Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voaisan’i Jehovah “ny Volon-dohanareo”

Voaisan’i Jehovah “ny Volon-dohanareo”

Voaisan’i Jehovah “ny Volon-dohanareo”

“Tsy hisy ho latsaka amin’ny tany [ny fody] na iray aza, ka tsy fantatry ny Rainareo. Ary na ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.”—MATIO 10:29, 30.

1, 2. a) Nahoana i Joba no nihevitra fa nafoin’Andriamanitra? b) Nanohitra an’i Jehovah ve i Joba, rehefa dinihina ny teny nolazainy? Hazavao.

 “MITARAINA aminao aho, nefa tsy mihaino ahy Hianao; mijoro eo aho, nefa jerenao foana. Efa manjary lozabe amiko Hianao; ny herin’ny tànanao no andrafianao ahy.” Ory dia ory tokoa ilay lehilahy nilaza ireo teny ireo. Ary tsy mahagaga izany, satria namoy ny fivelomany izy, ary niharan-doza ny zanany ka maty. Voan’ny aretina nikiky ny heriny koa izy. Tsy iza izany lehilahy izany fa i Joba, ary nosoratana ao amin’ny Baiboly ny fahoriana nianjady taminy mba hahasoa antsika.—Joba 30:20, 21.

2 Toy ny hoe nanohitra an’Andriamanitra i Joba rehefa nilaza ireo teny ireo, nefa tsy izany no izy. Naneho ny alahelony fotsiny izy. (Joba 6:2, 3) Nihevitra izy fa nafoin’Andriamanitra, satria tsy fantany hoe avy amin’i Satana ny fitsapana nihatra taminy. Hoy mihitsy izy tamin’i Jehovah: “Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho fahavalonao?” *Joba 13:24.

3. Inona no mety hoeritreretintsika rehefa mandia fotoan-tsarotra isika?

3 Maro amin’ny mpanompon’i Jehovah no iharam-pitsapana foana noho ny ady, korontana ara-politika na ara-tsosialy, loza araka ny natiora, fahanterana, aretina, fahantrana faraidiny, ary fandraran’ny fitondram-panjakana. Azo inoana fa iharam-pitsapana koa ianao. Mety hieritreritra ianao indraindray fa manafina ny tavany aminao i Jehovah. Fantatrao tsara izay lazain’ny Jaona 3:16 hoe: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana.” Rehefa toa tsy hisy fanafany anefa ny fijalianao, dia mety hanontany tena ianao hoe: ‘Mba tena tia ahy ve Andriamanitra? Hitany ve ny manjo ahy? Miahy ahy ve izy?’

4. Inona no fitsapana tsy an-kiato niaretan’i Paoly, ary inona no mety ho vokatry ny fitsapana toy izany eo amintsika?

4 Diniho izay nitranga tamin’ny apostoly Paoly. Hoy izy: ‘Nasiana tsilo ao amin’ny nofo aho, izany hoe anjelin’i Satana, mba hamely ahy tsy an-kijanona. Niangavy ny Tompo intelo aho, mba hialan’izany amiko.’ Ren’i Jehovah ny fiangaviany. Nilaza tamin’i Paoly anefa izy, fa tsy hanaisotra izany amin’ny fomba mahagaga. Tsy maintsy niantehitra tamin’ny herin’Andriamanitra kosa i Paoly, mba hizakany ilay ‘tsilo tao amin’ny nofony.’ * (2 Korintianina 12:7-9) Mety hiharam-pitsapana tsy an-kiato toa an’i Paoly koa ianao. Mety hilaza ianao hoe: ‘Toa tsy mba manao na inona na inona mihitsy i Jehovah manoloana izao fitsapana mahazo ahy izao. Tsy hitany àry ve ny manjo ahy, sa tsy miraharaha ahy izy?’ Tsy izany velively! Tena miahy ny mpanompony mahatoky tsirairay i Jehovah. Manasongadina izany ny tenin’i Jesosy tamin’ny apostoliny, taoriana kelin’ny nifidianany azy ireo. Mety hampahery antsika koa ireo teniny ireo, araka ny ho hitantsika.

Nahoana no hoe “aza matahotra”?

5, 6. a) Inona no nolazain’i Jesosy tamin’ny apostoly mba hanampiana azy ireo tsy hatahotra ny hoavy? b) Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa natoky izy hoe niahy azy i Jehovah?

5 Nahazo fahefana lehibe avy tamin’i Jesosy ny apostoly. “Nomeny fahefana hamoaka fanahy maloto sy hanasitrana ny karazan’aretina rehetra sy ny karazana kilema rehetra” izy ireo. Tsy nidika anefa izany fa tsy hiharam-pitsapana na handia fotoan-tsarotra mihitsy izy ireo. Noresahin’i Jesosy tamin’ny an-tsipiriany kosa ny zavatra sasany hanjo azy ireo. Nampirisika azy ireo anefa izy hoe: “Aza matahotra an’izay mamono mahafaty anareo, nefa tsy mahafoana ny fiainanareo ho avy, fa aleo matahotra an’ilay mahavita mandringana anareo ao amin’ny Gehena.”—Matio 10:1, 16-22, 28.

6 Nanome fanoharana roa i Jesosy, mba hanampiana ny apostoliny hahatakatra ny antony tsy tokony hatahorany. Hoy izy: “Tsy vola madinika kely vidy ve no ivarotana fody roa? Fa tsy hisy ho latsaka amin’ny tany ireny na iray aza, ka tsy fantatry ny Rainareo. Ary na ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo.” (Matio 10:29-31) Mariho fa nampifandraisin’i Jesosy ny hoe tsy matahotra rehefa tojo zava-tsarotra, sy ny fatokisana fa miahy antsika tsirairay i Jehovah. Nanana izany fatokisana izany ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Raha momba antsika Andriamanitra, iza no hanohitra antsika? Tsy mba niaro ny Zanany izy, fa nanolotra azy hamonjy antsika rehetra. Koa nahoana no tsy homeny antsika amin-katsaram-panahy miaraka aminy koa ny zavatra hafa rehetra?” (Romanina 8:31, 32) Na inona na inona olana atrehinao, dia matokia koa fa miahy anao i Jehovah, raha mbola tsy mivadika aminy ianao. Vao mainka miharihary fa tena miahy anao izy, rehefa dinihina akaiky ny tenin’i Jesosy tamin’ny apostoliny.

Sarobidy ve ny fody?

7, 8. a) Ahoana no niheverana ny fody tamin’ny andron’i Jesosy? b) Nahoana i Jesosy no nampiasa ny teny grika midika hoe “fody kely” mba hilazana ny hoe “fody”, ao amin’ny Matio 10:29?

7 Miahy ny mpanompony tsirairay tokoa i Jehovah, araka ilay fanoharan’i Jesosy. Diniho aloha ilay resaka fody. Nihinana fody ny olona tamin’ny andron’i Jesosy. Mpanimba voly anefa ireny vorona ireny, ka halan’ny olona. Be dia be sady mora ny fody tamin’izany, ka latsaka ny ariary 100 (vola ankehitriny) ny fody roa. Raha avo roa henin’izay ny volan’ilay olona, dia nahazo fody dimy izy, fa tsy efatra. Nomena fotsiny ilay fody iray, toy ny hoe tsy nisy vidiny mihitsy!—Lioka 12:6.

8 Eritrereto koa ny haben’io vorona mahazatra io. Azo lazaina hoe kely ihany ny vatan’ny fody efa lehibe, raha oharina amin’ny vorona maro hafa. Manondro fody kely anefa ilay teny grika nadika hoe “fody” ao amin’ny Matio 10:29. Toa tian’i Jesosy hieritreritra vorona faran’izay kely sy tsy nisy vidiny ny apostoliny.

9. Inona no hevi-dehibe ampitain’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny fody?

9 Izao no hevi-dehibe ampitain’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny fody: Zava-dehibe amin’i Jehovah Andriamanitra ny zavatra toa tsy misy vidiny amin’ny olombelona. Mbola nanantitrantitra izany i Jesosy, rehefa nilaza fa “tsy hisy ho latsaka amin’ny tany” ny fody kely, ka hoe tsy ho voamarik’i Jehovah. * Mazava ilay lesona: Raha ny vorona kely indrindra sy tsy misy vidiny indrindra aza voamarik’i Jehovah Andriamanitra, tsy mainka ve fa izay manjo ny olona mifidy ny hanompo azy?

10. Inona no dikan’ny hoe: “Na ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa”?

10 Hoy koa i Jesosy: “Na ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.” (Matio 10:30) Fohy nefa mavesa-danja ireo teny ireo, ary manamafy ilay hevitra nampitain’i Jesosy tao amin’ilay fanoharana momba ny fody. Eritrereto fa 100 000 eo ho eo ny volon-dohan’ny olona amin’ny antsalany. Amin’ny ankapobeny, dia toa tsy misy maha samy hafa ny volo iray amin’ilay eo akaikiny, ary tsy misy volo mendrika ny homarihina manokana. Voamarik’i Jehovah Andriamanitra sady voaisany anefa ny volo tsirairay. Raha izany no izy, misy tsipiriany amin’ny fiainantsika mety tsy ho fantany ve? Azo antoka fa fantany ny toetra mampiavaka ny mpanompony tsirairay. “Mijery ny fo” tokoa izy.—1 Samoela 16:7.

11. Inona no tenin’i Davida mampiseho fa natoky izy hoe niahy azy i Jehovah?

11 Be zava-nanahirana i Davida, nefa natoky izy fa fantatr’i Jehovah izay nanjo azy. Hoy izy: “Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy. Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.” (Salamo 139:1, 2) Matokia koa fa mahalala tsara anao i Jehovah. (Jeremia 17:10) Aza maika hanatsoaka hevitra hoe bitika loatra ianao, ka tsy ho voamariky ny masony matsilo!

“Ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko”

12. Ahoana no ahalalantsika fa fantatr’i Jehovah tsara ny fahorian’ny vahoakany?

12 Tsy hoe mahafantatra ny mpanompony tsirairay fotsiny i Jehovah, fa mahatakatra tsara ny olana mahazo azy koa. Rehefa nandevozina sy nijaly, ohatra, ny Israelita, dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony.” (Eksodosy 3:7) Tena mampahery ny mahalala fa mahita ny fitsapana iaretantsika i Jehovah, sady mandre ny fitarainantsika! Sanatria aminy ny tsy hiraharaha ny fahoriantsika.

13. Inona no mampiseho fa tena miara-miory amin’ny mpanompony i Jehovah?

13 Hita koa fa tena miahy an’ireo mifandray aminy i Jehovah, rehefa dinihina ny fihetseham-pony tamin’ny Israelita. Nijaly izy ireo matetika satria mafy loha, nefa izao no nosoratan’i Isaia momba an’i Jehovah: “Tamin’ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy.” (Isaia 63:9) Raha mpanompon’i Jehovah mahatoky àry ianao, dia matokia fa mijaly koa i Jehovah rehefa mijaly ianao. Moa ve izany tsy mandrisika anao hiatrika tsy amin-tahotra ny fitsapana, sy hanompo azy hatrany araka izay fara herinao?—1 Petera 5:6, 7.

14. Inona no nahatonga an’i Davida hanoratra ny Salamo faha-56?

14 Tena niaiky i Davida Mpanjaka fa niahy sy niara-niory taminy i Jehovah, araka ny Salamo faha-56. Nandositra an’i Saoly Mpanjaka izay nitady hamono azy izy, rehefa nanoratra an’io Salamo io. Nandositra tany Gata i Davida. Natahotra ny ho tratra anefa izy, rehefa fantatry ny Filistinina. Hoy izy: “Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko.” Nitady ny fanampian’i Jehovah izy, satria notandindomin-doza ny ainy. Hoy izy: “Manimba ny raharahako mandrakariva ireny; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.”—Salamo 56:2, 5.

15. a) Inona no tian’i Davida holazaina, rehefa nangataka an’i Jehovah hanao ny ranomasony ao anaty tavoahangy na boky izy? b) Inona no azontsika antoka rehefa iharam-pitsapana ny finoantsika?

15 Nilaza an’ireto teny mahaliana ireto i Davida ao amin’ny Salamo faha-56:8: “Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin’ny bokinao va ireny?” Izany ka teny mampihetsi-po momba ny fiahiana sy ny fitiavan’i Jehovah! Mety hitaraina sy hitomany amin’i Jehovah isika, rehefa miatrika zava-tsarotra. Na i Jesosy, lehilahy lavorary, aza nanao toy izany. (Hebreo 5:7) Niaiky i Davida fa nandinika azy i Jehovah sady nitadidy ny fahoriany, ka toy ny hoe nitahiry ny ranomasony tao anaty tavoahangy na nanoratra izany tao anaty boky. * Hilaza angamba ianao fa ho bebe ihany ny ranomasonao ao anatin’io tavoahangy io, na maromaro ihany ireo pejy ho voasoratra ao amin’ilay boky. Mahereza, raha izany no izy, satria manome toky antsika ny Baiboly hoe: “Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.”—Salamo 34:18.

Lasa naman’Andriamanitra akaiky

16, 17. a) Ahoana no ahalalantsika fa tsy hoe tsy miraharaha izay manjo ny vahoakany akory i Jehovah? b) Inona no nataon’i Jehovah mba hahatonga ny vahoakany hifandray akaiky aminy?

16 Andriamanitra mandinika sy miahy tokoa i Jehovah, matoa mahisa ‘ny volon-dohantsika.’ Voninahitra ho antsika ny mivavaka aminy. Tsy maintsy miandry ny hiavian’ny tontolo vaovao nampanantenain’i Jehovah isika, vao tsy hisy intsony ny fahoriana rehetra. Efa manao zavatra mahatalanjona ho an’ny vahoakany anefa izy, dieny izao. Hoy i Davida: “Ny fifankazarana amin’Iaveh dia anjaran’ny matahotra azy, hampahafantariny azy ny fanambinana avy amin’ny fanekem-pihavanany.”—Salamo 25:14, Fandikan-teny Katolika.

17 Toa tsy takatry ny sain’ny olona tsy lavorary izany hoe ‘hifankazatra amin’i Jehovah’ izany! Manasa an’ireo matahotra azy anefa izy, mba hitoetra ao amin’ny tabernakeliny na tranolainy. (Salamo 15:1-5) Inona no ataony ho azy ireo? Ampahafantariny azy ny fifanekeny, araka ny tenin’i Davida. Ampahafantarin’i Jehovah azy ireo amin’ny alalan’ny mpaminaniny “ny heviny.” Manjary fantatr’izy ireo àry ny fikasany, sy ny hoe inona no tsy maintsy ataon’izy ireo mba hanaovan-javatra mifanaraka amin’izany.—Amosa 3:7.

18. Ahoana no ahalalantsika fa tian’Andriamanitra hifandray akaiky aminy isika?

18 Tena mampahery ny mahalala fa afaka ny ho namana akaikin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Avo Indrindra, isika olombelona tsy lavorary. Mampirisika antsika hanao izany mihitsy izy, raha ny marina. Hoy ny Baiboly: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jakoba 4:8) Tian’i Jehovah hifandray akaiky aminy isika. Efa nanao zavatra mihitsy aza izy mba hampety izany. Afaka minamana amin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra isika, noho ny sorom-panavotan’i Jesosy. Hoy ny Baiboly: “Isika kosa tia, satria izy no tia antsika voalohany.”—1 Jaona 4:19.

19. Nahoana isika no lasa akaiky kokoa an’i Jehovah rehefa miaritra?

19 Vao mainka lasa akaiky an’Andriamanitra isika, rehefa miaritra fitsapana. Hoy i Jakoba mpianatra: ‘Avelao hamita ny asany ny fiaretana, mba ho lavorary sy tsy hisy tsiny amin’ny lafiny rehetra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na amin’inona na amin’inona.’ (Jakoba 1:4) Inona ilay ‘asa’ vita rehefa miaritra zava-tsarotra isika? Tadidio ilay ‘tsilo tao amin’ny nofon’i’ Paoly. Inona no vokatry ny fiaretany? Hoy i Paoly momba ny fitsapana nahazo azy: “Koa aleoko àry mirehareha ny amin’ny fahalemeko, mba hitoetra eo amiko toy ny tranolay ny herin’i Kristy. Koa finaritra aho amin’ny fahalemena, amin’ny fanivaivana, amin’ny tsy fisiana, amin’ny fanenjehana sy ny zava-tsarotra, noho ny amin’i Kristy. Fa rehefa malemy aho, dia amin’izay aho no mahery.” (2 Korintianina 12:9, 10) Nomen’i Jehovah ny hery nilainy izy, eny “hery fanampiny” mihitsy aza, mba hahafahany hiaritra. Lasa akaiky kokoa an’i Kristy sy Jehovah Andriamanitra izy noho izany.—2 Korintianina 4:7; Filipianina 4:11-13.

20. Nahoana no azo antoka fa hanampy sy hampahery antsika i Jehovah rehefa tojo fitsapana isika?

20 Mbola avelan’i Jehovah hitohy angamba ny fitsapana mahazo anao. Raha izany no izy, dia tadidio ity fampanantenany ho an’izay matahotra azy ity: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao mihitsy.” (Hebreo 13:5) Ho hitanao fa hanampy sy hampahery anao izy. Voaisan’i Jehovah ‘ny volon-dohanao.’ Hitany ny fiaretanao. Miara-miory aminao izy. Tena miahy anao izy. Ary tsy ‘hohadinoiny [na oviana na oviana] izay nataonao, sy ny fitiavana nasehonao ho an’ny anarany.’—Hebreo 6:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Nitovitovy tamin’izany ny tenin’i Davida, lehilahy marina, sy ireo zanak’i Kora tsy nivadika.—Salamo 10:1; 44:24.

^ Tsy lazain’ny Baiboly hoe inona ilay ‘tsilo tao amin’ny nofon’i’ Paoly. Tsy nahita tsara angamba ny masony. Na io teny io mety ho nanondro ireo apostoly sandoka sy ireo nanamavo ny fanompoan’i Paoly sy ny naha apostoly azy.—2 Korintianina 11:6, 13-15; Galatianina 4:15; 6:11.

^ Misy manam-pahaizana milaza fa tsy hoe rehefa maty ihany ilay fody, vao latsaka amin’ny tany. Mety ho nidina teo amin’ny tany izy io mba hitsindroka hanina, araka ny fanazavan’izy ireo an’ilay teny tany am-boalohany. Toa te hilaza izany fa tsy hoe rehefa maty ihany ilay vorona vao hitan’Andriamanitra. Miahy sy mahamarika izay ataon’izy io isan’andro koa izy.—Matio 6:26.

^ Tavoahangy hoditra no nampiasaina fahiny, araka ny teny tany am-boalohany. Nokarakaraina sy nohamainina ny hoditr’ondry, osy, ary omby, mba hanaovana tavoahangy. Nitahirizana ronono, dibera, fromazy, na rano izy ireny. Azo nasiana menaka na divay koa ireny tavoahangy hoditra ireny, raha nohamainina ela kokoa.

Tadidinao Ve?

• Inona no mety hahatonga ny olona hihevitra fa nafoin’Andriamanitra izy?

• Inona no lesona tsoahintsika avy amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ny fody sy ny filazany fa voaisa ny volon-dohantsika?

• Inona no dikan’ny hoe atao anaty ‘tavoahangin’i’ Jehovah na ao amin’ny ‘bokiny’ ny ranomasontsika?

• Ahoana no ahafahantsika mifandray akaiky amin’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 22]

Nahoana no tsy nesorin’i Jehovah ‘ny tsilo tao amin’ny nofon’i’ Paoly?

[Sary, pejy 23]

Inona no ianarantsika avy amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ny fody?

[Sary nahazoan-dalana]

© J. Heidecker/VIREO

[Sary, pejy 25]

Rehefa mamaky ny Baiboly tsy tapaka isika, dia manjary matoky fa miahy antsika tsirairay Andriamanitra