baiboly koa izy ireo, na dia voatery niafina aza.

Efa nanara-maso akaiky ahy ny polisy, ka nosamborin’izy ireo teny an-dalana aho rehefa avy nivory, tamin’ny Aprily 1951. Nentiny tany amin’ny fonjan’i Bydgoszcz aho satria tsy nety namaly ireo fanontaniany. Nanomboka nalaina am-bavany aho ny alin’iny. Nasaina nijoro teo akaikin’ny rindrina nandritra ny enina andro sy enina alina aho, ary tsy nihinan-kanina na nisotro rano, sady niaritra ny setro-tsigaran’ireo polisy. Nokapohina tamin’ny kibay aho sady nodorana tamin’ny sigara. Notondrahan’izy ireo rano aho rehefa torana, ary notohiziny indray ny fakana am-bavany. Nitalaho tamin’i Jehovah aho mba homeny hery hiaretana, ka nanohana ahy izy.

Nisy naha tsara azy ny fijanonako tany amin’ny fonjan’i Bydgoszcz. Afaka niresaka ny fahamarinana ara-baiboly tamin’olona mbola tsy nandre izany mihitsy aho, sady afaka nitory imbetsaka. Nampalahelo sy nampamoy fo matetika ny fiainan’ireo voafonja, ka nihaino sy nandray am-po ny vaovao tsara izy ireo.

Fiovana roa lehibe

Nihaona tamin’i Nela aho, taoriana kelin’ny nanafahana ahy, tamin’ny 1952. Mpisava lalana tany atsimon’i Polonina izy, ary niasa tao amin’ny “fanaova-mofo” tatỳ aoriana. Izany no niantsoana ny toerana miafina fanaovana pirinty ny boky aman-gazetintsika. Asa mafy nitaky fitandremana sy fahafoizan-tena ilay izy. Nivady izahay sy Nela tamin’ny 1954, ary nanohy ny fanompoana manontolo andro mandra-pahaterak’i Lidia, zanakay vavy. Nanapa-kevitra izahay avy eo fa tsy hanompo manontolo andro intsony i Nela, fa hody sy hikarakara ny zanakay, mba hahafahako hanohy hitety faritany.

Nisy fanapahan-kevitra lehibe hafa tsy maintsy noraisinay koa tamin’io taona io. Nangatahina ho mpiandraikitra ny vondrom-paritra nanerana ny ampahatelon’i Polonina aho. Nivavaka momba izany izahay. Fantatro fa nila fampaherezana ireo rahalahy, satria voarara ny asantsika ary maro no voasambotra. Nanaiky àry aho, ary nanohana ahy i Nela. Nanampy ahy tamin’io asa io koa i Jehovah nandritra ny 38 taona.

Niandraikitra ny “fanaova-mofo”

Ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra no niandraikitra ny “fanaova-mofo”, izay natao tany amin’ny toerana nitokana. Nanaraka anay foana ny polisy, mba hahitana ny fanaovam-pirintinay sy hanakatonana azy io. Tratra izahay indraindray, nefa nahazo sakafo ara-panahy foana. Porofo izany fa niahy anay i Jehovah.

Asa mafy sy nampidi-doza ny fanaovana pirinty, ka tsy maintsy olona mahatoky, mailo, mahafoy tena, ary mpankatò, no nasaina nanao izany. Nilaina izany mba hampandeha tsara foana ny “fanaova-mofo.” Sarotra koa ny nahita toerana miafina sy mety tsara hanaovana pirinty. Toa nety ny toerana sasany, nefa tsy tena malina ny rahalahy tany. Nifamadika tamin’izany ny tany an-toeran-kafa. Nahafoy tena tokoa ireo rahalahy. Tena nankasitrahako ireo rahalahy sy anabavy rehetra niara-niasa tamiko.

Niaro ny vaovao tsara

Nampangaina foana ho nanao asa tsy ara-dalàna sy nanongam-panjakana izahay nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny, ka niakatra fitsarana. Sahirana izahay satria tsy nanana mpisolovava. Nangoraka anay ihany ny mpisolovava sasany, nefa betsaka no matin-kenamaso sy tsy te hampahatezitra ny fanjakana. Fantatr’i Jehovah anefa izay nilainay, ka nomeny anay tamin’ny fotoana nety.

Niharan’ny herisetra be loatra i Alojzy Prostak, mpiandraikitra mpitety faritany avy any Kraków, nandritra ny fakana am-bavany, ka nampidirina tao amin’ny hopitalin’ny fonja. Lasa nanaja sy nankasitraka azy ny mpigadra tao amin’ny hopitaly rehefa nahita fa nijoro tamin’ny finoany izy, na dia nampahorina ara-tsaina sy ara-batana aza. Mpisolovava ny iray tamin’izy ireo. Witold Lis-Olszewski no anarany, ary niaiky volana izy noho ny herim-pon’ny Rahalahy Prostak. Niresaka taminy imbetsaka izy ary nampanantena hoe: “Vonona hiaro ny Vavolombelon’i Jehovah aho raha vao mivoaka ny fonja, ka avela hanohy ny asako indray.” Notanterahiny tokoa ny teniny.

Nanana ekipana mpisolovava Atoa Olszewski, ary tena mendri-piderana izy ireo satria nitana ny teny nataony ka nanampy anay. Niaro ireo rahalahy tany amin’ny fitsarana in-30 isam-bolana izy ireo, izany hoe indray mandeha isan’andro, tamin’ny fotoana naha mafy indrindra ny fanoherana! Nila nahafantatra tsara ny tsipiriany tamin’ny raharaha tsirairay Atoa Olszewski, ka notendrena hifandray taminy aho. Niara-niasa taminy nandritra ny fito taona aho tamin’ireo taona 1960 sy 1970.

Niana-javatra betsaka momba ny fikarakarana raharaham-pitsarana aho tamin’izany. Matetika aho no nanatrika fitsarana, ka nandre ny tenin’ny mpisolovava, na niaro izy na nanameloka. Tamin’izany koa no nahitako ny fomba fiarovan-tena araka ny lalàna, sy ny fanambarana nataon’ireo mpiray finoana voampanga. Tena nahasoa ahy izany. Afaka nanampy ireo rahalahy mantsy aho, indrindra fa ireo nasaina nijoro ho vavolombelona, mba hahafantarany izay tokony holazaina sy tsy tokony holazaina eo anatrehan’ny fitsarana.

Matetika Atoa Olszewski no nijanona tany an-tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny alina, rehefa nikarakara raharaham-pitsarana. Tsy hoe tsy nanam-bola hankanesana tany amin’ny hotely fatoriana akory izy. Nilaza kosa izy hoe: “Te hitovy toe-tsaina aminareo aho alohan’ilay fitsarana.” Tsara fiafara ny raharaha maro noho ny fanampiany. Niaro ahy imbetsaka izy, nefa tsy nety nandray vola mihitsy. Tsy nety nandray karama koa izy indray mandeha, nefa nikarakara raharaham-pitsarana 30. Nahoana? Hoy izy: “Mba te hanao izay kely vitako hanohanana ny asanareo aho.” Be anefa ny vitany raha naloa vola. Tsikaritry ny fanjakana ny asa nataon’Atoa Olszewski sy ny ekipany, nefa tsy nisakana azy ireo tsy hanampy anay izany.

Tsy ho voatantara eto daholo ny fihetsika tsara nasehon’ireo rahalahintsika, nandritra ireny fotoana ireny. Maro, ohatra, no tonga nanatrika ny fitsarana ireo rahalahy voampanga, mba hampahery azy ireo. Nahatratra 30 000 mihitsy aza ireny mpanohana ireny tao anatin’ny taona iray. Vavolombelona maro be tokoa izany!

Andraikitra vaovao

Tsy voarara intsony ny asanay nanomboka tamin’ny 1989. Naorina sy notokanana ny biraon’ny sampana vaovao, telo taona taorian’io. Nantsoina hiasa tao aho ary nekeko tamim-pifaliana izany. Notendrena ho ao amin’ny Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly aho, ary telo izahay no niara-niasa. Nanampy ireo rahalahy niatrika zava-tsarotra momba ny fampidiran-dra izahay, mba hahafahan’izy ireo hiaro ny fanapahan-keviny mifanaraka amin’ny feon’ny fieritreretany.—Asan’ny Apostoly 15:29.

Tena mankasitraka an’i Jehovah izahay mivady satria afaka manompo azy, ary noraisinay ho voninahitra izany. Nanohana sy nampahery ahy foana i Nela. Velom-pankasitrahana azy foana aho, satria tsy mba nitaraina mihitsy izy rehefa tsy tao an-trano aho, noho ny asa kristianina nanendrena ahy, na noho izaho nigadra. Rehefa nisy zava-tsarotra, dia naleony nampionona ny hafa toy izay hanakivy tena. 

Nosamborina niaraka tamin’ny mpiandraikitra mpitety faritany hafa, ohatra, aho tamin’ny 1974. Te hilaza izany tamin-katsaram-panahy tamin’ny vadiko ny rahalahy sasany, ka nanontany azy hoe: “Ranabavy Nela a, vonona handre vaovao faran’izay ratsy ve ianao?” Tsy nahahetsika izy aloha, satria natahotra hoe maty aho. Nahatsiaro ho maivamaivana izy rehefa nahalala izay tena nitranga, ka niteny hoe: “Hay ve mbola velona izy e! Tsy izay ange izy vao nampidirina am-ponja e!” Nilaza tamiko ireo rahalahy tatỳ aoriana, fa tena nampiaiky volana azy ireo ny fihetsika tsaran’i Nela.

Omen’i Jehovah valisoa tondraka foana izahay satria mitandrina ny lalany, na dia teo aza ny zavatra nampahory niainanay tamin’ny lasa. Faly be izahay satria Kristianina fakan-tahaka i Lidia zanakay sy Alfred DeRusha vadiny. Faly koa izahay mahita fa notezainy tsara i Christopher sy Jonathan zanany, ka lasa mpanompon’Andriamanitra vita fanoloran-tena. Kristianina mahatoky efa hatramin’ny taona maro koa i Ryszard rahalahiko sy Urszula anabaviko.

Tsy nandao anay mihitsy i Jehovah, ary te hanompo azy amin’ny fo manontolo foana izahay. Tsapanay fa marina ny voalazan’ny Salamo 37:34, manao hoe: “Miandrasa an’i Jehovah, ka tandremo ny làlany, dia hanandratra anao handova ny tany Izy.” Tsy andrinay izay hahatongavan’io fotoana io.

[Sary, pejy 17]

Tamin’ny fivoriambe natao teo an-jaridainan’ny rahalahy iray tany Kraków, 1964

[Sary, pejy 18]

Izahay sy Nela vadiko ary Lidia zanakay, 1968

[Sary, pejy 20]

Miaraka amin’ny zazalahy Vavolombelona iray nodidiana fo, nefa tsy nampidiran-dra

[Sary, pejy 20]

Miaraka amin’ny Dr. Wites, mpandidy fon’ankizy tsy misy fampidiran-dra, ao amin’ny hopitaly iray any Katowice

[Sary, pejy 20]

Izahay sy Nela tamin’ny 2002