Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no dikan’ilay hazavana mahagaga nantsoina koa hoe Sekinà, tao amin’ny Masina Indrindra tao amin’ny tranolay sy ny tempoly, teo amin’ny Israely fahiny?

Nataon’i Jehovah izay hahatsapan’ny Israelita tsara fa teo amin’izy ireo izy, ilay Ray be fitiavana sy Mpiaro ny vahoakany. Fomba iray nanaovany izany ny nanisiany rahona namirapiratra, tao amin’ny toeram-pivavahana taminy.

Io hazavana hafakely io dia nidika fa teo i Jehovah, na tsy hita maso aza. Niseho tao amin’ny efitra Masina Indrindra tao amin’ny tranolay izy io, ary koa tao amin’ny tempoly naorin’i Solomona. Tsy nidika anefa izany hoe tena tao ara-bakiteny i Jehovah, satria tsy mitoetra ao amin’ny trano nataon’olona izy. (2 Tantara 6:18; Asan’ny Apostoly 17:24) Io hazavana mahagaga tao amin’ny toerana masin’Andriamanitra io dia nanome toky ny mpisoronabe sy ny Israelita rehetra, fa vonona foana hiaro sy hikarakara azy ireo ary hanome izay nilainy i Jehovah.

Taorian’ny nanoratana ny Baiboly, dia nantsoina tamin’ny teny aramianina hoe Sekinà (shekhi·nahʹ) io hazavana io, ary midika hoe “izay monina” na “fonenana.” Tsy hita ao amin’ny Baiboly io teny io, fa hita ao amin’ny Soratra Hebreo nadika tamin’ny teny aramianina, izany hoe ny Targoma.

Hoy i Jehovah, rehefa nanome toromarika an’i Mosesy momba ny fanorenana ny tranolay: ‘Apetraho eo ambonin’ny fiara ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ao anatin’ny fiara no asio ny Vavolombelona izay homeko anao. Ary ao no hihaona aminao Aho, ka ao ambonin’ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, dia ao anelanelan’ny kerobima roa, izay eo ambonin’ny fiara.’ (Eksodosy 25:21, 22) Vata nohosorana volamena io Fiara io, ary napetraka tao amin’ny Masina Indrindra. Nisy kerobima volamena roa teo ambonin’ny rakotr’izy io.

Avy taiza i Jehovah no niteny? Mamaly izany ny teniny tamin’i Mosesy hoe: “Hiseho eo amin’ny rahona eo ambonin’ny rakotra fanaovam-panavotana Aho.” (Levitikosy 16:2) Nihevaheva teo ambonin’ilay Fiara masina, teo anelanelan’ny kerobima volamena roa, io rahona io. Tsy lazain’ny Baiboly ny habeny na ny haavony avy teo amin’ireo kerobima.

Io rahona namiratra io ihany, raha ny marina, no nanazava ny tao amin’ny Masina Indrindra. Nahita tsara àry ny mpisoronabe, rehefa niditra tao amin’io efitra anatiny indrindra io, tamin’ny Andro Fanavotana. Nijoro teo anatrehan’i Jehovah izy tamin’io fotoana io.

Misy heviny ho an’ny Kristianina ve io hazavana mahagaga io? Nahazo fahitana momba ny tanàna iray “tsy hisy alina” ny apostoly Jaona. I Jerosalema Vaovao izy io, izany hoe ireo Kristianina voahosotra nitsangana tamin’ny maty, mba hiara-manjaka amin’i Jesosy. Tsy ny masoandro na ny volana no manazava io tanàna an’ohatra io. Manazava azy io mivantana kosa ny voninahitr’i Jehovah Andriamanitra, toy ny nanazavan’ny Sekinà ny Masina Indrindra. “Jirony” koa i Jesosy Kristy, ilay Zanak’ondry. Ilay “tanàna” indray kosa no manazava sy manampy ary mitari-dalana an’ireo olona navotana avy amin’ny firenena rehetra.—Apokalypsy 21:22-25.

Mahazo izany fitahiana tondraka avy amin’i Jehovah izany ny mpanompony. Noho izany, dia matoky izy ireo fa Mpiandry miaro azy sady Rainy be fitiavana i Jehovah.