Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Azo Nafahana avy Hatrany Izy Ireo”

“Azo Nafahana avy Hatrany Izy Ireo”

“Azo Nafahana avy Hatrany Izy Ireo”

IZANY no nolazain’i Geneviève de Gaulle, tamin’ny Aogositra 1945. Zanaky ny iray tam-po amin’i Charles de Gaulle, filoham-pirenena frantsay taloha izy. Nifankahalala tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia tany Ravensbrück, any avaratr’i Alemaina.

Nafahana ny gadra tao amin’ny toby fitanan’i Auschwitz, any Polonina, tamin’ny 27 Janoary 1945. Nanomboka tamin’ny 1996, dia natao ho andro fahatsiarovana an’ireo niharam-pahavoazana nandritra ny fitondran’i Hitler io daty io, any Alemaina.

Nanao kabary ho fahatsiarovana azy ireo i Peter Straub, filohan’ny Parlemantan’i Baden-Württemberg, tamin’ny 27 Janoary 2003. Hoy izy: “Mendrika ny hohajaina lalina izay rehetra nampijalina noho ny finoany na ny foto-kevitra ara-politika narahiny, sady vonona ho faty toy izay hanaiky lembenana. Tokony hanaja azy ireo isika, nefa tsy hitako mihitsy izay teny hilazana izany. Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no fivavahana nanda tanteraka izay notakin’ny fitondran’i Hitler. Tsy nety nanangan-tanana mba hanomezam-boninahitra an’i Hitler, ohatra, izy ireo. Tsy nety nianiana hanohana an’i ‘Hitler sy ny Fanjakana’ izy ireo, toy ny tsy netezany nanao miaramila na asa hafa nifandray tamin’ny ady. Tsy niditra ho anisan’ny Tanora Mpanohana An’i Hitler koa ny zanak’izy ireo.” 

Hoy i Jesosy Kristy momba ny mpanara-dia azy: “Tsy anisan’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.” (Jaona 17:16) Antony ara-pivavahana ihany àry no nahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah, tsy hitsabaka tamin’ireo raharaha voalaza teo. Hoy ihany i Straub: “Tsy maintsy nanisy telozoro volomparasy teo amin’ny akanjony ny Vavolombelon’i Jehovah, tany amin’ny toby fitanana. Izy ireo ihany no afaka nanao zavatra mba tsy ho faty maritiora. Nafahana izy ireo, raha nanao sonia fotsiny ny taratasy iray nilaza ny fandavany ny finoany.”

Tsy nanao izany ny ankamaroan’ny Vavolombelona. Maty nandritra ny fitondran’ny Nazia àry ny 1 200 teo ho eo tamin’izy ireo. Nisy 270 koa novonoina satria tsy nety nanao miaramila. Tena nampihariny ireto teny ireto: “Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay.”—Asan’ny Apostoly 5:29.

Toy ny olon-drehetra ihany ny Vavolombelon’i Jehovah, hoy i Ulrich Schmidt, filohan’ny Parlemantan’i Rhénanie-du-Nord-Westphalie. Niresaka momba ny kabariny ny bokikely Landtag Intern. Nilaza izy fa “toy ny olon-drehetra ihany” ny Vavolombelon’i Jehovah, “saingy nanaja ny feon’ny fieritreretany, ka tsy nety niala tamin’ny zavatra ninoany, ary nanana herim-po. Nanohitra ny foto-kevitry ny Nazia koa izy ireo noho ny finoany kristianina.” Afaka matoky isika fa mampifaly an’i Jehovah Andriamanitra ireo rehetra tsy mivadika aminy, ao anatin’ny toe-javatra sarotra. Hoy ny Ohabolana 27:11: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.”

[Sary nahazoan-dalana, pejy 30]

Courtesy of United States Holocaust Memorial Museum